FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/9 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Milaza ve ny Baiboly hoe Ratsy ny Manao Makiazy sy Firavaka?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Mahazo Mihaingo sy Miravaka ve ny Vehivavy?
    Mifohaza!—2005
  • Zava-dehibe Amin’Andriamanitra ve ny Fitafianao sy ny Fisehoanao Ankapobe?
    Mifohaza!—1998
  • Zavatra Fanatsarana Tarehy sy Bika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/9 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Mety amin’ny vehivavy kristiana iray ve ny manao firavaka na fihosotra amin’ny tarehy, mandoko volo, na manaraka fanao mitovy amin’izany?

Taloha sy amin’izao androntsika izao, ny sasany izay milaza fa manaraka ny Baiboly dia nampitombo fomba fijery hentitra nefa tena samy hafa be momba ny fihaingoana.a

Ireo vehivavy any amin’ny fiangonana sasany dia manalavitra tanteraka ny fihosotra amin’ny tarehy sy ny firavaka. Ohatra, ilay boky hoe Les Amish (anglisy), dia manao tatitra fa “miseho ho hentitra eo amin’ny fisehoany ivelany izy ireo satria tsapany fa na iza na iza mpikambana manana fahalianana mirehitra amin’ny fisehoana ivelany araka an’izao tontolo izao dia tandindomin-doza, satria [izany] fahalianana [izany] dia tokony hifantoka amin’ny zavatra misy vidiny ara-panahy fa tsy ny ara-nofo. Ny sasany (...) hanonona ny Soratra masina.”

Ny andinin-teny notononina avy eo dia ny 1 Samoela 16:7, manao hoe: “Hoy Jehovah tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany (...); fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” Kanefa, io andinin-teny io dia nanisy firesahana ny amin’ny bikan’i Eliaba rahalahin’i Davida. Mora takatra avy amin’ny teny manodidina fa Andriamanitra eto dia tsy niresaka ny amin’ny fanarahana fanao momba ny fihaingoana, toy ny hoe nampihaingo ny volony na nampiasa fitaovana fandravahana tamin’ny fitafiany, na i Davida na ireo rahalahiny. — Genesisy 38:18; 2 Samoela 14:25, 26; Lioka 15:22.

Izany dia mampiseho fa ny sasany izay mino fa tokony ho tsotra amin’ny fomba miavaka ny kristiana ary tsy hampiasa fanatsarana endrika na firavaka, dia mitady fanamarinana amin’ny alalan’ny andinin-teny naolana. Ny Baiboly, raha ny marina, dia tsy manome fanazavana amin’ny antsipiriany ny amin’ny fihaingoana, na mankasitraka fampiasana fihosotra sasany nefa mandrara ny hafa. Izay omeny dia fitarihan-dalana araka ny antonony. Aoka hodinihintsika izany ka hojerentsika ny fomba ahafahana mampihatra azy amin’izao andro izao.

Nanome izao torolalana ara-tsindrimandry izao ny apostoly Paoly: “Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika [milamina tsara, MN] mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa [voahangy, MN], na fitafiana saro-bidy.” (1 Timoty 2:9). Nanoratra mitovy amin’izany toy izao i Petera: “Aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana [saina tony sy malefaka, MN], izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.” — 1 Petera 3:3, 4.

Ny teny grika nadika eto hoe “miravaka”, “milamina tsara”, sy “firavaka”, dia endriky ny teny hoe koʹsmos, izay fototenin’ny hoe “cosmétique” (fihosotra), manana heviny hoe “fanamboarana ho tsara, indrindra fa ny hodi-tava.” Ireo andinin-teny ireo àry dia manampy antsika hamaly ireo fanontaniana mikasika ny fampiasana fihosotra na fanatsarana endrika na endriny hafa amin’ny firavaky ny vehivavy.

Moa ve i Paoly sy i Petera te hilaza fa ny kristiana dia tsy maintsy mifady ny firandranam-bolo na ny fanaovana firavaka voahangy sy volamena, na raha itarina, ny fihosotra? Tsia. Ny filazana fa izany no dikan’ireo, dia hitaky amin’ny anabavy kristiana koa ny hifadiana ny ‘fiakanjoana’. Eny, i Dorkasy izay natsangan’i Petera tamin’ny maty dia mamy hoditra satria nanjaitra “akanjo” ho an’ireo anabavy hafa. (Asan’ny apostoly 9:39). Noho izany, ny 1 Timoty 2:9 sy ny 1 Petera 3:3, 4 dia tsy milaza fa tsy maintsy mifady ny firandranana, ny voahangy, ny fitafiana, sy ny toy izany ireo anabavy. I Paoly kosa dia nanantitrantitra ny amin’ny ilàna fahamaotinana sy fahononan-tena eo amin’ny fihaingoan’ny vehivavy. Nasehon’i Petera fa tokony hanome fiheverana lehibe kokoa ny toetrany miafina ao am-po ny vehivavy mba hitaomana ny vadiny tsy mpino, fa tsy amin’ny fampisongadinana ny fisehoana ivelany na ny fanatsarana endrika.

Raha tsorina, dia tsy mandrara izay fiezahana rehetra atao hanatsarana na handravahana ny fisehoana ivelan’ny olona iray ny Baiboly. Ny sasany tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra, ny lehilahy toy ny vehivavy, dia nanao firavaka. (Genesisy 41:42; Eksodosy 32:2, 3; Daniela 5:29). I Estera nahatoky dia nankasitraka fanatsarana endrika naharitra nampiasana menaka fihosotra, zava-manitra, ary fanorana. (Estera 2:7, 12, 15, MN; ampitahao amin’ny Daniela 1:3-8.) Nilaza Andriamanitra fa nandravaka ara-panoharana ny Isiraely tamin’ny haba, rojo, kavin’orona, ary kavin-tsofina izy. Anisan’ny nahatonga azy io ho “nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy” ny zavatra toy izany. — Ezekiela 16:11-13.

Ny fitantarana ao amin’ny Ezekiela anefa dia mirakitra fianarana manohitra ny fifantohantsika be loatra amin’ny fisehoana ivelany. Hoy Andriamanitra: “Natoky ny hatsaran-tarehinao hianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ny mpandalo rehetra.” (Ezekiela 16:15; Isaia 3:16, 19). Araka izany, ny Ezekiela 16:11-15 dia manoritra ny fahendren’ny torohevitra nomen’i Paoly sy i Petera tatỳ aoriana ny amin’ny tsy tokony hampisongadinana ny fisehoana ivelany. Raha toa ny vehivavy iray ka mifidy ny hampihaingo ny tenany amin’ny firavaka, ny habetsahany sy ny karazany dia tokony hifanaraka amin’ny fahamaotinana fa tsy hihoa-pampana na hanaitra ny maso na harevaka loatra. — Jakoba 2:2.

Inona no holazaina ny amin’ny vehivavy kristiana iray mampiasa fihosotra toy ny lokomena fanao amin’ny molotra na fanao amin’ny takolaka, na manjamaso sy fandokoana hodi-maso? Ireo manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia any Isiraely sy ny manodidina azy akaiky dia nahita fasiana fanatsarana endrika ary koa kojakoja sy fitaratra. Eny, ireo vehivavy tany Atsinanana fahiny dia nampiasa fihosotra talohan’ny maro be amin’ireo zavatra fampiasa amin’izao andro izao. Ny anaran’ny zanakavavin’i Joba hoe Kerena-hapoka dia azo inoana fa midika hoe “Tandroka fasiana loko (maso) mainty”, na fitoeran-javatra fandokoana maso. — Joba 42:13-15.

Nampiasaina tany Isiraely ny fihosotra sasany, kanefa ireo ohatra ao amin’ny Baiboly dia mampiseho ny maha-loza ny fanaovan-javatra mihoa-pampana. Taona maromaro taorian’ny nahatongavany ho mpanjakavavin’ny Isiraely, i Jezebela dia ‘nanosotra loko mainty ny masony, sady nandravaka ny lohany’. (2 Mpanjaka 9:30). Tatỳ aoriana, rehefa nilazalaza ny fomba nanintonan’ny Isiraely ny saina maloton’ireo firenena mpanompo sampy Andriamanitra, dia nilaza fa ‘niravaka volamena sy nanosotra loko mainty ny masony ary nitady izay hahatsara tarehy azy’ izy io. (Jeremia 4:30; Ezekiela 23:40). Tsy misy amin’ireo andinin-teny ireo na ny hafa milaza fa tsy mety ny hampiasana fomba tsy voajanahary mba hanatsarana ny fisehoana ivelan’ny olona iray. Na dia izany aza, ny tantaran’i Jezebela dia mahatonga hihevitra fa nanisy loko mainty be loatra ny nanodidina ny masony izy mba ho tazan-davitra, na dia teny ivelan’ny lapa aza i Jeho. Inona no lesona azo avy amin’izany? Aza mihosotra be loatra fanatsarana endrika, amin’ny fomba mihoa-pampana.b

Mazava ho azy fa sarotra amin’ny vehivavy mampiasa firavaka na fanatsarana endrika ny hiteny fa tsy mety ny fomba fanaovany ny azy sy ny habetsahany. Kanefa tsy azo lavina fa noho izy tsy voaro na noho izy voataonan’ny dokambarotra mpanararaotra dia mety hampitombo fahazarana mampiasa fanatsarana endrika be loatra ny vehivavy iray. Mety ho zatra loatra amin’ny fisehoana ivelany amin’izany fomba izany izy ka tsy hahay hanavaka fa mifanohitra amin’ny “fahamaotinana sy ny fahononam-po” ananan’ny ankamaroan’ny vehivavy kristiana izany. — Jereo Jakoba 1:23, 24.

Ekena fa samy hafa ny fitiavan-javatra, ny vehivavy sasany mampiasa kely na tsy mampiasa fanatsarana endrika na firavaka, ny hafa mampiasa betsaka kokoa. Fahendrena àry ny tsy hitsarana ny olona iray mampiasa fanatsarana endrika na firavaka tsy mitovy habetsahana amin’ny an’ny tena. Anisan’ny antony hafa iray ny fomban-tany. Ny hoe ekena ao amin’ny tany hafa iray (na fanao tamin’ny andro fahiny) ny fomba sasany, dia tsy midika akory fa azo ekena ao amin’ny misy anao izany amin’izao andro izao.

Ny vehivavy kristiana maneho fahendrena iray indraindray dia haminavina ny fihaingoany, ka hanontany tena amim-pahatsorana feno hoe: ‘Moa ve aho mazàna manao firavaka na fanatsarana endrika be kokoa (na misongadina kokoa) noho ny ankamaroan’ireo kristiana ao amin’ny faritra misy ahy? Moa ve aho maka ho maodely ireo olona fanta-bahoaka amin’ny tsy fahitana afa-tsy ny tenany ihany na ireo “vedettes” mieboebo amin’ny sarimihetsika, sa kosa aho manaraka indrindra ilay torohevitra ao amin’ny 1 Timoty 2:9 sy ny 1 Petera 3:3, 4? Eny, moa ve ny fihaingoako tena maotina tokoa, ka mampiseho fanajana marina ny fiheveran’ny hafa sy ny fahatsapany?’ — Ohabolana 31:30.

Ireo vehivavy manana vady kristiana dia afaka mangataka fanazavana sy torohevitra avy aminy. Toy izany koa, rehefa tadiavina amim-pahatsorana ny torohevitra mahasoa, dia mety ho azo avy amin’ny anabavy hafa izany. Toy izay hanatona namana iray mitovy zavatra tiana amin’ny tena anefa, dia ho tsara ny hiresahana amina anabavy be taona kokoa hajaina noho ny fandanjalanjany sy ny fahendreny. (Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 12:6-8.) Milaza ny Baiboly fa ireo vehivavy be taona mendri-kaja dia ‘hampianatra ny vehivavy tanora fanahy hahonon-tena, ho madio toe-panahy (...), mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.” (Titosy 2:2-5). Tsy misy kristiana matotra haniry ny hahatonga ny Tenin’Andriamanitra na ny vahoakany ‘ho voateny ratsy’ noho ny fampiasany firavaka na fanatsarana endrika amin’ny fomba tsy maotina.

Ny tantaran’i Tamara ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa mety hampahafantatra ny momba ny tenany ny fihaingoan’ny vehivavy iray ka hampita hafatra mahery iray. (Genesisy 38:14, 15). Hafatra manao ahoana no entin’ny taovolon’ny vehivavy kristiana iray sy ny lokon’ny volony (raha nolokoina izany) na ny fanaovany firavaka sy fihosotra? Moa ve izany toy izao: Mpanompon’Andriamanitra madio sy maotina ary mahay mandanjalanja ity olona ity?

Ny olona iray mahita ny kristiana eny amin’ny saha fitoriana na manatrika ireo fivoriantsika dia tokony ho tohina amim-pankasitrahana. Izany amin’ny ankapobeny no hitan’ireo izay mandinika. Ny ankamaroan’ny vehivavy kristiana dia tsy manome antony ho an’ny any ivelany hanatsoahana hevitra fa izy ireo, amin’ny lafiny iray, dia manao fitafy baranahiny, na, etsy an-danin’izany, manao fihosotra na miravaka amin’ny fomba mihoa-pampana, fa tsy mihaingo “araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.” — 1 Timoty 2:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny taonjato fahatelo am. fan.ir., dia nanambara i Tertullien fa ireo vehivavy “manosotra fanafody ny hodiny, manentintentina lokomena ny takolany, mampisongadina ny masony amin’ny “antimoine” [mainty], dia manota Aminy.” Nanakiana ireo nandoko ny volony koa izy. Nampihatra tamin’ny fomba diso ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:36 i Tertullien, ary niampanga hoe: “Manohitra ny Tompo izy ireo! ‘Jereo!’ hoy izy ireo, ‘tsy ataontsika mainty na fotsy [ny volontsika] fa mavo.’ ” Nanampy izy hoe: “Afaka mahita aza ianareo, olona menatra noho ny fahanterany, ka manandrana manova ny volony fotsy ho mainty.” Hevitr’i Tertullien manokana izany. Naolany anefa ny raharaha, satria ny fanaporofoan-keviny manontolo dia niorina tamin’ny fomba fiheverany fa ny vehivavy no fototry ny fanamelohana ny olombelona, noho izany dia tokony ‘handeha araka izay nataon’i Eva izy, hisaona sy hanenina’ ankoatra ny ‘fahafaham-baraka tamin’ny fahotana voalohany’. Tsy milaza zavatra toy izany ny Baiboly; nitana an’i Adama ho tompon’andraikitra ny amin’ny fahotan’ny taranak’olombelona Andriamanitra. — Romana 5:12-14; 1 Timoty 2:13, 14.

b Vao tsy ela izay ny fampahalalam-baovao tany Etazonia no nanasongadina ny toe-draharaha nahamenatra nahakasika ny mpitoriteny amin’ny alalan’ny televiziona iray raha saika tamin’ny vadiny niaraka taminy teo no nifantohan’ny saina betsaka. Araka ny voalazan’ny fitantarana tao amin’ilay vaovao, dia nitombo tamin’ny finoana fa samy fahotana “ny fanatsarana endrika sy ny sarimihetsika” io ramatoa io, kanefa tatỳ aoriana dia nanova ny fiheverany izy ka tonga hatramin’ny fiavahana noho ny fanaovana “fanatsarana endrika matevim-be sahala amin’ny sary voasokitra” mahatsiravina.

[Sary, pejy 31]

Zavatra arkeôlôjika hita avy any Atsinanana Afovoany: Fitoeran-javatra fihosotra vita tamin’ny vangin’elefanta, fitaratra, rojo volamena sy vatosoa

[Sary nahazoan-dalana]

Sary: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara