FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy miova ny toetrany sy ny fitsipiny. Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakan’Israely: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” (Ml 3:6) Nilaza izany izy, 3 500 taona teo ho eo taorian’ny namoronany ny olombelona sy 1 500 taona teo ho eo taorian’ny nanaovany fifanekena tamin’i Abrahama. Misy milaza fa tsy mitovy ilay Andriamanitra resahin’ny Soratra Hebreo, sy ilay Andriamanitra noresahin’i Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Hoy anefa i Jakoba mpianatr’i Jesosy momba an’Andriamanitra: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” (Jk 1:17) Tsy hoe lasa ‘nalefaka kokoa’ ny toetran’i Jehovah Andriamanitra rehefa nandeha ny fotoana, satria tsy nilaina izany. Tsy hoe lasa be fitiavana kokoa sy tsy hentitra loatra izy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, raha oharina amin’ny tany Edena.

      Lafiny samy hafa amin’ilay toetrany tsy miova fotsiny no nasehony, arakaraka ny toe-javatra sy ny olona nifandraisany. (Ampit. Is 59:1-4.) Tsy i Jehovah fa i Adama sy Eva no niova, ka tsy afaka namela azy ireo ho anisan’ny fianakaviambeny intsony izy, noho ny fitsipiny tsy miova. Lavorary izy ireo ka tompon’andraikitra amin’ny fahotana niniany natao. (Ro 5:14) Tsy nahazo famindram-po intsony àry izy mivady. Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ihany anefa izy ireo, rehefa nomeny akanjo sy navelany hiaina taonjato maromaro ary hiteraka talohan’ny nahafatesany. (Ge 3:8-24) Toa tsy nifampiresaka taminy intsony Andriamanitra, rehefa voaroaka avy tao Edena izy ireo.

      Afaka mifandray amin’ny olombelona tsy lavorary. Tsy mitovy amin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Adama sy Eva ny fifandraisany amin’ny taranak’izy ireo. Fa nahoana? Nandova ota mantsy izy ireo, ka tsy sitrapony ny ho teraka tsy lavorary sady mora manao ratsy. (Sl 51:5; Ro 5:12) Afaka mamindra fo amin’izy ireo àry Andriamanitra. Hita avy amin’ilay faminaniana voalohany nambaran’i Jehovah (Ge 3:15) tany Edena, fa tsy nahakivy tanteraka azy na nampihena ny fitiavany ny fikomian’ny olombelona voalohany (sy ny anjeliny iray). Naseho mazava tsara an’arivony taona tatỳ aoriana ny hevitr’ilay faminaniana, dia ny hoe hanarina ny voka-dratsin’ilay fikomiana izy, ary hamerina ny olona ho lavorary indray.​—Ampitahao amin’ny hevitry ny hoe “menarana”, “vehivavy”, ary “taranaka” resahin’ny Ap 12:9, 17; Ga 3:16, 29; 4:26, 27.

  • Hazavana, Fahazavana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra” i Jehovah. (Jk 1:17) Izy no “manome ny masoandro mba hanazava amin’ny andro, sy manome lalàna mifehy ny volana sy ny kintana mba hanazava amin’ny alina.” (Je 31:35) Avy aminy koa anefa ny fahazavana ara-panahy. (2Ko 4:6) Toy ny fahazavana, ohatra, ny lalàny sy ny didim-pitsarany ary ny teniny, ho an’ireo manaiky hotarihin’izany. (Sl 43:3; 119:105; Oh 6:23; Is 51:4) Hoy ny mpanao salamo: “Ny fahazavana avy aminao no ahitanay fahazavana.” (Sl 36:9; ampit. Sl 27:1; 43:3.) Mihamazava foana ny hazavan’ny masoandro, manomboka amin’ny mazava ratsy “mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Oh 4:18) Mihamazava toy izany koa ny lalan’ny marina, rehefa mahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra izy. Mankatò an’i Jehovah no dikan’ny hoe mandeha amin’ny fahazavany. (Is 2:3-5) Misy kosa olona maloto saina sy fetsy ratsy. Hita eo amin’ny fomba fijeriny mihitsy izany. Ao anatin’ny haizim-pito ara-panahy ny olona toy izany. Hoy i Jesosy: “Raha mifantoka amin’ny zava-dratsy ... ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha haizina ny hazavana ao aminao, dia ho haizim-pito tokoa izany!”​—Mt 6:23; ampit. De 15:9; 28:54-57; Oh 28:22; 2Pe 2:14.

  • Aloka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fohy sy mihelina ny androm-piainan’ny olombelona, ka oharina amin’ny aloka miovaova mandritra ny andro ary avy eo tsy misy intsony. (1Ta 29:15; Jb 8:9; 14:1, 2; Sl 102:11; 144:4; Mpto 6:12; 8:13) “Toy ny aloka madiva hanjavona” ny andron’ny olona iray efa ho faty. (Sl 102:11; 109:23) Miovaova arakaraka ny fihodinan’ny tany ny habe sy ny fitodiky ny aloky ny masoandro, fa i Jehovah kosa tsy mba miovaova. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.”​—Jk 1:17.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara