FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Batisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nivavaka i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Lk 3:21) Ireto teny ao amin’ny Salamo 40:6-8 (LXX) ireto no nolazainy rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao izy” (tsy hoe tamin’izy teraka akory satria mbola tsy nahay niteny sy namaky teny izy tamin’izany, fa tamin’izy natao batisa sy nanomboka ny fanompoany): “Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao. ... Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.” (He 10:5-9) Jiosy i Jesosy ka vao teraka izy dia efa anisan’ilay firenena nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 19:5-8; Ga 4:4) Efa tao anatin’io fifanekena io àry izy, tamin’izy nankeo amin’i Jaona mba hatao batisa. Nanao mihoatra noho izay notakin’ny Lalàna taminy izy tamin’izay. Nasehony mantsy fa vonona hanao ny ‘sitrapon’i’ Jehovah Rainy izy, dia ny hanao sorona an’ilay vatana efa ‘nomanina’ ho azy, ka hamarana hatreo ny sorona biby notakin’ny Lalàna. Hoy ny apostoly Paoly: “Izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (He 10:10) Sitrapon-dRainy koa ny hitoriana an’ilay Fanjakana, ary vonona hanao izany i Jesosy. (Lk 4:43; 17:20, 21) Neken’i Jehovah sy nankasitrahany ny fahavononan’ilay Zanany, ka nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ary nilazany hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”​—Mr 1:9-11; Lk 3:21-23; Mt 3:13-17.

  • Fanahy, avy Amin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Imbetsaka ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Somary tsy mitovy indraindray ny andininy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ny andininy mifanitsy aminy ao amin’ny Soratra Hebreo ankehitriny (nadika avy amin’ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta tamin’ny taonjato fahafolo tany ho any ny ankamaroany). Naka teny tao amin’ny Salamo 40:6, ohatra, i Paoly, ary ilay ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo hoe “fa nanomana vatana ho ahy ianao” no noraisiny (He 10:5, 6), fa tsy ilay hoe “nosokafanao ny sofiko” hita ao amin’ny sora-tanana hebreo ananantsika ankehitriny. Tsy fantatra raha nisy an’ilay teny ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo na tsia ny Soratra Hebreo voalohany. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra anefa i Paoly, ka neken’Andriamanitra ireo teniny ireo. Tsy midika akory izany hoe avy amin’ny fanahy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo manontolo, fa ireo ampahany naverin’ny Kristianina niasan’ny fanahy ihany no lasa anisan’ny Tenin’Andriamanitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara