FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Nangoraka ... i Jesosy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • Anabavy iray mampahery anabavy iray hafa.

      “Miaraha ory” amin’ny hafa

      7. Inona no afaka manampy antsika mba hahay hiara-miory amin’ny olona? Ahoana no azo ampisehoana an’io toetra io?

      7 Tokony hahay ‘hiara-miory’ amin’ny olona tahaka an’i Jesosy koa isika Kristianina.b Mampirisika antsika hanao izany ny Baiboly. (1 Petera 3:8) Mety tsy ho mora ny hahatakatra izay tsapan’ny olona manana aretina mitaiza na kivy be, indrindra raha mbola tsy nijaly toy izany isika. Tadidio anefa fa tsy voatery hiharan’ny zavatra manjo ny hafa isika vao hahay hiara-miory aminy. Niara-niory tamin’ny marary i Jesosy, na dia mbola tsy narary mihitsy aza. Inona àry no hanampy antsika hanana an’io toetra io? Mila manam-paharetana sy mihaino tsara isika raha misy olona mijaly, ka mamboraka amintsika ny ao am-pony sy mitantara izay mahazo azy. Tsara raha mieritreritra isika hoe: ‘Inona no ho tsapako, raha izaho no eo amin’ny toerany?’ (1 Korintianina 12:26) Ho haintsika kokoa ny “hampahery ny kivy”, raha miezaka hihevitra bebe kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa isika. (1 Tesalonianina 5:14) Tsy ny teny ihany no anehoana fiaraha-miory amin’ny hafa. Mety hiara-mitomany aminy koa isika indraindray. “Miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy ny Romanina 12:15.

  • “Nangoraka ... i Jesosy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • b Midika ara-bakiteny hoe “miara-mijaly” ny teny grika nadika hoe ‘miara-miory.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara