FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Izy no Tia Antsika Voalohany”
    Manatòna An’i Jehovah
    • “Andriamanitra dia fitiavana”

      15. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitiavana izay toetran’i Jehovah, ary nahoana no miavaka izany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

      15 Tsy mitovy ny fomba ilazan’ny Baiboly ny fitiavan’i Jehovah, raha oharina amin’ireo toetrany lehibe hafa. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe Andriamanitra dia hery, na Andriamanitra dia rariny, na Andriamanitra dia fahendrena. Manana an’ireo toetra ireo izy, ary Loharanon’izy ireo sady ohatra tsara indrindra mampiseho azy ireo. Lalina kokoa anefa no ilazany ilay toetrany lehibe fahefatra, dia ny hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.”b (1 Jaona 4:8) Inona no dikan’izany?

      16-18. a) Nahoana no milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”? b) Nahoana no mety ny hoe olona no mariky ny fitiavan’i Jehovah?

      16 Tsy filazana tsotra toy ny hoe “Andriamanitra mira fitiavana” akory ilay hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” Tsy azontsika avadika hoe “ny fitiavana dia Andriamanitra” koa izy io. Tsy azo ampitahaina amin’ny toetra tsy azo tsapain-tanana i Jehovah. Olona manana fihetseham-po sy toetra maro samihafa izy, ankoatra ny fitiavana. Ny fitiavana anefa no tena ao anatiny ao. Hoy ny boky iray, nanazava io andininy io: “Ny fitiavana no tena maha izy an’Andriamanitra.” Azontsika raisina toy izao izany: Ny herin’i Jehovah no ahafahany manao zavatra. Ny rariny sy ny fahendreny no mitarika izay ataony. Fa ny fitiavan’i Jehovah kosa no mahatonga azy hanao zavatra. Hita amin’ny fampiasany ny toetrany hafa foana koa ny fitiavany.

      17 Matetika no lazaina fa i Jehovah no fisehoana velon’ny fitiavana. Tsy maintsy mianatra momba Azy àry isika, raha te hianatra momba ny fitiavana fehezin’ny torolalana. Mazava ho azy fa hitantsika ao amin’ny olona koa io toetra io. Nahoana anefa no manana fitiavana ny olona? Niteny toy izao tamin’ilay Zanany i Jehovah, tamin’ny andron’ny famoronana: “Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika, misy itovizana amintsika.” (Genesisy 1:26) Ny olona ihany no afaka mifidy ny ho tia sy hanahaka an’ilay Rainy any an-danitra, amin’ny zavaboary rehetra eto an-tany. Tadidio fa nampiasa biby samy hafa i Jehovah mba hampisehoana ireo toetrany lehibe. Ny olona, izay zavaboariny ambony indrindra eto an-tany, kosa no nofidiny mba ho famantarana ny fitiavana, izay toetrany lehibe indrindra.​—Ezekiela 1:10.

  • “Izy no Tia Antsika Voalohany”
    Manatòna An’i Jehovah
    • b Mitovy amin’ireo koa ny teny hafa ao amin’ny Soratra Masina. Ohatra: “Andriamanitra dia hazavana”, ary “afo mandevona ilay Andriamanitsika.” (1 Jaona 1:5; Hebreo 12:29) Fanoharana ihany anefa ny teny toy ireo, mba hampitahana an’i Jehovah amin’ny zavatra hita maso. Toy ny hazavana i Jehovah satria masina sy mahitsy izy. Tsy misy “haizina”, na fahalotoana, ao aminy. Toy ny afo koa izy rehefa mampiasa ny heriny mba handringanana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara