“Fiadanana ho anareo”!
“Dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo”! — JAONA 20:19.
1. Nahoana moa no voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana ireo fiezahan’ny olona hanorina fiadanana eo amin’izao tontolo izao?
“IZAO tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Marina io fanambarana io tamin’ny andron’i Jaona, ary vao mainka toy izany amin’izao androntsika izao. Ny herisetra, ny fampihorohoroana, ny ady sy ny fandraisana kolikoly tokoa dia mitombo amin’ny fomba maharaiki-tahotra. Afa-tsy izany koa, na dia ao aza ny fiezahan’ny papa, ireo tompon’andraikitra ara-politika sy ny O.N.U., ny teny nomen’Andriamanitra an’i Jaona tamin’ny tsindrimandry dia manilika izay rehetra mety ho fanantenana ny hahita ny olombelona manorina ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao. Nahoana àry? Satria “tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro”. — Isaia 57:21.
2. Mahafaoka inona moa, indrindra fa amin’ny teny hebreo sy grika, ny hevitra hoe “fiadanana”?
2 Ny teny hoe “fiadanana” anefa dia mety hilaza mihoatra noho ny tsy fisian’ny ady fotsiny; ohatra, ny “fahatoniana anaty ananan’ny olona iray, [ny] toetry ny fanahy izay tsy voakorontan’ny ady, ny fanahiana, mihitsy”. Ambonin’izany, ny teny hebreo (shalôm) sy grika (eïrênê) nadika hoe “fiadanana” dia manana heviny mitatra kokoa ihany. Mety hampahatsiahy fahasambarana tokoa izany, toy izao fomba fanaovam-beloma izao: “Mandehana soa aman-tsara [amim-piadanana, MN ].” (1 Samoela 1:17; 29:7; Lioka 7:50; 8:48). Izany dia manampy antsika hahatakatra ny fitiavana feno nasehon’i Jesosy ny mpianany tao anatin’ireo fotoam-pitsapana nanodidina ny nahafatesany.
3. Inona moa no mampiseho fa niahy tokoa ny amin’ireo mpianany i Jesosy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, ary inona no vokatr’izany?
3 Maty ny zoma 14 Nisana Jesosy ary natsangana ny alahady 16 Nisana taona 33. Niahy aoka izany foana ny amin’ny hahasambatra ireo mpianany izy ka nanomboka nitady azy ireo. Taiza no nahitany azy? Tao amin’ny efitrano iray nihidy mafy ny varavarany “noho ny fahatahorany ny Jiosy”. Tsy mahagaga raha feno fitebitebena sy tahotra izy ireo. Izao anefa no nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Fiadanana ho anareo”! (Jaona 20:19-21, 26). Nohatanjahin’ny fanahy masina izy ireo nony avy eo ka nahafehy tena indray ary nanomboka tamim-pahasahiana ny asa fitoriana nankinina tamin’izy ireo, ka nanampy olona maro be hahita ny fiadanan’Andriamanitra.
Ny fiadanan’Andriamanitra amin’izao andro izao
4. Ahoana moa, ao anatin’ny fotoana fanapahan-javatra iainantsika, no azon’ireo mpanompon’i Jehovah itanana fiadanan-tsaina sy fo?
4 Miaina amin’ny “andro mahory” isika izao, dia ny andro farany (2 Timoty 3:1). Araka ny porofoin’ny ady, ny mosary sy ny aretina mahafaty mamely hatraiza hatraiza, dia mitety ny tany ireo mpitaingin-tsoavaly voambara ao amin’ny Apokalypsy (Apokalypsy 6:3-8). Tsy afaka amin’ny toe-piainana mafy manjaka manodidina azy ireo mpanompon’i Jehovah. Amin’izany, ahoana no azonao itanana ny fiadanan-tsaina sy fo, dia io fiadanana avy amin’Andriamanitra io? Amin’ny fanakekezana foana an’ilay Loharanom-pampaherezana sy fiadanana lehibe. Asehon’ny lahatsoratra teo aloha fa ilaina amin’izany ny hivavahana, hitalahoana amin’i Jehovah matetika. Amin’izany, “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy”. — Filipiana 4:6, 7.
5. Nahoana moa no azon’i Paoly antoka fa afaka miaro ny fontsika “ny fiadanan’Andriamanitra”?
5 Ny tenan’ny apostoly Paoly izay nanoratra ireo teny ireo dia nahita loza sy fahasahiranana koa. Nogadraina sy nokapohin’ny Jiosy sy ny Romana izy. Notoraham-bato sy noheverina ho efa maty. Nisetrana loza ny fandehanana tamin’izany fotoana izany: intelo vaky sambo Paoly ary matetika no notandindomin-doza noho ny jiolahy. Nandany alina maro tsy nahitan-tory izy ary matetika no niaritra hatsiaka sy hanoanana ary hetaheta. Afa-tsy izany koa, isan’andro izy dia nianjadian’ny “fanahiana ny amin’ny kongregasiona rehetra”. (2 Korintiana 11:24-28, MN.) Fantatr’i Paoly noho izay efa tsapany àry ny maha-zava-dehibe ny “fiadanan’Andriamanitra”, izay afaka miaro ny fontsika.
6. Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hamatorantsika sy hitanantsika fifandraisana akaiky sy mafana amin’ny Mpamorona antsika?
6 “Ny fiadanan’Andriamanitra” dia azo lazalazaina ho fahatsapana filaminana, fahatoniana, vokatry ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Zava-dehibe tokoa ho antsika kristiana ny manana izany fiadanana izany, indrindra fa rehefa ianjadian’ny fanenjehana na ny fahoriana isika. Nahoana? Satria noho isika rehetra tsy tanteraka, raha itambesaran’ny fahasahiranana, ny fihenjanana, ny fanoherana na fahoriana sasany isika, dia mety ho raiki-tahotra mora foana ka hanjary hiala amin’ny tsy fivadihantsika. Izany fahadisoana izany dia hanala baraka ny anaran’Andriamanitra, hamoizantsika ny fankasitrahan’i Jehovah ary mety hampanary antsika ny fiainana mandrakizay. Zava-dehibe tokoa àry ny hiezahantsika hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra” izay hanampy antsika hisetra ireny fitsapana rehetra ireny amim-pahombiazana. Io fiadanana io, aoka isika tsy hisalasala ny amin’izany, no anankiray amin’ireo ‘fanomezan-tsoa sy fanomezana tanteraka’ atolotry ny Raintsika any an-danitra antsika. — Jakoba 1:17.
7, 8. a) Avy aiza moa “ny fiadanan’Andriamanitra”, ary amin’ny heviny ahoana izany no “mihoatra noho ny fahalalana rehtra”? b) Ohatra ny amin’izany fiadanana izany inona moa no nomen’ny Vavolombelona afrikana iray?
7 Tsapanao angamba fa ny olona sasany dia misetra ireo fisehoan-javatra eo amin’ny fiainana amim-pahatoniana sy toky. Izany toetoetra izany dia matetika no avy amin’ny fahaizana voajanahary, ny herin’ny fianakaviana, ny fananana ara-bola, ny fianarana natao na anton-javatra hafa koa. Hafa dia hafa noho izany “ny fiadanan’Andriamanitra”. Izany dia tsy avy amin’ny toe-javatra mora, na ny fahaizana na ny fiheveran’olombelona, fa avy amin’Andriamanitra; “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” izany. Ny Bible en français courant dia mandika ny Filipiana 4:7 toy izao: “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny mety ho takatry ny olombelona rehetra.” Gaga aoka izany ny olona matetika noho ny fomba isetran’ny kristiana fahasahiranana na aretina ara-batana mafy, na fahafatesana koa aza.
8 Ny ohatra iray amin’ny andro ankehitriny ny amin’izany fahaiza-miaritra izany dia omen’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nitarika fivoriana kristiana tao amin’ny tany iray niampangana ny Vavolombelona ho manao fampihorohoroana, noho ny famporisihan’ny Eglizy katolika indrindra. Nitsofoka tao amin’ilay efitrano ny anisan’ny polisin’ny tafika, nirongo fiadiana. Nalefany hody ny zaza amam-behivavy, avy eo dia nokapohiny ireo lehilahy. Izao no tsaroan’ilay Vavolombelona: “Tsy hitako ny teny hilazalazana ny fomba nitondrana anay. Nanambara an-karihary ilay kaporaly nitarika ny andian-tafika fa hokapohina mandra-pahafatinay izahay. Novelezina mafy aoka izany tamin’ny langilangy aho ka nandoa ra noho izany nandritra ny telo volana. Tamin’izay anefa, ny nitana ny saiko indrindra, dia izay hanjo ireo namako. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hikarakarany ny ain’ireo rahalahiko, ireo ondriny”, izay tsy nisy maty tamin’izany. Endrey izany oha-pahatoniana eo anoloan’ny fahoriana sy fitiavana ny hafa nomen’io kristiana io! Eny, mihaino ny hataka ataon’ireo mpanompony mahatoky ny Raintsika tia amin’ny fanomezana azy ireny ny fiadanany. Talanjona ny anankiray tamin’ireo miaramila teo; nanambara izy fa “tsy maintsy ho tsara fanahy” ny Andriamanitry ny Vavolombelona.
9. Inona moa no mety ho herin’ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Baiboly?
9 Amin’ny fotoan-tsarotra iainantsika, dia kristiana maro no tojo fahasahiranana izay miteraka ao aminy, fahatsiarovana fahakiviana sy fahadisoam-panantenana. Amin’izany, ny fomba iray tsara dia tsara hitanana fiadanan-tsaina dia ny famakiana ny Baiboly sy ny fisaintsainana izany. Io fanazaran-tena io dia mety hanome azy ireny ny hery sy ny fahavononana izay hahatonga azy ho afaka ny haharitra amim-piorenana mafy hatrany: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” — Hebreo 4:12.
10. Ahoana moa no mety haha-fitahiana ny fitadidiana andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina?
10 Inona anefa no hitranga raha mamely antsika ny loza, nefa tsy misy Baiboly any amintsika? Ohatra, mety hosamborina sy hampidirina an-tranomaizina ny kristiana iray, nefa tsy ho afaka ny hahazo Baiboly. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ho fitahiana ho azy tokoa raha azony atao ny mahatsiaro andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina toy ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:6, 7; Ohabolana 3:5, 6; 1 Petera 5:6, 7 sy ao amin’ny Salamo 23. Tsy ho faly ve ianao ho afaka hahatsiaro ireo andinin-teny ireo sy hisaintsaina izany? Ho toy ny hoe, avy ao anatin’ny tranomaizinao manjombona, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no renao miresaka aminao. Afaka manasitrana ny saina torovana, manatanjaka ny fo tsy miorina tsara ary manova ny fitebitebena ho fiadanana ny Tenin’Andriamanitra (jereo Salamo 119:165). Eny, zava-dehibe tokoa — dieny izao, raha mbola afaka manao izany isika — ny hiraketantsika andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly ao an-tsaintsika.
11. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa ny kristiana iray tany Pays-Bas no nila sakafo ara-panahy?
11 Arthur Winkler dia anankiray tamin’ireo izay faly nanana ny Baiboly, indrindra fa fony nandresy an’i Pays-Bas ny nazia. Tamin’izany fotoana izany ny Vavolombelona dia tsy maintsy nanohy ny asany tamim-piafenana. Rehefa avy nitady ny rahalahy Winkler elaela ny Gestapo dia nahita azy ary niezaka nitarika azy hamadika, nefa tsy nahomby. Nokapohina izy mandra-pahatongany tsy hahatsiaro saina, tapaka ny nifiny, nipitsoka ny valanoranony ambany ary torovana ny tenany, dia natao tao anaty fonja maizina izy. Be fangoraham-po sy fahamoram-panahy anefa ilay mpiambina azy. Nangataka tamin’i Jehovah ny fitarihany tao amin’ny vavaka ny rahalahy Winkler. Nila dia nila sakafo ara-panahy koa izy ary nangataka tamin’ilay mpiambina mba hanampy azy hahazo amin’izany. Tatỳ aoriana, dia nivoha ny varavaran’ny fonja, ary nisy nanipy Baiboly tao anatiny. “Toy inona moa ny fifaliana afaka nankamamy isan’andro ireo teny fahamarinana mahafinaritra!” hoy ny rahalahy Winkler tatỳ aoriana. “Nihanatanjaka ara-panahy ahoa.”
Hiaro anao ny fiadanan’Andriamanitra
12. Nahoana moa isika no tokony hiaro indrindra ny fontsika sy ny fahaizantsika ara-tsaina?
12 Mampanantena Jehovah fa ny fiadanany dia “hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo”. (Filipiana 4:7.) Zava-dehibe tokoa ny fiarovan’Andriamanitra, satria ny fo no fototry ny antony manosika hanao zavatra sy ny fihetseham-po, ary, amin’izao andro farany izao, dia mety hihaosa mora foana ny fontsika noho ny tahotra na ny fitebitebena, na hanosika antsika ho amin’ny ratsy koa. Eo amin’izao tontolo izao, dia mikororosy isan’andro ny fari-pitondrantena. Tokony hitandrina mandrakariva àry isika. Ankoatra ny fontsika, ny ‘hevitsika [fahaizantsika misaina, MN ]’ dia mila koa ny hampiorenina mafy sy ny hotarihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny kongregasionany.
13. Raha miaro ny fahaizantsika ara-tsaina “ny fiadanan’Andriamanitra”, soa inona avy no raisintsika avy amin’izany?
13 Ny Rakibolana grika frantsay nataon’i Bailly dia mampiseho fa ny teny hoe noêma, nadika amin’ny hoe “fahaizana misaina” dia manana heviny hoe: “hevitra, volavolan-kevitra, fikasana.” Noho izany, ny fiadanan’Andriamanitra dia mety hampiorina mafy izay kasaintsika ao anatin’ny kristianisma ka hiaro antsika amin’izay rehetra mety ho fironana hihaosa na hiova hevitra tsy misy antony azo ekena. Amin’izany, ny fahakiviana sy ireo fahasahiranana dia tsy ho afaka hampiala antsika mora foana amin’ny lalantsika. Raha noferantsika ho zava-kendrena ny hiditra ho amin’ny karazana asa manokana ho an’i Jehovah, ohatra, amin’ny fahatongavana ho minisitra manontolo andro na amin’ny fandehanana hiorim-ponenana any amin’ny faritra iray tena ilàna mpitory, “ny fiadanan’Andriamanitra” dia hanampy antsika be dia be haharitra amin’ny fanatanterahana ny fikasantsika (jereo Lioka 1:3; Asa. 15:36; 19:21; Romana 15:22-24, 28; 1 Tesaloniana 2:1, 18). Mba hanatanjahana ny fahaizantsika misaina, dia tokony hanokana fotoana be dia be amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny famonjena ireo fivoriana kristiana isika. Amin’izany no hamahanantsika ny saintsika sy ny fontsika amin’ny hevitra madio sy mampandroso. Mandany fotoana ampy ve ianao mba handinihana ireo “fanambarana” ara-tsindrimandrin’Andriamanitra? Tokony hanao misimisy kokoa ve ianao amin’io lafiny io?
14. Torohevitra araka ny Baiboly inona no tokony hohenointsika, ary nahoana?
14 Tsapa fa mba hahazoana “ny fiadanan’Andriamanitra”, dia ilaina ny hampiasana ny fo sy ny saina — na fahaiza-misaina — ary samy mandray soa avy amin’izany izy roa ireo. Manamarina izany ity torohevitr’Andriamanitra ity: “Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, ary raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” — Ohabolana 4:20-23.
15. Ahoana moa no anomezan’i Jesosy antsika fahafahana hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra”?
15 “Ny fiadanan’Andriamanitra” entin’ny fifamatorana akaiky sy mafana amin’i Jehovah dia miaro ny fontsika sy ny fahaizantsika misaina “ao amin’i [amin’ny alalan’i, MN] Kristy Jesosy”. (Filipiana 4:7.) Ahoana no anomezan’i Jesosy antsika fahafahana hahazo izany fiadanana izany? Nanazava izany i Paoly fony izy nilaza hoe: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika.” (Galatiana 1:3, 4). Eny, naneho fitiavana i Jesosy tamin’ny fanomezana ny ainy mba hanavotana antsika (Matio 20:28). Araka izany, dia “amin’ny alalan’i Kristy Jesosy” no aneken’i Jehovah antsika ho mpanompo nanolo-tena ho azy, ka ahafahantsika manandrana ny fiadanan’Andriamanitra izay afaka miaro antsika.
Ireo loza mandrahona ny fiadanan’Andriamanitra
16. Torohevitr’i Paoly inona moa no mety hanampy antsika hitana “ny fiadanan’Andriamanitra”?
16 Rehefa nahazo ny fiadanan’Andriamanitra isika, dia tokony hiahy ny amin’ny hiarovana izany. Misy ny antony mety hampanary ny fiadanana ny kristiana iray; anisan’ny fahita indrindra, dia aoka hotononintsika ilay azo antoka fa mampidi-doza indrindra: ny filan’ny fahatanorana. Tao amin’ny taratasy faharoa nalefany, dia nomen’i Paoly izao torohevitra izao Timoty izay azo inoana fa nihoatra ny telopolo taona tamin’izany fotoana izany: “Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” — 2 Timoty 2:22.
17. Ahoana moa matetika no nanomezana fahafahampo ny filana momba ny lahy sy ny vavy nataon’i Jehovah ao amin’ny olombelona teo amin’ny fotoana nisian’ny Tantara?
17 Ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia anisan’ny faniriana mampiavaka ny fahatanorana ary mahita toerana mendri-kaja ao anatin’ny fanambadiana. Tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny Tantara anefa, io faniriana io dia nomena fahafahampo tany ivelan’ny fatoram-panambadiana, ka tsy mankasitraka izany ny Mpamorona antsika hendry (Hebreo 13:4; Genesisy 34:1-3). Amin’izao andro izao ny loza entin’ny fahalotoam-pitondrantena dia mandrahona ny tanora kristiana sy ny efa be taona kokoa. Amin’ny andro farany ho an’izao tontolo izao tia filibana, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia nampidinin’ny maro ho amin’ny laharan’ny fahamaimaizan’ny nofo fotsiny, ampiarahina amin’ny fanao fampiasan’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy. — Romana 1:24-27.
18. Nahoana moa no tsy niorina tsara ny fon’ny sasany, ary inona no mety hitranga amin’izy ireny?
18 Koa satria isika miaina ao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia zava-dehibe tokoa ny hifikiran’ny fontsika mafy sy amim-piorenana tsara amin’i Jehovah. Ny sasany nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana, mino ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ary manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny olon’Andriamanitra; kanefa izy ireny tsy mahatsapa fankasitrahana lalina an’i Jehovah ary tsy manome vidiny ampy ho an’ny Teniny sy ny kongregasiona noho izao tontolo izao. Mbola tsy miorina tsara ny fony. Mora voavilin’ny “filan’ny tanora fanahy” izy ireny. Mety hahatohitra ny fakam-panahy hijangajanga na hanitsakitsa-bady ny sasany amin’izy ireny, nefa, araka ny nilazan’i Paoly azy mialoha, dia manjary “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:4.) Betsaka lavitra ny fotoana laniny ijerena televiziona, amakiana tantara noforonina na ihainoana mozika mirehidrehitra noho ny ianarana ny Baiboly, anatrehana ireo fivoriana kristiana na itoriana. Amin’izany dia mihaosa eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireny ary amin’ny farany dia manao fahotana lehibe.
19. Inona no tokony hataontsika mba tsy hahadiso lalana antsika?
19 Ireny olona ireny, sahala amin’ny sambo tsy misy vatofantsika, dia mividy lalana manatona ny loza. Inona no tokony hataon’izy ireny? Manome izao torohevitra izao i Paoly: “Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” (Hebreo 2:1). Ireo tandindomin-doza àry dia tokony ‘hitandrina mafimafy kokoa’ ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny fanomanana ireo fivoriana kristiana sy ny fitoriana ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa mora ny milaza hoe: ‘Torohevitra tsara izany, nefa tsy mihatra amiko.’ Tsy ho fahendrena kokoa ve ny handinihan’ny tsirairay avy amintsika tsara izay azony atao mba hanadiovana bebe kokoa ny fony, ny fisainany lalina sy ny faniriany, ka ‘hiezahana hitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio’? (2 Timoty 2:22.) Ambonin’izany zavatra rehetra, dia tokony hangataka amin’Andriamanitra isika mba hanomezany antsika ny fitarihany sy ny fanampian’ny fanahiny, izay hanatanjaka antsika.
20. Inona no tokony hataon’izay nanao fahadisoana lehibe?
20 Raha niharihary fa nanjary meloka ho nanao fahotana lehibe ny sasany ka manafina ny fahadisoany, dia mazava fa hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny “fiadanan’Andriamanitra” izy ireo. Hafoiny koa ny fiadanan-tsaina (jereo 2 Samoela 24:10; Matio 6:22, 23). Hita àry ny antony andidiana ireo kristiana nanao fahotana lehibe mba hamboraka ny ao am-pony amin’i Jehovah sy amin’ireo loholona feno fitiavana, ka izany no lalana ho amin’ny fanarenana ara-panahy (Isaia 1:18, 19; 32:1, 2; Jakoba 5:14, 15). Raha mitady ny fanampian’ny kristiana matotra ny olona iray tsy nahajoro ara-panahy teo amin’ny lalana malaman’ny ota, dia tsy hampijaly azy intsony ny fieritreretany, ary hahita ny fiadanan’Andriamanitra izy.
21. Inona no antony tokony hahavelom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah antsika amin’izao andro izao, ary inona no tokony ho fahavononantsika?
21 Toy inona moa ny tombontsoa ho Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao! Manodidina antsika, dia montsamontsana izao tontolo izaon’i Satana. Tsy ho ela dia hanjavona izy. Olona be dia be no ‘rera-po noho ny fahatahorana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany’. Afaka miandrandra anefa isika satria fantatsika fa “manakaiky ny fanavotana” antsika. (Lioka 21:25-28.) Aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hanompoana amim-pahatokiana ilay “Andriamanitra manome fiadanana”; amin’izany no hampisehoantsika amin’i Jehovah fa mankasitraka azy tokoa isika noho ny nanomezany antsika ny ‘fiadanany izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. — Romana 15:33, MN; 1 Korintiana 15:58.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1986, pejy faha-154 ka hatramin’ny 157.
Famerenana
◻ Ahoana moa no anampian’ny “fiadanan’Andriamanitra” antsika amin’izao andro izao, ary nahoana no azo atao ny milaza fa “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” izany?
◻ Inona no mahatonga antsika ho afaka hitana ny fiadanan-tsaina?
◻ Inona no loza an-kolaka mandrahona ny kristiana maro amin’izao andro izao, ary inona no mety hitranga amin’izy ireny?
◻ Inona no tokony hataon’ny kristiana iray izay nanao fahadisoana lehibe?
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Fantany izao fa marina izany.
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nalefan’ny nazia tany amin’ny toby fitanana any Sachsenhausen ny vadin’i Elsa Abt noho ny asa kristiana fitoriana nataony. Tatỳ aoriana, tamin’ny may 1942, dia tonga tao an-tranony ny Gestapo, naka ny zanany vavy kely ary nandefa azy kosa ho any amin’ny toby samihafa. Niasa tany i Elsa, nijaly. Izao no fanambarana nataony:
“Nanatsoaka fianarana miavaka avy amin’ireo tanora rehetra lany tany amin’ny toby fitanana ireo aho. Fantatro izao fa mety hanatanjaka antsika tokoa ny fanahin’i Jehovah rehefa mandia ireo fitsapana ratsy indrindra isika. Talohan’ny nisamborana ahy, dia novakiko ny taratasin’ny rahavavy iray izay nilaza fa ao anatin’ny fahoriana misedra indrindra, ny fanahin’i Jehovah dia mandrotsaka eo amintsika karazam-piadanana amim-pahatoniana. Tamin’izay fotoana izay dia niteny anakampo aho fa angamba somary tafahoatra izany. Kanefa, rehefa niharan’ny afon’ny fitsapana ny tenako, dia fantatro fa nilaza ny marina io rahavavy io. Ho an’izay tsy mbola nandalo tamin’izany, dia sarotra ny maka sary an-tsaina ny amin’izany, kanefa dia tena tsapako tokoa izany. Eny, manampy antsika Jehovah.”
[Sary, pejy 16]
Fantatr’i Paoly noho ny fanandraman-javatra fa afaka miaro ny fontsika ny fiadanan’Andriamanitra.
[Sary, pejy 19]
Mivily lalana ve ny fiainanao ara-panahy?