FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fahafatesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ho foana ny fahafatesana. ‘Hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ (Is 25:8) Ny ota no fanindronana mahatonga ny fahafatesana (1Ko 15:56), ka miasa ao amin’ny vatan’ny olona mpanota sy tsy lavorary ny fahafatesana. (Ro 7:13, 23, 24) Tsy maintsy hofoanana àry ny ota vao ho foana ny fahafatesana. Tsy hanam-pahefana amin’ny olona intsony izy io rehefa foana tanteraka ny ota. Hofoanana koa ny fahafatesana, mandritra ny fanjakan’i Kristy. (1Ko 15:24-26) “Tsy hisy intsony” àry ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. (Ro 5:12; Ap 21:3, 4) Toy ny hoe hatsipy ao amin’ny “farihy afo” izy io amin’izay.​—Ap 20:14; jereo FARIHY AFO.

  • Aretina sy Fitsaboana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Afaka manaisotra aretina i Jehovah. (Ek 15:26; 23:25; De 7:15) Nilaza i Isaia fa indray andro any dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Is 33:24) Nilaza koa izy fa ho sitrana ara-panahy ny jamba, ny marenina, ny malemy tongotra, ary ny moana. (Is 35:5, 6) Mampanantena ireo faminaniana ireo fa hisy koa ny fanasitranana ara-bakiteny. Nanasitrana ara-panahy sy ara-bakiteny i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany. Nanatanteraka an’izao faminaniana momba ny Mesia izao àry izy: “Naka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.” (Mt 8:14-17; Is 53:4) Tsy ho nisy ireny fanasitranana ireny raha tsy teo ny fanaovana sorona ny ain’i Jesosy. Tsy maintsy niafara tamin’izany sorona izany ny fiainany nanomboka tamin’izy nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra tao amin’ny Reniranon’i Jordana tamin’ny taona 29. Manana antony marim-pototra àry ny Kristianina anantenana fa ho sitrana ny olona mankatò, ary tsy ho vetivety fotsiny fa hafahana mandrakizay amin’ny ota sy ny aretina ary ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama. Manana porofo maro be koa izy ireo fa hanatanteraka izany i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra. I Jehovah no tokony hoderaina noho izany rehetra izany. Nilaza mantsy i Davida fa Izy no “manasitrana ny aretinao rehetra.”​—Sl 103:1-3; Ap 21:1-5.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara