Aoka isika ho velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ankehitriny sy ho mandrakizay
‘Aza mandany ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.’ — I PETERA 4:1, 2.
1, 2. a) Manao ahoana ny fihetsiky ny maro rehefa mieritreritra ny hoe hanaiky ny sitrapon’olon-kafa? b) Ahoana no mety ho fihetsiky ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona kristiana? d) Fanontaniana inona avy àry no mipetraka?
MANAO ahoana ny fihetsikao rehefa mieritreritra ny hoe hamela an’Andriamanitra hitarika ny fiainanao? Amin’izao androntsika izao, dia maro no tsy tia ny mieritreritra akory aza izany hoe hanaiky hanao ny sitrapon’olon-kafa. Na dia ao anatin’ireo fitambaran’olona lazaina fa tsy mihilangilana aza, dia atrehina ny fitomboan’ny fikomiana amin’ny fahefana. Manjary fahita ny tabatabam-bahoaka, ny fihetsiketsehana ho fanoherana, ny fikorontanana sy ny herisetra. Eo ambanin’ny fanerena samihafa, dia miharihary fa manify sy marefo loatra ny ankosoka, dia ny sivilizasiona. — II Timoty 3:1-3.
2 Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia manaporofo fa velona ho an’ny sitrapon’Andriamanitra izy amin’ny fanehoana fahatokiana, indrindra fa amin’ny fanompoana isan-trano. Indraindray anefa dia misy olona maneho fitiavana fahaleovantena na dia eo anivon’ny kongregasiona kristiana aza. Mahasosotra azy angamba ny fifehezana avy amin’ireo loholona. Ny sasany miseho ho tsy manaja “ny mpanompo mahatoky sy malina” sy ny Kolejy foibe (Matio 24:45-47, MN; Asan’ny apostoly 15:2, 23). Tokony hanontany tena toy izao àry isika: Nahoana aho no tokony hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra? Nahoana ny fiainako no tokony hotarihin’Andriamanitra?
Kristy: ohatra ny amin’ny tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena
3. Torohevitra inona moa no omen’i Petera antsika momba ny toe-tsaintsika?
3 Petera, izay nanao zavatra be dia be teo anilan’i Jesosy, dia nihevitra fa misy antony tsara tokony hiainana mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny an’ny tena. Izao no nambarany: “Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota; mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.” — I Petera 4:1, 2.
4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanaiky ny Rainy izy?
4 Nahoana i Jesosy no niaritra tao amin’ny nofo? Noho izy nanohana ny raharahan’ny Rainy tao amin’ny fiadian-kevitra lehibe momba ny fiandrianana na ny fanapahana eo amin’izao rehetra izao. Noporofoiny fa marina Andriamanitra ary mpandainga Satana, tamin’ny famelana an’Andriamanitra hitondra ny fiainany eto an-tany ka tonga hatramin’ny fahafatesana ho maritiora. — II Korintiana 5:14, 15.
5. Fanaingana inona moa no apetraky ny ohatr’i Kristy eo anoloantsika?
5 Izany fahafatesana izany anefa dia fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy (I Jaona 4:10). Noho izany tokoa, ny olombelona rehetra dia ho afaka handray soa (Romana 5:8; 6:23). firy anefa no vonona ny handray izany soa izany? firy no vonona ny hanahaka an’i Kristy ka hanao sorona ny faniriany manokana mba hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra? — Hebreo 13:15, 17.
Soa ankehitriny sy any aoriana
6, 7. Soa inona avy no miandry ireo izay manaiky ny sitrapon’i Jehovah?
6 Tena mety ankehitriny àry izao fanasana manaraka izao nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely, 2 700 taona lasa izay: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-drano-masina ny fahamarinanao.” — Isaia 48:17, 18; jereo Genesisy 22:18.
7 Mampianatra antsika Jehovah mba handraisantsika soa avy amin’izany amin’ny fiainana ho an’ny sitrapony, ary anisan’ny soa raisina avy amin’izany, dia tsy ny fiadanana sy ny rariny dieny izao ihany. Ao koa ireo fitahiana ho avy hoentin’ny fiainana mandrakizay. Moa ve Jesosy tsy nanome izao fampanantenana izao: “Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” — Jaona 6:40.
8. Nahoana moa no mampahery tokoa amin’izao andro izao ny fampanantenana fananganana ny maty nomen’i Jesosy?
8 Mampahery tokoa ireo teny ireo ho an’ny kristiana mahatoky efa be taona. Mbola eo foana ny fandehan-javatra ankehitriny 72 taona atỳ aorian’ny 1914, ilay taona fanapahan-javatra. Be dia be no tsy manantena ny haharetan’izao tontolo izaon’i Satana ela be toy izao. Maty ny kristiana nahatoky sasany, kanefa nanantena ny hahita ny Hara-Magedona sy ny fanombohan’ny fandehan-javatra vaovao. Tsy very maina anefa akory ny fiainana natokan’izy ireny hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mivadika amin’ny fampanantenany i Jesosy ka hanangana azy ireny sy hanome azy ny fiainana mandrakizay sy ireo soa hoentin’izany. — Jaona 5:28, 29; I Korintiana 15:58.
Ny toe-tsain’i Kristy
9, 10. a) Tokony hitafy inona moa isika (Filipiana 2:5-8)? b) Inona no mampiavaka ny teny grika nadika hoe “toe-tsaina” ao amin’ny I Petera 4:1 (MN )?
9 Inona no mety hanampy antsika ho mora hanaiky kokoa ny sitrapon’Andriamanitra? Araka ny torohevitr’i Petera, voatonona ao amin’ny fehintsoratra faha-3, dia ilaintsika ny hitovy “saina [toe-tsaina, MN ]” amin’i Jesosy. — I Petera 4:1.
10 Ao amin’io andinin-teny io i Petera dia nampiasa teny grika iray, énnoïa, izay tsy hita afa-tsy indroa ao amin’ny Soratra grika. Ny mpandika teny sasany dia mandika an’io teny io amin’ny hoe “hevitra”, kanefa ny teny grika hoe nous mandrakariva no manondro ny hoe “hevitra”. Zavatra tena miavaka àry no noeritreretin’i Petera nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra rehefa nifidy ny hampiasa teny tsy fahita kokoa izy. Araka ny filazan’ilay mpahay teny grika atao hoe Vine, énnoïa dia “manambara hevitra, fikasana”. Ny diksionera nohafohezina grika anglisy nataon’i Thayer dia milazalaza an’io teny io ho “fomba fisainana na fahatsapana”.
11. Inona no ianarantsika amin’ny ohatra nomen’i Jesosy raha ny amin’ny fomba iainana ny fiainantsika?
11 Ireo zavatra nataon’i Jesosy tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena dia mampiharihary mazava ny hoe inona no heviny na fikasany. Tsy nanana fiainana marivo voatokana ho an’ny fahafinaretana izy. Fantany fa tsy namoy ny fiainany taloha tany an-danitra izy mba handanilaniana foana taona vitsivitsy eto an-tany hanomezana fahafahampo ireo faniriany mampiseho fitiavan-tena (jereo ny fihetsika mifanohitra tanteraka amin’izany voalaza ao amin’ny Genesisy 6:1, 2, 4 sy ao amin’ny Joda 6). Nanambara toy izao i Jesosy: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:38). Tapa-kevitra tanteraka izy tamin’ny fandavan-tenany hanao ny raharahan’ny Rainy, ka nomeny toerana talohan’ny sitrapon’ny tenany foana izany, hany ka niharan’ny fahafatesana nahafa-baraka izy. — Lioka 22:42.
12, 13. a) Ahoana moa, teo akaikin’ny fantsakan’i Jakoba, no nampihariharian’i Jesosy ny toe-tsainy? b) Inona moa no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.”
12 Na dia rehefa sasatra na noana aza izy, dia nasehon’i Jesosy mazava foana ny toe-tsainy teo anoloan’ny sitrapon’ny Rainy. Indray andro, raha nandeha nitady sakafo ireo mpianany, dia nipetraka niala sasatra teo akaikin’ny fantsakan’i Jakoba izy. Tsy natoritory kely araka ny mendrika azy tokoa izy mandra-piverin’ireo mpianany fa niezaka mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra kosa. Nanao zavatra tsy fanaon’ny Jiosy iray izy: nanombo-dresaka tamin’ny vehivavy Samaritana iray izy. Nanokatra ny sainy izy mba hahazoany fahalalana tsaratsara kokoa ny amin’ilay Andriamanitra marina. Tamin’izany dia “maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy”. — Jaona 4:6-26, 39-42.
13 Rehefa tafaverina ireo mpianany dia nandidy azy mba hihinana. Fa inona no navaliny azy ireo? “Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.” Nahavàka azy ireo ny valinteniny mandra-panampiny hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Niharihary tokoa fa faly nanaiky ny sitrapon’ny Rainy i Jesosy. Taminy izany dia toy ny sakafo, ka nahatsapa tena fahafinaretana izy tamin’ny fanaovana toy izany, toy ny nahitany fahafinaretana nihinana sakafo fy. Raha irintsika tokoa ny ho afa-po amin’ny fiainantsika, ny zavatra tsara indrindra dia ny fanahafana an’i Jesosy Kristy. — Jaona 4:31-38.
Ireo vokatry ny toe-tsain’i Kristy
14. Inona no ilaintsika mba hananana toe-tsaina tahaka ny an’i Jesosy? Manomeza ohatra.
14 Ary raha manana ny toe-tsain’i Kristy isika, inona no ho herin’izany eo amintsika? Raha mianatra misaina tahaka azy isika, dia hanana hery anaty izay hitari-dalana antsika ka hahatonga antsika hanahaka an’i Jesosy amin’ny toe-javatra rehetra (Lioka 22:42; Efesiana 4:23, 24). Izany hery izany dia tsy ho avy amin’ny tahotra ny ho voasazy fotsiny, ohatra rehefa fehezin’ireo loholona ao anatin’ny kongregasiona, fa avy amin’ny fiheverantsika kosa fa sarobidy tokoa ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah. Azo atao ny maka ho fanoharana ny amin’ny olona iray tsy hanaraka ny lalàna momba ny fifamoivoizana raha tsy rehefa mahita polisy. fitaomana ivelany fotsiny no ekeny. Ny olona mihevitra ny aina ho sarobidy kosa anefa, izay tia ny namany ka mahay manavaka fa mampiseho fahendrena ireo fitsipika momba ny fifamoivoizana dia hankatò noho ny fanajana ny lalàna. Manana antony lehibe manosika azy izy. — Salamo 51:10.
15. a) Inona no manaporofo fa nanana hery anaty nampirona ny sainy i Jesosy (Efesiana 4:23)? b) Inona avy no ohatra momba ny tsy fivadihana kristiana mampiseho fa hita indray eo amin’ireo kristiana amin’izao androntsika izao ny toe-tsain’i Kristy?
15 Nanana ilay ‘hery anaty izay nampirona ny sainy’ i Jesosy. Noho izany antony izany, dia tsy nivadika hatrany tamin’ny sitrapon’ny rainy izy, na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Nizaka ny fahoriana tsy nitaraina na nanevateva ireo mpanenjika azy izy (I Petera 2:21-24). Amin’ny maha-kristiana antsika, dia angamba isika indraindray tsy maintsy miaritra fitsapana toy izany koa. Hisy mpitondra manohitra ny kristianisma hanandrana hampitsahatra antsika tsy hitory na hivory. Izany no hita tany Espaina teo ambany fitondran’i Franco sy tany amin’ny tany eoropeana maromaro rehefa nanapaka teo aminy ny nazia. Rahalahy sy anabavy kristiana maro no nampiharana herisetra mba hanoloran’izy ireny ireo tompon’andraikitra tao amin’ny kongregasiona teo an-toerana. Na dia teo aza izany fanenjehana izany, ny ankamaroany dia niorina mafy hatrany. (Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1978, pejy faha-171, 172, 182, 183; Annuaire des Témoins de Jéhovah 1986, pejy faha-137 ka hatramin’ny 159.)
16. Inona moa no sasantsasany amin’ireo fitsapana mety ho tsy maintsy zakaintsika? Ahoana no azontsika iaretana izany?
16 Mety hiharam-panerena mafy koa isika noho ny fialanalanantsika kristiana na ny zava-manahirana ateraky ny fampidiran-dra (Asan’ny apostoly 5:29; 15:28, 29). Mipetraka àry izao fanontaniana manaraka izao: Velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika sa ny an’ny olona? Mety ho voan’ny fakam-panahy koa isika noho ny filan’ny nofontsika mihoapampana avy amin’ny fifaneraserana ratsy. Mety hahita fahafahana hifoka sigara na handraisana zavatra mahadomelina isika any an-tsekoly na any am-piasana kanefa tsy misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona mahalala izany mihitsy. Inona koa no holazaina ny amin’ny fakam-panahy hanao loteria, hijangajanga na hanitsakitsa-bady? Ny rivo-piainana ratsy manjaka any am-piasany dia matetika tokoa no mety hitarika olona hamboly toe-tsaina ratsy sy hanao zavatra ratsy, raha tsy tapa-kevitra sahala amin’i Kristy mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Inona àry no hataonao? Moa ve ny sainao aronan’ny hery mahasoa, hany ka amin’ny toe-javatra toy izany dia hitovy fihetsika amin’i Kristy ianao? — Efesiana 4:17-20; I Jaona 2:15, 16.
17, 18. a) Hevitra lehibe inona no nosoritan’i Petera momba ireo izay zatra manota? b) Inona no ilaina mba tsy hotapahin’ny ota?
17 Nosoritan’i Petera koa ny ilàna hanao ny sitrapon’Andriamanitra rehefa nanome izao torohevitra izao izy: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; nefa hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy.” — I Petera 4:3-5.
18 Soritan’i Petera eo ny hevitra lehibe iray: ireo izay tsy miraharaha ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy maintsy hampamoahina (jereo Romana 14:12 sy Hebreo 13:17). Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra toy izany i Paoly rehefa nanoratra toy izao ho an’ny Efesiana: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana dia fanompoan-tsampy izany; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra.” Azo antoka fa izay rehetra manao zavatra toy izany dia tsy velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra, fa mba hanomezana fahafahampo kosa ny fironan’ny tenany mampiseho fitiavan-tena. Azo atao anefa ny miala amin’izany fietrena ara-pitondrantena izany. Izao tokoa no nosoratan’i Paoly: “Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo.” — Kolosiana 3:5-7; Efesiana 4:19; jereo koa I Korintiana 6:9-11.
Aoka hofantarintsika ny sitrapon’Andriamanitra
19. Ahoana amin’izao andro izao no ampisehoan’ny olona maro fa velona mba hanao ny sitrapon’i Jehovah izy (Romana 12:1, 2)?
19 Amin’izao taona faramparany amin’ny taonjato faha-20 izao, dia olona maherin’ny telo tapitrisa no efa nahatakatra ny hoe inona no sitrapon’Andriamanitra. Noho izany antony izany no itoriany amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakana na fitondram-panjakan’Andriamanitra. (Asan’ny apostoly 8:12; Marka 13:10). Ireny olona ireny dia tsy velona ho an’ny tenany ihany, sahala amin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona aminy. Fantany fa tsy ho ela Andriamanitra dia hamarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, ka maneho fahafoizan-tena izy mba hanampiana ny mpiara-belona aminy hahazo izany fahalalana marina izany. Arahiny izao torohevitr’i Paoly izao: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN ].” — Efesiana 5:15-17.
20, 21. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny aina izay fanomezana (Jakoba 4:13-17)? b) Ahoana no azontsika analavirana ny fanekena hovolavolain’izao tontolo izao?
20 Azo ampitahaina amin’ny rano mangatsiatsiaka iray vera ny fiainana. Ao anatin’ireo am-polony taona voalohandohany amin’ny fiainany, dia “misotro” haingana ny olombelona, mandra-panombony ho velom-panahiana ny amin’ny isan’ny taona sisa ao anaty “vera”. Izany fivadibadihana izany no mahatonga ny tsirairay avy ho very hevitra. Zava-dehibe tokoa àry ny hiainana ny fiainan’ny tena amin’ny fahatsapana ny andraikitry ny tena eo anatrehan’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Zava-dehibe tokoa ny hiheverana ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny antsika ihany. — Matio 7:21, 24, 26.
21 Eo amin’izao tontolo izao tapahin’ny toe-tsain’i Satana anefa, dia tsy mora foana akory ny ho velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra (Apokalypsy 12:9). Mihatra amintsika mandrakariva ny fanerena izay mikendry ny hamolavola antsika araka ny sitrapo sy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Misy aza mpikambana ao amin’ny kongregasiona mety hanaiky ho voataonan’ny fahataitairana amin’ny lamaody hafahafa, hany ka manomboka mitovy amin’ny olo-malaza sasany eo amin’ny fampisehoana. Tena mety tokoa àry izao torohevitr’i Paoly izao: “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:2.
22. a) Inona moa no sitrapon’Andriamanitra ho an’izao andro izao? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika? d) Inona avy no fitahiana miandry ireo izay velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra?
22 Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hitoriana ‘ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity’ maneran-tany alohan’ny hanaperany ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny (Matio 24:14, MN; Apokalypsy 14:6, 7). Izany dia vao mainka antony tokony hamaliana ny antso mba hisian’ny minisitra manontolo andro maro kokoa raha mamela hanao izany ny toeranao. Izany dia tokony hanosika koa ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa hanao izay hahafahany ho any amin’ireo kongregasiona izay angamba mila ny fanampiany. Izany koa dia antony lehibe ho an’ny Vavolombelona tsirairay avy mba hisehoana ho tena vavolombelona kristiana, mba tsy hitondrana anarana fotsiny fa tena hiainana tokoa amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ankehitriny sy ho mandrakizay. Fantaro fa amin’ny fanaovana toy izany no ‘hiharianao fanorenana tsara ho an’ny tenanao ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonanao ny tena fiainana’. — I Timoty 6:19.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy?
◻ Soa inona avy no mety ho azon’ireo izay velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra?
◻ Nanao ahoana ny toe-tsain’i Kristy teo anoloan’ny sitrapon’Andriamanitra?
◻ Tokony hisy heriny manao ahoana eo amintsika moa ‘ny hery izay mampirona ny saintsika’?
◻ Ahoana no tokony hiheverana ny fiainana?
[Sary, pejy 21]
Inona no mahatonga anao hanara-dalàna: ny maha-eo ny polisy sa ny fiheveranao izany ho sarobidy?