FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 17 p. 169-178
  • Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA NO MIHAMARO NY FITSAPANA?
  • MIANATRA MIARITRA
  • MIARITRA FITSAPANA SAMIHAFA
  • TAPA-KEVITRA NY TSY HIVADIKA
  • ‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • ‘Diniho Tsara Ilay Niaritra’
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Ny Fiaretana Izay Mahazo ny Fandresena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 17 p. 169-178

TOKO 17

Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

HOY i Jakoba mpianatra: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Mihaino ny vavaka ataontsika foana i Jehovah, na dia tsy lavorary aza isika. Tsy hoe ambony loatra mantsy izy na hoe lavitra loatra. (Asa. 17:27) Ahoana àry no hanatonantsika an’i Jehovah? Mila miezaka mifandray aminy isika, ka mamboraka aminy izay ao am-pontsika. (Sal. 39:12) Miezaka mifandray akaiky aminy koa isika raha mianatra tsy tapaka ny Teniny, dia ny Baiboly. Hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany ary ny zavatra tiany hataontsika isika, raha manao an’izany. (2 Tim. 3:16, 17) Ho lasa tia azy isika amin’izay ary hatahotra ny tsy hampifaly azy.​—Sal. 25:14.

2 Tsy afaka manatona an’i Jehovah anefa isika, raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Zanany. (Jaona 17:3; Rom. 5:10) I Jesosy ihany mantsy no tena mahay mampahafantatra antsika ny fomba fisainan’i Jehovah. Fantany tsara ny Rainy, ka afaka niteny izy hoe: “Tsy misy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.” (Lioka 10:22) Mianatra momba ny fomba fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony àry isika, raha ny marina, rehefa mianatra izay voalazan’ny Filazantsara momba ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony. Hanampy antsika hifandray kokoa amin’Andriamanitra izany fianarana izany.

3 Lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah isika, rehefa miaraka foana amin’ilay ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany, sady manaiky hotarihin’ny Zanany. Hianatra hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika amin’izay. Milaza ny Matio 24:45-47 fa notendren’i Jesosy Kristy Tompo ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba ‘hanome sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Betsaka ny sakafo ara-panahy omen’izy io antsika. Mampiasa an’io mpanompo io i Jehovah mba hampirisihana antsika hamaky ny Teniny isan’andro, hivory tsy tapaka, ary hazoto hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Mat. 24:14; 28:19, 20; Jos. 1:8; Sal. 1:1-3) Na dia tsy lavorary aza io mpanompo io, dia matoky isika hoe Andriamanitra no mitarika azy io. Hiezaka isika mba hiaraka foana amin’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah, ary hanaraka ny tari-dalana omen’izy io. Hifandray kokoa amin’i Jehovah Andriamanitsika isika amin’izay, ka hahazo hery sy ho voaro rehefa misy fitsapana.

NAHOANA NO MIHAMARO NY FITSAPANA?

4 Mety ho efa an-taonany maro ianao no nahalala ny fahamarinana, ka fantatrao tsara izany hoe miaritra fitsapana izany. Na vao haingana aza anefa ianao no nahalala an’i Jehovah sy niaraka tamin’ny vahoakany, dia fantatrao hoe manohitra an’izay rehetra manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra i Satana Devoly. (2 Tim. 3:12) Tsy misy tokony hatahoranao na hahakivy anao anefa, na efa ela ianao no niaritra an’izany na vao haingana. Efa nampanantena mantsy i Jehovah fa hanohana sy hamaly soa anao izy. Hafahany amin’ny fitsapana ianao ary homeny fiainana amin’ny hoavy.​—Heb. 13:5, 6; Apok. 2:10.

5 Mety hiharam-pitsapana daholo isika, amin’izao andro faran’ny tontolon’i Satana izao. Tsy navela ho any an-danitra intsony i Satana, nanomboka tamin’ny 1914, rehefa niorina ny Fanjakan’Andriamanitra. Natsipy tetỳ an-tany izy sy ireo anjely ratsy, ka tsy afa-miala etỳ intsony. Tezitra be i Satana noho izany, ka lasa tsy nitsaha-nitombo ny loza eto an-tany, ary vao mainka nenjehina ny mpanompon’i Jehovah. Izany koa no porofo hoe efa kely sisa dia tsy hifehy ny olombelona intsony io mpitondra ratsy fanahy io.​—Apok. 12:1-12.

6 Tezitra be i Satana rehefa naetry satria fantany hoe fohy ny fotoana ananany. Miezaka mafy izy sy ny demoniany mba hanakantsakana ny fitoriana sy fampianarana ataon’ny vahoakan’i Jehovah, ary ataony izay tsy hampiray saina antsika. Tsy maintsy miady amin’ireo anjely ratsy àry isika rehetra. “Isika mantsy tsy miady amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanjakana sy manam-pahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny faritry ny lanitra.” Tsy tokony hilavo lefona amin’io ady io isika raha te handresy. Tsy avelantsika hisy banga na simba mihitsy koa ny fitaovam-piadiantsika. Tsy maintsy ‘mafy orina isika ka hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.’ (Efes. 6:10-17) Tsy hahavita an’izany anefa isika raha tsy miaritra.

MIANATRA MIARITRA

7 Ny hoe miaritra dia midika hoe “mahavita mizaka zava-tsarotra na fahasahiranana.” Raha resaka fanompoana an’Andriamanitra indray izy io dia midika hoe manao izay mahitsy foana na eo aza ny zava-tsarotra, fanoherana, fanenjehana, na zavatra hafa natao hampivadika antsika amin’Andriamanitra. Tsy hahavita hiaritra ho azy isika, fa mila miezaka. Mitaky fotoana izany. Lasa hahay hiaritra kokoa isika raha mandroso ara-panahy foana. Sendra fitsapana madinidinika, ohatra, isika, raha vao manomboka manompo an’i Jehovah. Raha zatra miaritra an’ireny anefa isika, dia vao mainka hihamatanjaka ny finoantsika ary hahavita hiaritra fitsapana lehibe kokoa isika any aoriana. (Lioka 16:10) Tsy hiandry fitsapana lehibe anefa isika vao hanapa-kevitra ny tsy hivadika. Tokony hanao an’izany isika, dieny mbola tsy tonga ilay fitsapana. Nilaza ny apostoly Petera fa mila manana toetra tsara hafa isika ankoatra ny fiaretana. Hoy izy: “Ataovy izay rehetra azonareo atao, ka ny finoanareo ampio hatsaran-toetra, ary ny hatsaran-toetranareo ampio fahalalana, ny fahalalanareo ampio fifehezan-tena, ny fifehezan-tenanareo ampio fiaretana, ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny fahafoizanareo tena ho an’Andriamanitra ampio fitiavan-drahalahy, ary ny fitiavanareo ny rahalahy ampio fitiavana ny olona rehetra.”​—2 Pet. 1:5-7; 1 Tim. 6:11.

Ho mafy orina tsikelikely ny fiaretantsika raha mandresy ny olana mahazo antsika isan’andro isika

8 Tena tokony hanana fiaretana isika, satria hoy i Jakoba tao amin’ny taratasiny: “Rehefa sendra fitsapana isan-karazany ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana be izany. Fantatrareo mantsy fa lasa mahay miaritra ianareo rehefa vita sedra ny finoanareo. Avelao hamita ny asany anefa ny fiaretana, amin’izay ianareo ho lasa lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra, ka tsy hisy tsy ampy ao aminareo.” (Jak. 1:2-4) Nilaza i Jakoba fa tokony ho faly ny Kristianina rehefa sendra fitsapana, satria lasa mahay miaritra izy amin’izay. Hoatr’izany ve no fahitanao ny fitsapana? Raha izany no izy, dia ho lasa lavorary ny toetranao, araka ny tenin’i Jakoba, ka hankasitraka anao Andriamanitra. Hahay hiaritra kokoa isika isan’andro, rehefa tsy mivadika foana isaky ny sendra fitsapana. Hanana toetra tsara hafa tena ilaintsika koa isika, raha miaritra.

9 Mampifaly an’i Jehovah isika raha miaritra, ary homeny fiainana mandrakizay. Hoy ihany i Jakoba: “Sambatra izay olona miaritra foana rehefa misy fitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’i Jehovah an’izay tia Azy foana.” (Jak. 1:12) Miaritra àry isika satria te hiaina mandrakizay. Tsy ho tafajanona ao amin’ny fahamarinana isika raha tsy miaritra. Ho tafaverina any amin’izao tontolo izao indray isika raha manaiky hotaominy. Tsy hahazo ny fanahin’i Jehovah intsony koa isika, ka tsy hanana ny vokatry ny fanahiny.

10 Nilaza i Jakoba fa tokony horaisintsika “ho fifaliana be” ny hoe sendra fitsapana. Tokony ho hoatr’izany àry ny toe-tsaintsika, raha tiantsika ny hahavita hiaritra foana amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mety ho sarotra izany, satria mety hijaly ara-batana isika na hiady saina vokatr’ilay fitsapana. Tadidio anefa fa tsy hahazo fiainana mandrakizay isika raha tsy miaritra. Inona no hanampy antsika ho faly foana na miaritra fijaliana aza? Diniho ny zavatra niainan’ny apostoly, rehefa nampanantsoina tany amin’ny fitsarana izy ireo. Hoy ny Asan’ny Apostoly 5:40, 41: ‘Nampanantsoin’izy ireo ny apostoly. Ary nokaravasiny sy norarany tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony izy ireo, dia navelany handeha. Koa niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarana izany.’ Takatry ny apostoly fa nankasitrahan’i Jehovah izy ireo sady nankatò ny didin’i Jesosy matoa mijaly. Nanazava i Petera, tatỳ aoriana, fa zava-dehibe ny hoe mijaly noho ny fahamarinana.​—1 Pet. 4:12-16.

11 Diniho koa ny nanjo an’i Paoly sy Silasy. Nitory tany Filipy ireo misionera ireo, indray mandeha, ka nosamborina satria hoe manakorontana tanàna sady mitory fanao tsy azo arahina. Nokapohina mafy sy nogadraina izy ireo, noho izany. Milaza ny Baiboly fa ‘nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra i Paoly sy Silasy tamin’ny misasakalina tany ho any, ary nihaino azy ireo ny voafonja hafa.’ (Asa. 16:16-25) Mbola tany am-ponja anefa izy ireo tamin’io, ary mbola tsy notsaboina akory ny ratrany. Tsapan’i Paoly sy Silasy hoe tsy nivadika teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona izy matoa nijaly. Efa fitoriana tamin’ny olona liana tamin’ny vaovao tsara koa ny zavatra niaretany, ary namonjy ain’olona izany. Nihaino azy mantsy ilay mpiambina sy ny ankohonany tamin’iny alina iny, ka lasa mpianatra. (Asa. 16:26-34) Niantehitra tamin’ny herin’i Jehovah i Paoly sy Silasy, sady natoky azy. Nino koa izy ireo hoe tsy hahafoy azy mihitsy i Jehovah. Tsy diso fanantenana izy ireo.

12 Omen’i Jehovah antsika koa izay rehetra ilaina mba hahafahantsika hiaritra fitsapana. Tiany hiaritra mantsy isika. Nomeny antsika ny Teniny, mba ho fantatsika tsara ny fikasany. Manatanjaka ny finoantsika izany. Manampy antsika koa ny mifanerasera amin’ny mpiray finoana sy manao fanompoana masina. Afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka koa isika. Mihaino antsika izy rehefa midera azy isika, na mangataka fanampiana aminy mba hahazoantsika sitraka aminy foana. (Fil. 4:13) Tsy vitan’izay fa afaka misaintsaina ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra foana isika, satria hampahery antsika izany.​—Mat. 24:13; Heb. 6:18; Apok. 21:1-4.

MIARITRA FITSAPANA SAMIHAFA

13 Mitovy amin’izay nanjo ny mpianatr’i Jesosy Kristy ihany ny fitsapana mahazo antsika Vavolombelon’i Jehovah. Manaratsy sy mampijalijaly antsika, ohatra, ny olona sasany, izay tsy tena mahalala ny marina momba antsika. Mpivavaka mafana fo no nanohitra ny apostoly, ary mbola ireny koa no manohitra antsika. Ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy hoe diso ny zavatra ampianarin’izy ireny ary tsy mety ny zavatra fanaony. (Asa. 17:5-9, 13) Mba afaka amin’ny fampijaliana isika indraindray, rehefa mitaky ny zontsika any amin’ny fanjakana. (Asa. 22:25; 25:11) Ny mpitondra mihitsy anefa indraindray no mandrara ny asantsika, satria tsy tiany hanao ny fanompoantsika intsony isika. (Sal. 2:1-3) Manao toa an’ireo apostoly isika rehefa tratran’izany. Hoy mantsy izy ireo: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”​—Asa. 5:29.

14 Mahazo vahana izao ny fanindrahindram-pirenena eran-tany, ka vao mainka mitombo ny fanoherana ny asa fitoriana. Hitan’ny mpanompon’Andriamanitra hoe tena ilaina ny manaraka an’ilay fampitandremana ao amin’ny Apokalypsy 14:9-12. Voalaza ao mantsy fa tsy tokony hivavaka amin’ilay “bibidia sy ny sariny” isika. Azontsika tsara ny tian’i Jaona holazaina, rehefa niteny izy hoe: “Eto no mila miaritra ny olona masina, dia izay mankatò ny didin’Andriamanitra sy mino an’i Jesosy foana.”

15 Betsaka ny fitsapana rehefa misy ady, tolom-bahoaka, fanenjehana, na fandrarana avy amin’ny mpitondra fanjakana, ka mety ho voasakantsakana fanompoantsika amin’izay. Mety tsy ho afaka hivory toy ny mahazatra koa ny fiangonana. Na ireo rahalahy aza mety tsy ho afaka hifandray amin’ny biraon’ny sampana. Ny mpiandraikitra ny faritra koa mety tsy ho afaka hitsidika, ary mety tsy hahazo boky sy gazety isika. Inona no tokony hatao rehefa mitranga izany?

16 Ataovy izay mbola azonao atao sy izay farany vitanao. Azo inoana hoe mbola afaka manao fianarana samirery ianao. Azo atao koa ny mivory any an-tranon’olona, fa atao vitsivitsy ny mpivory. Azo ampiasaina amin’izany ny boky efa nianarana taloha sy ny Baiboly. Tsy misy tokony hampanahy mihitsy. Vetivety ihany matetika ny Filan-kevi-pitantanana dia afaka mifandray indray amin’ireo rahalahy manana andraikitra.

17 Na tafasaraka tanteraka amin’ireo rahalahy sy anabavy aza ianao, dia tadidio fa mbola eo foana i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany. Mbola afaka matoky koa ianao fa tsy maintsy ho tanteraka ireo zavatra nampanantenain’i Jehovah. Afaka mandre ny vavaka ataonao foana izy, ary afaka mampahery anao amin’ny alalan’ny fanahiny. Araho foana ny tari-dalany. Tadidio fa mpanompon’i Jehovah ianao sady mpianatr’i Jesosy Kristy, ka miezaha foana mitory isaky ny afaka manao izany. Hitahy ny ezaka ataonao i Jehovah, ary mety tsy ho ela dia hisy olon-kafa hanompo azy miaraka aminao.​—Asa. 4:13-31; 5:27-42; Fil. 1:27-30; 4:6, 7; 2 Tim. 4:16-18.

18 Na rahonana ho faty toy ny apostoly sy ny olon-kafa aza anefa ianao, dia matokia fa afaka “manangana ny maty” Andriamanitra. (2 Kor. 1:8-10) Ho afaka hiaritra ianao raha matoky an’izany, na tena mafy aza ny fanenjehana. (Lioka 21:19) Namela modely ho antsika i Kristy Jesosy. Fantany mantsy fa vonona hiaritra koa ny hafa raha tsy mivadika izy. Miezaha àry hanahaka azy, fa mety hahasoa ny hafa izany.​—Jaona 16:33; Heb. 12:2, 3; 1 Pet. 2:21.

19 Mety hiaritra zavatra hafa koa anefa isika, ankoatra ny fanenjehana sy fanoherana. Kivy, ohatra, ny mpitory sasany satria tsy miraika ny olona eny amin’ny faritany. Misy indray marary, na ketraka lava, na efa osa ka tsy mahavita zavatra firy intsony. Na ny apostoly Paoly aza mba niaritra fitsapana nitovitovy tamin’ireo, ary nisy vokany tamin’ny fanompoany izany. (2 Kor. 12:7) Teo koa i Epafrodito, avy any Filipy. Lasa “tena kivy be” izy, rehefa fantatry ny namany hoe “narary.” (Fil. 2:25-27) Mety hampisy olana koa ny fahalementsika na ny an’ny hafa, ka vao mainka sarotra ny miaritra. Mety hisy olana eo amintsika sy ny Kristianina hafa, satria samy manana ny toetrany ny olona. Mety hitranga koa izany na dia amin’ny samy mpianakavy aza. Afaka miaritra an’izany rehetra izany anefa isika, ary afaka mandresy, raha arahintsika foana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah.​—Ezek. 2:3-5; 1 Kor. 9:27; 13:8; Kol. 3:12-14; 1 Pet. 4:8.

TAPA-KEVITRA NY TSY HIVADIKA

20 Tsy maintsy mifikitra amin’i Jesosy Kristy, ilay notendren’i Jehovah ho Lohan’ny fiangonana, isika. (Kol. 2:18, 19) Ilaina koa ny miara-miasa akaiky amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sy ireo voatendry ho mpiandraikitra. (Heb. 13:7, 17) Ho voalamina hanao ny sitrapon’i Jehovah isika, raha manaraka foana ny fandaharana eo anivon’ny fandaminana sady miara-miasa amin’ireo mitarika. Aza atao tsirambina koa ny vavaka. Tadidio fa na gadraina isika na atoka-monina, dia mbola afaka miresaka amin’ilay Raintsika any an-danitra foana. Mbola afaka miray saina foana koa ny vahoakan’i Jehovah rehetra, na dia misy iharan’izany aza.

21 Naniraka antsika toy izao i Jesosy Kristy, ilay efa natsangana tamin’ny maty: “Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina izy ireo, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.” (Mat. 28:19, 20) Aoka isika ho tapa-kevitra ny hiaritra, ka hanao izay rehetra azontsika atao mba hamitana an’izany asa nanendrena antsika izany. Aoka isika hiaritra toa an’i Jesosy, ka hitadidy foana an’ilay fampanantenana momba ilay Fanjakana sy ny fiainana mandrakizay. (Heb. 12:2) Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba ny “faran’izao tontolo izao”: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:3, 14) Manatanteraka an’io faminaniana io isika, satria mpianatr’i Kristy vita batisa. Enga anie isika ka hanao an’io asa io amin’ny fo manontolo, dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara