FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 26-27
  • Hiafara Amin’ny Afo ve ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hiafara Amin’ny Afo ve ny Tany?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miahy ve Andriamanitra?
  • “Ny tany voalohany”
  • “Tany vaovao”
  • Tany
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Ho Potika ve ny Tany?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ho Potika ve ny Tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Hanao ahoana ny tany?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Hiafara Amin’ny Afo ve ny Tany?

KILA tao amin’ny fandripahana niokleary iray, voadotran’ny masoandro nanjary nihabe velarana, na notsoloan’ny andriamanitra tezitra iray tamin’ny afo — mety ho samy hafa ny fomba fandravana, nefa olona maro no miaiky fa hahita ny fiafarany ao amin’ny hafanana handevona ny zava-drehetra, na amin’ny fandravana haneran-tany, ny planety Tany, ilay fonenan’ny olombelona.

Ny sasany dia manonona andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay manondro doro tany goavana iray tarihin’Andriamanitra ho famaliana ireo fahotan’ny olona tamin’ny tany. Ny hafa manahaka ny hevitr’i Paul Davies, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Adélaïde, Aostralia, izay nanoratra momba izay heveriny ho filentehan’ny tany tsy azo halavirina ho ao amin’ny fandravana amin’ny afo. Manao izao teoria izao izy ao amin’ilay bokiny hoe The Last Three Minutes: “Rehefa vao mainka hiitatra hatrany ny masoandro dia hitelina (...) ny Tany ao anatin’ny fonosany mirehitra afo izy io. Ho lasa lavenona ny planetintsika.” Inona no fahamarinana momba ny anjaran’ny tany? Ahoana no tokony hahazoantsika ny hevitr’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay toa manambara mialoha fanafoanana amin’ny afo?

Miahy ve Andriamanitra?

Ao amin’ny Jeremia 10:10-12, dia ilazana toy izao isika: “Jehovah no Andriamanitra tokoa (...). Dia Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina [mafy, NW ] izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany.” Nanao ny tany sy nampiorina mafy azy io Andriamanitra. Koa tamim-pahendrena sy tamim-pitiavana ary tamim-pisainana àry, dia nanomana tamim-pitandremana ny tany izy mba haharitra tsy misy fetra amin’ny maha-fonenana kanto ho an’ny olombelona azy.

Manao izao tatitra izao ny Baiboly ny amin’ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona: “Lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:27, 28). Rehefa namita ny asa famoronany izy dia afaka nanambara tsy tamim-pisalasalana hoe: “tsara indrindra izany”. (Genesisy 1:31). Tiany hijanona ho toy izany izy io. Tsy misy hafa amin’ny olona sasany ho lasa ray aman-dreny, izay mamolavola sy mampitao efitrano fatorian-jazakely iray ho an’ilay zaza andrasana, dia nanao saha kanto iray Andriamanitra ka nametraka tao ilay lehilahy atao hoe Adama, mba hanitatra sy hikarakara azy io. — Genesisy 2:15.

Namoy ny fahalavorariany sy ny andraikiny hikarakara ny tany i Adama. Nafoin’ilay Mpamorona ve anefa ny fikasany? Milaza tsy mivantana hoe tsia ny Isaia 45:18, izay manao toy izao: ‘Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra sy namorona ny tany, Izy no nampiorina mafy azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana’. (Jereo koa ny Isaia 55:10, 11.) Na dia nanao tsirambina ny andraikiny hiambina ny tany aza ny olona, dia nanohy nanatanteraka ny fanekena nataony tamin’ny tany sy ny fiainana teo amboniny Andriamanitra. Ny Lalàna nomena ny firenen’ny Isiraely fahiny dia nanao fandaharana mba hisian’ny ‘sabata iray tena fitsaharana ho an’ny tany’ isaky ny taona fahafito. Nahafaoka lalàna naneho fiheverana izay nanome fiarovana sasany ho an’ny biby izy io. (Levitikosy 25:4; Eksodosy 23:4, 5; Deoteronomia 22:1, 2, 6, 7, 10; 25:4; Lioka 14:5). Ireo dia ohatra vitsivitsy monja ao amin’ny Baiboly, izay manondro mazava fa Andriamanitra dia tena miahy be dia be ny olombelona sy ny tany fonenany ary ny zava-drehetra nampiandraiketiny ny olona.

“Ny tany voalohany”

Koa ahoana àry no ampifanarahantsika ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay toa mifanohitra? Milaza toy izao ny andinin-teny iray toy izany, dia ny 2 Petera 3:7: “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” Milaza toy izao ny hafa iray, dia ny Apokalypsy 21:1: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany”.

Raha toa ka tokony horaisina ara-bakiteny ny tenin’i Petera, ka tokony ho levon’ny tena afo ny planety Tany, ny lanitra ara-bakiteny araka izany — ireo kintana sy tenan-javatra hafa eny amin’ny lanitra — dia tokony holevonina amin’ny afo koa. Io fomba fijery io anefa dia mifanohitra amin’ny fanomezan-toky hita ao amin’ny andinin-teny, toy ny Matio 6:10, manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”, sy ny Salamo 37:29, manao hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Ankoatra izany, inona no ho vokatry ny afo eo amin’ilay masoandro sy ireo kintana efa faran’izay mahamay, ka miteraka fipoahana niokleary tsy an-kijanona?

Etsy an-danin’izany, ny Baiboly dia mampiasa matetika ilay teny hoe “tany” amin’ny heviny ara-panoharana. Ohatra, milaza toy izao ny Genesisy 11:1: “Ary ny tany rehetra dia iray fanononana”. Eto, dia miresaka ny olombelona amin’ny ankapobeny, na ny fitambaran’olona, ny teny hoe “tany”. (Jereo koa ny 1 Mpanjaka 2:1, 2; 1 Tantara 16:31.) Ny teny manodidina ny 2 Petera 3:5, 6 dia manondro tsy mivantana ny fampiasana ara-panoharana mitovy amin’izany koa ny hoe “tany”. Miresaka ny amin’ny andron’i Noa izy io, fony noravana tao amin’ny Safo-drano ny fitambaran’olona iray ratsy fanahy, nefa voatsimbina i Noa sy ny ankohonany ary koa ny bolan-tany mihitsy. (Genesisy 9:11). Tahaka izany koa, dia lazain’ny 2 Petera 3:7 fa ireo “ratsy fanahy” no haringana. Mifanaraka amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly io fomba fijery io. Ny fitambaran’olona ratsy fanahy natao haringana koa no ilay “tany voalohany” resahina eo amin’ny Apokalypsy 21:1, notononina tetsy aloha.

Raha ny marina, tsy misy hafa amin’ny hakan’ny ray miahy iray eto an-tany izay fepetra rehetra azo raisina mba hiantohana ny tsy fitsofotsofohana ao an-tranony, dia liana fatratra momba ny zavatra noforoniny i Jehovah Andriamanitra. Nandroaka olona maloto fitondran-tena sy ratsy fanahy avy teo amin’ny Lohasahan’i Jordana lonaka izy indray mandeha, ka nanome toky ireo mpikarakara vaovao an’ilay tany, izay tao anatin’ny fifanekena taminy, fa raha mitandrina ireo lalàny izy ireo dia ‘tsy handoa azy ireo ny tany noho ny nandotoany azy, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohan’izy ireo’. — Levitikosy 18:24-28.

“Tany vaovao”

Amin’izao andro izao, dia nandoto ny tany ny fitambaran’olona iray izay simba ara-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, mahery setra amin-kabibiana, sy simba ara-politika. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra no afaka mamonjy azy io. Izany indrindra no hataony. Ao amin’ny Apokalypsy 11:18 dia mampanantena izy fa ‘hanimba izay manimba ny tany’. Honenan’ny olona izay matahotra an’Andriamanitra sy tia amim-pahatsorana ny mpiara-belona aminy ny tany voaverina amin’ny laoniny sady nohavaozina. (Hebreo 2:5; ampitahao amin’ny Lioka 10:25-28.) Ireo fiovana hiseho eo ambanin’ny fitondran’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia ho lalim-paka aoka izany, hany ka miresaka ny amin’ny “tany vaovao” iray — fitambaran’olona vaovao iray — ny Baiboly.

Rehefa mamaky andinin-teny toy ny Salamo 37:29 isika ary mahatakatra ny fanambaran’i Kristy ao amin’ny Matio 6:10, dia ekentsika fa tsy ireo herin’ny natiora mandeha an-jambany na ny olona amin’ny heriny rehetra mandrava no hamarana ny planetintsika. Tsy hahasakana ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. (Salamo 119:90; Isaia 40:15, 26). Hiaina eto an-tany ao anatin’ny toe-piainana hanjakan’ny hakanto tsy misy fetra sy fifaliana tsy misy farany, ny olombelona mahatoky. Izany no fahamarinana momba ny anjaran’ny tany, satria izany ary mbola izany foana no fikasan’ilay Mpamorona ny olombelona be fitiavana. — Genesisy 2:7-9, 15; Apokalypsy 21:1-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara