FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 44
  • Tian’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tian’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Manompoa An’Andriamanitra
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Miandania Amin’ny Fivavahana Marina
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Tokony Hankalaza Fety ve Isika?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 44
Lesona 44. Olona an-jatony mankalaza fety iray ary mandefa harendrina eny amin’ny lanitra amin’ny alina.

LESONA 44

Tian’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Tian’i Jehovah hankafy fiainana isika, ary tiany hanao fety mihitsy aza indraindray. Ny fety rehetra ve anefa no mampifaly azy? Ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah isika amin’ny resaka fety?

1. Nahoana no misy fety be dia be tsy tian’i Jehovah?

Mety ho gaga ianao rehefa mahafantatra hoe be dia be ny fety tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly, na avy amin’ny mpanompo sampy sy ny fivavahan-diso. Mety hisy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy koa izy ireny, na avy amin’ilay fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy. Ny fety sasany indray avy amin’ny olona ninonino foana na nino ny vintana. (Isaia 65:11) Mampitandrina ny mpanompony i Jehovah hoe: “Aza mikasika intsony an’izay maloto.”​—2 Korintianina 6:17.a

2. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fety manindrahindra olona?

Milaza i Jehovah hoe tsy tokony ho olombelona no atokisantsika. (Vakio ny Jeremia 17:5.) Misy fety anefa manindrahindra mpitondra na olona nandray anjara tamin’ny ady. Amin’ny fety sasany indray, ny fahaleovan-tena na ny marika amantarana ny firenena no ankalazaina. (1 Jaona 5:21) Misy koa fety manohana fikambanana ara-politika na ara-tsosialy. Matetika anefa no mifanohitra amin’ny fikasan’i Jehovah ny hevitr’ireny olona na fikambanana ireny. Ho faly ve i Jehovah raha manindrahindra azy ireny isika?

3. Nahoana koa ny fety sasany no tsy mety amin’ny Kristianina?

Raran’ny Baiboly ny ‘misotro tafahoatra, manao fety tsy voafehy, ary mifaninana misotro.’ (1 Petera 4:3) Tsy mahafehy tena sy ratsy fitondran-tena ny olona, amin’ny fety sasany. Mila manalavitra an’izany rehetra izany isika raha te ho naman’i Jehovah foana.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no tokony hataonao mba hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisinao amin’ny resaka fety.

Rahalahy iray omen’ny mpiara-miasa aminy fanomezana, satria Krismasy ny andro.

4. Aza manao fety tsy tian’i Jehovah

Vakio ny Efesianina 5:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mila fantarintsika rehefa hanapa-kevitra isika hoe hanao fety iray sa tsia?

  • Inona avy ny fety fanaon’ny olona etỳ aminareo?

  • Tian’i Jehovah ve ireny fety ireny, araka ny hevitrao?

Efa mba noeritreretinao ve, ohatra, hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny aniversera? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nisy mpanompon’i Jehovah nanao aniversera. Aniverseran’olona roa tsy mpanompon’i Jehovah no tantaraina ao. Vakio ny Genesisy 40:20-22 sy ny Matio 14:6-10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mampitovy an’ireo aniversera roa ireo?

  • Araka ny hevitrao, ahoana no fiheveran’i Jehovah ny aniversera rehefa jerena ireo tantara ireo?

Mbola mety ho lasa saina ihany anefa ianao hoe: ‘Tena olana be amin’i Jehovah ve raha mandray anjara amin’ny aniversera iray aho, na amin’ny fety hafa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly?’ Vakio ny Eksodosy 32:1-8. Alefaso ilay VIDEO avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Fety Tsy Ankasitrahan’​Andriamanitra (5:07)

  • Nahoana no mila fantarintsika hoe inona no ankasitrahan’i Jehovah?

  • Ahoana no anaovana an’izany?

Ahoana no ahafantarana hoe tsy tian’i Jehovah ny fety iray?

  • Fampianarana tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ve no niandohan’ilay izy? Ilaina ny manao fikarohana.

  • Manindrahindra olona, fikambanana, na marika amantarana firenena ve ilay izy? I Jehovah no tena omentsika voninahitra sy atokisantsika hoe hamaha ny olana mahazo ny olombelona.

  • Mifanohitra amin’ny Baiboly ve ny fanao sy ny fombafomba amin’ilay izy? Tokony ho tsara fitondran-tena foana isika.

5. Inona no azonao atao mba hanaja ny zavatra inoanao ny olona?

Mety ho sarotra ny mandà rehefa misy olona manery antsika hanao fety tsy tian’i Jehovah. Miezaha hahay handanjalanja sy hanam-paharetana rehefa manazava ny fanapahan-kevitrao. Ahoana no anaovana an’izany? Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Manazava An’izay Inoanao (2:01)

Vakio ny Matio 7:12, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Araka io andinin-teny io, mety ve raha milaza amin’ny fianakavianao tsy Vavolombelona ianao hoe tsy tokony hankalaza fety ry zareo?

  • Inona no azonao atao mba ho tsapan’ny fianakavianao hoe tianao ry zareo, na dia tsy manao fety miaraka aminy aza ianao?

6. Tian’i Jehovah ho falifaly isika

Tian’i Jehovah hiara-mifaly amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika isika. Vakio ny Mpitoriteny 8:15, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Araka io andinin-teny io, inona no mampiseho hoe tian’i Jehovah ho falifaly isika?

Tian’i Jehovah hiara-mifaly ny vahoakany. Izany, ohatra, no hitantsika rehefa misy fivoriambe iraisam-pirenena. Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Fandraisana Vahiny Amin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena (5:40)

Vakio ny Galatianina 6:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Tsy maintsy manao ny fety fanaon’ny olona ve isika vao afaka ‘manao soa’ amin’ny hafa?

  • Inona no mahafaly anao kokoa: Voatery manao fanomezana ianao satria fety ny andro, sa hoe manao fanomezana ianao satria izay no mba tianao?

  • Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah manao fetifety kely tsindraindray ho an’ny zanany, na manao fanomezana ho azy ireo amin’ny fotoana tsy ampoiziny. Raha manan-janaka ianao, inona no azonao atao mba hampifalifaliana an-dry zareo?

Ankizivavikely mahazo fanomezana tsy nampoiziny avy amin’ny dadany sy ny mamany.

MISY MITENY HOE: “Tsy olana izay niandohan’ilay fety, fa rehefa miara-mifaly amin’ny fianakaviana sy ny namana dia izay no zava-dehibe.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Tian’i Jehovah hiara-mifaly amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika isika. Misy fety tsy tokony hataontsika anefa satria tsy tiany.

Famerenana

  • Inona avy ny fanontaniana mila eritreretintsika mba hahafantarana raha tian’i Jehovah ny fety iray na tsia?

  • Inona no azontsika atao mba hanaja ny fanapahan-kevitsika ny fianakaviantsika sy ny namantsika?

  • Inona no mampiseho hoe tian’i Jehovah ho falifaly isika?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Resahina ato ny fety sasany tsy ataon’ny Kristianina.

“Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona ny antony efatra mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao aniversera?

“Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Aniversera?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Ahoana no ataon’ny ankizy tia an’i Jehovah mba hampifaliana azy, amin’ny fotoanan’ny fety?

Tena Tian’i Jehovah Ianao! (11:35)

Kristianina an-tapitrisany no tsy manao Krismasy. Mahatsiaro ho matiantoka ve izy ireo?

“Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Krismasy” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2012)

a Misy zavatra sasany fanaon’ny olona rehefa fety. Inona no azonao atao rehefa mitranga izany? Jereo ny Fanamarihana 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara