Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika Entiny
“Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” — MPITORITENY 2:24.
1. Amin’ny fomba ahoana avy ny fitarihan’Andriamanitra no manampy ny vahoakany eo amin’ny fialam-boly?
MITONDRA soa maro ho an’ny mpanompony ny fitarihan’i Jehovah. Afaka mahita izany isika eo amin’ny lafin’ny fialam-boly. Ny fitarihany dia manampy ny Kristiana hanalavitra ny fananana fomba fijery tsy voalanjalanja amin’ny tendrony roa mifanalavitra indrindra. Ny mpivavaka sasany, izay manantitrantitra ny tokony haha-sarotiny eo amin’ny fitafiana sy ny fitondrantena, dia mihevitra ho fahotana saiky ny fahafinaretana rehetra. Etsy an-danin’izany, ny ankamaroan’ny olona dia mikatsaka fahafinaretana na dia mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah sy ny fotopoto-pitsipiny aza izany. — Romana 1:24-27; 13:13, 14; Efesiana 4:17-19.
2. Manome inona mikasika ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fialam-boly ireo filazana tany am-boalohany?
2 Ahoana anefa ny amin’ny vahoakan’Andriamanitra? Olona maro izay manomboka mianatra ny Baiboly no gaga mahafantatra fa noforonin’Andriamanitra hanana fahafahana hahita fahafinaretana eo amin’ny fiainana ny olombelona. Ireo ray aman-drenitsika voalohany dia nomeny asa natao — kanefa dia tsy ilay asa manorisory sy mandreraka izay nanamarika ny fiainan’ny ankamaroan’ny olombelona tsy tanteraka. (Genesisy 1:28-30). Eritrereto ireo fomba mahasoa maro be mety hahitana fahafinaretana ho an’izay rehetra mipetraka ao amin’ny paradisa an-tany iray. Alao sary an-tsaina ny fifaliany mijery ireo biby dia izay tsy mampidi-doza, ary ireo biby fiompy isan-karazany izay afaka ny ho anisan’ny fiainana andavanandro! Ary sakafo toy inona moa no ananany avy amin’ireo “hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”! — Genesisy 2:9; Mpitoriteny 2:24.
3-5. a) Ho fikendrena inona no anaovana fialam-boly? b) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy nanakana ny Isiraelita tsy hahita fahafinaretana akory Andriamanitra?
3 Ireny fanaovan-javatra ireny, raha ny marina, dia azo heverina ho fialam-boly, satria ny zava-nokendren’izany fialam-boly izany tao amin’ny Paradisa dia toy ny amin’izao fotoana izao: mba hamelombelomana sy hanavaozana ny fahavitrihan’ny tena ho amin’ny fanaovan-javatra (asa) fanampiny mahavokatra. Rehefa mahatanteraka izany ny fialam-boly, dia mahasoa izy izay. Moa ve izany midika fa ireo mpivavaka marina dia afaka manisy toerana ho an’ny fialam-boly eo amin’ny fiainany na dia mbola tsy miaina ao amin’ny Paradisa aza izy? Eny. Izao no lazain’ny boky Insight on the Scriptures mikasika ny fialam-boly teo amin’ny vahoakan’i Jehovah fahiny:
4 “Ireo filalaovana sy fialana voly teo amin’ireo Isiraelita dia tsy voalazalaza miharihary ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Na dia izany aza, dia asehony fa izy ireny dia noheverina fa mety sady faniry rehefa nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pivavahan’ilay firenena. Ny endri-pialam-boly lehibe indrindra dia ny fitendrena zavamaneno, ny fihirana, ny fandihizana, ny resadresaka, ary kilalao sasany koa. Nankafizina fatratra ny fanaovana ankamantatra sy fanontaniana sarotra. — Mpits. 14:12.” — Boky 1, pejy faha-102.
5 Rehefa niverina tamim-pandresena i Davida, ireo vehivavy hebreo dia nampiasa kipantsona sy ampongatapaka teo am-pandihizana [“teo am-pankalazana”, “NW”] (Hebreo, sa·chaqʹ). (1 Samoela 18:6, 7). Amin’ny fotony, ilay teny hebreo dia midika hoe “hehy”, ary ny fandikan-teny sasany dia miresaka ny amin’ny “firavoravoan’ireo vehivavy”. (Byington, Rotherham, New English Bible). Teo am-pamindrana toerana ny Fiaran’ny fanekena, i “Davida sy ny taranak’Isiraely rehetra [dia] nitsinjaka [“nankalaza”, “NW”] teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny karazan’ny zava-maneno rehetra”. Nanana fomba fijery tsy voalanjalanja i Mikala, vadin’i Davida satria tsy nankasitrahany velively ny fandraisan’i Davida anjara tamin’ilay fanaovan-javatra nampiala voly. (2 Samoela 6:5, 14-20). Nanambara mialoha Andriamanitra fa ireo babo hiverina avy any Babylona dia handray anjara amin’ny fanaovan-javatra mahafaly toy izany. — Jeremia 30:18, 19; 31:4; ampitahao amin’ny Salamo 126:2.
6. Ahoana no anampian’ny Soratra Grika Kristiana antsika eo amin’ny fomba fijerintsika ny fialam-boly?
6 Isika koa dia tokony hitady izay hahaizantsika mandanjalanja raha ny amin’ny fialam-boly. Ankasitrahantsika ve, ohatra, ny naha-olona tsy nampijaly tena an’i Jesosy? Naka fotoana mba hananana sakafo mamelombelona izy, toy ilay “fanasana lehibe” nomanin’i Levy. Ary rehefa nisy olona nihevi-tena ho marina nanakiana azy noho izy nihinana sy nisotro, dia nolavin’i Jesosy ny fihevitr’izy ireo sy ny fombany. (Lioka 5:29-31; 7:33-36). Tsarovy koa fa sady nanatrika fampakaram-bady iray izy no nandray anjara tamin’ireo firavoravoana. (Jaona 2:1-10). Nilaza i Joda, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy fa ireo Kristiana dia nanao ‘fanasam-pifankatiavana’, mazava ho azy fa fisakafoana izay nahazoan’ireo sahirana sakafo sy fisakaizana nahafinaritra sady nampiala voly. — Joda 12.
Fiaraha-miala voly amin’ny fotoanany sy ny toerany
7. Ahoana no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fialam-boly?
7 Miresaka amin’ny fomba tsara ny amin’ny ‘sakafo ho fahafinaretana sy ny divay maharavoravo ny fiainana’ ny Mpitoriteny 10:19. Ny fandrenesana izany dia tsy milaza mihitsy hoe tsy mety na ratsy amin’ny maha-izy azy akory ny fialam-boly, sa tsy izany? Kanefa, io boky io ihany dia milaza hoe: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, (...) ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:1, 4). Eny, na dia tsy manameloka ny fialam-boly mety aza ny Baiboly, dia manome antsika fampitandremana. Tafiditra amin’izany ny torohevitra mba hitanana ireo fiaraha-miala voly amin’ny toerany na eo amin’ny fotoana izany na eo amin’ny habetsahany. Ampitandremany koa isika ny amin’ireo fandrika mateti-pitranga eo amin’ny fiaraha-mikorana misy olona maro be. — 2 Timoty 3:4.
8, 9. Nahoana ny fotoana iainantsika sy ny asa nanendren’Andriamanitra antsika no misy ifandraisany amin’ny fialam-boly?
8 Voamaritsika fa ireo Jiosy niverina avy tany Babylona — izay nanana asa mafy maro be natao — dia nandray anjara tamin’ny fialam-boly nahafaly. Taloha kokoa noho izay anefa, dia nilaza i Jeremia fa ‘tsy hipetraka na hifaly eo amin’ny fivorian’ny mpikorana’ izy. (Jeremia 15:17). Voatendrin’Andriamanitra hitondra hafatra momba ny fanasaziana nadiva hitranga izy, koa taminy, dia tsy fotoana natao hiravoravoana tamin’izay.
9 Ny Kristiana amin’izao andro izao dia voatendry hanambara ny hafatr’Andriamanitra momba ny fanantenana, ary koa hilaza ny fanamelohany ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. (Isaia 61:1-3; Asan’ny Apostoly 17:30, 31). Tokony hiharihary, araka izany, fa tsy azontsika avela hanjary hisongadina be eo amin’ny fiainantsika ny fialam-boly. Afaka manazava ilay hevitra isika amin’ny sira iray tsongo na zava-manitra manokana izay manatsara tsiron-tsakafo. Moa ve ianao handraraka be dia be aoka izany amin’ilay zava-manitra hany ka resiny mihitsy aza ny tsiron’ilay sakafo? Tsia, mazava ho azy. Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 4:34 sy Matio 6:33, ny zavatra ahintsika voalohany indrindra — ny sakafontsika mihitsy — dia tokony ho ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Koa tonga toy ny zava-manitra fanatsarana tsiro àry ny fialam-boly. Tokony hamelombelona sy hanatsara izy io, fa tsy handreraka na handresy.
10. Nahoana isika rehetra no tokony handinika indray ny fotoana lany amin’ny fialam-bolintsika?
10 Miatoa kely, àry, ka mandiniha: Moa ve ny ankamaroan’ny olona tsy milaza fa ny fotoana sy ny fahalianana omeny ny fialam-boly dia antonona ihany? Raha tsy izany no tsapany, dia ho nanao fanitsiana izy. Moa ve izany tsy milaza an-kolaka fa ny tsirairay amintsika dia tokony hiato kely ary hamakafaka amim-pitandremana sy amim-pahatsorana ny toerana tena tanan’ny fialam-boly eo amin’ny fiainantsika? Sao dia niova nangingina ho tapany lehibe eo amin’ny fiainantsika àry izy io? Ohatra, tonga dia mandefa ny televiziona ve isika isaky ny tonga ao an-trano? Moa ve isika manao fandaharana mba hanokanana fotoana ampahany betsaka ho amin’ny fialam-boly isan-kerinandro, toy ny isaky ny zoma alina, na asabotsy alina? Moa ve isika mahatsapa fahadisoam-panantenana raha tonga io fotoana io ka ao an-trano isika tsy manana fialam-boly voaomana? Fanontaniana roa fanampiny: Ny ampitson’ny fikoranana iray, moa ve hitantsika fa tany ivelany alina be loatra isika, na nanao dia lavitra loatra ka reraka be, angamba valaka loatra mba handraisana anjara amin’ny fanompoana kristiana na mba hanomezana asa tsara ho an’ny mpampiasa antsika? Raha manana izany vokany izany ny fialam-bolintsika indraindray na mazàna, moa ve izy io lalao mety sy voalanjalanja marina tokoa? — Ampitahao amin’ny Ohabolana 26:17-19, NW.
11. Nahoana no mety ny handinihana indray ny karazan’ny fialam-boly ataontsika?
11 Mety ho tsara amintsika koa ny mijery indray koa ny karazan’ny fialam-bolintsika. Ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika akory dia tsy antoka fa mendrika ny fialam-bolintsika. Diniho izay nosoratan’ny apostoly Petera ho an’ireo Kristiana voahosotra: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny [fisotroan-divay tafahoatra, NW ] sy ny filalaovan-dratsy sy ny [fimamoana, NW ] ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”. (1 Petera 4:3). Tsy nanifikifika ny fanondrony i Petera, raha azo atao ny milaza izany, ho fiampangana ireo rahalahiny ho naka tahaka izay nataon’ny olona teo amin’izao tontolo izao. Kanefa, iankinan’ny aina ho an’ny Kristiana (tamin’izany sy amin’izao) ny ho mailo, satria mety hiharam-pahavoazana mora foana ny tena noho ny fialam-boly manimba. — 1 Petera 1:2; 2:1; 4:7; 2 Petera 2:13.
Aoka ianao ho mailo amin’ireo fandrika
12. Karazam-pandrika inona avy no asongadin’ny 1 Petera 4:3?
12 Karazam-pandrika toy inona no tokony hahamailo antsika? I Petera dia nanonona “ny fisotroan-divay tafahoatra sy ny filalaovan-dratsy sy ny fimamoana”. Nilaza ny mpanome fanazavana alemanina iray fa ireo teny grika nampiasaina dia “nihatra indrindra tamin’ireo fiaraha-nisotro tamin’ny fanasana.” Ny profesora soisa iray dia nanoratra fa ireny fanao ireny dia nahazatra tamin’izany fotoana izany: “Ilay filazalazana dia tsy maintsy nahakasika ireo fikoranana nalamina, na fiarahan’ny antokon’olona tsy tapaka mihitsy aza, izay nanaovana ireo fanao mahamenatra voalaza ireo.”
13. Nahoana ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola amin’ireo fikoranana no fandrika? (Isaia 5:11, 12).
13 Namandrika olona maro ny fisian’ny zava-pisotro misy alkaola mandritra ny fiaraha-mikorana misy olona maro be. Tsy hoe mandrara ny fampiasana amin’ny antonony ny zava-pisotro toy izany akory ny Baiboly, satria tsy mandrara izany izy. Ho porofon’izany, dia nanao divay i Jesosy tamin’ny fanasana fampakaram-bady iray tany Kana. Tsy maintsy ho tsy nisy fisotroana tafahoatra tao, satria i Jesosy nanohana ny torohevitr’Andriamanitra mba tsy hisakaiza amin’izay mpiboboka divay. (Ohabolana 23:20, 21). Diniho anefa ity tsipirian-javatra ity: Nilaza ilay mpandahatra ny fanasana fa tany amin’ireo fanasana hafa, dia ny divay tsara no naroso aloha, ‘ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao narosony izay ratsiratsy kokoa’. (Jaona 2:10, DIEM). Koa nahazatra teo amin’ny Jiosy àry ny fahamamoana tamin’ny fampakaram-bady izay nisian’ny divay tondraka ho an’ny rehetra.
14. Amin’ny fomba ahoana avy no azon’ny tompom-panasana kristiana iatrehana ny fandrika mety hoentin’ny zava-pisotro misy alkaola?
14 Mifanaraka amin’izany, dia nisy tompom-panasana kristiana sasany nanapa-kevitra ny tsy hanolotra divay, na labiera, na zava-pisotro misy alkaola hafa, raha tsy afaka manara-maso izay aroso na sotroin’ireo nasaina ny tenany manokana. Raha betsaka kokoa noho izay azon’ny tompom-panasana arahi-maso mivantana ilay antokon’olona, toy ny tamin’ireo fampakaram-bady jiosy voalaza, ny fisian’ny zava-pisotro misy alkaola betsaka dia mety ho fandrika mampidi-doza. Angamba misy olona niady mafy ary nandresy ny zava-manahirana momba ny fisotroana tonga eo. Azonao an-tsaina tsara fa, ny fahafahan’ny rehetra mandray zava-pisotro misy alkaola tsy misy fanaraha-maso dia mety hahatonga azy halaim-panahy hanaram-po tafahoatra ka hanimba ilay fotoana ho an’ny rehetra. Nanazava ny mpiandraikitra sady raim-pianakaviana iray tany Alemaina, fa nandray soa tamin’ny fifaneraserana nahafinaritra ny fianakaviany nandritra ny fiaraha-nikorana tamin’ireo mpiray finoana. Nanampy teny anefa izy fa, niharihary ho lehibe kokoa ny mety hitrangan’ireo zava-manahirana rehefa azo noraisina mora foana ny labiera.
15. Ahoana no ahafahana mitarika amin’ny fomba mety ny fiaraha-mikorana?
15 Nanana “mpandahatra ny fanasana” ilay fampakaram-bady tany Kana. (Jaona 2:8). Izany akory tsy midika hoe tsy maintsy manendry mpandahatra iray ny fianakaviana mandray antokon’olona ao an-tranony mba hisakafo na mba hifanerasera. Ny raim-pianakaviana no ho tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ilay fisehoan-javatra. Kanefa, na fianakaviana roa monja na betsaka kokoa ilay antokon’olona, dia tokony hazava tsara fa misy olona tompon’andraikitra amin’izay mitranga eo. Ray aman-dreny maro no manamarina ny fisian’izany rehefa voasa amin’ny fiaraha-mikorana ny zanany lahy na ny zanany vavy. Mifandray amin’ilay tompom-panasana izy ireo mba hanontany azy izay hanara-maso ilay fotoana manontolo, tafiditra amin’izany ny maha-eo azy io hatramin’ny farany. Ray aman-dreny kristiana maro no nanisy fanamboarana ny fandaharam-potoanany manokana mihitsy mba ho eo, ka ho azon’ny be taona sy ny tanora kokoa atao ny hankafy ny fisakaizan’ny andaniny sy ny ankilany.
16. Inona no fiheverana mety raha ny amin’ny haben’ireo fikoranana?
16 Nanoratra toy izao ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Kanada: “Nisy loholona vitsivitsy nihevitra fa ny torohevitra mikasika ny famerana ny haben’ny fiaraha-mikorana dia nidika hoe fandikana io torohevitra io ny fisian’ny fikoranana ataon’olona maro be amin’ny fanasana fampakaram-bady. Nanatsoaka hevitra izy ireo fa, raha toroana hevitra isika mba hitana ny fiaraha-mikorana ataontsika ho kely sy azo tantanana, dia tsy hety ny hananana olona 200 na 300 amin’ny fanasana fampakaram-bady iray.”a Ny fitandremana voalohany indrindra dia tokony ho amin’ny fanaraha-maso mety, na firy na firy ny mpanatrika, fa tsy ny hanantitrantitra mafy ny amin’ny habetsahan’olona voafetra mialoha araka ny fiheverana manokana fotsiny. Ny habetsahan’ny divay nomen’i Jesosy dia milaza fa nisy antokon’olona bebe ihany nanatrika ilay fampakaram-bady tao Kana, kanefa dia niharihary fa narahi-maso nifanentana tamin’izany izy io. Ireo fanasana hafa tamin’izany fotoana izany dia tsy natao toy izany; ny habetsahan’ny olona dia nety ho antony iray nahatonga ny fanaraha-maso tsy hifanentana. Arakaraka ny maha-lehibe ny fivorivoriana iray no maha-lehibe kokoa ny zava-tsarotra tsy maintsy resena, satria mora kokoa ho an’ireo osa izay mirona hanao zavatra tafahoatra, ny hitaky ny hanekena ny zony. Amin’ny fikoranana tsy voara-maso, dia mety hitarika fanaovan-javatra mampiahiahy izy ireo. — 1 Korintiana 10:6-8.
17. Ahoana no azo anehoana ny fandanjalanjana kristiana rehefa mamolavola hevitra ny hanao fikoranana iray?
17 Ny fanaraha-maso tsara dia tsara ny fiaraha-mikorana dia mahatafiditra ny volavolan-kevitra momba azy sy ny fanomanana azy. Izany dia tsy mitaky ny hamolavolana foto-kevitra manaitra ny saina mba hanaovana azy ho tsy hanam-paharoa na ho mendrika hotsaroana, kanefa dia haka tahaka ireo lanonana eo amin’izao tontolo izao, toy ny fandihizana manisy akanjo hafakely, na lanonana misy fanaovana saron-tava. Moa ve ianao afaka maka sary an-tsaina ireo Isiraelita nahatoky tany amin’ny Tany Nampanantenaina, eo am-pamolavolana hevitra ny hanao lanonana izay tsy maintsy ho niakanjoan’ny rehetra toy ny mpanompo sampy tany Egypta na tany an-tany hafa? Moa ve izy ireo ho namolavola hevitra ny hanao dihy nanaitaitra ny filana na mozika nisy tabataba be izay nety ho nalaza teo amin’ireo mpanompo sampy? Efa hatrany amin’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo no voafandriky ny mozika sy ny dihy izay fahita sy nalaza tany Egypta. Fantatsika ny fomba niheveran’Andriamanitra sy i Mosesy mpanompony matotra, izany fialam-boly izany. (Eksodosy 32:5, 6, 17-19). Noho izany, ny tompom-panasana na ny mpanara-maso amin’ny fiaraha-mikorana iray dia tokony handinika raha hisy hira na dihy hatao; ary raha hisy izany, dia tokony ho azony antoka fa mifanaraka amin’ny fotopoto—pitsipika kristiana izany. — 2 Korintiana 6:3.
18, 19. Fahatakaran-javatra inona no mety ho azontsika avy amin’ny naha-anisan’ny nasaina an’i Jesosy tamin’ny fampakaram-bady, ary ahoana no azontsika ampiharana izany?
18 Farany, dia tadidintsika fa ‘nasaina tamin’io fampakaram-bady io koa i Jesosy mbamin’ny mpianany’. (Jaona 2:2, DIEM). Ekena aloha fa ny Kristiana isam-batan’olona na ny fianakaviana iray dia mety hitsidika fotsiny ny hafa mba handany fotoana mahafinaritra sy mampandroso. Ho an’ireo fiaraha-mikorana nanaovana volavolan-kevitra anefa, dia asehon’ny fanandraman-javatra fa ny famaritana mialoha hoe iza no ho tonga eo dia manampy mba hisorohana zava-manahirana. Ny maha-zava-dehibe izany dia nohantitranterin’ny loholona iray tany Tennessee, any Etazonia, izay nitaiza zanakalahy sy zanakavavy ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Alohan’ny haneken’ny tenany na ny vadiny fanasana iray, na alohan’ny hamelana ny zanany hanatrika izany, dia nifandray tamin’ilay tompom-panasana izy mba hahazoana antoka fa efa nofaritana mialoha ireo izay hanatrika izany. Ny fianakaviany dia voaro tamin’ireo fandrika izay nahavoa ny sasany tamin’ireo fikoranana natao ho an’ny olona rehetra, na fisakafoana izany, na fitsangantsanganana, na fanatanjahan-tena, toy ny filalaovam-baolina.
19 Tsy nampirisihan’i Jesosy ny hanasana amin’ny fikoranana iray ireo havana fotsiny na sakaiza hatramin’ny ela, na ireo mitovy taona na mitovy fari-piainana amin’ny tena fotsiny. (Lioka 14:12-14; ampitahao amin’ny Joba 31:16-19; Asan’ny Apostoly 20:7-9.) Raha mifidy amim-pitandremana izay hasainao ianao, dia ho mora kokoa ny mampiditra ireo Kristiana isan-karazany izay tsy mitovy taona sy toe-piainana. (Romana 12:13; Hebreo 13:2). Ny vitsivitsy aminy angamba dia osa ara-panahy na vaovao izay afaka mandray soa avy amin’ny fiarahana amin’ny Kristiana matotra. — Ohabolana 27:17.
Fialam-boly eo amin’ny toerany
20, 21. Nahoana ny fialam-boly no mahazo manana toerana mety tsara eo amin’ny fiainantsika?
20 Mety tsara amintsika olona matahotra an’Andriamanitra ny mampifantoka ny saintsika amin’izay fialam-bolintsika ary ny hiahy ny amin’ny maha-mety izany sy ny hahaizantsika mandanjalanja eo amin’ny habetsahan’ny fotoana ampiasaintsika amin’izany. (Efesiana 2:1-4; 5:15-20). Toy izao no fiheveran’ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry ny bokin’ny Mpitoriteny: “Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’Andriamanitra azy atỳ ambanin’ny masoandro.” (Mpitoriteny 8:15). Ny fahafinaretana voalanjalanja toy izany dia afaka mamelombelona ny vatana ary manampy mba hanonitra ireo zava-manahirana sy fahakiviana izay mahazatra eo amin’izao fandehan-javatra izao.
21 Mba hanazavana izany, dia nisy mpisava lalana any Autriche iray nanoratra toy izao tany amin’ny sakaizany hatramin’ny ela: “Nanao fitsangantsanganana tena nahafinaritra izahay indray andro izay. Teo amin’ny 50 teo ho eo izahay no nandeha nankany amin’ny farihy kely akaikin’i Ferlach. Ranadahy B———— no nitarika ny filaharana tamin’ny kamiaony nitondra fatampera telo, seza azo aforitra, latabatra, ary latabatra filalaovana pingipongy mihitsy aza. Nankafy fatratra izany izahay. Nitondra angorodao ny rahavavy iray, hany ka nisy hiran’ilay Fanjakana maro be natao. Nankafy ny fisakaizana ireo anadahy na kely na lehibe.” Tsaroany ny fialam-boly voara-maso tsara izay tsy nisy fandrika toy ny fisotroana tafahoatra na fitondrantena maloto. — Jakoba 3:17, 18.
22. Eo am-pankafizana fiaraha-miala voly, fampitandremana inona no tokony hotadidintsika voalohany indrindra ao an-tsaina?
22 Nampirisika antsika i Paoly mba hitandrina tsy hanaiky ho resin’ny fanirian’ny nofo tsy tanteraka, tsy hanao akory volavolan-kevitra izay hahatonga antsika hisetra fakam-panahy. (Romana 13:11-14). Izany dia mahatafiditra ireo volavolan-kevitra hanao fiaraha-miala voly. Rehefa ampiharintsika ny torohevitra nomeny mikasika izany, dia ho afaka hisoroka toe-javatra izay nitarika ny sasany ho vaky sambo ara-panahy isika. (Lioka 21:34-36; 1 Timoty 1:19). Isika kosa dia hifidy amim-pahendrena fialam-boly mahasoa izay hanampy antsika hitana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Amin’izay isika dia handray soa avy amin’ny fiaraha-miala voly izay azo heverina ho iray amin’ireo fanomezana tsara avy amin’Andriamanitra. — Mpitoriteny 5:18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1984 dia mirakitra torohevitra voalanjalanja mikasika ny fampakaram-bady sy ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Ny lehilahy iray mikasa hanambady sy izay ho vadiny, ary koa ny hafa izay hanampy azy ireo, dia afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana indray io foto-kevitra io alohan’ny hanaovany volavolan-kevitra momba ny fampakaram-badiny.
Inona no Nianarantsika?
◻ Fomba fijery voalanjalanja inona no hitantsika ao amin’ny Baiboly momba ny fankafizana fiaraha-miala voly?
◻ Nahoana no tokony hasiana fiheverana ny lafin’ny fotoana sy ny karazan’ilay fialam-boly?
◻ Inona avy no zavatra azon’ilay tompom-panasana kristiana atao mba hiarovan-tena amin’ny fandrika?
◻ Afaka manatontosa inona ho an’ny Kristiana ny fialam-boly raha mety sy voalanjalanja?
[Sary, pejy 18]
Ny tompom-panasana iray na ny mpandahatra iray amin’ny fikoranana iray dia manana andraikitra ny hijery mba tsy hahavoafandrika ireo nasaina