Ahoana no Ahafahanao Mampiseho ny Tena Fanetren-tena?
MISY vidiny lehibe eo imason’Andriamanitra ny tena fanetren-tena. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. (Jakoba 4:6). Nety ho hevitra maromaro voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo no nasian’i Jakoba firesahana tsy nivantana eto. “[Fa avo i Jehovah, kanefa ny manetry tena dia hitany, NW ], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” “Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry, ary ny fiavonavonan’ny olona hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra”. “Na dia tsiratsirain[’Andriamanitra] aza ny mpaniratsira, dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.” — Salamo 138:6; Isaia 2:11; Ohabolana 3:34.
Nampirisika ny hananana fanetren-tena koa ny apostoly Petera. Nanoratra toy izao izy: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’ .” — 1 Petera 5:5.
Ny oha-panetren-tenan’i Kristy
Mety hanontany ianao hoe: Inona no hatsaran-toetra na soa mifamatotra amin’ny fanehoana fanetren-tena? Tena zava-dehibe ny valin’izany ho an’ny olona miezaka mafy mba ho tena Kristianina. Ny hoe manetry tena mantsy dia midika ho fahatongavana ho sahala amin’i Kristy. Nampiseho ny fanetren-tenany i Jesosy tamin’ny fanekena ilay fanendrena tsy manam-paharoa ho tonga tetỳ an-tany, avy any amin’ny faritry ny lanitra, ka tonga olombelona ambany, ambany kokoa noho ny anjely. (Hebreo 2:7). Niaritra ny fanalam-baraka nataon’ireo fahavalony ara-pivavahana taminy izy, na dia Zanak’Andriamanitra aza. Nihazona ny fahatoniany izy nandritra ny fisedrana nahazo azy, na dia azony natao aza ny nangataka ny fanampian’ny anjely niisa legiona maromaro. — Matio 26:53.
Tamin’ny farany, dia nahantona tamim-pahafaham-baraka teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, kanefa dia nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’ny Rainy izy. Araka izany, dia afaka nanoratra toy izao momba azy, i Paoly: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” — Filipiana 2:5-8.
Koa ahoana àry no ahafahantsika mampiseho tena fanetren-tena? Ahoana no ahafahantsika manao zavatra amim-panetren-tena fa tsy amim-piavonavonana, raha eo amin’ny fampiharana?
Manao ahoana ny fihetsiky ny olona manetry tena?
Andeha hodinihintsika ny fanetren-tena eo amin’ny sehatry ny asa, na eny amin’ny toeram-piasana izany, na eny amin’ny fanompoana kristianina. Mety ho tena ilaina ny mpiandraikitra sy ny mpitantan-draharaha ary ny mpanara-maso, mba hanaovana ny asa amim-pahombiazana. Tsy maintsy misy olona mandray fanapahan-kevitra. Ahoana no fihetsikao? Moa ve ianao hanjohy hevitra hoe: “Fa zo inona no ananany no hilaza amiko izay tokony hatao izy? Efa nanao ity asa ity taona maro kokoa noho izy aho.” Eny, raha mihevi-tena ho zavatra ianao dia ho sosotra rehefa eo ambany fifehezan’olona. Etsy an-danin’izany, ny olona iray manetry tena dia miezaka mafy mba ‘tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany’. — Filipiana 2:3.
Ahoana no fihetsikao rehefa zandrinao na vehivavy no manipy hevitra aminao? Raha manetry tena ianao, dia handinika ilay tsipy hevitra, fara faharatsiny. Raha mihevi-tena ho zavatra ianao, dia ho sosotra na handa ilay izy avy hatrany. Aleonao ve hahazo dera sy fandokafana izay hitarika ho amin’ny fahavoazanao, sa kosa torohevitra manatsara zavatra izay hampandroso anao? — Ohabolana 27:9; 29:5.
Afaka miatrika zava-tsarotra toy ny fahoriana ve ianao? Ny fanetren-tena dia hahatonga anao ho afaka hiatrika tarehin-javatra sarotra sy hiaritra, toy ny nataon’i Joba. Raha mihevi-tena ho zavatra ianao, dia hirona ho kivy sy mety ho sorena noho ny tarehin-javatra mampahory na noho ny fiheveranao ny tenanao ho natao tsinontsinona. — Joba 1:22; 2:10; 27:2-5.
Fanehoam-pitiavana sy famelan-keloka ny fanetren-tena
Sarotra amin’ny olona sasany ny milaza hoe: “Miala tsiny aho fa diso. Marina ny anao.” Nahoana? Noho ny avonavona be loatra! Matetika anefa no afaka mamarana mora foana ny fifamalian’ny mpivady ny fialan-tsiny amim-pahatsorana.
Vonona ny hamela heloka ve ianao rehefa misy olona manafintohina anao? Sa, noho ny avonavonao, dia mitahiry lolompo, angamba mandritra ny andro na volana maromaro ianao, ka mandà tsy hiresaka amin’ilay heverina ho nanafintohina? Hamelona fankahalana maharitra mihitsy ve ianao mba hamaliana faty? Nisy olona novonoina ho faty noho ny fifankahalana maharitra. Ny fanosoram-potaka no fomba nampiasain’ny hafa. Mifanohitra amin’izany, fa maneho fitiavana sy mamela heloka ny olona iray manetry tena. Nahoana? Satria tsy manao otripo ny fitiavana. Vonona ny hamela ny heloky ny Isiraelita i Jehovah, raha nampandefitra ny avonavony izy ireo. Vonona ny hamela heloka ireo mpanara-dia an’i Jesosy manana fanetren-tena, na dia miverimberina aza! — Joela 2:12-14; Matio 18:21, 22; 1 Korintiana 13:5.
‘Mitari-dalana amin’ny fifanomezam-boninahitra’ ny olona iray manetry tena. (Romana 12:10). Izao no vakina ao amin’ny New International Version: “Mifanomeza voninahitra ambony noho ny ho an’ny tenanareo.” Midera ny hafa sy mankasitraka ny fahaizany sy ny talentany ve ianao? Sa tsy maintsy mijery foana ny kilemany ianao mba hahamatroka ny lazany? Eny, afaka midera amim-pahatsorana ny olon-kafa ve ianao? Raha sarotra aminao io lafiny io, dia angamba ny tsy fatokian-tena sy ny avonavona no zava-manahirana anao.
Tsy manam-paharetana ny olona iray miavonavona. Manana faharetana sy mahari-po ny olona iray manetry tena. Ahoana ny aminao? Ory amin’izay mety hoheverinao ho fitondrana anao amin’ny fomba ratsy ve ianao? Mifanohitra amin’ny fananana fahari-po ny fihetsika toy izany. Tsy hihevi-tena ho zavatra loatra ianao, raha manetry tena. Tadidio izay nitranga rehefa nihevi-tena ho zavatra loatra ireo mpianatr’i Jesosy — nanjary nifanditra mafy nahakasika izay lehibe indrindra teo aminy izy ireo. Hadinon’izy ireo fa “mpanompo tsy mahasoa” izy rehetra! — Lioka 17:10; 22:24; Marka 10:35-37, 41.
Ilay mpanoratra frantsay atao hoe Voltaire dia nilazalaza ny fanetren-tena ho “fiheveran-tena araka ny antonony (...) fanafodin’ny avonavona”. Eny, ny fanetren-tena dia saina tsy manambony tena. Manana toe-tsaina tsy manambony tena ny olona iray manetry tena, fa tsy hoe miavonavona. Sady manaja fatratra izy no mahalala fomba.
Koa nahoana àry no miezaka mafy mba hanana fanetren-tena? Satria hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fananana fanetren-tena, ary manampy antsika hahazo ny fitarihany. Amin’ny ampahany dia noho ny fanetren-tenan’i Daniela mpaminany, no niheveran’i Jehovah azy ho olona “malala indrindra” sy nanirahany anjely tany aminy tamin’ny fahitana! (Daniela 9:23; 10:11, 19). Mitondra valisoa betsaka ny fanetren-tena. Ahazoana ny tena namana izay tia anao izy io. Mihoatra noho izany aza fa mitondra fitahian’i Jehovah izy io. “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” — Ohabolana 22:4.
[Sary, pejy 7]
Afaka mampisosa tsara ny fiainana ny teny fialan-tsiny atao amim-panetren-tena