FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/6 p. 3-4
  • Mitandrema Tena Amin’ny Mpaniratsira!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Tena Amin’ny Mpaniratsira!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola tsy niova ve ny zava-drehetra?
  • Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Maneso
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Efa Antomotra ny Andro Lehiben’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Miandrasa Amim-paharetana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/6 p. 3-4

Mitandrema Tena Amin’ny Mpaniratsira!

Mitombo ny faminaniana ary miroborobo ny raharaha momba ny faminavinana ny hoavy amin’izao andro izao. “Arakaraka ny hanatonan’ny taona 2 000”, hoy ny fanamarihan’ny The Daily Telegraph any Londres, “dia misy zavatra hafahafa mitranga nefa efa nampoizina ihany. Olona an’arivony maro maneran-tany no manana eritreritra hafahafa sy matetika mampihorohoro momba ny hoavy.” Ho an’ny mpandinika maro be, izany fahalianana fatratra momba ny hoavy izany dia fiverimberenan’ireo fanantenana fiovana teo aloha izay tsy tanteraka fotsiny.

REHEFA nihamaro ny fifamoivoizan’ireo kalesy tarihin-tsoavaly tamin’ny taonjato faha-19, dia naminany ny lehilahy iray fa ho sempotry ny zezi-tsoavaly ireo tanàna eoropeana amin’ny farany. Mazava ho azy fa tsy marina ny faminaniany. Araka izany, rehefa nanantitrantitra ny tsy fahatanterahan’ireo faminaniana matetika ny The Times any Londres, dia nanambara hoe: “Zezi-tsoavaly be dia be fotsiny ny hoavy.”

Ny hafa dia maniratsira ireo izay mahita fa misy loza miandry. Ohatra, ny mpampianatra momba ny fandraharahana iray any amin’ny oniversite amerikana iray dia nihantsy ireo nampitandrina ny amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana mba hifanamby aminy raha vao mainka hiharatsy izany na tsia. Araka ny tatitra nataon’ny gazetiboky New Scientist, dia nilaza ilay mpampianatra fa “mihatsara ny toe-piainantsika ary hitohy toy izany foana tsy hisy farany”.

Eo anoloan’izany fisafotofotoana ateraky ny filazana tsy mitovy izany, dia maro no mino fa, raha ny marina, dia hitoetra tsy hiova ny zava-drehetra. Amin’ny faniratsirana izay mety ho hevitra momba ny fisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’olombelona, dia mampiseho fihetsika mitovy amin’izay nasehon’ireo mpaniratsira tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. izy ireo.

Mbola tsy niova ve ny zava-drehetra?

Nampitandrina toy izao ny taratasy faharoa ara-tsindrimandry nosoratan’i Petera, apostoly kristiana, tokony ho tany amin’ny taona 64 am.f.i.: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany”. — 2 Petera 3:3.

Ireo mpaniratsira dia mitady izay hahatonga ilay zavatra tsiratsirainy hahatsikaiky. Ny olona manaiky ho resin’ny faniratsirana dia mety ho latsaka ao anatin’ny fandrika feno fitiavan-tena satria matetika ny mpaniratsira no mitady izay hanarahan’ireo mpihaino azy ny fomba fiheviny. Angamba nitovy tamin’izany ny sasany tamin’ireo mpaniratsira, ‘nandeha araka ny filany’, izay nampitandreman’i Petera. Nampiasa fomba fiteny manantitrantitra ilay apostoly rehefa nampitandrina ireo mpamaky azy. Nampitandrina ny amin’ny fiavian’ny “mpaniratsira avy haniratsira” izy.

Nisalasala ny amin’ny maha-tena misy ny ‘teny fikasana ny amin’ny fiavian’i Kristy’ ireto mpaniratsira tamin’ny taonjato voalohany ireto, ka nanao hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny [fanatrehany, NW ]? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” (2 Petera 3:4). Toy izany no fahitan’izy ireo ny toe-javatra. Kanefa, i Jesosy dia efa nanambara mialoha, tamin’ny taona 33 am.f.i. fa hisy loza hanjo ny tanànan’i Jerosalema. “Ho avy aminao ny andro”, hoy izy, “izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao”. Tena diso mihitsy ireo izay naniratsira izany fampitandremana izany! Tamin’ny taona 70 am.f.i. dia nanao fahirano an’i Jerosalema sy nandrava ilay tanàna ny tafika romana, ka ain’olona maro be no nafoy. Nahoana ny ankamaroan’ireo mponina tao amin’ilay tanàna no tsy voaomana tamin’ilay loza? Satria tsy fantatr’izy ireo ny andro namangian’Andriamanitra azy ireo tamin’ny alalan’i Jesosy zanany. — Lioka 19:43, 44.

Manisy firesahana ny amin’ny fisalovanan’ilay Andriamanitra Tsitoha amin’ny hoavy ny apostoly Petera. Mampitandrina i Petera fa “ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo”. (2 Petera 3:10). Amin’izay fotoana izay Andriamanitra dia hanaisotra amin’ny tany manontolo ireo izay tsy tia azy sy hitsimbina ireo izay voatsara fa mahitsy. Araka ny efa nohazavaina matetika tato amin’itỳ gazety itỳ, dia nanomboka tamin’ny 1914 ny ‘fanatrehan’i’ Kristy Jesosy. Kanefa, mbola ho avy ny hanaovany zavatra amin’ny maha-Mpanatanteraka ny Didim-pitsaran’Andriamanitra azy mba hanaisotra ny faharatsiana. Noho izany, dia vao mainka mahadodona ankehitriny ny fampitandreman’ilay apostoly mba hitandrin-tena amin’ny mpaniratsira.

Mety ho efa ela be ianao no niandry ny hisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny olombelona. Inona no hanampy anao hanohy hiandry amim-paharetana ka tsy ho tonga rembin’ireo mpaniratsira? Vakio ny tohiny, aza fady.

[Teny notsongaina, pejy 4]

‘Ho avy aminao ny andro izay hanemeran’ny fahavalonao anao ka hanidiany anao manodidina, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao’. Tsy fampitandremana natao hotsiratsiraina akory izany. Nandrava an’i Jerosalema ny tafika romana, ka ain’olona maro be no nafoy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara