FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kamboty Ray”
  • Kamboty Ray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kamboty Ray
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ilay Ray ho An’ny Kamboty Ray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ampio sy Anehoy Fitiavana ny “Kamboty”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Miahy ny Kamboty sy ny Maty Vady Amin’ny Fahoriany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kamboty Ray”

KAMBOTY RAY

Tsy misy lehilahy mpamelona sy mpiaro ny kamboty ray sy ny mpitondratena, ka mora hararaotina ary sahirana matetika izy ireny. Ny Lalàna àry no mba niahy ny kamboty ray sy ny mpitondratena ary ny mpivahiny, sady nanome antoka fa hahazo rariny sy hahazo izay nilainy izy ireny. (Ek 22:22-24; De 24:17) Afaka nanangona ny vokatra navelan’ny mpijinja teny an-tsaha, na nioty oliva sy voaloboka sisa tavela, ohatra, ireny mahantra ireny. (De 24:19-21) Anisan’ny nasaina manokana izy ireny mba hifaly tamin’ny fanasambe tamin’ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra (Fetin’ny Trano Rantsankazo) fanao isan-taona. (De 16:9-14) Isaky ny taona fahatelo, dia napetraka tao am-bavahadin’ny tanàna ny ampahafolon’ny vokatra fa tsy nohanina tany Jerosalema toy ny fanao. Nanan-jo ara-dalàna hahazo tamin’io ampahafolon’ny vokatra io ny kamboty ray.​—De 14:28, 29; 26:12, 13.

Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tena tokony hiahy ny kamboty?

Mora hadino ireny olona nidonam-pahoriana sy tsy misy mpiaro ireny. Nampiasa ilay hoe “kamboty ray” àry i Jehovah mba hahitana raha nanao ny rariny ny Israely na tsia. Voakarakara erỳ mantsy ny kamboty ray rehefa nankatò tsara an’Andriamanitra ny Israely. Azo antoka anefa fa natao tsirambina ny kamboty ray rehefa nanjaka ny tsy rariny, ary izany no namantarana hoe simba be ny fifandraisan’ilay firenena tamin’Andriamanitra. (Sl 82:3; 94:6; Is 1:17, 23; Je 7:5-7; 22:3; Ezk 22:7; Za 7:9-11; Ml 3:5) Nanozona an’izay nampahory an’ireo kamboty ray i Jehovah. (De 27:19; Is 10:1, 2) Izy mihitsy no nilaza ny tenany hoe Mpanavotra ny kamboty ray (Oh 23:10, 11), Mpanampy azy (Sl 10:14), ary Rainy (Sl 68:5). Izy no manome rariny ho azy ireny (De 10:17, 18), mamindra fo aminy (Ho 14:3), manao izay hahamaivana ny fahoriany (Sl 146:9), ary mitsimbina ny ainy.​—Je 49:11.

Anisan’ny amantarana ny tena Fivavahana Kristianina ny fiahiana an’ireo namoy vady na ray aman-dreny. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”​—Jk 1:27.

An’ohatra no ampiasana an’ilay teny grika nadika hoe kamboty (ôrfanôs) ao amin’ny Jaona 14:18 (TV; Prot.; Kat.; DIEM), ka nadika koa hoe “irery” (BFC).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara