FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 1 p. 10-13
  • Inona no Tokony Hataonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tokony Hataonao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIVAVAHA AMIN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRA AMIN’NY ANARAN’I JESOSY
  • IZAY AO AM-PONAO NO RESAHO
  • ATAOVY MIFANARAKA AMIN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NY VAVAKA ATAONAO
  • INONA NO AZONTSIKA RESAHINA AMIN’NY VAVAKA?
  • MAHARETA ARY MIVAVAHA FOANA
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 1 p. 10-13

Inona no Tokony Hataonao?

“Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 65:2) Afaka miresaka aminy isika na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana. Henony na dia ny vavaka ao am-pontsika aza. Tian’i Jehovah raha miantso azy hoe ‘Ray’ isika. Izy rahateo no Ray tsara indrindra. (Matio 6:9) Tia antsika izy dia atorony antsika izay tokony hatao mba hohenoiny ny vavaka ataontsika.

MIVAVAHA AMIN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRA AMIN’NY ANARAN’I JESOSY

“Na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.”​—Jaona 16:23.

Tian’i Jehovah hivavaka aminy isika, araka io tenin’i Jesosy io. Tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ny vavaka, fa tsy amin’ny alalan’ny olo-masina, na anjely, na ny razana, na sary. Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy isika, dia ho hita hoe manaiky ny toerana tanan’i Jesosy isika. Hoy mantsy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”​—Jaona 14:6.

IZAY AO AM-PONAO NO RESAHO

“Aborahy aminy ny ao am-ponareo.”​—Salamo 62:8.

Tokony ho hoatran’ny hoe miresaka amin’ny ray be fitiavana isika rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Tokony hanaja azy sy hamboraka aminy izay ao am-pontsika isika, fa tsy hanao vavaka tsianjery na hamaky an’izany avy ao anaty bokim-bavaka.

ATAOVY MIFANARAKA AMIN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NY VAVAKA ATAONAO

“Na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”​—1 Jaona 5:14.

Resahin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly hoe inona no hataony ho antsika ary inona no tiany hataontsika ho azy. Eken’Andriamanitra ny vavaka ataontsika raha ataontsika “mifanaraka amin’ny sitrapony.” Mila mianatra Baiboly isika mba hahavitana an’izany. Ho fantatsika tsara mantsy izy amin’izay. Hampifaly azy koa ny vavaka ataontsika.

INONA NO AZONTSIKA RESAHINA AMIN’NY VAVAKA?

Fianakaviana iray mivavaka alohan’ny hisakafo.

Izay ilaintsika. Azontsika angatahina aminy izay ilaintsika isan’andro. Ohatra hoe sakafo, fitafiana, ary trano hipetrahana. Azo atao ny mangataka hery hiatrehana fitsapana na fahendrena mba hahaizana manapa-kevitra. Afaka mangataka finoana, famelan-keloka, ary fanampiana koa isika.​—Lioka 11:3, 4, 13; Jakoba 1:5, 17.

Vehivavy iray marary any amin’ny hopitaly, ary mivavaka eo akaikiny eo ny vadiny.

Momba ny hafa. Faly ny ray aman-dreny be fitiavana rehefa mifankatia ny zanany. Zanak’i Jehovah koa isika, ka tiany hifankatia sy hifanampy. Mety tsara àry ny mivavaka ho an’ny vady, zanaka, fianakaviana, ary namana. Nanoratra i Jakoba mpianatra hoe: “Mifampivavaha.”​—Jakoba 5:16.

Lehilahy iray mandehandeha amin’ny takariva.

Fisaorana. Hoy ny Baiboly momba an’ilay Mpamorona antsika. “Nanao soa ... izy, ka nandatsaka orana ho anareo avy any an-danitra sy nanome anareo vokatra be dia be amin’ny fotoanany. Dia nataony voky sakafo ianareo sady nofenoiny fifaliana ny fonareo.” (Asan’ny Apostoly 14:17) Lasa te hisaotra an’Andriamanitra isika, rehefa misaintsaina an’izay rehetra nataony ho antsika. Tokony ho hita amin’ny fomba fiainantsika koa hoe mankasitraka azy isika.​—Kolosianina 3:15.

MAHARETA ARY MIVAVAHA FOANA

Tsy tonga dia mivaly ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika indraindray, dia lasa malahelo isika. Midika ve izany hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra? Tsia. Asehon’ireto fitantarana ireto hoe mila manohy mivavaka fotsiny isika.

Hoy i Steve, ilay voaresaka tany aloha: “Efa taona maro aho izay no namoy fo raha tsy teo ny vavaka.” Fa inona no nampiova azy? Nanomboka nianatra Baiboly izy, dia nianarany hoe nila nivavaka izy ary nila nanao an’izany foana. Hoy koa izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, dia nisaotra azy satria nomeny namana aho mba hanampy ahy. Sambatra aho izao, ary mbola tsy nahatsapa hoatr’izany mihitsy aho.”

Ary ahoana ny amin’i Jenny, ilay nieritreritra hoe tsy misy dikany izy, dia tsy hihaino ny vavaka ataony Andriamanitra? Hoy izy: “Rehefa ilay kivy be iny aho, dia miangavy an’Andriamanitra mba hanampy ahy hahatakatra hoe maninona aho no mahatsapa hoatr’izany.” Inona no vokany? Izao no nolazainy: “Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra aho, dia lasa azoko hoe hoatran’ny ahoana no fahitany ahy. Nanameloka ahy ny foko, nefa izy tsy nanao an’izany tamiko. Nanampy ahy tsy hamoy fo ny vavaka.” Hoy koa izy: “Rehefa nivavaka aho dia lasa tsapako hoe tena misy i Jehovah, be fitiavana izy, Raiko, ary Namako. Ho eo foana izy ary vonona hanampy ahy rehefa miezaka manao izay takiny aho.”

Isabel sy ny vadiny ary ny zanany lahy.

Hitan’i Isabel hoe mankafy fiainana i Gerard zanany na dia sembana aza. Tsapany hoe tena valim-bavaka mihitsy izy

Eritrereto koa ny nanjo an’i Isabel. Nilaza taminy ny dokotera tamin’izy bevohoka hoe ho sembana ny zanany. Kivy be izy. Nampirisika azy hanala zaza aza ny olona sasany. Nitaraina izy hoe: “Hoatran’ireny ho fatin’ny alahelo ireny aho.” Dia inona no nataony? Hoy izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra foana aho mba hanampy ahy.” Teraka lahikely izy tatỳ aoriana, ary Gerard no nataony anarany. Sembana ilay zaza. Tsapan’i Isabel ve hoe namaly ny vavaka nataony Andriamanitra? Ie. Izao no nolazainy: “Efa 14 taona izao ilay zanako, ary mankafy fiainana izy na dia sembana aza. Rehefa mahita an’izany aho dia tsapako hoe io zanako io no fitahiana lehibe indrindra nomen’i Jehovah Andriamanitra ahy. Tena valim-bavaka mihitsy izy.”

Mampahatsiahy antsika an’izay nolazain’ny mpanao salamo ireo teny ireo. Hoy izy: “Hohenoinao ..., Jehovah ô, ny fitalahoan’ny mpandefitra. Hanatanjaka ny fony ianao sady hihaino tsara azy.” (Salamo 10:17) Tsy mandrisika anao hivavaka foana ve izany?

Misy vavaka be dia be nataon’i Jesosy ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ilay antsoina hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Inona no ianarantsika avy amin’izy io?

Modely ho Anao Ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo

Vahoaka mihaino tsara an’i Jesosy manao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

Nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Modely ilay vavaka nampianariny, ary antsoina matetika hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. (Matio 6:9-13; jereo koa ny Lioka 11:2-4.) Lasa nalaza be izy io, ka olona maro no mahay azy tsianjery sy mamerimberina azy. Izany ve no tanjon’i Jesosy tamin’izy nampianatra an’io vavaka io? Tsia. Taloha kelin’ny nampianarany azy io mantsy dia nilaza tamin’ny mpianany izy mba tsy hanao vavaka tsianjery. (Matio 6:7) Tiany hampianarina ny mpanara-dia azy kosa hoe iza no tokony hivavahana ary inona no azo resahina. Andao hojerentsika izay azontsika ianarana avy amin’io vavaka modely io.

“Rainay izay any an-danitra”

  • Andriamanitra ihany no tokony hivavahantsika.

“Hohamasinina anie ny anaranao”

  • Tokony homena voninahitra sy hoheverina ho masina ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

“Ho tonga anie ny Fanjakanao”

  • Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy no Mpanjaka. Tsy ho ela izy io dia hitondra ny tany manontolo.

“Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra”

  • Ny sitrapon’Andriamanitra dia hoe hiadana mandrakizay eto an-tany ny olombelona.

“Omeo anay anio izay sakafo sahaza anay anio”

  • I Jehovah no manome antsika an’izay ilaintsika mba hivelomana.

“Mamelà ny helokay”

  • Manao diso be dia be daholo isika ka mila famelan-keloka.

Raha mitadidy an’ireo hevitra ireo ianao, dia ho afaka hanao vavaka vokatry ny fo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara