FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 189
  • Afaka Mampahery Ahy ve ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mampahery Ahy ve ny Baiboly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Manana olana
  • Maty ny havana na namana
  • Manamelo-tena be loatra
  • Malahelo
  • Marary
  • Miady saina
  • Misy ady
  • Manahy momba ny hoavy
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Afaka Manampy ny Lehilahy Miady Saina ve ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 189
Vehivavy iray faly mamaky Baiboly.

Afaka Mampahery Ahy ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Ie. (Romanina 15:4) Misy andinin-teny be dia be efa nampahery olona niatrika zava-tsarotra sy kivy ao amin’ny Baiboly. Andao hojerentsika ny sasany amin’izany.

Ho hitantsika ato ireto:

  • Manana olana

  • Maty ny havana na namana

  • Manamelo-tena be loatra

  • Malahelo

  • Marary

  • Miady saina

  • Misy ady

  • Manahy momba ny hoavy

Manana olana

Salamo 23:4: “Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako.”

Inona no dikan’izany? Ho be herim-po ianao rehefa manana olana, raha mivavaka amin’Andriamanitra sy mitady tari-dalana ao amin’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly.

Filipianina 4:13: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”

Inona no dikan’izany? Na inona na inona olana mahazo anao, dia afaka manome hery hahafahanao miatrika an’ilay izy Andriamanitra.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao rehefa miatrika olana mandritra ny fotoana lava be ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Olana: Tsy Azo Ovana ny Zava-misy.”

Maty ny havana na namana

Mpitoriteny 9:10: “Tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana.”

Inona no dikan’izany? Tsy mijaly ny olona maty, sady tsy afaka manisy ratsy antsika. Tsy mahatsiaro tena ry zareo.

Asan’ny Apostoly 24:15: “Hatsangan’Andriamanitra ny [maty].”

Inona no dikan’izany? Hovelomin’Andriamanitra indray ireny havana na namantsika efa maty ireny.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao raha maty ny olona akaikin’ny fonao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?”

Manamelo-tena be loatra

Salamo 86:5: “Tsara toetra sy vonona hamela heloka mantsy ianao, Jehovaha ô! Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.”

Inona no dikan’izany? Raha tena manenina amin’ny fahadisoana nataony sy tapa-kevitra ny tsy hamerina an’ilay izy intsony ny olona iray, dia havelan’Andriamanitra ny helony.

Salamo 103:12: “Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.”

Inona no dikan’izany? Rehefa mamela ny fahadisoantsika Andriamanitra, dia hoatran’ny hoe ariany any lavitra be any ilay izy. Tsy hoe hampahatsiahiviny antsika foana izy ireny mba hanamelohana antsika na hanasaziana antsika.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao tsy hanamelo-tena be loatra, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?”

Malahelo

Salamo 31:7: “Hitanao ny fijaliako; fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.”

Inona no dikan’izany? Hitan’Andriamanitra daholo izay zavatra mampijaly anao. Azony tsara izay tsapanao any am-ponao lalina any, na dia mety hoe tsy azon’ny hafa aza.

Salamo 34:18: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.”

Inona no dikan’izany? Manome toky Andriamanitra hoe hanohana anao foana izy rehefa malahelo ianao. Omeny hery ianao mba hahazakanao ny alahelonao.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao rehefa malahelo ianao, dia jereo ilay video hoe Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Intsony Aho?

Marary

Salamo 41:3: “Hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany i Jehovah.”

Inona no dikan’izany? Afaka manampy anao Andriamanitra raha marary mafy ianao. Omeny hery ianao sady ampiany hiadan-tsaina sy hiaritra. Omeny fahendrena koa ianao mba handraisanao fanapahan-kevitra tsara.

Isaia 33:24: “Ary tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’”

Inona no dikan’izany? Mampanantena Andriamanitra hoe ho salama daholo ny olona rehetra amin’ny hoavy.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao rehefa marary ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?”

Miady saina

Salamo 94:19: “Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.”

Inona no dikan’izany? Raha miantehitra amin’Andriamanitra isika rehefa miady saina, dia afaka manampy antsika ho tony foana izy.

1 Petera 5:7: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”

Inona no dikan’izany? Tsy hoe tsy miraharaha ny fijaliantsika Andriamanitra. Tiany raha resahintsika aminy amin’ny alalan’ny vavaka izay zavatra mampiady saina antsika.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly anao rehefa miady saina ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?”

Misy ady

Salamo 46:9: “Ataony tsy misy ady intsony eran-tany.”

Inona no dikan’izany? Kely sisa dia hanafoana ny ady ny Fanjakan’Andriamanitra.

Salamo 37:11, 29: “Ny mpandefitra ... no handova ny tany, ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana. ... Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Inona no dikan’izany? Hiadana mandrakizay eto an-tany ny tsara fanahy.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa hoe ahoana no ahalalantsika fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?”

Manahy momba ny hoavy

Jeremia 29:11: “‘Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hanananareo hoavy tsara sy fanantenana.’”

Inona no dikan’izany? Manome toky ny mpanompony Andriamanitra hoe tena hahafinaritra ny fiainana amin’ny hoavy.

Apokalypsy 21:4: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Inona no dikan’izany? Mampanantena Andriamanitra hoe hesoriny daholo ny zava-dratsy rehetra hitanao sy iainanao amin’izao.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly hoe hitranga amin’ny hoavy, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?”

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara