Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35.
1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny profesora iray rehefa nanontaniana ny amin’izay noheveriny momba ny Baiboly izy, ary nanapa-kevitra ny hanao inona izy?
TAO an-tranony ilay profesora indray alahady tolakandro, tsy nanampo ny hisian’ny mpamangy. Rehefa tonga teo am-baravarany mba hitsidika anefa ny iray amin’ireo anabavintsika kristiana, dia nihaino izy. Niresaka momba ny fandotoana sy ny hoavin’ny tany, izay foto-kevitra nahaliana azy, ilay anabavy. Rehefa nampiditra ny Baiboly tao amin’ilay resadresaka anefa izy, dia toa be fisalasalana ilay rangahy. Nanontany azy ny amin’izay heviny momba ny Baiboly àry ilay anabavy.
“Boky tsara nosoratan’olona kinga saina izy io”, hoy ny navaliny, “saingy tsy natao horaisina ho zava-dehibe ny Baiboly.”
“Efa namaky ny Baiboly izany ianao?”, hoy ny fanontanian’ilay anabavy.
Taitra ilay profesora, ka voatery niaiky fa mbola tsy namaky azy io izy.
Nanontany toy izao ilay anabavy, avy eo: “Koa ahoana no ahafahanao milaza hevitra hentitra be toy izany momba ny boky iray mbola tsy novakinao akory?”
Marina ny an’ilay anabavintsika. Nanapa-kevitra handinika ny Baiboly aloha ilay profesora ka avy eo vao hanana ny fomba fiheviny momba azy io.
2, 3. Nahoana ny Baiboly no boky tsy vakina mihitsy ho an’ny olona maro, ary inona no zava-tsarotra entin’izany ho antsika?
2 Tsy ilay profesora irery no toy izany. Olona maro no manana fomba fihevitra hentitra momba ny Baiboly na dia mbola tsy namaky azy io mihitsy aza ny tenan’izy ireo. Mety hanana Baiboly izy ireo. Mety hanaiky mihitsy aza izy ireo fa misy lanjany eo amin’ny sehatry ny haisoratra sy ny tantara izy io. Ho an’ny maro anefa, dia boky tsy vakina mihitsy izy io. ‘Tsy manam-potoana amakiana ny Baiboly aho’, hoy ny sasany. Ny hafa manontany tena hoe: ‘Amin’ny ahoana ny boky tranainy iray no mety ho sahaza ny fiainako?’ Tena mitondra zava-tsarotra ho antsika ny fiheverana toy izany. Mino mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly dia “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra [no sady] mahasoa koa ho fampianarana”. (2 Timoty 3:16, 17). Ahoana anefa no ahafahantsika mampiaiky ny olona fa na toy inona na toy inona fiaviany ara-pirazanana sy ara-pirenena, na ara-poko, dia tokony handinika ny Baiboly izy ireo?
3 Andeha isika handinika antony mahatonga ny Baiboly ho mendri-kodinihina. Ny dinidinika toy izany dia afaka manomana antsika hanjohy hevitra amin’ireo olona hitantsika eny amin’ny fanompoantsika, angamba hampiaiky azy ireo fa tokony handinika izay lazain’ny Baiboly izy ireo. Etsy an-danin’izany, itỳ fandinihana itỳ dia tokony hanatanjaka ny finoantsika manokana fa tena araka ilay lazainy tokoa ny Baiboly, izany hoe “ny tenin’Andriamanitra”. — Hebreo 4:12.
Ilay boky fatra-piely indrindra eto ambonin’ny tany
4. Nahoana no azo lazaina fa boky fatra-piely indrindra eto ambonin’ny tany ny Baiboly?
4 Voalohany, dia mendri-kodinihina ny Baiboly, noho izy io boky miely patrana indrindra, sy nadika betsaka indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona manontolo. Maherin’ny 500 taona lasa izay, ny fanontana voalohany vita pirinty avy tamin’ny lohavỳ, dia nivoaka avy tao amin’ny fanontam-pirintin’i Johannes Gutenberg. Hatramin’izay, dia tombanana ho efatra arivo tapitrisa ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy efa natao pirinty. Tamin’ny 1996, dia efa nadika tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 167 ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy.a Maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona no afaka manana ampahana Baiboly amin’ny fiteniny, fara faharatsiny. Tsy misy boky hafa — na ara-pivavahana na hafa — mifanahantsahana aminy akory!
5. Nahoana no tokony hampoizintsika ho azon’ny olona maneran-tany ampiasaina ny Baiboly?
5 Raha ny antontan’isa fotsiny dia tsy manaporofo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Na izany aza, dia tokony hampoizintsika tokoa ho azon’ny olona maneran-tany ampiasaina ny fitantarana an-tsoratra iray izay ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Raha dinihina tokoa ange, dia ny Baiboly mihitsy no milaza amintsika hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Tsy sahala amin’ny boky hafa ny Baiboly fa niampita sisin-tany ary nandresy fefy ara-pirazanana sy ara-poko. Tena boky ho an’ny olona rehetra tokoa ny Baiboly!
Fiarovana tsy manam-paharoa
6, 7. Nahoana no tsy mahagaga raha efa tsy misy intsony ireo asa soratra ara-baiboly voalohany, ary mahatonga fanontaniana inona izany?
6 Misy antony hafa iray mahatonga ny Baiboly ho mendri-kodinihina. Tafita tamin’ny sakana araka ny natiora sy avy amin’olombelona, izy io. Teo amin’ireo asa soratra tranainy, dia tena tsy manam-paharoa tokoa ny tantaran’ny fomba niarovana azy io, na dia teo aza ny zava-tsarotra goavana.
7 Miharihary fa ireo mpanoratra ny Baiboly dia nandrakitra an-tsoratra ny teniny tamin’ny ranomainty, teo amin’ny taratasy papyrus (vita tamin’ny zavamaniry egyptiana mitondra io anarana io koa) sy teo amin’ny taratasy parchemin (vita tamin’ny hodi-biby).b (Joba 8:11). Manam-pahavalo araka ny natiora anefa ireny zavatra natao hanoratana ireny. Nanazava toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe Oscar Paret: “Ireo fitaovana nanoratana ireo dia samy mora simban’ny hamandoana sy ny bobongolo ary ny olitra maro samihafa. Fantatsika avy amin’ny fiainana andavanandro fa ny taratasy, eny fa na dia ny hoditra mafy aza, dia mihasimba rehefa mijanona eny ivelany na ao anaty efitra mando.” Koa tsy mahagaga àry raha efa tsy misy intsony ireo asa soratra voalohany; azo antoka fa potika efa hatramin’ny ela izy ireny. Raha potiky ny fahavalo araka ny natiora anefa ireo soratra voalohany, ahoana no mbola nampisy hatrany ny Baiboly?
8. Ahoana no niarovana ireo asa soratra ao amin’ny Baiboly nandritra ny taonjato maro?
8 Tsy ela taorian’ny nanoratana ireo soratra voalohany, dia nanomboka nisy kopia natao tanana. Ny fanaovana kopia ny Lalàna sy ireo tapany hafa ao amin’ny Soratra Masina, raha ny tena izy, dia nanjary raharahan’ny matihanina teo amin’ny Isiraely fahiny. I Ezra mpisorona, ohatra, dia lazalazaina ho ‘mpanora-dalàna nahay ny lalàn’i Mosesy’. (Ezra 7:6, 11; ampitahao amin’ny Salamo 45:1, NW.) Mora simba koa anefa ireo kopia natao; tsy maintsy nosoloana kopia hafa natao tanana izy ireo tamin’ny farany. Nitohy nandritra ny taonjato maro izany fanaovana kopia ny kopia izany. Koa satria tsy lavorary ny olombelona, moa ve nanova be ny soratra tao amin’ny Baiboly ny fahadisoana vitan’ireo mpanao kopia? Porofo maro be no milaza hoe tsia!
9. Ahoana no anazavan’ny ohatr’ireo Masoreta fa nitandrina fatratra sy nanao zavatra araka ny marina tsara ireo mpanao kopia ny Baiboly?
9 Tsy vitan’ny hoe tena nahay ireo mpanao kopia, fa nanaja fatratra ny teny nataony kopia koa. Ilay teny hebreo nadika hoe “mpanao kopia” dia manana heviny hoe manisa sy mandrakitra an-tsoratra. Mba hampisehoana fa nitandrina fatratra sy nanao zavatra araka ny marina tsara ireo mpanao kopia, dia diniho ny ohatr’ireo Masoreta, mpanao kopia ny Soratra Hebreo, izay velona teo anelanelan’ny taonjato fahenina sy fahafolo am.f.i. Araka ny voalazan’ilay manam-pahaizana atao hoe Thomas Hartwell Horne, dia nisain’izy ireo “hoe impiry ny litera tsirairay amin’ny abidy [hebreo] no miseho ao amin’ireo Soratra Hebreo manontolo”. Eritrereto ange ny dikan’izany e! Mba tsy hanadinoana litera na dia iray monja aza, dia tsy ireo teny nataony kopia ihany, fa ireo litera koa, no nisain’ireo mpanao kopia be fandavan-tena ireo. Araka ny fanisan’ny manam-pahaizana iray, dia voalaza fa nahavita nanisa litera 815 140 samy hafa tao amin’ny Soratra Hebreo izy ireo! Ny ezaka natao tamim-pitandremana toy izany dia nanome antoka fa tena araka ny marina ireo kopia.
10. Inona no porofo mampiaiky fa ireo soratra hebreo sy grika iorenan’ireo fandikan-teny maoderina dia mampiseho amin’ny fomba marina tsara ny tenin’ireo mpanoratra voalohany?
10 Raha ny marina, dia misy porofo mampiaiky fa ireo soratra hebreo sy grika iorenan’ireo fandikan-teny maoderina dia mampiseho amin’ny fomba marina tsara ny tenin’ireo mpanoratra voalohany. Ny porofo dia tsy inona fa kopia natao tanana an’arivony maro izay anisan’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly — 6 000 eo ho eo amin’ny Soratra Hebreo manontolo na ampahany aminy, sy 5 000 eo ho eo amin’ny Soratra Kristiana amin’ny teny grika. Mbola misy hatramin’izao androntsika izao izy ireo. Nanaovana fampitahana sy nofakafakaina tamim-pitandremana ireo sora-tanana maro misy, ka izany dia nahatonga ireo manam-pahaizana mpivaofy teny hahatsikaritra izay mety ho fahadisoan’ny mpanao kopia sy hamaritra ilay soratra voalohany. Raha nilaza ny heviny momba ny Soratra Hebreo ilay manam-pahaizana atao hoe William H. Green, dia afaka nilaza toy izao: “Azo atao ny miteny amim-patokiana fa tsy misy asa soratra hafa natao tamin’ny andro fahiny, nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.” Azo itokiana toy izany koa ny Soratra Grika Kristiana.
11. Raha heverina amin’ny 1 Petera 1:24, 25, nahoana no mbola misy hatramin’izao androntsika izao ny Baiboly?
11 Ho nanjavona mora foana ny Baiboly raha tsy teo ireo kopia natao tanana izay nirakitra ilay hafatra sarobidy, mba handimby an’ireo soratra voalohany! Antony iray monja no mahatonga azy io mbola hisy — i Jehovah no Mpitahiry sy Mpiaro ny Teniny. Izany dia araka ny lazain’ny Baiboly toy izao, ao amin’ny 1 Petera 1:24, 25: “Ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’[i Jehovah, NW ] maharitra mandrakizay”.
Amin’ny fiteny velona ampiasain’ny olona
12. Ankoatra ny fanaovana kopia niverimberina nandritra ny taonjato maro, dia sakana hafa inona no natrehin’ny Baiboly?
12 Efa zava-tsarotra na dia ny mbola nisian’ny Baiboly ihany aza, noho izy io naverimberina natao kopia nandritra ny taonjato maro. Mbola niatrika sakana hafa koa anefa ny Baiboly, ny fandikana azy ho amin’ny fiteny maoderina. Tsy maintsy mampiasa ny fitenin’ny olona ny Baiboly mba hanohinana ny fon’izy ireo. Tsy asa mora anefa ny fandikana ny Baiboly — miaraka amin’ireo toko maherin’ny 1 100 sy andininy 31 000 ao aminy. Na dia izany aza, nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpandika teny be fandavan-tena niatrika tamim-pifaliana ilay zava-tsarotra, ka niatrika sakana toa tsy azo nihoarana indraindray.
13, 14. a) Zava-tsarotra inona no natrehin’i Robert Moffat, mpandika Baiboly, tatsy Afrika, tany am-piandohan’ny taonjato faha-19? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona niteny tswana rehefa nanjary nisy tamin’ny fiteniny ny Filazantsaran’i Lioka?
13 Diniho, ohatra, ny fomba nahavoadika ny Baiboly tamin’ireo fiteny atsy Afrika. Tamin’ny taona 1800, dia tsy nisy afa-tsy roa ambin’ny folo teo ho eo monja ny fiteny nisy soratra, nanerana an’i Afrika. Fiteny fampiasa an-jatony maro hafa no tsy nanana fomba fanoratana azy. Izany no zava-tsarotra natrehin’ilay mpandika Baiboly atao hoe Robert Moffat. Tamin’ny 1821, fony izy 25 taona, dia nanangana misiona iray teo anivon’ny olona niteny tswana, tany atsimon’i Afrika, i Moffat. Mba hianarana ilay fiteny tsy nisy soratra nampiasain’izy ireo, dia nifanerasera tamin’ny olona izy. Nikiry teny i Moffat, tsy nisy fanampiana avy tamin’ny boky fianarana na diksionera, ka tamin’ny farany, dia nahay tsara ilay fiteny sy namorona soratra ho azy io ary nampianatra Tswana sasany hamaky izany soratra izany. Tamin’ny 1829, rehefa avy niasa valo taona teo anivon’ireo Tswana izy, dia nahavita nandika ny Filazantsaran’i Lioka. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nahafantatra olona tonga avy tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro mba hahazo ny bokin’i Md. Lioka, aho. (...) Hitako izy ireo nahazo ampahany sasany tamin’ny bokin’i Md. Lioka, nitomany teo amboniny, namihina azy teo an-tratrany, ary nandrotsaka ranomasom-pankasitrahana, mandra-pilazako tamin’ny maro taminy hoe: ‘Ho simban’ny ranomasonareo ange ireo bokinareo ireo e.’ ” Niresaka ny amin’ny lehilahy afrikana iray koa i Moffat. Izy io dia nahita olona maromaro namaky ny Filazantsaran’i Lioka ka nanontany azy ireo hoe inona ilay teny aminy. “Tenin’Andriamanitra itỳ”, hoy ny navalin’izy ireo. “Miteny ve izy io?”, hoy ny fanontanian’ilay rangahy. “Eny”, hoy izy ireo, “miteny amin’ny fo izy itỳ.”
14 Ireo mpandika teny be fandavan-tena toa an’i Moffat, no nanome fahafahana voalohany ny Afrikana maro mba hifandray an-tsoratra. Fanomezana mbola sarobidy kokoa noho izany anefa no nomen’ireo mpandika teny ho an’ny vahoaka afrikana — dia ny Baiboly amin’ny fitenin’izy ireo manokana. Ambonin’izany, dia nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra tamin’ireo Tswana i Moffat, ary nampiasa izany anarana izany manerana ny fandikan-teniny izy.c Noho izany, dia niantso ny Baiboly hoe “vavan’i Jehovah”, ireo Tswana. — Salamo 83:18.
15. Nahoana no tena velona tokoa ny Baiboly amin’izao andro izao?
15 Niatrika sakana mitovy amin’izany ny mpandika teny hafa tany amin’ny faritra samy hafa amin’ny tany. Ny sasany aza nanao vivery ny ainy mihitsy mba handikana ny Baiboly. Eritrereto ange izao e: Raha nitoetra tamin’ny fiteny hebreo sy grika tranainy fotsiny ny Baiboly, dia mety ho efa “maty” hatramin’ny ela izy io, satria rehefa nandeha ny fotoana, dia saiky nanadino tanteraka ireo fiteny ireo ny sarambaben’olona, ary tany amin’ny faritra maro amin’ny tany, dia tsy fantatra mihitsy ireo fiteny ireo. Na izany aza, dia tena velona tokoa ny Baiboly satria, tsy sahala amin’ny boky hafa izy io fa “miteny” amin’ny olona maneran-tany amin’ny fitenin’izy ireo manokana. Ho vokatr’izany, dia manohy “miasa ao anatin[’ireo] mino” azy ny hafatra raketiny. (1 Tesaloniana 2:13). Mandika toy izao ireo teny ireo ny The Jerusalem Bible: “Mbola hery velona eo anivonareo izay mino azy, izy io.”
Mendrika itokiana
16, 17. a) Tokony hisy porofo inona vao ho mendrika itokiana ny Baiboly? b) Manomeza ohatra manazava ny fahatsoran’i Mosesy, mpanoratra ny Baiboly.
16 Mety hanontany tena ny sasany hoe: ‘Azo itokiana tokoa ve ny Baiboly?’ ‘Olona sy toerana tena nisy sy zavatra tena nitranga ve no resahin’izy io?’ Raha te hitoky aminy isika, dia tokony hisy porofo fa nosoratan’ny mpanoratra nitandrina sy nilaza ny marina izy io. Izany dia mitondra antsika ho amin’ny antony hafa iray mahatonga antsika handinika ny Baiboly: Misy porofo marim-pototra fa araka ny marina sy mendri-pitokiana izy io.
17 Raha mpanoratra milaza ny marina dia tsy ny fahombiazana fotsiny no horaketiny an-tsoratra fa ny tsy fahombiazana koa, tsy ny lafiny mampahatanjaka ihany fa ny lafiny mampahalemy koa. Nampiseho izany fahatsorana hafa kely izany ireo mpanoratra ny Baiboly. Diniho, ohatra, ny fahatsoran’i Mosesy. Anisan’ireo zavatra notantarainy tamim-pahatsorana ny tsy fahaizan’ny tenany niteny tsara, izay noheveriny fa nahatonga azy ho tsy mendrika ny ho tonga mpitarika ny Isiraely. (Eksodosy 4:10). Teo koa ilay fahadisoana lehibe nataony ka nahatonga azy tsy hiditra ny Tany Nampanantenaina (Nomery 20:9-12; 27:12-14); ilay faniasiavan’i Arona rahalahiny izay niara-niasa tamin’ireo Isiraelita mpikomy tamin’ny fanaovana sary vongana ombilahy kely volamena (Eksodosy 32:1-6); ilay fikomian’i Miriama anabaviny, sy ny sazy nampietry nahazo azy (Nomery 12:1-3, 10); ilay fanazimbana zava-masina nataon’i Nadaba sy i Abiho, zana-drahalahiny (Levitikosy 10:1, 2); ary ilay fitarainana sy fimenomenonana niverimberina nataon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Eksodosy 14:11, 12; Nomery 14:1-10). Tsy mitory fiahiana amim-pahatsorana ny fahamarinana ve izany fitantarana tsy miolakolaka sy tsy manafina ny marina izany? Koa satria vonona hitantara zavatra tsy mahafinaritra mahakasika ny havan-tiany sy ny vahoakany ary ny tenany mihitsy aza, ireo mpanoratra ny Baiboly, tsy antony ampy mba hitokiana amin’ny asa sorany ve izany?
18. Inona no manamarina fa mendrika itokiana ny asa soratr’ireo mpanoratra ny Baiboly?
18 Ny fifanarahan’ireo zavatra voalazan’ireo mpanoratra ny Baiboly koa dia manamarina fa mendrika itokiana ny asa soratr’izy ireo. Tena miavaka tokoa ny fifanarahan’ireo zavatra voalazan’ireo 40 lahy izay nanoratra tao anatin’ny fe-potoana naharitra 1 600 taona teo ho eo. Marina koa izany, na dia ny amin’ireo tsipiriany madinika aza. Io firindrana io anefa dia tsy nalamina tamin’ny fomba voakaly aoka izany ka hampiahiahy ny amin’ny fisian’ny tsikombakomba. Mifanohitra amin’izany fa miharihary hoe tsy misy ny finiavana hampifanaraka ireo tsipiriany samihafa; matetika no mazava fa fifanandrifian-javatra ilay firindrana.
19. Amin’ny ahoana ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara momba ny nisamborana an’i Jesosy no mampiharihary fifanarahana izay mazava fa tsy niniana natao?
19 Mba hanazavana izany, dia diniho ny fisehoan-javatra iray nitranga tamin’ilay alina nisamborana an’i Jesosy. Samy nitantara ireo mpanoratra ny Filazantsara efatra fa nisy mpianatra iray namoaka sabatra ary namely ny mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofin’ilay lehilahy. I Lioka irery anefa no nilaza fa “nanendry ny sofiny [i Jesosy] ka nahasitrana azy”. (Lioka 22:51). Tsy izany ve anefa no ampoizintsika avy amin’ilay mpanoratra izay fantatra ho ‘dokotera malala’? (Kolosiana 4:14, Fandikan-teny Katolika). Milaza amintsika ny fitantaran’i Jaona fa, tamin’ireo mpianatra rehetra nanatrika teo, dia i Petera ilay nampiasa sabatra — tsy mahagaga izany, raha jerena amin’ny fironan’i Petera hikoropaka sy hanao zavatra tampotampoka. (Jaona 18:10; ampitahao amin’ny Matio 16:22, 23 sy ny Jaona 21:7, 8.) Nitantara tsipiriany hafa iray toa tsy ilaina i Jaona: “Malko no anaran’ilay mpanompo.” Nahoana no i Jaona irery ihany no nanome ny anaran’ilay lehilahy? Tsetsatsetsa tsy aritra kely voalaza ao amin’ny fitantaran’i Jaona no manome ny fanazavana — “fantatry ny mpisoronabe” i Jaona. Fantatry ny ankohonan’ilay mpisoronabe koa izy; nifankahalala tsara izy sy ireo mpanompo.d (Jaona 18:10, 15, 16). Ara-dalàna tsotra izao àry, raha nanonona ny anaran’ilay lehilahy naratra i Jaona, kanefa kosa tsy nanao izany ireo mpanoratra ny Filazantsara hafa, izay miharihary fa tsy nahafantatra ilay lehilahy. Miavaka ny fifanarahan’ireo tsipiriany rehetra ireo, kanefa mazava fa tsy niniana natao. Misy ohatra mitovy amin’izany maromaro ao anatin’ny Baiboly manontolo.
20. Inona no ilain’ny olona tso-po hofantarina momba ny Baiboly?
20 Koa afaka mitoky amin’ny Baiboly àry ve isika? Izany tokoa! Ny fahatsoran’ireo mpanoratra ny Baiboly sy ny fifanarahan’izay voalaza ao anatin’ny Baiboly dia milaza mazava fa fahamarinana izy io. Mila mahafantatra ireo olona tso-po fa afaka mitoky amin’ny Baiboly izy ireo, satria izy io dia Teny ara-tsindrimandrin’i ‘Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana’. (Salamo 31:5). Misy antony fanampiny mahatonga ny Baiboly ho boky ho an’ny olona rehetra, araka ny hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miorina amin’ny tarehimarika navoakan’ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra.
b Nandritra ny fanaovana am-ponja an’i Paoly fanindroany tany Roma, dia nangataka an’i Timoty izy mba hitondra “[ireo horonana, NW ], indrindra fa ireo boky hoditra”. (2 Timoty 4:13). Azo inoana fa nangataka ampahany tamin’ny Soratra Hebreo i Paoly, mba hahafahany hianatra izany raha mbola tany am-ponja ny tenany. Ilay fitenenana hoe “indrindra fa ireo boky hoditra” dia mety hilaza fa nisy horonana papyrus sy boky hoditra hafa koa tafiditra tamin’izany.
c Nahavita ny fandikana ny Soratra Grika Kristiana i Moffat, tamin’ny 1838. Noho ny fanampian’ny mpiara-miasa iray, dia nahavita nandika ny Soratra Hebreo izy tamin’ny 1857.
d Ny fifankazaran’i Jaona tamin’ilay mpisoronabe sy ny ankohonany, dia aseho bebe kokoa atỳ aoriana, ao amin’ilay fitantarana. Rehefa nisy mpanompon’ilay mpisoronabe hafa iray niampanga an’i Petera ho iray amin’ireo mpianatr’i Jesosy, dia nanazava i Jaona fa io mpanompo io dia “havan’ilay nokapain’i Petera ny sofiny”. — Jaona 18:26.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no tokony hampoizintsika fa ho boky faran’izay be mpampiasa indrindra maneran-tany ny Baiboly?
◻ Inona no porofo fa voatahiry ho araka ny marina ny Baiboly?
◻ Sakana inona avy no natrehin’ireo izay nandika ny Baiboly?
◻ Inona no manamarina fa mendrika itokiana ireo asa soratra ao amin’ny Baiboly?