Inona no Lazain’ny Baiboly?
Inona no Dikan’ny hoe ny Lahy no Lohan’ny Vavy?
MANAO voady ny olon-droa mandritra ny fampakaram-badiny. Izany no fahita any amin’ny tany maro. Mampanantena ilay vehivavy fa hankatò ny vadiny. Tsy azoazon’ny vehivavy maro anefa ilay hoe ny lahy no loham-pianakaviana. Andeha hodinihintsika izay resahin’ny Baiboly momba izany. Ho hitantsika fa tsy hentitra loatra ny fampianaran’ny Baiboly, sady mahasoa.
Ny fiheveran’Andriamanitra
Miresaka momba ny fahefan’ny lehilahy ny Baiboly. Hoy ny Efesianina 5:22-24: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana ... Toy ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra.” Ny lehilahy no loham-pianakaviana, satria izy no “lohan’ny vadiny.” Tokony hanaraka ny tari-dalany ny vehivavy, sady hanaja ny fahefany.—Efesianina 5:33.
Voafetra anefa ny fahefan’ny lehilahy, satria mila mankatò an’Andriamanitra sy Kristy izy. Tsy tokony hanery ny vadiny handika ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy mahazo manery azy handika izay lazain’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Na dia voafetra aza anefa ny fahefan’ny lehilahy, dia izy no nasain’Andriamanitra handray fanapahan-kevitra lehibe ao an-tokantrano.—Romanina 7:2; 1 Korintianina 11:3.
Tsy tokony ho tia tena ny lehilahy rehefa mampihatra fahefana, fa tokony hitady izay hahasoa ny vadiny alohan’ny an’ny tenany. Hoy ny Efesianina 5:25: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” Tsy ho tia tena ny lehilahy, raha manaraka ny modely tonga lafatra navelan’i Kristy.
Milaza ny Baiboly fa tokony hiara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny fahalalana”, ny lehilahy. (1 Petera 3:7) Tokony ho fantany, ohatra, fa tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po. Tokony ho fantany koa ny zavatra ilain’ny vadiny.
‘Namanao izy’
Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy. Midika ve izany fa tsy mahazo milaza ny heviny mihitsy izy? Diniho ny ohatr’i Saraha, izay nankatò ny vadiny. (1 Petera 3:5, 6) Nanaiky an’i Abrahama foana izy na tamin-javatra lehibe na tamin-javatra madinika. Nandao ny tranony tsara tarehy sy nampiadana, ohatra, izy, ary lasa nipetraka an-day sy nifindrafindra monina. Nanaiky koa izy rehefa nasaina nikarakara sakafo tamin’ny fotoana tsy nampoizina. (Genesisy 12:5-9; 18:6) Namerimberina nilaza hevitra tsy nitovy tamin’ny an’i Abrahama anefa izy, tamin’ny raharaha lehibe iray. Nasainy noroahin’i Abrahama i Hagara vadikeliny sy Ismaela zanany lahimatoa. Tsy nanameloka an’i Saraha Andriamanitra, fa nilaza tamin’i Abrahama hoe: “Ekeo ny teniny.” Nanaiky an’i Abrahama foana anefa i Saraha. Tsy izy no nandroaka an’i Hagara sy Ismaela, fa ny vadiny no nandrasany handray fanapahan-kevitra.—Genesisy 21:8-14.
Hita avy amin’io tantara io, fa tsy hoe tsy misy vidiny akory ny vehivavy. Mendri-kaja kosa izy satria naman’ny vadiny. (Malakia 2:14) Afaka manome soso-kevitra mahasoa izy, rehefa misy fanapahan-kevitra atao momba ny fianakaviana. Manana fahefana koa izy ao an-tokantrano, anisan’izany ny fitantanam-bola. Ny lehilahy anefa no tompon’ny fanapahan-kevitra farany, satria izy no loham-pianakaviana.—Ohabolana 31:10-31; 1 Timoty 5:14.
Fanajana ny Mpamorona
I Jehovah Andriamanitra no namorona ny lehilahy sy ny vehivavy. Izy koa no namorona sy nanamasina ny fanambadiana. (Genesisy 2:18-24) Nolazainy ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary hahita fifaliana izy ireo raha manaraka izany.—Deoteronomia 24:5; Ohabolana 5:18.
I Jehovah no namorona ny fanambadiana, ka manan-jo hanome fitsipika ho an’ny mpivady, sady mahafantatra izay tena mahasoa azy ireo. Marina fa mandray soa ny mpivady rehefa samy manatontosa ny anjara asany sady manaja ny fahefana ao an-tokantrano. Izay mpivady manao izany noho ny fanajana ny fahefan’Andriamanitra anefa, no hahazo sitraka aminy sy hampiany.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
◼ Iza no nanome modely tonga lafatra tamin’ny fampiharana fahefana?—Efesianina 5:25.
◼ Misy fetrany ve ny fahefan’ny lehilahy?—1 Korintianina 11:3.
◼ Nahoana Andriamanitra no namorona ny fanambadiana, sy nanome fahefana ny lehilahy?—Ohabolana 5:18.
[Sary, pejy 28]
Ho faly sy ho afa-po ny mpivady, raha manahaka an’i Kristy ny lehilahy rehefa mampihatra fahefana