FIARETANA
Midika ara-bakiteny hoe “mijanona na mitoetra eo ambanin’ny” ilay matoanteny grika hoe hypômenô. Adika hoe “nijanona” izy io ao amin’ny Lioka 2:43 sy Asan’ny Apostoly 17:14. Lasa heviny koa ny hoe “mahatanty; manana fikirizana; tsy mihontsina”, ka izany no andikana azy hoe “miaritra.” (Mt 24:13) Mazàna ilay anarana hoe hypômône no midika hoe fiaretana foana amin-kerim-po, izay mahatonga olona tsy hanary toky na eo aza ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana sy ny fitsapana ary ny fakam-panahy.
Tena ilaina. Anisan’ny zavatra tsy maintsy atrehin’ny Kristianina ny tsy firaikan’ny olona, fanalam-baraka, fanendrikendrehana, fankahalan’ny havana na olon-kafa, fampijaliana, fanagadrana, ary famonoana ho faty mihitsy. (Mt 5:10-12; 10:16-22; 24:9, 10, 39; Mr 13:9, 12, 13; Ap 13:10) Tena ilaina àry ny miaritra. Tsy hahazo fiainana mandrakizay mihitsy ny olona iray, raha tsy mahavita miaritra. (Ro 2:7; He 10:36; Ap 14:12) Mila mijoro hatramin’ny farany mantsy ny Kristianina fa tsy hoe tsara fanombohana fotsiny. Hoy tokoa i Jesosy Kristy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mt 24:13) “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.”—Lk 21:19.
Mety ho mora manaiky “ny tenin’Andriamanitra” ny olona iray, nefa tsy ho vitany ny miaritra raha tsy latsa-paka ao am-pony izy io. Hihemotra izy raha vao tojo fahoriana na fanenjehana, ka tsy hahazo sitraka na fitahiana avy amin’Andriamanitra intsony. Hiaritra foana kosa ireo tena mankasitraka “ny tenin’Andriamanitra.” “Mamoa amin’ny fiaretana” izy ireo ka mitory foana ny hafatr’Andriamanitra, na dia mijaly sy kivy ary mizaka ny mafy aza.—Lk 8:11, 13, 15.
Inona no manampy antsika hiaritra? Tena manampy antsika hiaritra zava-tsarotra ny misaintsaina ny modely nomen’ireo mpanompon’Andriamanitra taloha, anisan’izany ireo mpaminany, Joba, ny apostoly Paoly sy Jaona, ary ny maro hafa. Manampy antsika koa ny mandinika ny fitahiana azon’ireny olona tsy nivadika ireny. (2Ko 6:3-10; 12:12; 2Te 1:4; 2Ti 3:10-12; Jk 5:10, 11; Ap 1:9) Ny modely nomen’i Jesosy Kristy anefa no tena tokony hobanjinina, satria tonga lafatra ny fiaretany.—He 12:2, 3; 1Pe 2:19-24.
Mila atao ao an-tsaina foana koa ilay fanantenantsika, dia ny ho lavorary sy hiaina mandrakizay. Tsy foana io fanantenana io, na dia mamono antsika ho faty aza ny mpanenjika. (Ro 5:4, 5; 1Te 1:3; Ap 2:10) Ho tsinontsinona ny fijaliana iaretana ankehitriny, rehefa tanteraka io fanantenana kanto io. (Ro 8:18-25) “Mihelina sy maivana” koa na dia ny fijaliana mafy indrindra ankehitriny aza, raha oharina amin’ny fiainana mandrakizay. (2Ko 4:16-18) Tsy hamoy fo na hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray, raha mitadidy fa mihelina ihany ny fitsapana ary eo foana ilay fanantenana.
Tsy noho ny herin’ny tenany no ahafahan’ny Kristianina miaritra, fa noho ny hery omen’ilay Avo Indrindra. Mampiasa ny fanahiny masina sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina mantsy izy mba hanampiana ny mpanompony. “Manome fiaretana” an’izay miantehitra tanteraka aminy izy. Mila mangataka fanampiana àry ny Kristianina, anisan’izany ny fahendrena ilaina hiatrehana fitsapana iray. (Ro 15:4, 5; Jk 1:5) Tsy havelan’i Jehovah hiharan’ny fitsapana tsy ho zakany mihitsy ny olona. Raha miantehitra amin’ilay Mahery Indrindra ny olona iray ka tsy kivy fa matoky azy tanteraka, dia hasiany lalan-kivoahana foana mba hahafahany hiaritra.—1Ko 10:13; 2Ko 4:9.
Toy ny loharano tsy mety ritra ny hery azon’ny Kristianina angatahana, rehefa tojo zava-tsarotra izy. Nivavaka ny apostoly Paoly mba ‘hohatanjahina amin’ny hery rehetra’ ireo Kolosianina, ‘araka ny haben’ny herin’Andriamanitra be voninahitra, mba hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.’ (Kl 1:11) Nampiasa an’io ‘hery be voninahitra’ io ny Ray, rehefa nanangana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty ary nanandratra azy ho eo ankavanany.—Ef 1:19-21.
Tian’i Jehovah sy ny Zanany hahavita hiaritra ny Kristianina rehetra. Nampirisihin’i Jesosy Kristy hiaritra mantsy ny fiangonana tany Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia.—Ap 2:1-3, 8-10, 12, 13, 18, 19; 3:4, 5, 7, 10, 11, 14, 19-21.
Ahoana no tokony hiheverana ny fitsapana? Tsy ho afaka hiaina mandrakizay ny olona iray raha tsy miaritra. Afaka matoky koa anefa izy fa hanampy azy foana Andriamanitra. Mahalala izany ny Kristianina ka tsy tokony hatahotra fitsapana sy zava-mahory, sady tsy ho be taraina na hitsetra tena na ho sosotra. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Aoka isika hifaly ao anatin’ny fahoriana, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana.’ (Ro 5:3) Mahay miaritra ny Kristianina raha mahari-pery sy tsy mivadika ao anatin’ny fitsapana, noho ny fanampian’Andriamanitra. Tsy ho fantatra anefa hoe mahavita miaritra izy, raha tsy efa nandia zava-tsarotra.
Tokony havela “hamita ny asany” ny fiaretana, izany hoe havela hitohy hatramin’ny farany ny fitsapana, fa tsy mitady fomba tsy araka ny Soratra Masina hampitsaharana azy haingana. Hanana finoana vita sedra sy matanjaka kokoa ilay Kristianina amin’izay, ary ho hita koa fa tena manan-kery ny finoana. Mety hiharihary aminy koa ny fahalemeny ka ho afaka hanitsy izany izy. Mamolavola azy ny fitsapana raha miaritra sy tsy mivadika izy. Hanjary hanam-paharetana sy hahatsapa ny fahorian’ny hafa izy, ary hangoraka sy ho tsara fanahy ary ho be fitiavana. Raha havela “hamita ny asany” ny fiaretana, dia hanana ny toetra rehetra tian’i Jehovah hananan’ny olona ankasitrahany ny Kristianina, ka “tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.”—Jk 1:2-4.