FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/3 p. 15-20
  • Mifampahereza satria mihantomotra ny andro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifampahereza satria mihantomotra ny andro
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampaherezin’ny anaran’Andriamanitra
  • Feno fifaliana sy ny fanahy masina
  • Ny antony rehetra tokony hampahery
  • Reseo ny fahakiviana avy amin’ny Devoly
  • Miantehera mafy amin’ny soron’i Kristy
  • Aoka isika hampahery satria mihantomotra ny andro
  • Inona no Azo Atao Momba ny Fahakiviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mifampahereza Foana “Isan’andro”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mandrisiha ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/3 p. 15-20

Mifampahereza satria mihantomotra ny andro

“Mifampahereza (...), mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” — HEBREO 10:25, MN.

1, 2. Andro inona no mihantomotra, ary inona no tokony ho fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah?

IZAY mandray anjara ankehitriny amin’ny filazana hoe ‘Avia ary makà amin’ny ranon’aina’ dia tsy mitoka-monina. Raha mihamanakaiky ny andro lehiben’ny fandresen’i Jehovah, izy ireo dia mampihatra ny torohevitry ny Baiboly manao hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara [mifampahereza, MN] kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” — Hebreo 10:24, 25.

2 Naminany ny amin’izany “andro” antsoina hoe “andron’i Jehovah” izany ny Soratra masina. (2 Petera 3:10, MN). Koa satria i Jehovah no Avo indrindra, ilay Andriamanitra izay tsy hita lany ny heriny, dia tsy hisy andro na iray aza mety hanan-daza mihoatra noho ny androny. (Asan’ny apostoly 2:20). Izy io dia ho ny fanamarinana ny fiandrianany amin’ny maha-Andriamanitra manerana izao rehetra izao azy. Mihantomotra izany andro tsy manan-tsahala izany.

3. Tamin’ny ahoana no hoe nihantomotra ny andron’i Jehovah ho an’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana ny amintsika ankehitriny?

3 Niteny tamin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ny apostoly Paoly fa nihantomotra ny andron’i Jehovah. Niandry tamim-panantenana ny hahatongavan’izany andro izany izy ireo, nefa tamin’izany, dia mbola ho tatỳ amin’ny 1 000 taona mahery atỳ aoriana izy io. (2 Tesaloniana 2:1-3). Na dia izany aza, dia mbola tokony hampaherezina ihany izy ireo satria tsy maintsy ho tonga tokoa izany andro izany, ary raha nandroso hatrany tsy nihozongozona tamin’io finoana io ireo kristiana, dia hiditra ao amin’izany andro voatahy izany. (2 Timoty 4:8). Tamin’izany fotoana izany, dia efa hita fa nihantomotra io andro io. Ary raha ny amintsika ankehitriny, dia tena mihantomotra tokoa ny andron’i Jehovah. Ny fahatanterahana mahatalanjon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manamarina io zava-misy mitondra fifaliana io. Tsy ho ela, ny anaran’ny Andriamanitsika hoe Jehovah, dia hohamasinina mandrakizay. — Lioka 11:2.

Ampaherezin’ny anaran’Andriamanitra

4. Araka ny Apokalypsy 19:6, iza moa no tokony ho tonga Mpanjaka, ary ahoana no ahafantarana ny anarany?

4 Tokony hahaliana ny fianakavian’olombelona manontolo ny anaran’Andriamanitra. Milaza toy izao ny La Bible en français courant: “Miderà an’Andriamanitra! Fa ny Tompo, Andriamanitsika Tsitoha, dia Mpanjaka!” (Apokalypsy 19:6). Araka io fandikan-teny amin’izao taonjato faharoapolo izao io, dia ny Tompo, ny Andriamanitra Tsitoha izy. Io fandikan-teny io, toy ny fandikan-teny maoderina maro hafa, dia tsy manome ny anaran’ilay Andriamanitra izay nanomboka nanapaka amin’ny maha-Mpanjaka azy. Kanefa, ny anaran’Andriamanitra dia tafiditra ao amin’ilay fihiaka hoe: “Aleloia!” (“Miderà an’i Jah” na, “Miderà an’i Jehovah”) hita ao amin’ny Bible Osty sy ao amin’ny Bible de Jérusalem, ary koa ao amin’ny Fandikan-teny katolika ao amin’ny Apokalypsy 19:6. Nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy nampidirina tanteraka tao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra. Araka ny ho hitantsika anefa, io anarana io dia nanome fampaherezana lehibe ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny andro fahiny sy amin’izao andro maoderina izao.

5, 6. a) Nahoana i Mosesy no nila ny nahafantatra ny anaran’ilay Andriamanitra nosoloany tena? b) Inona no tsy maintsy ho vokatra hita teo amin’ireo Isiraelita rehefa nasongadin’i Mosesy ny anaran’Andriamanitra?

5 Tsaroantsika fa rehefa nirahin’ilay Andriamanitra Avo indrindra ho any amin’ny vahoakan’ny Isiraely nandevozina tany amin’ny tanin’i Egypta i Mosesy, ny fanontaniana ny amin’ny hoe iza no naniraka azy dia nipoitra ho azy tao an-tsain’ilay vahoaka nanirahana an’i Mosesy. Efa nampoizin’i Mosesy fa haniry hahafantatra ny anaran’ilay Andriamanitra nosoloany tena ny vahoaka jiosy nijaly. Momba izany, dia mamaky toy izao ao amin’ny Eksodosy 3:15 isika: “Hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.”

6 Rehefa avy nohamafisina tamin’izy ireo io fanazavana io, dia tsy maintsy ho nahatsapa fampaherezana lehibe ny Isiraelita. Nahazo toky ny amin’ny fanafahana azy avy tamin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah, izy ireo. Ary tsy maintsy ho nampahery toy inona moa ny fahatsinjovana ny hahafantatra an’Andriamanitra rehefa haneho ny hevitry ny anarany manokana Andriamanitra — fa tsy nitoka-monina tamim-pieboeboana! — Eksodosy 3:13; 4:29-31.

7. a) Ahoana no ahalalantsika fa nahafantatra ny anaran’Andriamanitra ireo mpianatr’i Jesosy? b) Tamin’ny ahoana ny anaran’Andriamanitra no nanjary nailika tany aoriana?

7 Ny mpianatr’i Jesosy Kristy Tompo koa dia nahazo fampaherezana lehibe avy tamin’ny anaran’Andriamanitra, dia i Jehovah izany, ary nanohana izany. (Jaona 17:6, 26). Nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia tsy nanilika ny anaran’Andriamanitra tany aoriana mihitsy izy, ary tsy fikasany velively ny hanome ny toerana voalohany ny anarany manokana hoe Jesosy. Taorian’ny nanombohan’ny fivadihana amin’ny finoana kristiana marina nambara mialoha vao nanjary nailika tany aoriana, eny, foana tanteraka teo amin’ny resaka nifanaovan’ny kristiana ny anaran’Andriamanitra. (Asan’ny apostoly 20:29, 30). Raha vao nanomboka nomena fahalehibeazana kokoa noho ny anaran’ny Ray ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, ka nampihena vidy azy io, ireo mihambo ho kristiana dia nahita fa ny fanompoany ny Ray dia nihananjary fanompoam-pivavahana amina persona tsy manana ny maha-izy azy, eny, tsy misy fifandraisana akaiky toy ny eo amin’ny fianakaviana, ka noho izany dia tsy nampahery firy.

8. Inona no vokatra hita nitohy teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny nandraisana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

8 Noho izany, dia antony nitondra fifaliana tsy hay ambara rehefa nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena nikambana tamin’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1931. Tsy nitondra fifaliana fotsiny izany, fa tena nampahery indrindra. Noho izany antony izany, ireo mpianatra ny Baiboly vao nahazo anarana vaovao dia afaka nifampahery. — Ampitahao amin’ny Isaia 43:12.

9. Inona no tsapan’ny kristiana marina raha ny amin’Ilay ho Azy no maha-Vavolombelona azy ireo?

9 Ho vokatr’izany, ny kristiana marina ankehitriny dia mahita fa mety ny mampahafantatra Ilay ho Azy no maha-vavolombelona azy ireo araka ny nolazaina mialoha, dia toy ny nataon’i Jesosy Kristy Mpitarika azy ireo fony izy teto an-tany. (Apokalypsy 1:1, 2). Eny, izy ireo dia mampahafantatra azy ho ilay hany manana ny anarana hoe Jehovah. — Salamo 83:18.

Feno fifaliana sy ny fanahy masina

10-12. a) Inona no ho vokatry ny hery miasa eo amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? b) Ahoana no anirian’ny Vavolombelon’i Jehovah nahazo fifaliana hifandraisana amin’izy samy izy?

10 Niteny toy izao tao amin’ireo teny nanaovany veloma ny apostoliny i Jesosy Kristy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 28: 19, 20.

11 Mariho fa ireo kristiana vao avy nampianarina dia tokony hatao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina. Io fanahy masina io akory tsy persona fa ny hery miasan’i Jehovah Andriamanitra, izay ampiasainy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tamin’ny Pentekosta, i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesosy, dia nandatsaka io heriny miasa io tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy nanolo-tena. (Asan’ny apostoly 2:33). Feno io fanahy masina io izy ireo, ary ny iray amin’ireo fisehoan’ny fanahy masina, na koa hoe ny vokany, dia ny fifaliana. (Galatiana 5:22, 23; Efesiana 5:18-20). Ny fifaliana dia toetra tsara mandrisika. Tokony ho feno ny fifalian’ny fanahy masina ireo mpianatra. Tena mety indrindra ny vavaka notononin’ny apostoly Paoly nanao hoe: “Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.” — Romana 15:13.

12 Feno io fanahy mitondra fifaliana io ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, anisan’izany ny “olona betsaka”, ka haniry, eny, ho voatosika hifampahery eo anivon’ity fandehan-javatra tsy manam-pitiavana ny hafa ity. Mifanaraka amin’izany, dia niresaka ny amin’ny “fifampaherezana” ny apostoly Paoly. — Apokalypsy 7:9, 10; Romana 1:12, MN; 14:17.

Ny antony rehetra tokony hampahery

13. Manana antony inona avy mba hampahery sy hifampaherezana isika?

13 Mahita ny tenany eo anivon’ity fandehan-javatra ity, izay mpanohitra izay rehetra marina ny mpanapaka azy ary na ny andriamaniny aza, ny kristiana ka haniry ny hifampahery ao anatin’ny kongregasiona kristiana maneran-tany, izay ielezan’ny fanahy masin’i Jehovah Andriamanitra. (Hebreo 10:24, 25; Asan’ny apostoly 20:28). Manana ny antony rehetra tokony hampahery isika. Eny, velom-pankasitrahana toy inona moa isika manana ny fahalalana marina an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny hery miasa ampiasain’izy ireo, dia ny fanahy masina izany! Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fanantenana omen’izy ireo! Feno fifaliana noho izany ny fanompoam-pivavahantsika. Niteny tamin’ireo kristiana nandefasany ny taratasiny ny apostoly Paoly fa tokony hifampahery izy ireo ary hifampahatanjaka ao amin’ny finoany masina indrindra. Tokony hanao izany izy ireo ‘mainka satria hitany fa mihantomotra ny andro’. Fanampin’izany, rehefa hanafoana ny fivavahana kristiana anarana, miaraka amin’ireo fivavahan-diso hafa rehetra, ireo hery ara-politikan’ity tany ity, dia hitaky ny hifampaherezantsika bebe kokoa ihany ny tarehin-javatra.

14. Iza no tokony hifampahery, ary amin’ny fomba ahoana?

14 Na dia manome ohatra amin’ny fampaherezana ny andian’ondry ao amin’ny kongregasionany tsirairay avy aza ireo loholona, dia mila ny mifampahery ny kristiana rehetra, araka ny ananaran’ny Hebreo 10:25 antsika. Raha ny marina, izany dia zavatra takina amin’ny kristiana iray. Raha mpikambana ao amin’ny kongregasiona iray ianao, moa ve ianao manome io fampaherezana io? Mety hanontany teny ianao hoe: ‘Ahoana no ahafahako hanao izany? Inona no azoko atao?’ Voalohany aloha, amin’ny fanatrehanao ireo fivoriana sy ny fanohananao ny fandaharana kristiana fotsiny, moa ve tsy mahazo fampaherezana ny rahalahy sy ny anabavy hafa rehetra, dia toy ny azo inoana fa ahazoan’ny tenanao manokana fampaherezana rehefa mahita ny hafa manatrika amim-pahatokiana ireo fivorian’ny kongregasiona ianao? Afaka mahazo fampaherezana avy amin’ny ohatra omenao mampiseho fiaretana feno fahatokiana koa izy ireo. Raha manohy manaraka ny lalana kristiana ianao, na dia eo aza ireo zava-manahirana sy zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, ka tsy reraka na oviana na oviana, dia afaka manome ohatra manosika ny hafa hanao zavatra ianao.

Reseo ny fahakiviana avy amin’ny Devoly

15. Nahoana ny Devoly no manana “fahatezerana lehibe”, ary amin’iza?

15 Tsy isika irery no mahafantatra fa efa akaiky ny andron’i Jehovah. Mahafantatra izany koa i Satana Devoly. Milaza amintsika ny Apokalypsy 12:12 fa izao dia misy loza ho an’ny tany “fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 12:17, ny fahatezerany lehibe dia ampihariny amin’ireo “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.” Tsy misy isalasalana ny amin’izany — maniry ny hanakivy antsika ny Devoly! Ary mahafantatra tsara ny fomba hanandramana hanaovana izany izy. Mahafantatra ny fahalementsika sy ny zava-manahirana antsika izy, ary mampiasa azy ireo.

16. Nahoana i Satana no mampiasa ny fahakiviana ho toy ny fiadiana?

16 Nahoana ny Devoly no mampiasa ny fahakiviana ho toy ny fiadiana? Satria mahomby izany matetika. Na dia olona iray efa niaritra fanoherana sy fanenjehana mivantana aza dia mety ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny fahakiviana. Maniry ny hiteny ratsy an’i Jehovah Andriamanitra sy hanandrana hanaporofo fa afaka ny hampiala ny olona tsy hanompo Azy i Satana. (Ohabolana 27:11; ampitahao amin’ny Joba 2:4, 5; Apokalypsy 12:10.) Raha afaka manakivy anao izy, dia mety hanao izay hampiadananao ny fanompoanao an’Andriamanitra; mety hanao izay hijanonanao mihitsy aza izy, izay tsy hiasanao intsony eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. — 2 Korintiana 2:10, 11; Efesiana 6:11; 1 Petera 5:8.

17. Tamin’ny ahoana no hita niharihary ireo voka-dratsin’ny fahakiviana tamin’ny andron’i Mosesy?

17 Azo atao ny manamarika ny voka-dratsin’ny fahakiviana amin’izay nitranga tamin’ireo Isiraelita tany Egypta fahizay. Rehefa avy niresaka tamin’i Farao i Mosesy, dia nampitombo fatratra ny enta-mavesatra efa nentin’izy ireo sy ny fampahoriany azy io mpitondra tsy nifaditrovana io. Nilaza tamin’i Mosesy Andriamanitra mba hanome toky ny Isiraelita fa hanafaka azy ireo tokoa Izy, hanao azy ireo ho Vahoakany, hanao izay hahafahan’izy ireo handositra ary hitondra azy ireo any amin’ny tany nampanantenainy. Nilaza izany tokoa tamin’ny zanak’Isiraely i Mosesy. Mitantara toy izao anefa ny Eksodosy 6:9: “Izy tsy nihaino an’i Mosesy noho ny fahoriam-panahy [fahakiviana, MN] sy ny fanompoana mafy.” Mandra-pahafahan’i Jehovah nampiaiky an’i Mosesy sy nampahery azy, io fihetsika io koa aza dia nahakivy an’i Mosesy tsy haniry hiresaka tamin’i Farao araka ny nandidiany azy. — Eksodosy 6:10-13.

18. Nahoana no mila mafy ny mandresy ny fahakiviana alefan’ny Devoly ny vahoakan’Andriamanitra?

18 I Satana Devoly dia mahafantatra tsara ireo voka-dratsy mety hoentin’ny fahakiviana eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra iray. Hoy ny Ohabolana 24:10 hoe: “Raha reraka [kivy, MN] amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Koa satria efa tena miaina atỳ amin’ny faran’ny andro farany isika, dia mila ny hatanjaka sy hahery ara-panahy. Efa mafy ny tsy maintsy iadiantsika amin’ny tsy fahatanterahantsika, ny fahalementsika ary ny fahadisoantsika izay mety hanakana antsika tsy handroso; kanefa noho i Satana manandrana ny hampiasa ireo fahadisoana ireo, dia mila fanampiana isika.

Miantehera mafy amin’ny soron’i Kristy

19. Inona no hanampy antsika handresy ny fahakiviana, ary nahoana?

19 Ny fanampiana lehibe iray amin’io lafiny io dia ny fandaharana ny amin’ny fanavotana nataon’i Jehovah izay hetezany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Afaka ny ho mpandresy isika amin’ny fianteherana mafy amin’io fanavotana io. Mampidi-doza ny fanamavainana io fandaharana io. Eny, mbola hanao fahadisoana, na hanota, foana isika raha mbola tsy tanteraka ihany. Kanefa, tsy voatery ny ho kivy isika ka hijanona, noho ny fiheverana fa tsy misy fanantenana, ary hianjera amin’izany fomba izany ao anatin’ny fandrik’i Satana. Mahafantatra isika fa manana sorona feno ho an’ny fahotana. Ny fanavotana dia afaka manafoana ny fahotana. Raha anisan’ny “olona betsaka” isika, dia tsy maintsy manana finoana sy fatokiana feno fa azontsika atao ny manasa ny akanjontsika ary mamotsy azy amin’ny ran’ny Zanak’ondry. — Apokalypsy 7:9, 14.

20 Ahoana no anehoan’ny Apokalypsy 12:11 fa azo atao ny mandresy ilay mpanakivy lehibe, dia ny Devoly izany?

20 Ao amin’ny Apokalypsy 12:10, i Satana dia lazalazaina ho “ilay mpiampanga ny rahalahintsika, (...) ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina.” Amin’ny ahoana no ahafahantsika mandresy ny mpiampanga ratsy sy mpanakivy mahatsiravina toy izany? Manome ny valin’izany ny andininy faha-11 amin’io toko io ihany: “Izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.” Koa mila ny mihazona fatokiana feno ny sorom-panavotana, izany hoe, ny ran’ny Zanak’ondry, àry ny vahoakan’i Jehovah. Hazòny mafy ilay fampaherezana azo avy amin’ny fanaovana fanambarana, amin’ny fizarana tsy tapaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izay rehetra azontsika anaovana izany.

21. Ahoana no mety handraisantsika anjara, tsy fantatsika akory aza, amin’ny asan’ny Devoly ataony ho fanakiviana ireo rahalahintsika?

21 Indraindray, tsy fantatsika akory aza, dia mety handray anjara amin’ny asan’ny Devoly ataony ho fanakiviana ny rahalahintsika isika. Ahoana izany? Amin’ny fanakianana be loatra, amin’ny fitakiana zavatra be loatra, na amin’ny fisehoana ho marina loatra. (Mpitoriteny 7:16). Manana ny tsy fahatanterahantsika sy ny fahalementsika avokoa isika rehetra. Aoka isika tsy hampiasa azy ireo toy ny ataon’ny Devoly. Aoka kosa isika hiresaka amin’ny fomba mampahery momba ireo rahalahintsika sy ny vahoakan’i Jehovah amin’ny maha-antokon’olona voalamina azy. Maniry ny tsy hitsahatra ny hifanome herim-po isika, ary noho izany dia miezaka mba tsy hifanakivy.

Aoka isika hampahery satria mihantomotra ny andro

22, 23. a) Nahoana no tsy tokony havelantsika ho ny loholona fotsiny no ho loharanom-pampaherezana? b) Ahoana no ahafahan’ny mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana hahazo fampaherezana?

22 Tokony hataontsika ho ny fanapahan-kevitsika mafy orina ny hifampahery mandrakariva satria mihantomotra ny andro. Ampaherezo ny hafa amin’ny ohatra sy ny teny fampiononana feno fahatokiana omenao. Manahafa an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Tompo amin’io lafiny io. Aza avela ho ny loholon’ny kongregasiona ihany no ho loharanom-pampaherezana. Mila fanampiana ihany koa ireo loholona. Manana ny fahalemeny sy ny kileman-toetrany toy ny sisa amin’ny andian’ondry koa izy ireo, ary voatery handamina zava-manahirana mitovy amin’ny azy koa eo amin’ny famelomana ny fianakaviany eo amin’ny tontolo iray miharatsy hatrany. Fanampin’izany, dia manana izay nolazalazain’i Paoly ho “ny fiahiana ny fiangonana rehetra” koa izy ireo. (2 Korintiana 11:28, 29). Asa mafy no ataony — mila fampaherezana izy ireo.

23 Afaka manome fampaherezana lehibe ireo eo amin’ny toeran’ny mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana ianao amin’ny fiaraha-miasa aminy. Amin’izay, dia hanaraka ny torohevitry ny Hebreo 13:17 toy izao ianao: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.”

24. Amin’izao andron’ny fahakiviana izao, dia inona no tokony hataontsika, ary nahoana?

24 Miaina amin’ny andron’ny fahakiviana isika. Reraka tokoa noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay ho tonga ambonin’ny tany ny fon’ny olona, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha. (Lioka 21:25, 26). Raha maro aoka izany ny zava-manahirana izay mitady ny hanaketraka sy hanakivy antsika, dia “mifampahereza (...), mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” Araho ny torohevitra tsara nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:11 [MN] manao hoe: “Aza mitsahatra ny mifampahery sy ny mifampahatanjaka, tahaka ny ataonareo ihany.”

Ahoana no havalinao?

◻ Nahoana ny kristiana no tokony hifampahery, ary bebe kokoa noho ny teo aloha aza?

◻ Tamin’ny ahoana no nampahery ny vahoakan’i Jehovah ny fahalalana ny anaran’Andriamanitra?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika tsirairay mifampahery?

◻ Nahoana no tsy maintsy iezahantsika ny tsy handray anjara amin’ny asan’ny Devoly ataony ho fanakiviana ireo rahalahintsika?

[Sary, pejy 17]

Manome ohatra ny loholona raha ny amin’ny fampaherezana ny andian’ondry ao amin’ny kongregasionany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara