FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/9 p. 16-17
  • Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Andro Fitsarana sy izay hanaraka izany
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona Ilay Atao hoe Andro Fitsarana?
    Mifohaza!—2010
  • Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/9 p. 16-17

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Inona no ilana ny Andro Fitsarana?

Sary mampiseho “Ny Fitsarana Farany”, nataon’i Gustave Doré

Asehon’ny sary eo ankavanana ny hevitry ny olona maro momba izany. Olona an’arivony tapitrisa, hono, no ho eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary hotsaraina araka izay nataony talohan’ny nahafatesany izy ireo. Misy hiaina any an-danitra, fa ny sasany hijaly any amin’ny afobe. Milaza anefa ny Baiboly fa natao hanafoanana tanteraka ny tsy rariny ny Andro Fitsarana. (Salamo 96:13) I Jesosy no notendren’Andriamanitra ho Mpitsara amin’izany.—Vakio ny Isaia 11:1-5; Asan’ny Apostoly 17:31.

2. Ahoana no hanafoanana ny tsy rariny amin’ny Andro Fitsarana?

Ninia nikomy tamin’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka lasa mpanota sy mijaly ary maty ny taranany. (Romanina 5:12) Hanitsy izany tsy rariny izany i Jesosy ka hanangana olona an’arivony tapitrisa amin’ny maty. Lazain’ny Baiboly fa hitranga izany rehefa hanjaka mandritra ny arivo taona izy.—Vakio ny Apokalypsy 20:4, 11, 12.

Hotsaraina ireo hatsangana amin’ny maty, ka “ireo horonam-boky” resahin’ny Apokalypsy toko faha-20 no hampiasaina amin’izany. Tsy izay nataony talohan’ny nahafatesany anefa no hitsarana azy ireo, fa izay hataony rehefa hatsangana izy. (Romanina 6:7) Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny marina sy ny tsy marina” no hatsangana ary ho afaka hianatra momba an’Andriamanitra izy ireo.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.

3. Inona no hitranga mandritra ny Andro Fitsarana?

Olona mankafy Paradisa

Mbola hampianarina momba an’i Jehovah Andriamanitra ireo olona tsy nahalala azy mihitsy talohan’ny nahafatesany. Ho afaka hiova sy hanao ny tsara izy amin’izay. “Hatsangana ho amin’ny fiainana” izy ireo raha manao izany. Tsy hety hianatra kosa anefa ny sasany ka homelohina. “Hatsangana ho amin’ny fanamelohana” àry izy ireo satria ho faty indray.—Vakio ny Jaona 5:28, 29; Isaia 26:10; 65:20.

Haharitra arivo taona ny Andro Fitsarana. Hogadraina ao anaty lavaka mangitsokitsoka i Satana Devoly mandritra izany. Mampanantena i Jehovah fa ho lasa lavorary toy ny tamin’ny voalohany ny olona mankatò rehefa tapitra io fotoana io. (1 Korintianina 15:24-28) Hafahana anefa i Satana amin’izay, ka havela hitsapa farany ny olona. Hataony izay hahatonga ny olona hivadika amin’i Jehovah. Hiaina mandrakizay anefa izay tsy manaiky ho voataonany.—Vakio ny Isaia 25:8; Apokalypsy 20:7-9.

4. Inona ilay andro fitsarana hafa hitondra soa ho an’ny olombelona?

Olona natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Paradisa

Mampiasa ny teny hoe “andro fitsarana” koa ny Baiboly mba hilazana ny fotoana handringanana ity tontolo ity. Ho tonga tampoka io andro fitsarana io, toy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa izay nandringana ny ratsy fanahy rehetra. Tsy ho ela dia haringana “ireo tsy matahotra an’Andriamanitra”, ka ny tsara fanahy sisa no ho tavela. “Hitoeran’ny fahamarinana” eto an-tany amin’izay.—Vakio ny 2 Petera 3:6, 7, 13.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 213-215, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara