FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 7. Nahoana ireo Soratra ara-tsindrimandry no mahasoa “amin’ny andro farany” indrindra indrindra?

      7 “Amin’ny andro farany”, dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina sy olona izay ho hita fa sandoka ny fampiderany fifikirana amin’Andriamanitra, ‘hianatra mandrakariva, nefa tsy hahatratra ny fahalalana ny marina’. I Timoty anefa nanaraka tsara ny fampianarana sy ny fitondran-tenan’i Paoly ary ny fanenjehana nahazo azy nefa nanafahan’ny Tompo azy. “Eny”, hoy ny teny nanampiny, “izay rehetra te-ho velona amin’ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ], izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” I Timoty anefa tokony haharitra amin’izay zavatra nianarany hatry ny fony vao zaza, izay nampahahendry azy ho amin’ny famonjena, satria “ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. — 3:1, NW, 7, 12, 16, NW.

  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-55 — 2 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 10. a) Soa manokana inona avy amin’ny “Soratra rehetra” no antitranterina ao amin’ny Timoty Faharoa, ary tokony hiezaka mafy mba ho tonga inona ny Kristiana? b) Hery mitaona inona no tokony hohalavirina, ary ahoana no azo anaovana izany? d) Inona no mbola ilaina maika ihany?

      10 “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. Mahasoa ho amin’inona? Milaza izany amintsika toy izao i Paoly ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty: “Ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hahay tsara ny lehilahin’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (3:16, 17, NW ). Ny soa avy amin’ny “fampianarana”, ohatra, dia antitranterina ato amin’itỳ taratasy itỳ. Izay rehetra tia ny fahamarinana amin’izao andro izao dia haniry hanaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ilay taratasy, amin’ny fiezahana mafy mba ho tonga mpampianatra ny Teny sy amin’ny fanaovana izay farany azony atao mba ho mpiasa mahazo sitraka amin’Andriamanitra, “mampiasa tsara ny tenin’ny fahamarinana”. Toy ny tany Efesosy tamin’ny andron’i Timoty, dia toy izany koa amin’izao taonjato maoderina izao, fa eo ireo izay mitsabatsabaka amin’ny “fanontaniana adaladala tsy misy antony”, ireo izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”, ary ireo izay mandà “ny fampianarana tsy misy kilema” fa aleony ireo mpampianatra mampifaly (NW ) ny sofiny araka ny itiavany azy amim-pitiavan-tena. (2:15, NW, 23; 3:7; 4:3, 4). Mba hanalavirana io hery mitaona mandoto avy amin’izao tontolo izao io, dia tena ilaina ny ‘[tsy mitsahatra, NW ] ny mitana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ amin’ny finoana sy ny fitiavana. Ambonin’izany, dia misy ilana maika ny hisian’ny olona betsaka kokoa ihany hanjary ‘hahay hampianatra ny sasany’, tsy ao anatin’ny kongregasiona ihany fa any ivelany koa, tahaka an’i Timoty, ilay “lehilahin’Andriamanitra”. Sambatra tokoa izay rehetra miantsoroka io andraikitra io, ka nanjary ‘mahay mampianatra amim-pahamoram-panahy’, ary mitory ny teny “amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra”! — 1:13; 2:2, 24, 25; 4:2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara