FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Soratra Masina”
  • Soratra Masina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Soratra Masina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanahy, avy Amin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitantara ny Zava-drehetra Momba An’i Jesosy ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Soratra Grika Kristianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky Ekena ho Anisan’ny Soratra Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Soratra Masina”

SORATRA MASINA

Ireo boky masina ao amin’ny Baiboly, na Tenin’Andriamanitra, ihany no lazaina hoe grafe (“soratra”) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Efa nisy tetirazana ofisialy, tantara na antontan-taratasy hafa tamin’izany, ary afaka naka teny na nikaroka tao amin’ireny ireo mpanoratra ny Soratra Hebreo sy Grika. Tsy noheverina ho avy amin’ny fanahy masina na ho mitovy amin’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina anefa izy ireny. Mety ho nanoratra taratasy hafa koa ho an’ny fiangonana sasany ny apostoly. Nilaza, ohatra, i Paoly hoe: “Nanoratra taminareo aho.” (1Ko 5:9) Nisy taratasy nosoratany ho an’ny Korintianina àry talohan’izay, fa efa tsy misy intsony izao ilay izy. Tsy nasain’ny fanahy masina notehirizina ho an’ny fiangonana kristianina anefa ireny taratasy hafa ireny, satria natao ho an’ny fiangonana na olona nandefasana azy fotsiny.

Avy amin’ny matoanteny hoe grafô ny teny grika hoe gramma, izay ilazana litera iray ao amin’ny abidy. Midika hoe “taratasy” izy io, ary nadika indraindray hoe “soratra” ao amin’ny Baiboly sasany. Ilazana ny Soratra Hebreo ‘nosoratana’ teo ambany herin’ny fanahy masina io teny io, ao amin’ny Jaona 5:47 sy 2 Timoty 3:15.​—Jereo SORATRA GRIKA KRISTIANINA; SORATRA HEBREO.

Nampiasain’i Kristy sy ny apostoly. Matetika i Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina no nampiasa ilay teny hoe grafe, mba hilazana an’ireo asa soratr’i Mosesy sy ny mpaminany. Ireny mantsy no nataon’izy ireo fototry ny fampianarany na fitoriany, satria ninoany fa avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. Nantsoina matetika hoe “Soratra Masina” ny Soratra Hebreo manontolo. (Mt 21:42; 22:29; Mr 14:49; Jn 5:39; As 17:11; 18:24, 28) Indraindray kosa andininy iray monja ao amin’ny Soratra Hebreo no natao hoe “Soratra Masina.” (Ro 9:17; Ga 3:8) Andininy iray koa no resahina hoe “Soratra Masina”, rehefa tiana haseho hoe azo antoka sy marina ilay zavatra lazaina. (Mr 12:10; Lk 4:21; Jn 19:24, 36, 37) Samy nataon’i Paoly sy Petera hoe “Soratra Masina” ny Soratra Hebreo sy Grika. (2Ti 3:16; 2Pe 1:20) Nilaza koa i Petera fa anisan’ny Soratra Masina ny asa soratr’i Paoly.​—2Pe 3:15, 16.

Ireo faminaniana raketin’ny Soratra Hebreo manontolo no mety ho tiana holazaina amin’ny hoe “izay voasoratry ny mpaminany.”​—Ro 16:26; ampit. Ap 19:10.

Aseho ho toy ny olona. Avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ny Teniny na ny Soratra Masina, ka tsy mahagaga raha aseho indraindray ho toy ny olona nomen’Andriamanitra fahefana hiteny (noharin’i Jesosy tamin’ny olona koa ny fanahy masin’Andriamanitra na ny hery ampiasainy rehefa nilaza izy fa mampianatra sy manome porofo izy io [Jn 14:26; 15:26]). (Jn 7:42; 19:37; Ro 4:3; 9:17) Voalaza koa fa toy ny hoe mitsinjo mialoha sy mitory ny Soratra Masina.​—Ga 3:8; ampit. Mt 11:13; Ga 3:22.

Ilain’ny Kristianina. Naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo foana i Jesosy Kristy rehefa nampianatra. Tokony ho zava-dehibe amin’ny mpanara-dia azy koa àry izy io. Hoy mantsy i Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”​—2Ti 3:16, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara