-
Mba ho vanona ny fanabeazanao anakaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Aogositra
-
-
Ny renin’i Timoty, ary angamba koa Loisa renibeny, dia nitandrina tsara mba tsy ho ny hevitr’izy mianaka manokana no hamolavola an-drazazalahy hatry ny fony vao menavava; fantatr’izy ireo tokoa mantsy fa tsy hisy hampahendry azy ho amin’ny famonjena afa-tsy ny fampianarana avy amin’i Jehovah. Inty misy teny notsoahina avy amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” — 2 Timoty 3:14, 15.
-
-
Mba ho vanona ny fanabeazanao anakaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Aogositra
-
-
Tsy maintsy ho fantatr’i Timoty koa hoe karazana olona nanao ahoana ny reniny sy ny renibeny, dia vehivavy ara-panahy tokoa izay tsy ho namitaka azy na oviana na oviana na ho nanolana ny marina mba hanampatra ny fitiavan-tenany. Tsy mpihatsaravelatsihy koa ireo. Noho izany dia tsy nisy antony mihitsy tokony hisalasalany ny amin’izay nianarany. Tsy maintsy ho lalina tokoa ny hafalian-dreniny nahatoky raha nahita azy niaina tamin’ny naha-kristiana mafana fo, rehefa lehibe.
-