FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    • 11 Mahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny rahalahy iray raha mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony sy rehefa mifandray amin’ny hafa. Mahafehy tena izy ary tsy manao zavatra tafahoatra. Mahay mandanjalanja, ohatra, izy rehefa mihinana sy misotro ary miala voly. Mahay mandanjalanja koa izy rehefa misotro zava-pisotro misy alkaola, mba tsy hisy ho afaka hiampanga azy hoe mamo na hoe mamo lava. Mora tsy mahafehy tena mantsy ny olona donton’ny zava-pisotro misy alkaola, ka tsy ho afaka hiaro ny fiangonana.

  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    • 14 Ny olona misaina tsara koa no mahafeno fepetra ho mpiandraikitra. Midika izany fa mandinika tsara aloha izy fa tsy maimaika hitsara. Takany tsara ny torolalan’i Jehovah sy ny fomba hampiharana azy ireny. Vonona handray torohevitra sy toromarika izy, ary tsy mihatsaravelatsihy.

  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
    • 15 Nampahatsiahivin’i Paoly an’i Titosy fa tokony ho tia ny tsara ny mpiandraikitra, ary manao ny marina sy tsy mivadika. Hiharihary izany rehefa mifandray amin’ny olona ilay rahalahy, na rehefa hita hoe mifikitra amin’ny tsara sy manao izay mahitsy izy. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mihitsy izy ary hanaraka ny torolalany foana. Tokony hahatana tsiambaratelo koa izy. Tena tia mandray vahiny izy, izany hoe mahafoy tena sy fananana mba hahasoa ny hafa.​—Asa. 20:33-35.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara