FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/12 p. 13-18
  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tena maha-izy an’i Satana
  • Ny hafetsena sy ny fitak’i Satana
  • Ahoana no azontsika anoherana an’i Satana ka tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra?
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ahoana no Hanoherantsika ny Demonia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/12 p. 13-18

Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana

“Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny (“ny hafetsen’ny”, amin’ny teny grika) devoly.’ — EFESIANA 6:11.

1. Amin’ny ahoana ny fitantarana ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy no manamarina ny fisian’i Satana?

MISY marina ve i Satana? Araka ny hevitry ny sasany, ny teny hoe “Satana” ao amin’ny Baiboly dia manondro fotsiny ny faharatsiana tsy misaraka amin’ny toe-tenan’olombelona, fa tsy olona tena misy akory. Inona anefa no ampianarin’ny Soratra Masina? Ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka dia mitantara fa ny tenan’i Satana mihitsy no naka fanahy an’i Jesosy intelo ary isaky ny niseho ireny dia notoherin’i Jesosy izy tamin’ny fampiasana ny Soratra Masina? Nahoana Jesosy no nampiasa ny Soratra hebreo mba hamaliana azy? Satria nampiharin’i Satana tamin’ny fomba diso io Soratra Masina io ihany mba hitarihana azy hanota sy tsy hanatanteraka ny asa nanirahana azy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra, dia Taranaka nampanantenaina. — Matio 4:1-11; Lioka 4:1-13.

2. Inona no mampiseho fa tsy eritreritr’i Jesosy fotsiny ireo fihaonany tamin’i Satana?

2 Miharihary fa tsy vokatry ny eritreritr’i Jesosy, izay lehilahy tanteraka ireo fihaonana ireo (Hebreo 4:15; 7:26). Jesosy dia tsy maintsy nifanandrina tamin’ilay fisiana mahery niafina tao ambadiky ny menarana tao Edena, izay efa anjely rahalahiny talohan’ny nikomiany ary niezaka hanakantsakana ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:15 izao. Nitady hanafoana ny fahatokian’ilay Taranaka nampanantenaina Satana. Jesosy, izay tsy voafitaky ny hafetsen’ilay Mpaka fanahy dia nanilika azy tamin-kery. Inona no nataon’i Satana tamin’izay? “Rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.” Marina fa tsy afaka nampihataka ny tenany ihany Jesosy! Tsia, i Satana, izay resy, no nandao azy, ‘ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo an’i Jesosy’. — Lioka 4:13; Matio 4:11.

3. Inona no nosoratan’ny mpanao tantara iray momba ny toeran’ny Devoly eo amin’ny fampianarana kristiana?

3 Araka ny hitsiny no nanoratan’ny mpanao tantara iray hoe: “Ny fandavana ny fisian’ny Devoly sy ny toerana lehibe tanany eo amin’ny kristianisma, dia fanoherana ny fampianaran’ny apostoly sy ny tantaran’ny fampianarana kristiana. Koa satria ny famaritana ny kristianisma eo ambonin’ny fototra hafa dia tsy hisy heviny mihitsy, dia tsy araka ny fifandrindran-kevitra ny hanohanana kristianisma iray izay mandà ny fisian’ny Devoly. Raha toa ka tsy misy ny Devoly dia diso hevitra tanteraka ny kristianisma amin’ny raharaha fototra iray hatramin’ny fiandohany mihitsya.” Izany dia mametraka ny olombelona rehetra velona ankehitriny eo anoloan’ny fihaikana. Fa raha ny aminao kosa, moa ve ianao mino ny fisian’ny fahavalo iray tsy hita maso, izay mitady hanamontsana ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahatokian’ny olona eo anatrehan’ny Mpamorona azy?

Ny tena maha-izy an’i Satana

4. Ahoana no nahatonga ny zavaboary ara-panahy tanteraka iray ho lasa Satana?

4 Satana dia zavaboary ara-panahy mahery; Andriamanitra, tany am-boalohany, no namorona an’io anjely io, zanaka ara-panahy izay afaka niditra tao amin’ny Kianjany any an-danitra (Joba 1:6). Nampiasa ny fahafahany misafidy anefa Satana mba hanoherana an’Andriamanitra sy hitarihana amin-kafetsena an’i Eva, ary tamin’ny alalany, an’i Adama, tsy hankatò ary ho faty (2 Korintiana 11:3). Tamin’izany no nanaovany ny tenany ho Satana, anarana izay midika hoe “Mpanohitra”, ka nahatonga azy ho mpiodina, demonia, mpamono olona ary mpandainga (Jaona 8:44). Marina ny nilazan’i Paoly fa “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava”, ka raha ny tena izy dia “mpanjakan’izao fahamaizinana izao” izy. (2 Korintiana 6:14; 11:14; Efesiana 6:12.) Tamin’ny namporisihany anjely hafa hikomy, dia nitarika azy ireny ho ao amin’ny haiziny izy, tany ivelan’ny fahazavan’Andriamanitra. Tamin’izany no nahatongavany ho “lohan’ny demonia”. Nilaza azy ho toy ny “andrianan’izao tontolo izao” koa Jesosy. Tsy afaka ny ho andriana na filoha tokoa Satana, raha tsy hoe misy sy tena zavaboary ara-panahy iray. — Matio 9:34; 12:24-28; Jaona 16:11.

5. Hatraiza no ilazan’ny Soratra grika kristiana ny maha-izy an’i Satana?

5 Marina fa mahalana no iresahana an’i Satana ao amin’ny Soratra hebreo, nefa dia ahariharin’ny Soratra grika kristiana tanteraka kosa izy. Manao izany tsara tokoa izy hany ka hita ao in-36 ny anarana hoe Satana ary in-33 ny teny hoe Devoly (jereo ny Comprehensive Concordance of the New World Translation of the Holy Scriptures). Mbola mahazo anarana sy anaram-boninahitra hafa koa izy ao. Nampiasa roa tamin’ireny Jaona ao amin’ny Apokalypsy 12:9, izay hamakiana izao: “Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” — Jereo koa Matio 12:24-27; 2 Korintiana 6:14, 15.

6. Inona no hevitry ny teny hoe “Devoly”?

6 Ao amin’io andininy ao amin’ny Apokalypsy io dia ahitana ny teny grika diabolos, adika amin’ny hoe “Devoly”. Ilay mpahay teny grika atao J. Thayer dia milaza mazava fa io teny io dia manondro ara-bakiteny “mpanendrikendrika iray, mpiampanga lainga sy mpanaratsy”. (Jereo 1 Timoty 3:11; 2 Timoty 3:3, Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra [anglisy]. W. Vine dia mampiseho ny Devoly ho toy ny “fahavalo ratsin’Andriamanitra sy ny olona”b.

7. Nahoana Satana no afaka milofo hamely ny vahoakan’Andriamanitra?

7 Tsy mipetrapetra-potsiny ilay Mpanohitra lehibe (1 Petera 5:8). Angamba noho izany antony izany no ilazan’ny ohabolana iray hoe “ny Devoly dia mahita asa foana ho an’izay tsy manan-draharaha hatao”. Mitady hanimba ny kristiana marina rehetra izy (2 Timoty 3:12). Ary anefa mety hilofo hamely ny mpanompon’i Jehovah izy, noho ny antony tena tsotra: efa eo ambany fahefany ny hafa rehetra eo amin’izao tontolo izao (1 Jaona 5:19). An’i Satana izao tontolo izao ankehitriny. Na eken’ny olombelona izany na tsia, dia izy no filohany sy andriamaniny (Jaona 12:21; 2 Korintiana 4:4). Vonona àry izy hampiasa izao karazana hafetsena sy fitaka ary fakam-panahy rehtra izao mba hanimbana ny mpanompon’i Jehovah, isam-batan’olona na amin’ny fitambarany. Aoka isika handinika ny sasany amin’ny fomba fanaony. — Marka 4:14, 15; Lioka 8:12.

Ny hafetsena sy ny fitak’i Satana

8. Inona no tombony mety hananan’i Satana eo amintsika?

8 Nanam-potoana tokoa i Satana handinihana ny fomba fiainan’ny olombelona sy hamakafakana ny toetry ny olombelona miaraka amin’ny kilemany rehetra, nolovana sy azony tatỳ aoriana. Hainy ny nanararaotra ny fahalementsika sy ny fieboeboantsika. Inona no mety hiseho raha toa, mifanohitra amin’io fahavalo io, ka tsy mahay manavaka ireo zavatra mampahalemy anao ianao? Ho ratsy toerana tokoa ianao mba hiarovan-tena satria tsy ho tsapanao ny tsy ampy amin’ny fiadianao ara-panahy (1 Korintiana 10:12; Hebreo 12:12, 13). Azo lazaina ho mifanentana tokoa ireto tenin’ny poeta ekose iray ireto: ‘Raha mba nisy hery nahafahantsika nahita ny tenantsika tahaka ny ahitan’ny hafa antsika mantsy! Fahadisoana toy inona moa no ho nohalavirintsika!’

9. Vokany inona no mety hahazo antsika raha toa ka tsy mandinin-tena sy tsy mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika isika?

9 Maniry hahita ny tenantsika tahaka ny ahitan’ny hafa antsika ve isika, ary indrindra tahaka ny ahitan’Andriamanitra sy Satana antsika? Tokony hanao fandinihan-tena amim-pahatsorana isika amin’izany ka ho vonona hitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika. Mora dia mora ny mamita-tena (Jakoba 1:23, 24). Toy inona moa ny fialan-tsiny hitantsika indraindray mba hanamarinana ny fitondrantenantsika (jereo 1 Samoela 15:13-15, 20, 21, 24)! Ary mora erỳ ny miteny hoe: “Tsy misy olona tanteraka anie e!” Fantatr’i Satana koa izany, ary hararaotiny (2 Samoela 11:2-27). Toa hampalahelo raha tonga amin’ny fahalehibeazana nytena vao mahatsapa fa tsy ma mana-namana na tsy nanao zavatra firy hahasambatra ny hafa nandritra ireo taona lasa noho ny fihetsika mandidindidy, tsy mihontsina na henjana! Mety hanararaotra amin-kafetsena ny fitiavan-tenantsika raikitra koa Satana mba hanajambana antsika mandritra ny fiainantsika ka nohadinointsika ny ho feno ny sain’i Kristy amin’ny fanehoana fitiavana sy fangorahana ary hatsaram-po. — 1 Jaona 4:8, 11, 20.

10. Fanontaniana inona avy no mety raha apetratsika amin’ny tenantsika, ary nahoana?

10 Tokony handinin-tena manokana àry ny tsirairay mba hanoherana an’i Satana. Moa ve ianao manana fahalemena izay mety hampiasain’i Satana na efa ampiasainy? Mirona ho amin’ny tsy fiheverana afa-tsy ny tenanao ve ianao? Mitady foana ny ho voalohany ve ianao? Moa ve ny avonavona no antony manosika anao miafina? Manimba ny maha-ianao anao ve ny fialonana, ny fitsiriritana na ny fitiavam-bola? Moa tohina ve ny hambom-ponao? Moa ve ianao mangatsiaka na tia manesoeso? Moa ve ianao sosotra rehefa omena fanipazan-kevitra rehefa ahitsy? Sarotra aminao ve ny manaiky torohevitra ka tonga hatramin’ny fandavana ireny mihitsy angamba ianao? Raha mahafantatra ny tenantsika isika dia afaka mandresy ireny kilema ireny, raha toa ka manetry tena. Raha tsy izany dia misetra ny famelezan’i Satana isika. — 1 Timoty 3:6, 7; Hebreo 12:7, 11; 1 Petera 5:6-8.

11. Amin’ny fomba mamitaka inona avy no anandraman’i Satana manimba ny fahasalamana ara-panahintsika indraindray?

11 Mety hikiky ny fahasalamantsika ara-panahy amin’ny fomba an-kolaka sy mamitaka Satana. Angamba tsy ankasitrahantsika ny fomba fandehan’ny zavatra eo anivon’ny kongregasiona na ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra. Matetika isika dia tsy mahafantatra ny toe-javatra rehetra, kanefa tsy manakana antsika tsy hanatsoaka famaranan-kevitra maika izany. Raha tsy mitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, izany dia ampy mba hampitomboana toe-tsaina tsy manorina ka hanombohana hamelona fisalasalana ny amin’ny fahamarinana. Ny sasany indraindray, dia mitady fialan-tsiny mba hialana amin’ireo andraikitra takin’ny fahamarinana aminy. Manatete fivadihana sy fikomiana ao am-pony Satana, ary, lehibe ny hafaliany fa tsy ela dia latsaka ao amin’ny fivadiham-pinoana izy ireny. —Lioka 22:3-6; Jaona 13:2, 27; 2 Jaona 9-11.

12. a) Amporisihin’i Satana hanao inona moa ny kristiana sasany? b) Ahoana no itarihan’i Satana kristiana maro ho latsaka ao amin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena?

12 Tsy hoe mamporisika ny kristiana hafa fotsiny mba hanao fahotana lehibe izay hahavoaroaka azy Satana, fa mamporisika azy koa hampiasa lainga sy fitaka mba hamitahana ireo loholon’ny kongregasiona. Tahaka an’i Ananiasy sy Safira dia mihevitra izy ireo fa afaka mamitaka ny anjely sy ny fanahy masin’Andriamanitra (Asa. 5:1-10). Tao anatin’ireo taona faramparany dia kristiana an’arivony maro no latsaka tao amin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena, fandrika izay velarin’i Satana. Fantatry ny Devoly fa mahery ny fitaomana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy ao amin’ny olombelona ka, amin’ny alalan’ny fandehan-javatra eo ambany fitarihany, dia manindrahinra sy manova ho ratsy ary manimba ny momba ny lahy sy ny vavy izy (Nomery 25:1-3). Mety halaim-panahy hijangajanga ny kristiana mpitovo na hanaraka endri-pitondrantena ratsy hafa (Ohabolana 7:6-23). Raha ny amin’ny kristiana manam-bady kosa, dia mety hamitaka mora foana ny vadiny izay nifanekeny fahatokiana izy ireny raha tsy mitandrina ny sainy sy ny fony. — 1 Korintiana 6:18; 7:1-5; Hebreo 13:4.

13. a) Inona no mety ho herin’ny televiziona eo amin’ny saintsika? b) Ahoana no azontsika anoherana izany fitaomana izany?

13 Miaina ao anatin’izao tontolo izao izay mahazatra ny ahitana ny lainga sy ny famitahana ary ny fahatezerana mahery isika. Mampiasa araka izay azony atao ny fampitam-baovao Satana mba hampanekena izany toe-tsaina simba izany. Misy tantara mitohy ao amin’ny televiziona mampiseho olona manana bika manintona izay milalao ao anatin’ny rivo-piainana ahitana famitahana. Raha toa ka avelantsika hisy heriny eo amintsika izany toe-tsaina izany, tsy ho ela dia mety ho voatarika hanao fahotana “kely” isika, ka manokatra lalana ho amin’ny fahotana “lehibe” izany. Ny fanipazan-kevitra mamitak’i Satana dia mety hitsofoka mora foana ao an-tsaintsika. Ahoana no azontsika anoherana izany karazana fitaomana izany? Amin’ny ‘tsy fanomezana toerana ho an’ny devoly’, araka ny amporisihan’i Paoly antsika. Izany koa dia midika fanasivanana ireo olona miditra ao an-tokantranonao amin’ny alalan’ny televiziona. Tsy tokony haharikoriko anao ve ny mamela olona mahery setra sy ratsy fitondrantena ary mpiteny ratsy handoto ny ao an-tranonao? — Efesiana 4:23-32.

Ahoana no azontsika anoherana an’i Satana ka tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra?

14. Fahatapahan-kevitra roa sosona inona no tokony horaisintsika raha tiantsika ny hanohitra an’i Satana, ary mitaky inona izany?

14 Manoloana ny fahavalo mahery lavitra noho ny olombelona tahaka izany, ahoana no azontsika itoerana ho mahatoky, isika izay olombelona tsy lavorary? Manazava izany amintsika amin’izao teny izao Jakoba: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Mariho fa manome torohevitra roa sosona ho antsika Jakoba. Sady manohitra ny Devoly sy ny sitrapony isika no tokony hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany koa ny ho tia ny sitrapon’Andriamanitra ka hankahala an’i Satana (Romana 12:9). Jakoba àry dia nilaza hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo ry mpiroa saina” (Jakoba 4:8). Tsy afaka ny hiady amin’i Satana amin’ny fo voazarazara na tsy tapa-kevitra tokoa isika. Aoka isika tsy hisetra ny mety hahavery ny fahatokiansika, amin’ny fitadiavana hamaritra hoe hatraiza no afaka manatona ny ratsy isika. Mifanohitra amin’izany kosa dia tokony ‘hankahala ny ratsy’ amin’ny fomba lalina isika. — Salamo 97:10.

15. Nahoana no ilaina ny ‘fiadian’Andriamanitra rehetra’? Hazavao amin’ny ohatra ny valin-teninao.

15 Ny toko faha-6 amin’ny taratasy ho an’ny Efesiana dia mampiseho amintsika amin’ny fomba miavaka hoe ahoana no azontsika anoherana an’i Satana. Ahoana no azontsika ifaharana amin’ny “hafetsena”, ny fandrika” na fitaka” ampiasain’i Satana, araka ny filazan’i Paoly (Efesiana 6:11, Français courant, Votre Bible, Darby)? “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra”, hoy izy amintsika. Amin’ny fitenenana hoe ‘fiadiana rehetra’ dia mampiseho Paoly fa tsy afaka ny hanaraka fihetsika tsy miraika ny kristiana, dia tahaka ny tsy ahafahan’ny miaramila romana iray hiomana ho amin’ny ady amin’ny fomba tsy miraika. Inona no hanjo an’izany miaramila izany raha toa ka mitafy ny fiadiana rehetra izy, afa-tsy ny ampingany sy ny fiarovan-dohany? Mety hiteny anakampo izy hoe: ‘Manelingelina tokoa ny ampingako ary mavesatra be ny fiarovan-dohako. Be loatra izany! Tsy dia tena ilaiko ireny.’ Alao sary an-tsaina ny tarehin-javatra: miaramila romana iray vonona ho any an’ady, nefa tsy mitondra ireo fitaovana lehibe indrindra fiarovana!— Efesiana 6:16, 17.

16. a) Tahaka an’i Jesosy, amin’ny fomba ahoana no tokony hampiasantsika ny ‘sabatsika’? b) Ahoana no azontsika iarovan-tena foana amin’ireo “zana-tsipika mirehitra” alefan’i Satana, ary inona no ho vokatr’izany?

16 Eritrereto indray izao ny miaramila iray tsy manan-tsabatra. “Ny sabatry ny Fanahy” dia fitaovana fiarovana tsara dia tsara. Azon’ny kristiana ampiasaina izany mba hanapotipotehina ireo fiadiana alefan’i Satana ho eny aminy. Tokony hanana foana ny “sabatra” tsy lavitra ny tanantsika àry isika. Izany no hataontsika raha tsy manao tsirambina ny fianarantsika ny Baiboly manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana isika. Nefa izany ‘sabatra, dia ny tenin’Andriamanitra’ izany koa dia ny fitaovana fanafihantsika indrindra. Nampiasa izany tamin’ny fomba roa Jesosy (Matio 4:6, 7, 10; 22:41-46). Tokony hanahaka azy isika. Ilaina ny handalinana tsy tapaka ny fankasitrahantsika ny fahamarinana. Tsy afaka hitahiry ny fahasalamana ara-panahintsika isika amin’ny fiorenana fotsiny amin’izay nianarantsika nandritra ireo volana voalohany, na ireo taona voalohandohany tamin’ny fiainantsika kristiana. Raha tsy manolokolo foana ny saintsika amin’ireo hevitra ao amin’ny Baiboly isika dia tsy maintsy hihamaizina ny fahitantsika ara-panahy ka ho matimaty ny zotom-pontsika ho an’ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah. Hihaosa eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. Tsy ho afaka hahafahatra amin’ny famelezan’ny havana, ny olom-pantatra sy ny mpiara-miasa ary ny mpivadi-pinoana izay manamavo ireo zavatra inoantsika intsony isika. Jehovah kosa anefa dia hiaro antsika amin’ny Devoly sy ireo “zana-tsipika mirehitra” alefany raha mitahiry eo amintsika ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra’ isika. — Isaia 35:3, 4.

17, 18. Miady amin’iza moa isika, ary inona no hahafahantsika handresy?

17 Nosoritan’i Paoly ny maha-sarotra ny ady kristiana rehefa nanoratra izy hoe: “Satria isika tsy mitolona amin’ny olombelona, fa amin’ny hery ara-panahy ratsy eny amin’ny lanitra, dia ny fahefana sy ny fanapahana ary ny tompon’izao tontolo izao maizina.” (Efesiana 6:12, Français courant). Ahoana no mety hahafahan’olombelona malemy tahaka antsika hanao izany ady tsy mifanentana loatra izany sady handresy? Mamerina ny torohevitra nomeny i Paoly: “Raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.” (Efesiana 6:13). Ao amin’io andininy io, ny fitenenana fototra dia ny hoe: “Ary rehefa vitanareo avokoa.” Izany dia mampiseho fa tsy afaka ny hanaraka ny kristianisma amin’ny fomba voazarazara na amin’ny fomba tsy miraika ny tena. — 1 Jaona 2:15-17.

18 Aoka àry isika hiorina mafy ao amin’ny fahamarinana, aoka hotiavintsika ny rariny araka an’i Jehovah, aoka hotorintsika ny vaovao tsaran’ny fiadanana, aoka isika hihazona finoana mafy orina ny famonjena omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, sady manao ny Tenin’Andriamanitra ho mpanohana antsika lehibe indrindra (Efesiana 6:14-17). Aoka tsy hohadinointsika fa miahy antsika Andriamanitra ary hanampy antsika handresy ny fisedrana sy fanahiana mahazo antsika ao amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Enga anie isika rehetra hihevitra izao fampitandremana izao: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” Eny, “tohero izy, ka miorena tsara amin’ny fiinoana”. — 1 Petera 5:6-9.

19. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatoherana an’i Satana? b) Inona amin’ny farany no hahazo an’i Satana?

19 Aoka isika tsy hanadino fa rehefa avy mamporisika antsika hitafy “ny fiadiana” i Paoly dia nanampy hoe: “Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra.” (Efesiana 6:18). Mahery loatra ny fahavalontsika tsy hita maso ka tsy maintsy manolotra ‘fivavahana rehetra sy fangatahana’ amin’Andriamanitra isika. Ilaintsika ny mametraka tanteraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah raha ta-handresy isika, ka hitoetra ho mahatoky. Izy ihany na afaka manome antsika ‘ny hery izay mihoatra noho ny hery fahita’, sy fahafahana hanohitra ny fahavalontsika masiaka. Fampaherezana toy inona moa ny mahalala fa tsy ho ela ilay Mpanohitra dia hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka amin’ny farany dia haringana mandrakizay! — 2 Korintiana 4:7, MN; Apokalypsy 20:1-3, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Satana ao amin’ny fomba kristiana tany am-boalohany (anglisy), nosoratan’i Jeffrey Russell, pejy 25.

b Rakibolana misy hevitry ny teny ao amin’ny Testamenta vaovao (anglisy).

Ahoana no havalinao?

◻ Ahoana no ahalalantsika fa tena persona Satana?

◻ Nahoana no mety amin’i Satana ny anarana hafa sy anaram-boninahitra nomena azy?

◻ Fandinihan-tena inona no hahatonga antsika ho afaka hahatohitra ireo famelezana mamitak’i Satana?

◻ Torohevitra roa sosona inona no hanampy antsika haharesy an’i Satana, ary nahoana?

[Sary, pejy 15]

Fomba iray hanoherana ny fitaoman’i Satana ny fanehoana hatsaram-panahy sy fiheverana ny hafa ary fitiavana.

[Sary, pejy 16]

Tokony hitandrina isika mba tsy hanahaka an’i Ananiasy sy Safira izay nanaiky hotaomin’i Satana.

[Sary, pejy 17]

Mba hiarovan-tena amin’ireo zavatra alefan’i Satana, dia tsy tokony hanao tsirambina ny zavatra rehetra mahaforona ny fiadiantsika ara-panahy isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara