Ray Aman-dreny eo Ambany Fanerena
IREO sambany vao tonga ray na reny dia matetika no toa mientanentana izaitsizy. Saiky ny zava-drehetra momba ilay zanany kely dia toa mampientana azy ireo. Ny tsiky voalohany, ny teny voalohany ataon’ilay zazakely, ary izy miana-mamindra voalohany dia fisehoan-javatra lehibe. Mampifalifaly ny havana aman-tsakaiza amin’ny fitantarana sy sary momba ny zanany izy ireo. Tsy isalasalana mihitsy fa tiany ny zanany.
Ao amin’ny fianakaviana sasany anefa, dia misy zavatra mampalahelo mitombo tsikelikely, rehefa mandeha ireo taona. Ny teny mamy amim-pisangisangiana ataon’ny ray aman-dreny, dia soloana teny henjana sy manorisory; ny famihinana amim-piraiketam-po, dia soloana famelezana amin-katezerana na tsy fikasihana mihitsy; ny fireharehan-dray aman-dreny, dia soloana fahakiviana. “Tsy tokony ho niteraka mihitsy aho”, hoy ny olona maro. Ao amin’ny fianakaviana hafa, dia mbola ratsy kokoa ny zava-manahirana — tsy mampiseho fitiavana ny ray aman-dreny, na dia rehefa mbola zazakely aza ilay zanaka! Tamin’ny iray tamin’ireo toe-javatra ireo, inona no nitranga? Aiza ny fitiavana?
Mazava ho azy fa tsy mahay firy ny valin’ny fanontaniana toy izany ny ankizy. Tsy manakana azy tsy ho tonga amin’ny fanatsoahan-keviny manokana anefa izany. Ao am-pony lalina ao, dia mety hanatsoaka hevitra ara-drariny ny zanaka iray hoe: ‘Matoa i Dada sy i Neny tsy tia ahy, dia satria misy zavatra tsy mety tsara amiko. Tsy maintsy ho tena ratsy aho.’ Mety hanjary zavatra inoana tanana mafy izany — izay afaka mahatonga izao karazam-panimbana rehetra izao mandritra ny androm-piainana manontolo.
Ny marina anefa dia hoe ny ray aman-dreny, noho ny antony maro karazana, no mety tsy hampiseho amin’ny zanany ny fitiavana izay ilain’izy ireo. Tsy maintsy ekena aloha fa ny ray aman-dreny amin’izao andro izao dia miatrika fanerena goavana maro, ka ny fanerena sasany, dia amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany. Ho an’ny ray aman-dreny tsy voaomana hiatrika azy ireny araka ny mety, ireny fanerena ireny dia afaka mitondra vokany tena manimba eo amin’ny asany amin’ny maha-ray aman-dreny azy. Hoy ny fitenenana tranainy feno fahendrena iray: “Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. — Mpitoriteny 7:7.
“Fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina”
Vanim-potoana fanaperana. Izany no nantenain’ny olona maro ho hita hiseho tsikelikely tamin’itỳ taonjato itỳ. Alao sary an-tsaina ange e — tsy misy fanerena ara-bola, mosary, hain-tany sy ady intsony! Tsy tanteraka anefa ny fanantenana toy izany. Mifanohitra amin’izany fa ny tontolo amin’izao andro izao dia araka ny naminanian’ny mpanoratra ny Baiboly tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. azy. Nanoratra izy fa amin’izao androntsika izao dia hiatrika “fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny no ho voalohany hiray hevitra amin’ireo teny ireo.
Maro amin’ireo sambany vao tonga ray na reny no mitanàka eo anoloan’ny halafon’ny fitaizan-janaka eo amin’ny tontolo amin’izao andro izao. Matetika dia tsy maintsy miasa any ivelan’ny tokantrano avokoa ny ray sy ny reny mba hahazoana vola ampy hivelomana. Ny fandaniana ara-pitsaboana, ny fitafiana, ny momba ny fianarana, ny fikarakarana andavanandro, ary na dia ny sakafo sy ny trano ipetrahana aza, izany rehetra izany dia mety hampitosaka onja-na faktiora be dia be isam-bolana, ka mahatonga ray aman-dreny maro hahatsapa tena ho toy ny hoe madiva ho rendrika. Ny tarehin-javatra ara-bola dia mampahatsiahy ny mpianatra ny Baiboly ny amin’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy, izay nanambara mialoha fotoana handanian’ny olona ny karama indray andro maninjitra, mba hividianana fotsiny ny zavatra ilainy izay tsy haharitra azy ireo afa-tsy indray andro! — Apokalypsy 6:6.
Tsy azo antenaina ny hahatakaran’ny ankizy ireo fanerena rehetra atrehin’ny ray aman-dreniny ireo. Tsy azo antenaina izany, satria efa maha-izy ny ankizy ny hoe mila zavatra foana, ary ny hoe mangetaheta fitiavana sy fiheverana. Ary ny fanerena azony avy amin’ny fampitam-baovao sy avy amin’ny mpiara-mianatra mba hanana ny kilalao sy ny fitafiana ary ny fitaovana elektronika nivoaka farany indrindra, dia matetika no miteraka fanerena ny ray aman-dreny mba hanome fahafaham-po ny zavatra irina rehetra mitombo isa foana.
Ny fikomiana dia fanerena iray hafa eo amin’ny ray aman-dreny, fanerena izay toa nihamafy tato ho ato. Mahaliana fa naminany ny Baiboly fa ny fielezan’ny tsy fankatoavan’ny zanaka ny ray aman-dreniny dia famantarana iray hafa an’izao androntsika mikorontana izao. (2 Timoty 3:2). Marina aloha fa tsy zava-baovao velively ny zava-manahirana eo amin’ny fifehezan-janaka. Ary tsy misy ray aman-dreny afaka milaza ara-drariny hoe maditra ny ankizy iray matoa ampijalina. Moa ve anefa ianao tsy hanaiky fa ny ray aman-dreny amin’izao andro izao dia tsy maintsy miady mba hitaizana zanaka ao anatin’ny kolontsain’ny fikomiana? Mozika be mpitia izay mampandroso ny fahavinirana, ny fikomiana ary ny famoizam-po; fandaharana ao amin’ny televiziona izay mampiseho ny ray aman-dreny ho olona adala mitavozavoza ary ny zanaka ho ambony noho izy ireo sady mirehaka ho mahira-tsaina; sarimihetsika izay midera ny fanaovan-javatra amin’ny fironana feno herisetra — ny ankizy amin’izao andro izao dia iharan’ny fitosahan’ny hery mitaona toy ireo. Ny ankizy izay mandray sy manahaka io kolontsain’ny fikomiana io dia afaka mametraka fihenjanana mafy eo amin’ny ray aman-dreniny.
“Tsy hanana firaiketam-po voajanahary”
Misy lafiny iray hafa amin’io faminaniana tranainy io ihany anefa izay manambara mialoha fikorontanana betsaka kokoa aza ho an’ny fianakaviana amin’izao andro izao. Manondro izy io fa olona sesehena no tsy hanana “firaiketam-po voajanahary”. (2 Timoty 3:3, NW ). Ny firaiketam-po voajanahary no mihazona ny fianakaviana hitambatra. Ary na dia ireo faran’izay be fisalasalana momba ny faminanian’ny Baiboly aza, dia voatery hiaiky fa izao fotoana iainantsika izao dia nahita faharavana mahatafintohina teo amin’ny fiainam-pianakaviana. Manerana ny tany dia nitombo be ny tahan’ny fisaraham-panambadiana. Ao amin’ny fiaraha-monina maro dia mihafahita kokoa noho ny fianakaviana mahazatra, ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, sy ny fianakaviana misy raikely na renikely. Indraindray ny ray na ny reny irery sy ny raikely na renikely dia miatrika zava-tsarotra sy fanerena manokana, izay afaka manasarotra ny hanehoany amin’ny ankizy ny fitiavana ilain’izy ireo.
Misy vokany lalina kokoa anefa izany. Maro amin’ny ray aman-dreny amin’izao andro izao no nihalehibe tao amin’ny tokantrano izay tsy nisy afa-tsy “firaiketam-po voajanahary” kely na tsy nisy mihitsy — tokantrano izay voazarazaran’ny fanitsakitsaham-bady sy ny fisaraham-panambadiana; tokantrano izay simban’ny fangatsiahana sy ny fankahalana; angamba aza tokantrano izay nahitana matetika fampijaliana amin’ny teny, ara-pihetseham-po, ara-batana na fametavetana. Ny hoe mihalehibe ao amin’ny tokantrano toy izany dia tsy vitan’ny hoe manimba ny ankizy, fa afaka manimba azy koa na dia rehefa tonga olon-dehibe aza izy. Ireo antontan’isa dia manome izao sary manjombona izao: ny ray aman-dreny izay nampijalina fony ankizy, dia azo inoana kokoa fa hampijaly ny zanany. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo Jiosy dia nanana izao fitenenana izao: “Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ny zanany no madilo”. — Ezekiela 18:2.
Kanefa nilaza tamin’ny vahoakany Andriamanitra fa tsy voatery ho izany no izy. (Ezekiela 18:3). Misy hevi-dehibe tsy maintsy avohitra eto. Moa ve ireny fanerena rehetra eo amin’ny ray aman-dreny ireny midika fa tsy afaka ny hanao afa-tsy ny hitondra ny zanany amin’ny fomba ratsy izy? Tsy izany velively! Raha ray na reny ianao ka mahita ny tenanao miady mafy amin’ny sasany amin’ireo fanerena voalaza etsy aloha, ary manahy ianao raha ho afaka ho tonga ray na reny tsara, dia mahereza! Tsy voatery ho araka izay voalazan’ny antontan’isa akory ianao. Ny fiainanao tamin’ny lasa dia tsy mamaritra ho azy izay ho fiainanao amin’ny hoavy.
Mifanaraka amin’ny fanomezan-tokin’ny Soratra Masina hoe azo atao ny mihatsara, ilay boky hoe Healthy Parenting dia manao izao fanazavana izao: “Raha tsy minia manao dingana [ianao] hitondra tena amin’ny fomba hafa noho ny nataon’ny ray aman-dreninao, ny fomba fitaizana anao teo amin’ny fahazazanao dia hiverina ho azy, na tianao na tsy tianao. Mba hanapahana io tsingerin-javatra io, dia mila manjary mahafantatra ny fomba fitaizana tsy tsara izay tohizinao ianao ary mianatra ny manova azy.”
Eny, raha ilaina, dia afaka manapaka ny tsingerin’ny fampijaliana eo amin’ny fitaizan-janaka ianao! Ary afaka miatrika ireo fanerena izay manasarotra aoka izany ny fitaizan-janaka amin’izao andro izao ianao. Amin’ny fomba ahoana anefa? Aiza no ahafahanao mianatra ny fari-pitsipika tsara indrindra sy azo ianteherana indrindra momba ny fitaizan-janaka? Handinika momba io raharaha io ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 6]
Eo ambany fanerena, dia tsy mampiseho fitiavana ny zanany ny ray aman-dreny sasany
[Sary, pejy 7]
Tokony hampiseho ny fitiavana izay ilain’ny zanany ny ray aman-dreny