-
FiainanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ho afaka amin’ny fahalovana ireo hiaina eto an-tany. Ahoana ny amin’ireo olona tsy ho any an-danitra? Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jn 3:16) Nilaza koa izy tao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa “ho any amin’ny fiainana mandrakizay” ireo ondry eo ankavanany. (Mt 25:46) Noresahin’i Paoly ny amin’ireo “zanak’Andriamanitra” sy ireo “mpiara-mandova amin’i Kristy.” Nilaza koa izy fa “ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” Hoy izy avy eo: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:14-23) “Zanak’Andriamanitra” i Adama tamin’izy noforonina ho lavorary. (Lk 3:38) Milaza koa ny Apokalypsy 21:1-4 fa hisy “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” ka “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Tsy ny anjely no nomena izany fampanantenana izany fa ny “olombelona.” Izany àry no antoka fa ho salama tanteraka ny olombelona na ny “tany vaovao” hofehezin’ny “lanitra vaovao”, ka ho lavorary ny sainy sy ny vatany. Ho lasa “zanak’Andriamanitra” izy ireo ka hiaina mandrakizay eto an-tany.
-
-
Lavorary, Tonga LafatraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy hitomany na halahelo na hitaraina na hanaintaina na ho faty intsony mihitsy ireo olombelona navotana, araka ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 21:1-5. Azo antoka fa ho anisan’ny “zavatra taloha” tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny fahafatesana vokatry ny ota avy tamin’i Adama. (Ro 5:12) Ny fahafatesana izay tambin’ny ota no “fahavalo farany” hofoanan’ny Fanjakan’i Kristy. (Ro 6:23; 1Ko 15:25, 26, 56) Ho lasa lavorary indray àry ny olona mankatò, ho toy ny olona tany Edena tany am-boalohany. Tsy ny finoana sy ny fitiavan’ny olona ihany no ho lavorary, fa ny tenany koa satria tsy hisy ota intsony. Ho fenon’izy ireo tanteraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra marina napetrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ho tanteraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny Apokalypsy 21:1-5 satria miresaka momba an’i “Jerosalema Vaovao” izy io. Voalaza fa rehefa ‘hidina avy any an-danitra’ izy io dia hofoanana koa ny fahorian’ny olombelona. Tsy iza anefa io “Jerosalema Vaovao” io fa ilay “ampakarina” ho vadin’i Kristy, na ny fiangonana nomem-boninahitra, izany hoe ireo mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.—Ap 21:9, 10; Ef 5:25-32; 1Pe 2:9; Ap 20:4-6.
Ho lavorary ny olona, fa ao anatin’ny fetra napetrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona ihany. Tena ho afaka hankafy tanteraka ny fiainana eto an-tany anefa izy ireo. “Fifaliana tsy omby tratra ... eo anatrehan’i [Jehovah]” no ho tsapan’ny olombelona mankatò, izay mahazo sitraka aminy satria voalaza hoe “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra.” (Sl 16:11; Ap 21:3; ampit. Sl 15:1-3; 27:4, 5; 61:4; Is 66:23.) Diso ilay fiheverana hoe hitovy daholo ny zava-drehetra rehefa tonga lafatra. Tena maro karazana, ohatra, ny biby izay anisan’ny zavatra “tonga lafatra” nataon’i Jehovah. (Ge 1:20-24; De 32:4) Tonga lafatra koa ny planeta Tany, nefa feno zavatra isan-karazany sy samy hafa: Ao ny zavatra tsotra sy ny be pitsiny; ny marikivy sy ny mamy; ny marokoroko sy ny malama; ny bozaka sy ny ala; ny tendrombohitra sy ny lohasaha. Any amin’ny ila bolantany avaratra, dia mangatsiatsiaka mahafinaritra ny fiandohan’ny lohataona, mafana ny andro rehefa fahavaratra sady manga erỳ ny lanitra, mavamavana aoka izany ireo loko isan-karazany amin’ny fararano, fotsy botsiaka ny lanezy rehefa ririnina. (Ge 8:22) Tsy hitovy toetra sy talenta ary fahaizana daholo àry ny olona lavorary. Tsy voatery hitovy ny zavatra lavorary na tonga lafatra, araka ny dikan’ireo teny ireo efa voalaza teo aloha.
-
-
MpisoronaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanazava i Petera fa “aorina ho trano ara-panahy” ireo Kristianina ireo “mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (1Pe 2:5) Mpisorona lefitra toa an’ireo zanakalahin’i Arona izy ireo, ary i Jesosy Kristy no Mpisoronabeny. (He 3:1; 8:1) “Sady mpisorona no mpanjaka” hiara-mandova amin’i Kristy anefa izy ireo, fa tsy ho mpisorona fotsiny toy ny taranak’i Arona. Nilaza ny apostoly Jaona fa ‘nafahana tamin’ny fahotany’ ireo mpianatr’i Jesosy Kristy “tamin’ny alalan’ny rany”, ka nataony “ho fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy.”—Ap 1:5, 6.
-
-
TranolayFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka hoy izy: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo [na hiray tranolay amin’izy ireo].” (Ap 21:1-3) Teo afovoan’ny Israely tany an-tany efitra ny tranolay masina. Ho eo amin’ny olombelona koa Andriamanitra, saingy tsy amin’ny heviny ara-bakiteny akory, fa amin’ny heviny hoe hifandray amin’izy ireo izy amin’ny alalan’ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra” izay Mpisoronabe koa.—Ek 25:8; 33:20; Jn 1:29; He 4:14.
-