FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g21 No. 1 p. 10-11
  • Nahoana Isika no Mijaly sy Mihantitra ary Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Mijaly sy Mihantitra ary Maty?
  • Mifohaza!—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ray aman-drenintsika voalohany no nahatonga antsika hijaly
  • Mampijaly antsika koa ny ataon’ireo anjely ratsy
  • Isika ihany indraindray no mahatonga antsika hijaly
  • “Andro farany” izao
  • Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fampiononana ho An’ny Olona Mijaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nahoana Isika no Mijaly?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Fijaliana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Mifohaza!—2021
g21 No. 1 p. 10-11
Olona mahantra zara raha manan-javatra.

Nahoana Isika no Mijaly sy Mihantitra ary Maty?

Raisin’ny Mpamorona hoatran’ny zanany isika dia tsy tiany hijaly. Nahoana anefa no betsaka ny olona mijaly?

Ny ray aman-drenintsika voalohany no nahatonga antsika hijaly

“[Niditra] avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao [ny ota], ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.”​—ROMANINA 5:12.

Rehefa namorona an’i Adama sy Eva Andriamanitra dia nataony tonga lafatra ny sain’ireo ray aman-drenintsika voalohany ireo sy ny vatany. Napetrany tao amin’ny paradisa teto an-tany, antsoina hoe zaridainan’i Edena, izy mivady. Nilaza Andriamanitra fa afaka nihinana an’izay voankazo rehetra tao izy ireo, afa-tsy ny voan’ny hazo iray. Nanota anefa i Adama sy Eva satria nihinana tamin’ny voan’ilay hazo ihany. (Genesisy 2:15-17; 3:1-19) Noroahin’Andriamanitra tao amin’ilay zaridaina izy mivady rehefa tsy nankatò azy, ka lasa sarotra ny fiainany. Rehefa nanan-janaka izy ireo dia sarotra koa ny fiainan’ny zanany. Nihantitra izy rehetra ary maty. (Genesisy 3:23; 5:5) Marary sy mihantitra ary maty koa isika satria taranak’i Adama sy Eva.

Mampijaly antsika koa ny ataon’ireo anjely ratsy

“Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.”​—1 JAONA 5:19.

Iza no antsoina hoe ‘ilay ratsy’? I Satana, ilay anjely nikomy tamin’Andriamanitra. (Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9) Nikomy niaraka taminy koa ny anjely sasany, tatỳ aoriana, ka lasa nantsoina hoe demonia. Mampiasa ny heriny ireny anjely ratsy ireny mba hamitahana sy hampirisihana ny olona hanao ratsy, amin’izay izy ireo tsy mankatò ny Mpamorona. (Salamo 106:35-38; 1 Timoty 4:1) Faly erỳ i Satana sy ny demonia rehefa mijaly ny olona!

Isika ihany indraindray no mahatonga antsika hijaly

“Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”​—GALATIANINA 6:7.

Mijaly isika satria manan-kery amin’ny manodidina antsika i Satana ary nandova ota isika. Ho an’ny olona sasany koa, dia izay ataony ihany no mampitombo ny fijaliany. Rehefa manao ratsy mantsy izy ireo na tsy mahay manapa-kevitra dia mijinja ny vokany. Mijinja vokatra tsara kosa ny olona manao ny tsara. Sambatra, ohatra, ny fianakavian’ny lehilahy iray rehefa manao ny marina sy miasa mafy ary tia ny vady aman-janany izy. Hahantra anefa izy sy ny fianakaviany raha miloka na misotro toaka be loatra na kamo miasa izy. Aleo àry mihaino ny Mpamorona antsika. Tiany ‘hiadana be’ sy hijinja vokatra tsara hafa isika.​—Salamo 119:165.

“Andro farany” izao

“Amin’ny andro farany ... ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy hankatò ray aman-dreny, ... tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara.”​—2 TIMOTY 3:1-5.

Hoatran’izany mihitsy ny toetran’ny olona maro amin’izao. Anisan’ny porofo izany hoe efa “andro farany” izao. Efa nilaza koa ny Soratra Masina hoe amin’ny androntsika dia ho betsaka ny ady, mosary, horohoron-tany lehibe, ary aretina. (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11) Betsaka ny olona mijaly sy maty vokatr’izany.

Milamin-tsaina Amin’izay Aho Izao

“Lasa kilemaina aho tamin’izaho 19 taona. Hozy ny olona hoe ny zavatra ratsy nataoko tamin’ny fiainako taloha, hono, no mahatonga an’izany. Kivy be aho sady nalahelo. Nampianarina ahy hoe Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly, dia tsy tiako mihitsy izy satria ratsy saina. Rehefa nandinika ny Baiboly anefa aho dia lasa fantatro hoe hay tia antsika ny Mpamorona, fa anjely ratsy antsoina hoe Satana no tena mahatonga antsika hijaly. Nianarako tao koa hoe kely sisa dia handringana an’i Satana Andriamanitra sady hanarina ny zava-dratsy rehetra nataony. Lasa tiako be Andriamanitra dia milamin-tsaina amin’izay aho izao.”​—Sanjay.

Sanjay.

Fanazavana fanampiny:

Hazavaina misimisy kokoa ao amin’ny jw.org/mg hoe nahoana isika no mijaly ary ahoana no hiatrehana an’izany. Midira ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY > FIJALIANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara