FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpiandraikitra ny ao An-trano”
  • Mpiandraikitra ny ao An-trano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpiandraikitra ny ao An-trano
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Miezaha ho Malina ka Tsinjovy ny Hoavy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mpanompo Atokisan’i Jehovah Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ataovy izay hahazoana antoka ny amin’ny hoavinao noho ny fahendrena ampiharina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpiandraikitra ny ao An-trano”

MPIANDRAIKITRA NY AO AN-TRANO

Olona miandraikitra ny ankohonana na ny fananan’olon-kafa. Nadika hoe “mpiandraikitra ny trano” (Is 22:15) ny teny hebreo hoe sôken. Ilazana mpiandraikitra ny trano koa ilay teny hoe môshel, izay midika hoe “mpiandraikitra.” (Ge 24:2) Azo adika koa hoe “mpiandraikitra ny ao an-trano” ilay teny grika hoe ôikônômôs (mpanompo).​—Lk 12:42, f.a.p.

Mety ho olona afaka na mpanompo natokisana ny mpiandraikitra ny ao an-trano. Toa olona afaka, ohatra, ilay “mpanompo tsy marina” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Lk 16:1, 2, 4) Nanana mpiandraikitra ny tao an-trano ny mpanjaka sy ny ankamaroan’ny mpanankarena ary ny olona ambony. Tsy nitovy anefa ny fahefana nomena an’ireny mpiandraikitra ireny. Midika hoe “mpitaiza” ny teny grika hoe epitrôpôs. Mitovitovy ihany ny asan’izy io sy ny an’ny mpiandraikitra ny tao an-trano, izay niandraikitra ny ankohonana sy ny mpanompo ary ny fananan’ilay tompony ary nanankinana raharaham-barotra koa indraindray.​—Ga 4:1-3; Lk 16:1-3.

Nanana mpanompo mendri-pitokisana nampiandraiketiny ny fananany i Abrahama, dia i Eliezera avy any Damaskosy. Nanana biby fiompy sy mpanompo maro be mantsy izy, na dia tsy nanana afa-tsy toerana kely fandevenana aza. (Ge 13:2; 14:14; 15:2; 23:17-20; As 7:4, 5) Niandraikitra ny tao an-tranon’i Potifara i Josefa, izay andevo tany Ejipta. (Ge 39:1-4, 8, 9) Nanana mpanompo niandraikitra ny tao an-tranony koa i Josefa tatỳ aoriana. (Ge 44:4) Nanana mpanompo niandraikitra ny ankohonany tao Tirza i Elaha mpanjakan’ny Israely. Toa nanana mpiandraikitra toy izany ny mpanjaka fahiny. (1Mp 16:9) I Sebna no mpiandraikitra ny tranon’i Hezekia mpanjakan’ny Joda. Nivadika taminy anefa izy, ka nosoloana an’i Eliakima, zanak’i Hilkia.​—Is 22:15, 20, 21.

Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa nisy lehilahy iray niandraikitra ny tao an-tranon’i Heroda Antipasy. Nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy ny vadin’io lehilahy io. (Lk 8:3) Nantsoina hoe lehiben’ny mpiasa ny mpiandraikitra ny tao an-trano, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Nandoa ny karaman’ireo niasa tao amin’ny tanimboaloboka izy io, rehefa hariva ny andro.​—Mt 20:8.

Mitovitovy amin’ny andraikitry ny mpiandraikitra ny ao an-trano, ny fanompoana ankinin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny Kristianina. Miresaka momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy ao amin’ilay faminaniany momba ny andro farany. Io mpanompo io no notendreny hiandraikitra sy hikarakara ny mpanompo rehetra ao an-trano, ka hanome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety.’ (Mt 24:45; Lk 12:42-44, f.a.p.) “Mpanompo” ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, ka tokony ho mendri-pitokisana. (Tit 1:7; 1Ko 4:1, 2) Nanankinana asa fiandraiketana manokana i Paoly, noho izy apostolin’ireo hafa firenena. (1Ko 9:17; Ef 3:1, 2) Nilaza i Petera fa miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ny Kristianina rehetra, na mpiandraikitra izy na tsia. Miseho amin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany, ary afaka miandraikitra tsara izany ny tsirairay, arakaraka ny toerana tanany eo anivon’ny fiangonana.​—1Pe 4:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara