FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/2 p. 25
  • Ho Potika Tanteraka ve ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Potika Tanteraka ve ny Tany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Potika ve ny Tany?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Tany
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Hiafara Amin’ny Afo ve ny Tany?
    Mifohaza!—1997
  • Inona no Hitranga Amin’ny Andron’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/2 p. 25

Manontany ny Mpamaky

Ho Potika Tanteraka ve ny Tany?

▪ Nieritreritra ny olona sasany fa ho potika tanteraka ny tany tamin’ny 21 Oktobra 2011, anisan’izany i Harold Camping, mpiteny ao amin’ny radio any Etazonia. Nilaza mantsy izy fa tamin’ny 21 Mey 2011 ny Andro Fitsarana ka hisy horohoron-tany lehibe eran-tany. Ho potika tanteraka, hono, ny tany dimy volana aorian’izay, izany hoe tamin’io 21 Oktobra 2011 io. Tsy tanteraka anefa ny teniny.

Tsy ho potika mihitsy ny tany. Tsy hamela an’izany hitranga ilay namorona azy io, satria milaza ny Baiboly fa ‘nataony mafy orina ny tany mba ho eo foana.’—Salamo 119:90.

Milaza anefa ny olona sasany mpamaky Baiboly fa ho levon’ny afo ity tany ity. Ity voalazan’ny 2 Petera 3:7, 10 ity no anaporofoan’izy ireo an’izany: ‘Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany ny lanitra sy ny tany ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra. Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah. Amin’izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra, ka ho toy ny sioka mafy ny fandrenesana ny fandalovany. Fa ho levona ireo singan-javatra efa mahamay be, ary hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy.’

Tsy ara-bakiteny ireo tenin’i Petera ireo. Tsy hifanaraka amin’ny zavatra hafa noteneniny mantsy ireo andininy ireo raha izany, sady tsy hifanaraka amin’ireo andininy hafa ao amin’ny Baiboly koa. Raha raisina ara-bakiteny koa ireo, dia lasa hoe izao rehetra izao midadasika, izany hoe ireo kintana an’arivony tapitrisa tapitrisa sy ny zavatra hafa maro, no holevonina amin’ny afo. Sombiny kely fotsiny amin’izy io anefa no misy ratsy fanahy. Raha manana trano be sady tsara tarehy, ohatra, ianao nefa misy loaka kely ny tafony, dia ilay trano manontolo mihitsy ve no horavanao? Mazava ho azy fa tsia! I Jehovah àry ve dia handrava an’izao rehetra izao izay noforoniny, nefa faritra kely amin’izy io fotsiny no misy mikomy?

Tsy hifanaraka amin’ity tenin’i Jesosy ity koa ireo andininy ireo raha raisina ara-bakiteny: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; Salamo 37:29) Raha misy ray be fitiavana, ohatra, manamboatra trano tsara tarehy ho an’ny vady aman-janany, dia hodorany ve ilay izy rehefa vita? (Salamo 115:16) Mazava ho azy fa tsia! Tsy i Jehovah mihitsy àry no hanimba ny tany. Sady Mpamorona mantsy izy no Ray be fitiavana koa.—Salamo 103:13; 1 Jaona 4:8.

Tsy tany ara-bakiteny no tian’i Petera horesahina, fa ny olona ratsy fanahy. Mariho fa niresaka momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa koa izy tamin’io. (2 Petera 3:5, 6) Ny ratsy fanahy ihany no ringana tamin’izay, fa ny tany sy ry Noa mianakavy kosa tafavoaka velona. Tsy lanitra ara-bakiteny koa no tiany horesahina, fa ny fanjakan’olombelona. Ny ratsy fanahy tsy mety miova àry no ho ringana. Horavana koa ny fanjakan’olombelona, ka ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hisolo azy.—Daniela 2:44.

Tsy ho potika mihitsy àry ny tany. Ny ratsy fanahy, izay oharina amin’ny tany, no ho ringana. Haharitra mandrakizay kosa ny tany ara-bakiteny sy ny olo-mahitsy.—Ohabolana 2:21, 22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara