FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 131
  • Milaza ve ny Baiboly hoe Ratsy ny Manao Makiazy sy Firavaka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Milaza ve ny Baiboly hoe Ratsy ny Manao Makiazy sy Firavaka?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Tsy ratsy ny hoe mihaingo
  • Hevi-diso momba ny makiazy sy firavaka
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mahazo Mihaingo sy Miravaka ve ny Vehivavy?
    Mifohaza!—2005
  • Haingo, Ravaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tomoera mafy ao amin’ny finoana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 131
Vehivavy manao rojo

Milaza ve ny Baiboly hoe Ratsy ny Manao Makiazy sy Firavaka?

Valiny ara-baiboly

Tsy miresaka momba ny makiazy sy firavaka amin’ny an-tsipiriany ny Baiboly. Tsy milaza koa anefa izy io hoe ratsy ny manao makiazy sy firavaka ary haingo hafa. Resahiny kosa hoe tsy ny fisehoana ivelany no tena zava-dehibe, fa “ny toetra tony sy malemy paika”, ary “toy ny manao fitafiana tsy mety simba” ny olona manana toetra hoatr’izany.—1 Petera 3:3, 4.

Tsy ratsy ny hoe mihaingo

  • Nihaingo ny vehivavy nanam-pinoana fahiny. Nanao kavin’orona volamena, brasele volamena, ary firavaka sarobidy hafa i Rebeka, izay lasa vadin’i Isaka zanak’i Abrahama. Fanomezana avy tamin’ilay ho rafozandahiny ireo firavaka ireo. (Genesisy 24:22, 30, 53) Neken’i Estera koa ny ‘hikarakarana ny bika aman’endriny’, tamin’izy sy ny tovovavy hafa nokarakaraina ho lasa vadin’ny mpanjakan’i Persa. (Estera 2:7, 9, 12) Toa nisy “zavatra fanatsarana tarehy” na “makiazy samy hafa” ilay izy.—New International Version; Easy-to-Read Version.

  • Asehon’ny fanoharana ao amin’ny Baiboly fa tsy ratsy ny manao firavaka. Resahin’ny Baiboly hoe hoatran’ny “kavina volamena ... eo amin’ny sofin’ny olona mihaino anatra” ny olona manome torohevitra tsara. (Ohabolana 25:12) Milaza koa Andriamanitra hoe nataony hoatran’ny vadiny ny firenen’Israely, ka noravahany brasele sy rojo ary kavina mba ho lasa “tena tsara tarehy be.”—Ezekiela 16:11-13.

Hevi-diso momba ny makiazy sy firavaka

Hevi-diso: Resahin’ny 1 Petera 3:3 hoe ratsy “ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena.”

Ny tena marina: Asehon’ny teny manodidina fa tian’io andininy io hasongadina hoe ny toetra tsara ao am-po no zava-dehibe noho ny fisehoana ivelany. (1 Petera 3:3-6) Misy andininy hafa koa mampiseho an’izany.—1 Samoela 16:7; Ohabolana 11:22; 31:30; 1 Timoty 2:9, 10.

Hevi-diso: Ratsy ny manao makiazy matoa resahin’ny Baiboly hoe nanao “manjamaso” ilay vehivavy ratsy fanahy atao hoe Jezebela, izay vadin’ny mpanjaka.—2 Mpanjaka 9:30.

Ny tena marina: Nilalao ody sy namono olona i Jezebela. Ireo zava-dratsy nataony ireo no nanamelohana azy, fa tsy noho izy nanao makiazy.—2 Mpanjaka 9:7, 22, 36, 37.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara