FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 1 p. 14-15
  • Tsy Hisy Intsony ny Adin-tsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Hisy Intsony ny Adin-tsaina
  • Mifohaza!—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2020
  • Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina
    Mifohaza!—2010
  • “Ho Be ny Fiadanana” Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana
    Mifohaza!—2019
  • Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?
    Mifohaza!—2020
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 1 p. 14-15
Ankizilahy iray sy ny dadany milalao ranomasina, ary mitazana avy eny amorony ny mamany sy ny anabaviny.

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Tsy Hisy Intsony ny Adin-tsaina

Misy torohevitra tena tsara ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika tsy hiady saina amin’izay zavatra tsy tokony hampanahy izy ireny. Marina aloha hoe tsy ho vitantsika ny hanala ny olana rehetra mampiady saina antsika. Ilay Mpamorona antsika anefa afaka manao an’izany, ary nanendry an’i Jesosy Kristy izy mba hanampy antsika. Efa nanao zavatra tsara be dia be i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Mbola tsara lavitra noho izany no hataony amin’ny hoavy, ary ny olona eran-tany mihitsy no handray soa.

HANASITRANA NY MARARY I JESOSY, HOATRAN’NY NATAONY TALOHA.

“Nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary ... ka nositraniny ireny.”​—MATIO 4:24.

HANOME TRANO SY SAKAFO HO AN’NY OLONA REHETRA I JESOSY.

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.”​—ISAIA 65:21, 22.

HIADANA SY HILAMINA NY OLONA REHETRA REHEFA HITONDRA NY TANY I JESOSY.

“Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany. ... Ary hilelaka ny vovoka ny fahavalony.”​—SALAMO 72:7-9.

HOFOANAN’I JESOSY NY TSY RARINY.

“Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—SALAMO 72:13, 14.

NA NY FAHAFATESANA SY NY FIJALIANA AZA HOFOANAN’I JESOSY.

“Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—APOKALYPSY 21:4.

“FOTOAN-TSAROTRA TSY MORA SETRAINA”

“Mbola tsy niady saina, nanahy, nalahelo, ary nijaly hoatr’izao mihitsy ny olona hatramin’izay.”—Mohamed S. Younis, tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Gallup.

Nahoana no be dia be ny olona miady saina? Mamaly an’izany ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1. Izao no voalaza ao: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Lazain’ny Baiboly koa hoe ny toetra ratsin’ny olona no mahatonga an’izany. Resahiny, ohatra, hoe tia vola ny olona, manambony tena, miseho ho mpivavaka, mahery setra, tsy tia ny mpianakaviny, ary tsy mahafehy tena. (2 Timoty 3:2-5) Ho tapitra ny andro farany rehefa hitondra ny tany manontolo i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Daniela 2:44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara