-
Masina IndrindraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tokony ho sahy sy ho feno toky izy ireo manatona an’Andriamanitra, ary tokony hifikitra amin’ny fanantenany ka tsy hisalasala. Hoy i Paoly: “Manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika, ry rahalahy, noho ny ran’i Jesosy. Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao, izany hoe ny nofony. Ary manana mpisoronabe miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra koa isika. Noho izany, dia aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana, satria efa voadio ho afaka amin’ny feon’ny fieritreretana ratsy ny fontsika, ary ny vatantsika efa voasasa tamin’ny rano madio. Ary aoka hofikirintsika mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, ka tsy hisalasala isika, satria tsy mba mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.”—He 10:19-23.
-
-
VavakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Resahin’ilay lahatsoratra hoe FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA fa tokony hatao amin’ny alalan’ny Kristy Jesosy ny vavaka. Noho ny ran’i Jesosy natao sorona ho an’Andriamanitra dia “manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika”, izany hoe fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka, “amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana.” (He 10:19-22) I Jesosy Kristy irery àry no hany “lalana” ahafahana mihavana sy mivavaka amin’Andriamanitra.—Jn 14:6; 15:16; 16:23, 24; 1Ko 1:2; Ef 2:18; jereo JESOSY KRISTY (Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra).
-