-
Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondryVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
11 Mahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny rahalahy iray raha mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony sy rehefa mifandray amin’ny hafa. Mahafehy tena izy ary tsy manao zavatra tafahoatra. Mahay mandanjalanja, ohatra, izy rehefa mihinana sy misotro ary miala voly. Mahay mandanjalanja koa izy rehefa misotro zava-pisotro misy alkaola, mba tsy hisy ho afaka hiampanga azy hoe mamo na hoe mamo lava. Mora tsy mahafehy tena mantsy ny olona donton’ny zava-pisotro misy alkaola, ka tsy ho afaka hiaro ny fiangonana.
-
-
Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondryVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
13 Tokony ho mpandefitra ny mpiandraikitra. Tsy maintsy miezaka izy mba hahay hiara-miasa sy hiray saina amin’ny anti-panahy rehetra. Tsy tokony hihevi-tena ho ambony izy, ary tsy hitaky be loatra amin’ny hafa. Olona mandefitra izy ka tsy hiziriziry amin’ny heviny, na hihevitra hoe tsara noho ny an’ny anti-panahy hafa foana ny heviny. Mety hanana toetra na fahaizana tsy ananany mantsy ny anti-panahy hafa. Manaraka izay lazain’ny Soratra Masina foana ny olona mandefitra, isaky ny hanatsoaka hevitra, ary miezaka hanahaka ny ohatr’i Jesosy Kristy. (Fil. 2:2-8) Tsy tokony ho mpila ady na mahery setra ny anti-panahy, fa hanaja ny hafa sy hihevitra azy ireny ho ambony. Tsy mpiziriziry amin’ny heviny koa izy, izany hoe tsy manizingizina ny heviny foana. Tsy mora tezitra izy fa tia fihavanana.
-