FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 20
  • Ahoana no Andaminana ny Fiangonana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Andaminana ny Fiangonana?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • ‘Tiavo fatratra hatrany ny olona karazan’izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • ‘Antsoy ny Anti-panahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 20
Lesona 20. Vavolombelon’i Jehovah miara-mivory. Mametraka fanontaniana ny rahalahy iray ary misy olona manangan-tanana mba hanome valin-teny.

LESONA 20

Ahoana no Andaminana ny Fiangonana?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Andriamanitra tia filaminana i Jehovah. (1 Korintianina 14:33) Tsy gaga àry isika raha voalamina tsara ny mpanompony. Ahoana no andaminana ny fiangonana kristianina? Inona no azontsika atao mba hilamina tsara foana izy io?

1. Iza no lohan’ny fiangonana?

‘I Kristy no lohan’ny fiangonana.’ (Efesianina 5:23) Avy any an-danitra izy no mitarika ny asan’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany. Nanendry anti-panahy matotra vitsivitsy i Jesosy mba ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Vakio ny Matio 24:45-47.) Antsoina koa hoe Filan-kevi-pitantanana io mpanompo io. Manome tari-dalana ho an’ny fiangonana maneran-tany ny Filan-kevi-pitantanana, hoatran’ny nataon’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 15:2) Tsy ireo lehilahy ireo anefa no mpitarika ny fandaminantsika. Mamaky ny Baiboly izy ireo mba hahitana hoe inona no tian’i Jehovah hataony. Manaraka ny tari-dalan’i Jesosy koa izy ireo.

2. Inona no andraikitry ny anti-panahy?

Lehilahy kristianina matotra ny anti-panahy. Mampianatra ny Soratra Masina izy ireo, ary manampy sy mampahery ny mpanompon’i Jehovah. Tsy mandray karama izy ireo rehefa manao an’izany andraikiny izany. Ataony “an-tsitrapo eo anatrehan’Andriamanitra” ilay izy, ary “tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa noho ny fahazotoana.” (1 Petera 5:1, 2) Ireo lehilahy manampy ny anti-panahy indray antsoina hoe mpikarakara fiangonana. Mety hahafeno fepetra ho lasa anti-panahy koa izy ireo rehefa mandeha ny fotoana.

Tendren’ny Filan-kevi-pitantanana mba ho mpiandraikitra ny faritra ny anti-panahy sasany. Mitsidika fiangonana izy ireny mba hanome toromarika sy hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy. Izy ireo koa no manendry rahalahy mba ho anti-panahy sy mpikarakara fiangonana. Jereny tsara anefa aloha raha mahafeno ny fepetra resahin’ny Baiboly ilay rahalahy.​—1 Timoty 3:1-10, 12; Titosy 1:5-9.

3. Inona no andraikitry ny Vavolombelona tsirairay?

Manana andraikitra “hidera ny anaran’i Jehovah” ny olona rehetra anisan’ny fiangonana. (Vakio ny Salamo 148:12, 13.) Izany no mahatonga azy ireo handray anjara amin’ny fivoriana sy hanao izay fara heriny mba hitoriana ny vaovao tsara.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika ireto: Mpitarika hoatran’ny ahoana i Jesosy? Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe manahaka azy izy ireo? Ary ahoana no ampisehoantsika hoe miara-miasa amin’i Jesosy sy ny anti-panahy isika?

4. Mpitarika tsara fanahy i Jesosy

Mahafinaritra be ny zavatra asain’i Jesosy hataontsika. Vakio ny Matio 11:28-30, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no vokany rehefa manaiky an’i Jesosy ho mpitarika isika?

Manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy. Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Nanampy ny Anti-panahy Taorian’ny Horohoron-tany Tany Népal (4:56)

Lazain’ny Baiboly hoe ahoana no tokony hanaovan’ny anti-panahy ny andraikiny.

Vakio ny Isaia 32:2 sy ny 1 Petera 5:1-3, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Miezaka mafy ny anti-panahy mba ho tsara fanahy hoatran’i Jesosy. Inona no tsapanao rehefa fantatrao izany?

  • Inona koa no ataon’ny anti-panahy mba hampisehoana hoe manahaka an’i Jesosy izy ireo?

5. Manome modely ny anti-panahy

Nolazain’i Jesosy hoe ahoana no tokony ho fahitan’ny anti-panahy ny andraikiny. Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Mitarika sy Manome Modely ny Anti-panahy! (7:39)

Noresahin’i Jesosy ny toetra tokony hananan’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Vakio ny Matio 23:8-12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny toetra lazain’ny Baiboly hoe tokony hananan’ny anti-panahy? Manaraka an’izay lazain’ny Baiboly ve ny mpitondra fivavahana, raha ny fahitanao azy?

A. Sary: Anti-panahy iray miezaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ary manampy ny fianakaviany hanao an’izany koa. 1. Mivavaka izy alohan’ny hianarany Baiboly. 2. Mampianatra Baiboly ny zanany vavy izy, ary manampy azy ny vadiny. B. Ilay anti-panahy teo aloha ihany. Mitsidika anabavy marary any amin’ny hopitaly izy sy ny vadiny. D. Ilay anti-panahy teo aloha ihany. Mitory amin’ny lehilahy iray izy. E. Sary: 1. Ilay anti-panahy teo aloha ihany. Manao lahateny izy mandritra ny fivorian’ny fiangonana. 2. Manadio Efitrano Fanjakana izy.
  1. A. Miezaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ny anti-panahy, ary manampy ny fianakaviany hanao an’izany koa

  2. B. Mikarakara ny olona rehetra anisan’ny fiangonana ny anti-panahy

  3. D. Mazoto mitory ny anti-panahy

  4. E. Mampianatra ny anti-panahy. Mandray anjara amin’ny fanadiovana sy ny asa hafa koa izy

6. Afaka miara-miasa amin’ny anti-panahy isika

Lazain’ny Baiboly hoe nahoana isika no tokony hiara-hiasa amin’ny anti-panahy. Vakio ny Hebreo 13:17, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana ny Baiboly no milaza hoe tokony hankatò sy hanaiky an’ireo rahalahy manana andraikitra isika? Ahoana no fahitanao an’izany?

Vakio ny Lioka 16:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana isika no tokony hankatò ny anti-panahy foana, na dia amin’ny zavatra hoatran’ny hoe tsy dia lehibe aza?

MISY MITENY HOE: “Tsy voatery hanana fivavahana ianao.”

  • Araka ny hevitrao, inona no soa azon’ny olona iray raha manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny fiangonana izy?

FAMINTINANA

I Jesosy no lohan’ny fiangonana ary manaiky ny fahefany ny anti-panahy. Faly isika miara-miasa amin’ny anti-panahy, satria tsara fanahy izy ireo sady modely ho antsika.

Famerenana

  • Iza no lohan’ny fiangonana?

  • Inona no ataon’ny anti-panahy mba hanampiana ny fiangonana?

  • Inona no andraikitry ny mpanompon’i Jehovah tsirairay?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no porofo hoe tena mitady izay hahasoa ny Kristianina ny Filan-kevi-pitantanana sy ny anti-panahy hafa?

Fomba Nampaherezana ny Rahalahy Tratran’ny Fandrarana (4:22)

Inona no asa ataon’ny mpiandraikitra ny faritra?

Ny Fiainan’ny Mpiandraikitra ny Faritra Rehefa Mitsidika Toerana Mitokana (4:51)

Inona no andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana?

“Misy Vehivavy Mitory Teny ve ao Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2012)

Inona no ezaka mafy ataon’ny anti-panahy mba hampaherezana ny mpiray finoana aminy?

“‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2013)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara