Sarobidy Aminao ve ny Fahamarinana?
“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”—JAONA 8:32.
1. Inona no tsy mampitovy ny fampiasan’i Pilato sy i Jesosy ny teny hoe “marina”?
“INONA no marina?” Toa ny fahamarinana tamin’ny ankapobeny no nahaliana an’i Pilato, rehefa nametraka io fanontaniana io izy. Vao avy nilaza anefa i Jesosy hoe: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37, 38) Tsy toy ny an’i Pilato anefa no noresahin’i Jesosy teto, fa ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
Ny fihetsik’ity tontolo ity manoloana ny fahamarinana
2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa sarobidy ny fahamarinana?
2 Hoy i Paoly: “Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.” (2 Tesaloniana 3:2) Izany koa no izy raha ny amin’ny fahamarinana. Olona maro no minia tsy mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly, na dia ampahafantarina izany aza. Sarobidy tokoa anefa izy io! Hoy i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”—Jaona 8:32.
3. Inona no fampitandremana momba ny fampianarana mamitaka tokony harahintsika?
3 Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy hita ao amin’ny filozofia na ny lovantsofin’olombelona ny marina. (Kolosiana 2:8) Mamitaka tokoa mantsy ireny fampianarana ireny. Nampitandrina ny Kristianina tany Efesosy i Paoly fa raha mino an’ireny izy ireo, dia ho toy ny zaza ara-panahy ‘ahilangilan’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.’ (Efesiana 4:14) Miely ankehitriny ny “saim-petsy ataon’ny olona” noho ny fampielezan-kevitra ataon’ireo mpanohitra ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Lazain’ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) fa ny fampielezan-kevitra dia “ezaka maty paika natao hamolavolana amin-kafetsena ny zavatra inoan’ny olona sy ny toe-tsainy ary ny asa ataony.” Manolana amin-kafetsena ny fahamarinana sy milaza ny lainga ho marina, ireny fampielezan-kevitra ireny. Tsy maintsy mazoto mandinika ny Soratra Masina isika mba hahitana ny marina manoloana izany fanerena an-kolaka izany.
Ny Kristianina sy ity tontolo ity
4. Omena an’iza ny fahamarinana, ary inona no tokony hataon’ireo manaiky azy io?
4 Niresaka an’ireo tonga mpianany i Jesosy Kristy rehefa nivavaka tamin’i Jehovah hoe: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Hohamasinina na ho voatokana izy ireo mba hanompo an’i Jehovah ary hampahafantatra ny anarany sy ny Fanjakany. (Matio 6:9, 10; 24:14) Na dia tsy ananan’ny olon-drehetra aza ny fahamarinan’i Jehovah, dia omena malalaka ho an’izay rehetra mitady azy, na inona na inona fiaviany, firazanany, na kolontsainy. Hoy ny apostoly Petera: “Hitako ... fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
5. Nahoana matetika ny Kristianina no enjehina?
5 Mampahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona ny Kristianina, saingy tsy raisina tsara foana izy ireo. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Izao no nosoratan’i John Cotter, mpitondra fivavahana irlandey, momba io andininy io, tamin’ny 1817: “Tsy ankasitrahan’ny olona ny fiezahan’izy ireo [ny Kristianina] hitory mba hanatsarana ny fiainan’ny olombelona. Manjary ankahalaina sy enjehina kosa ireo mpianatra satria manala sarona ny ratsy ataony.” ‘Tsy mandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena’ ireny mpanenjika ireny. Noho izany, dia “anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.”—2 Tesaloniana 2:10-12, Fandikan-teny Katolika.
6. Inona no tsy tokony hirin’ny Kristianina?
6 Anarin’ny apostoly Jaona toy izao ny Kristianina miaina eto amin’ity tontolo mpankahala ity: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao ... Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (1 Jaona 2:15, 16) Tsy misy zavatra navahan’i Jaona mihitsy rehefa nilaza izy hoe “ny zavatra rehetra.” Koa tsy tokony haniry na inona na inona atolotr’ity tontolo ity izay mety hampiala antsika amin’ny fahamarinana àry, isika. Hisy heriny lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fanarahana io torohevitr’i Jaona io. Amin’ny fomba ahoana?
7. Nanosika an’ireo mahitsy fo hanao inona ny fahalalana ny fahamarinana?
7 Nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny efatra tapitrisa sy sasany isam-bolana, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 2001. Nampianatra olon-tokana sy antokon’olona ny amin’izay takin’Andriamanitra mba hahazoana ny fiainana izy ireo. Koa olona 263 431 àry no natao batisa. Nanjary sarobidy tamin’ireny mpianatra vaovao ireny ny fahazavan’ny fahamarinana, ka nialany ny naman-dratsy sy ny fitondran-tena manala baraka an’Andriamanitra fahita eto amin’ity tontolo ity. Manaraka hatrany ny fitsipik’i Jehovah ho an’ny Kristianina rehetra izy ireo taorian’ny batisany. (Efesiana 5:5) Sarobidy aminao toy izany koa ve ny fahamarinana?
Miahy antsika i Jehovah
8. Ahoana no hiheveran’i Jehovah ny fanoloran-tenantsika, ary nahoana no fahendrena ny ‘mikatsaka ny fanjakany aloha’?
8 Mamindra fo i Jehovah ka manaiky ny fanoloran-tenantsika, na dia tsy lavorary aza isika. Toy ny hoe miondrika mihitsy izy mba hisintonana antsika hanatona azy. Amin’izany no ampianarany antsika hanana tanjona ambony kokoa sy faniriana ambony kokoa. (Salamo 113:6-8) Avelan’i Jehovah hanana fifandraisana manokana aminy koa isika, ary mampanantena izy fa hiahy antsika raha ‘katsahintsika aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.’ Raha manao izany sy miaro ny ara-panahintsika isika, dia mampanantena izy fa “hanampy ho anareo izany rehetra izany.”—Matio 6:33.
9. Iza ilay ‘mpanompo mahatoky sy malina’, ary ahoana no iahian’i Jehovah antsika amin’ny alalan’io “mpanompo” io?
9 Nifidy ny apostoliny 12 i Jesosy Kristy ho fototry ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, izay hantsoina hoe “ny Isiraelin’Andriamanitra.” (Galatiana 6:16; Apokalypsy 21:9, 14) “Fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana” no nilazana azy io tatỳ aoriana. (1 Timoty 3:15) Nantsoin’i Jesosy hoe ‘mpanompo mahatoky sy malina’ sy “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina” ireo mpikambana ao amin’io fiangonana io. Nolazain’i Jesosy fa io mpanompo mahatoky io no ho tompon’andraikitra hanome ny ‘anjara hanin’ny Kristianina amin’ny fotoana.’ (Matio 24:3, 45-47; Lioka 12:42) Maty isika raha tsy misakafo. Mihaosa sy maty ara-panahy koa isika raha tsy misakafo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mbola porofon’ny fiahian’i Jehovah antsika koa àry ny fisian’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ Koa enga anie isika hankasitraka foana ny sakafo ara-panahy sarobidy omen’io “mpanompo” io!—Matio 5:3.
10. Nahoana no tena ilaina ny manatrika fivoriana tsy tapaka?
10 Misakafo ara-panahy isika rehefa manao fianarana manokana, sy miaraka amin’ny Kristianina hafa ary mamonjy ny fivorian’ny fiangonana. Tadidinao amin’ny an-tsipiriany ve ny zavatra nohaninao enim-bolana lasa izay, na enina herinandro lasa aza? Azo inoana fa tsia. Na inona na inona nohaninao anefa, dia nahavelona anao izany. Ary azo antoka fa efa nihinana zavatra mitovy ianao hatramin’io fotoana io. Toy izany koa ny amin’ny sakafo ara-panahy aroso any amin’ny fivoriana kristianina. Tsy tadidintsika daholo angamba izay rehetra rentsika tany am-pivoriana, ary azo antoka fa tsy vao indray mandeha isika no nahare fanazavana mitovy. Sakafo ara-panahy tena ilaintsika mba hahasalama antsika anefa izany. Manome sakafo tsara ara-panahy sy ara-potoana foana ireo fivoriantsika.
11. Inona no andraikitsika rehefa mivory?
11 Manana andraikitra koa isika rehefa manatrika fivoriana kristianina. Asaina ‘mifananatra’ sy mampirisika ny hafa eo anivon’ny fiangonana ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” ny Kristianina. Manatanjaka ny finoantsika sy mampirisika ny hafa isika rehefa manomana sy manatrika ary mandray anjara amin’ny fivoriana rehetra. (Hebreo 10:23-25) Tsy misy hafa amin’ny ankizy miavon-kanina ny sasany, ka mila fampirisihana foana mba hisakafo ara-panahy. (Efesiana 4:13) Fanehoam-pitiavana ny mampirisika azy ireo toy izany rehefa ilaina, mba hahafahany ho tonga Kristianina matotra izay noresahin’i Paoly hoe: “Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.
Miahy ny ara-panahintsika
12. Iza no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fijanonantsika ao amin’ny fahamarinana? Hazavao.
12 Afaka mampirisika antsika amin’ny lalan’ny fahamarinana ny vadintsika na ny ray aman-drenintsika. Afaka manampy antsika koa ny anti-panahin’ny fiangonana satria anisan’ny andian’ondry andrasany isika. (Asan’ny Apostoly 20:28) Iza anefa no tompon’andraikitra voalohany raha tiantsika hatrany ny hiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana? Isika tsirairay no tompon’andraikitra, raha ny marina. Izany no izy na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Diniho ity zava-nitranga ity.
13, 14. Araka ny hita tamin’ilay zanak’ondry, ahoana no ahazoantsika ny fanampiana ara-panahy ilaintsika?
13 Nisy zanak’ondry niraoka ahitra tany Ekosy. Nihataka nankeny amoron-kavoana ny iray tamin’izy ireo ka latsaka terỳ ambany, teo ambony vato. Tsy naratra izy, saingy natahotra sady tsy afaka niverina niakatra. Nanomboka nibarareoka àry izy. Nahare azy ny reniny ka nanomboka nibarareoka koa mandra-pahatongan’ny mpiandry ondry hanavotra ilay zanak’ondry.
14 Mariho ny filaharan’ilay fisehoan-javatra. Niantso vonjy aloha ilay zanak’ondry ary nanao toy izany koa ilay ondry vavy. Namonjy an’ilay zanak’ondry avy hatrany avy eo ilay mpiandry ondry nandre ny antso vonjy. Raha biby mbola kely sy ny reniny aza mahay miantso vonjy avy hatrany rehefa mahatsapa fa misy loza mandrahona, tsy tokony mba hanao toy izany koa ve isika rehefa lavo ara-panahy na tandindomin-doza tampoka avy amin’ny tontolon’i Satana? (Jakoba 5:14, 15; 1 Petera 5:8) Tokony hanao izany indrindra isika raha mbola tanora sy mbola vaovao ihany ao amin’ny fahamarinana.
Mahasambatra ny manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra
15. Inona no tsapan’ny vehivavy iray fony izy nanomboka nifanerasera tamin’ny fiangonana kristianina?
15 Jereo ny hasarobidin’ny fahazoana ny hevitry ny Baiboly sy ny fiadanan-tsaina entin’izany ho an’ireo manompo an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Nanaiky hianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray 70 taona, mpiangona tao amin’ny Eglizy Anglikanina nandritra ny androm-piainany. Tsy ela dia fantany fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra, ka nanao “Amena” koa izy, taorian’ny vavaka ampahibemaso natao tamim-pahatsorana tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Nihetsi-po be izy niteny hoe: “Tsy mba Andriamanitra lavitra be tsy azon’olombelona hatonina no ilazanareo azy, fa toa asainareo manketo amintsika toy ny namana malala izy. Tena zava-baovao amiko izany!” Azo antoka fa tsy hohadinoin’io olona liana io mihitsy ny zavatra tsapany voalohany, rehefa nahafantatra ny fahamarinana izy. Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy koa fa sarobidy tamintsika erỳ ny fahamarinana fony isika vao nanaiky azy io!
16. a) Inona no mety hitranga raha tanjontsika voalohany eo amin’ny fiainana ny hanam-bola? b) Ahoana no hahitantsika ny tena fahasambarana?
16 Misy mihevitra fa ho sambatra kokoa izy ireo raha manam-bola kokoa. Mety ho tojo “fahorian-tsaina tsy hay lazaina” anefa isika raha ny hanam-bola no tanjontsika lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. (1 Timoty 6:10, Phillips) Jereo hoe firifiry ny olona mividy tapakila amin’ny loteria, na mandany vola any amin’ny trano filokana, na sahisahy mampiasa ny volany eo amin’ny tsenam-bola, satria manonofinofy hahazo harena. Vitsy dia vitsy anefa no mahazo ny harena nantenainy. Ary matetika na dia ireo manankarena tampoka aza, dia tsy mahatsiaro ho sambatra. Tena mahasambatra kosa anefa ny manao ny sitrapon’i Jehovah sy miara-miasa amin’ny fiangonana kristianina tarihin’ny fanahiny masina sy ampian’ny anjeliny. (Salamo 1:1-3; 84:4, 5; 89:15) Mety hahazo fitahiana tsy ampoizina isika rehefa manao izany. Tena sarobidy aminao tokoa ve ny fahamarinana ka mitondra fitahiana toy izany?
17. Toe-tsain’i Petera inona no niharihary noho izy nipetraka tao amin’i Simona, mpandona hoditra?
17 Diniho ny zavatra niainan’ny apostoly Petera. Nanao dia misionera tany amin’ny Lemak’i Sarôna izy tamin’ny taona 36. Nijanona tao Lyda izy nanasitrana an’i Enea nararin’ny paralysisa, ary avy eo, nankany amin’ny seranan’i Jopa. Nanangana an’i Dorkasy tamin’ny maty izy tany. Hoy ny Asan’ny Apostoly 9:43: “Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’i Simona mpandon-koditra.” Asehon’io fanamarihana fohy io fa tsy nizaha tavan’olona i Petera rehefa nitory tao amin’io tanàna io. Nahoana? Izao no nosoratan’i Frederic Farrar, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tsy hisy mihitsy olona fatra-panaraka ny Lalàna Am-bava [an’i Mosesy] hanaiky hipetraka ao amin’ny tranona mpandona hoditra. Naloto sy naharikoriko tamin’ireo mpanizingizina ny lalàna io asa io, satria tsy maintsy nikasika hoditra sy fatim-biby samihafa isan’andro, mbamin’ny zavatra rehetra nilaina hanaovana izany.” Na dia tsy teo akaikin’ny fandonany hoditra aza ny tranon’i Simona fa teo “amoron-dranomasina”, ny asa nataony dia ‘asa noheverina ho naharikoriko sy nanambany izay rehetra nanao izany’, hoy i Farrar.—Asan’ny Apostoly 10:6.
18, 19. a) Nahoana no nahavery hevitra an’i Petera ilay fahitana hitany? b) Inona no fitahiana tsy nampoizina azony?
18 Tsy nitsara an-tendrony i Petera fa nanaiky hivahiny tao amin’i Simona. Nahazo toromarika tsy nampoizina avy tamin’Andriamanitra izy tao. Nodidiana hihinana biby maloto araka ny lalàna jiosy izy tao amin’ny fahitana. Nanda i Petera ary nilaza fa “tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio” mihitsy. Intelo anefa izy no nilazana hoe: “Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.” Tsy mahagaga raha “nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany.”—Asan’ny Apostoly 10:5-17; 11:7-10.
19 Tsy fantatr’i Petera fa nahita fahitana koa ilay jentilisa atao hoe Kornelio ny omalin’iny tany Kaisaria, 50 kilaometatra niala teo. Nilaza tamin’i Kornelio ny anjelin’i Jehovah mba haniraka mpanompo hitady an’i Petera any an-tranon’i Simona mpandona hoditra. Nandefa ny mpanompony tany an-tranon’i Simona àry i Kornelio ary niara-niverina tamin’izy ireo tany Kaisaria i Petera. Nitory tamin’i Kornelio sy ny havany aman-tsakaizany izy tany. Izy ireo no jentilisa tsy voafora tonga mpino voalohany nahazo ny fanahy masina, mba ho mpandova ilay Fanjakana. Natao batisa avokoa ny olona nihaino an’i Petera na dia tsy voafora aza izy ireo. Nanomboka hatreo dia afaka ny ho tonga anisan’ny fiangonana kristianina ny jentilisa, izay noheverin’ny Jiosy ho maloto. (Asan’ny Apostoly 10:1-48; 11:18) Tombontsoa manokana tokoa no nananan’i Petera! Izany no izy satria sarobidy taminy ny fahamarinana ka nanaiky ny tari-dalan’i Jehovah sy nanao zavatra tamim-pinoana izy.
20. Inona no fanampiana omen’Andriamanitra antsika rehefa omentsika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana ny fahamarinana?
20 Mampirisika antsika i Paoly mba ‘hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy.’ (Efesiana 4:15) Eny, hitondra fahasambarana tsy manam-paharoa ho antsika dieny izao ny fahamarinana, raha omentsika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana izy io ary avelantsika i Jehovah hitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Tsarovy koa fa manohana ny asa fitoriana ataontsika ny anjely masina. (Apokalypsy 14:6, 7; 22:6) Tombontsoa mihitsy ny manana izany fanohanana izany amin’ilay asa nanirahan’i Jehovah antsika! Hidera mandrakizay an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, isika, raha tsy mivadika aminy. Misy zavatra sarobidy kokoa noho izany ve?—Jaona 17:3.
Inona no Nianarantsika?
• Nahoana no maro no tsy manaiky ny fahamarinana?
• Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny zavatra eo amin’ny tontolon’i Satana?
• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivoriana ary nahoana?
• Inona no andraikitsika amin’ny fiahiana ny ara-panahintsika?
[Sarintany/Sary, pejy 18]
(Jereo ny gazety)
RANOMASINA LEHIBE
Kaisaria
LEMAK’I SARÔNA
Jopa
Lyda
Jerosalema
[Sary]
Nahazo fitahiana tsy nampoizina i Petera, satria nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah
[Sary nahazoan-dalana]
Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 13]
Nitory ny fahamarinana i Jesosy
[Sary, pejy 15]
Sahala amin’ny sakafo ara-bakiteny, dia zava-dehibe ho amin’ny fahasalamantsika ny sakafo ara-panahy