FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Alitara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Izay mifanitsy amin’ireo alitara. Nilaza i Paoly fa tandindona fotsiny ny zava-drehetra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly mbamin’ny fanompoana tao. (He 8:5; 9:23) Asehon’ny Soratra Grika Kristianina hoe inona no mifanitsy amin’ireo alitara roa. Mifanitsy amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny ‘sitrapon’Andriamanitra’, dia ny fahavononany hanaiky ny sorona lavorary nataon’ny Zanany lahitokana. (He 10:5-10) Teo anoloan’ny fidirana amin’ny toerana masina ilay alitara. Tsy maintsy mino an’ilay sorom-panavotana koa àry ny olona iray vao mahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Jn 3:16-18) Iray monja io alitara fanaovana sorona io. Izany no antony nilazan’i Kristy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” Maro koa ny andininy manasongadina fa tokony ho tafaray ny Kristianina.​—Jn 14:6; Mt 7:13, 14; 1Ko 1:10-13; Ef 4:3-6; mariho koa ny Is 56:7; 60:7, izay milaza fa hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra.

  • Batisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nivavaka i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Lk 3:21) Ireto teny ao amin’ny Salamo 40:6-8 (LXX) ireto no nolazainy rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao izy” (tsy hoe tamin’izy teraka akory satria mbola tsy nahay niteny sy namaky teny izy tamin’izany, fa tamin’izy natao batisa sy nanomboka ny fanompoany): “Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao. ... Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.” (He 10:5-9) Jiosy i Jesosy ka vao teraka izy dia efa anisan’ilay firenena nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 19:5-8; Ga 4:4) Efa tao anatin’io fifanekena io àry izy, tamin’izy nankeo amin’i Jaona mba hatao batisa. Nanao mihoatra noho izay notakin’ny Lalàna taminy izy tamin’izay. Nasehony mantsy fa vonona hanao ny ‘sitrapon’i’ Jehovah Rainy izy, dia ny hanao sorona an’ilay vatana efa ‘nomanina’ ho azy, ka hamarana hatreo ny sorona biby notakin’ny Lalàna. Hoy ny apostoly Paoly: “Izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (He 10:10) Sitrapon-dRainy koa ny hitoriana an’ilay Fanjakana, ary vonona hanao izany i Jesosy. (Lk 4:43; 17:20, 21) Neken’i Jehovah sy nankasitrahany ny fahavononan’ilay Zanany, ka nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ary nilazany hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”​—Mr 1:9-11; Lk 3:21-23; Mt 3:13-17.

  • Ny Tranolay Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara