-
Ahoana no Ahafahako Manadino ny Olona Iray Naha-matimatim-pitia Ahy?Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
-
-
Toko Faha-28
Ahoana no Ahafahako Manadino ny Olona Iray Naha-matimatim-pitia Ahy?
“HO AN’NY ankamaroan’ny zatovo”, hoy ny nosoratan’ny gazetiboky iray ho an’ny tanora, “dia mitranga matetika toy ny sery ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia.” Saika ny tanora rehetra no voan’izy io, ary saika izy rehetra no tafita hatramin’ny maha-olon-dehibe azy tsy misy fandratrana ny hambom-pony na ny fahaizany mandray vazivazy. Rehefa tratran’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia amin’olona iray anefa ianao, dia tsy mahita antony firy tokony hihomehezana. “Kivy aho”, hoy ny tsaroan’ny tanora iray, “satria tsy afaka nanao na inona na inona momba ilay izy. Fantatro fa antitra loatra ho ahy izy, kanefa tiako. Tena voaolana tanteraka ny fomba fahitako ilay raharaha rehetra.”
Ny atao hoe matimatim-pitia
Tsy fahotana akory ny fahatsapana fihetseham-po mafy amin’ny olona iray — raha toa ka tsy maloto na tsy mety ilay izy (toy ny rehefa manambady ilay olona). (Ohabolana 5:15-18). Rehefa tanora anefa ianao, matetika dia manapaka ny amin’izay eritreretinao sy ataonao ireo “filan’ny tanora fanahy”. (2 Timoty 2:22). Na dia izany aza, eo am-pianarany hifehy ireo faniriana vaovao sy mahery entin’ny fahamaotiana, dia mety ho feno fihetseham-po ara-pitiavana mikorontana aoka izany ny tanora iray — ary tsy manana na iza na iza anobatobana izany.
Fanampin’izany, “ny ankizivavy dia manjary tony sy tsy saikatsaikatra eo anivon’olon-kafa, aloha kokoa noho ny ankizilahy”. Ho vokatr’izany, dia “hitan’izy ireo ho tsy matotra sy tsy manaitra ireo ankizilahy iray kilasy aminy, raha oharina amin’ireo mpampianatra” na amin’ireo lehilahy be taona kokoa sy tsy mety ho azony. (Gazetiboky Seventeen). Mety hihevitra àry ny ankizivavy iray fa ny mpampianatra tiany indrindra iray, na ny mpihira iray, na ny olom-pantatra be taona kokoa iray, no ilay lehilahy “filamatra”. Ny ankizilahy koa matetika dia manjary matimaty amin’olona amin’ny fomba mitovy amin’izany. Ny fitiavana tsapa amin’olona tsy ho azo takarina toy izany anefa dia mazava ho azy fa mifototra kokoa amin’ny nofinofy fa tsy amin’ny tena izy.
Rehefa matimatim-pitia — Ny antony mety hahitana fahavoazana avy aminy
Na dia mahagaga aza fa vetivety foana ny faharetan’ny ankamaroan’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia, dia mbola afaka ny hitondra fahavoazana be dia be ho an’ny tanora iray ihany izany. Voalohany aloha, ny maro amin’ireo olona tian’ny zatovo dia tsy mendri-kaja tsotra izao. Nilaza toy izao ny olon-kendry iray: “Asandratra ho ambony indrindra ny adala”. (Mpitoriteny 10:6). Ny mpihira iray àry dia tiavina toy ny sampy satria malefa-peo na manana endriny ivelany manaitra. Mendri-piderana ve anefa ny fari-pitondran-tenany? Moa ve izy Kristiana vita fanoloran-tena “ao amin’ny Tompo”? — 1 Korintiana 7:39.
Mampitandrina toy izao koa ny Baiboly: “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao”. (Jakoba 4:4). Tsy hahatandindomin-doza ny fisakaizanao amin’Andriamanitra ve ianao raha miraiki-po amin’ny olona iray manana fitondran-tena izay melohiny? Ankoatra izany, ny Baiboly dia mandidy hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”. (1 Jaona 5:21). Ahoana no hiantsoanao ny fandravahan’ny tanora iray ny rindrin’ny efitranony manontolo amin’ny sarin’ny mpihira malaza iray? Tsy hety tsara amin’izany ve ny teny hoe “fanompoan-tsampy”? Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’Andriamanitra hankasitraka izany?
Ny tanora sasany aza mamela ireo nofinofiny hanafoana ny fisainany. Hoy ny zatovavy iray: “Isaky ny manontany azy ny amin’izay tsapany aho, dia tsy manaiky foana izy hoe manana fihetseham-po amiko. Kanefa fantatro amin’ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny fa tsy marina izany.” Niezaka ny haneho hatsaram-panahy io zatovolahy resahina io rehefa nilaza taminy ny tsy fananany fiheverana manokana azy, kanefa tsy nety nanaiky izany tsotra izao ilay ankizivavy.
Manoratra toy izao momba ny tenany izay matimaty amin’ny mpihira tiam-bahoaka iray ny ankizivavy hafa iray: ‘Tiako hiaraka amiko izy, ary nivavaka aho mba hahatanterahan’izany! Nanjary natory niaraka tamin’ny kapilany aho, satria izany no fomba azoko anatonana azy akaiky indrindra. Tonga hatramin’ny fahatsapana aho izao fa, raha tsy afaka mahazo azy, dia hamono tena.’ Moa ve ny fahamaimaizana tsy amim-pisainana toy izany afaka ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, izay mandidy antsika mba hanompo azy amin’ny “saina mahay mitsara zavatra”? — Romana 12:3, NW.
Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 13:12: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary [ny fo, NW ]”. Ny fambolena fanantenana hanana fifaneraserana tsy azo tanterahina àry dia tsy mahasoa, satria ny fitia tsy mifamaly dia lazain’ny dokotera ho antony mahatonga “fahaketrahana, tebiteby, fahoriana ankapobeny (...) tsy fahitan-tory na tsy faharisihana, fanaintainana ao an-tratra na tsy fahafaha-miaina”. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela 13:1, 2, NW.) Mitsotra toy izao ny ankizivavy matimatim-pitia iray: “Tsy mahavita misakafo aho. (...) Tsy mahavita mianatra intsony aho. (...) Manonofy momba azy mandritra ny andro (...) aho. (...) Tena mijaly mihitsy aho.”
Eritrereto ny fisafotofotoana lehibe aterakao rehefa mamela ny nofinofy iray hanapaka ny fiainanao ianao. Manamarika ny Dr. Lawrence Bauman fa ny iray amin’ireo famantarana voalohany ny amin’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia tsy voafehy dia ny “fihenan’ny ezaka atao any am-pianarana”. Ny fitokantokanana tsy hiaraka amin’ireo namana sy ny fianakaviana dia vokatra fahita hafa iray koa. Eo koa ny fahatsiarovana fahafaham-baraka. “Mahasaikatra ahy ny miaiky izao manaraka izao”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Gil Schwartz, “nefa tena nanondrana mihitsy aho fony matimatim-pitia tamin’i Judy.” Ela aorian’ny nahalasanan’ilay fahatsiarovana ho matimatim-pitia, dia mbola mety ho eo foana ireo fahatsiarovana momba ny nanarahanao olona iray, ny nanaovanao tabataba be ampahibemaso, eny, tamin’ny ankapobeny, dia ny nisehoanao ho adaladala.
Fiatrehana ny zava-misy
Tsy nanam-panantenana i Solomona Mpanjaka, ny iray tamin’ireo olona hendry indrindra teto an-tany, fony izy raiki-pitia tamin’ny ankizivavy iray izay tsy namaly ny fihetseham-pony taminy. Nanaovany ny sasany tamin’ireo tononkalo kanto indrindra nosoratana teto an-tany izy io, tamin’ny filazana fa “tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro” izy — kanefa dia tsy nampihontsina azy io velively i Solomona! — Tonon-kiran’i Solomona 6:10.
Na dia izany aza, tamin’ny farany dia najanon’i Solomona ny fanandramany hahazo azy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao koa mifehy ny fihetseham-ponao? “Izay matoky ny fony dia adala”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 28:26). Marina indrindra izany rehefa voaray ao anatin’ny nofinofim-pitiavana ianao. Kanefa, “izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala”. Izany dia midika hoe fijerena zavatra araka ny maha-izy azy.
“Ahoana no anavahanao ny fanantenana ara-dalàna amin’ny fanantenana tsy marim-pototra?”, hoy ny Dr. Howard Halpern. “Amin’ny fijerena ireo zava-misy amim-pitandremana sy araka ny marina.” Diniho hoe: Manao ahoana ny haben’ny fahafahanao hanana tantaram-pitiavana miaraka amin’io olona io? Raha olo-malaza ilay izy, ny azo ampoizina indrindra dia hoe tsy hifanena aminy na oviana na oviana akory ianao! Tsy azo ampoizina hitranga ihany koa izany rehefa olona be taona kokoa, toy ny mpampianatra iray, ilay olona.
Fanampin’izany, moa ve ilay olona tianao efa nampiseho fiheverana manokana anao hatramin’izao? Raha tsy izany no izy, moa ve misy antony marina hinoana fa hiova izany amin’ny hoavy? Sa ianao fotsiny no mahita fanehoam-pitiavana amin’ireo teny sy fihetsika ataony amim-pahatsorana? Marihina kely eto fa any amin’ny ankamaroan’ny tany, dia zavatra mahazatra ny hanombohan’ny lehilahy ny fitadiavana hiaraka amin’ny vehivavy iray. Ny ankizivavy iray àry dia mety hanala baraka tena amin’ny fanarahana tsy amin-kenatra olona iray izay tsy manam-piheverana azy tsotra izao.
Ankoatra izany, inona no hataonao raha tena mamaly ny fitiavanao tokoa ilay olona? Vonona ho amin’ny andraikitra ao anatin’ny fanambadiana ve ianao? Raha tsy izany no izy, dia “esory ao am-ponao ny alahelo” amin’ny tsy fanekena hifantoka amin’ny nofinofy. “Ao ny andro itiavana”, ary izany dia mety ho taona maro any aoriana rehefa lehibe kokoa ianao. — Mpitoriteny 3:8; 11:10.
Famakafakana ireo fihetseham-ponao
Manamarika toy izao ny Dr. Charles Zastrow: “Manjary matimatim-pitia ny olona iray rehefa mihevitra ilay olona maha-matimaty azy ho ‘olon-tiana tonga lafatra’; izany hoe rehefa manatsoaka hevitra fa manana ireo toetra rehetra iriny ho hita ao amin’ilay tiany ho vadiny ilay olona.” Tsy misy anefa izany hoe “olon-tiana tonga lafatra” izany. “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly. — Romana 3:23.
Manontania tena toy izao àry: Fantatro tsara ve io olona niraiketan’ny foko io? Moa ve aho raiki-pitia amin’ny sary iray ato an-tsaiko? Moa ve aho manampi-maso amin’ireo kileman-toetran’io olona io? Ny fijerena amin’ny fomba tsy miangatra io olona nofinofisinao io angamba dia mety ho ampy mba hampiverenana anao amin’ny tena zava-misy! Manampy koa ny famakafakanao ilay karazam-pitiavana tsapanao amin’io olona io. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Kathy McCoy: “Ny fitiavana tsy matotra dia mety hipoitra sy hanjavona vetivety eo (...) Mifantoka aminao ihany izy io, ary raiki-pitia amin’ilay hevitra hoe raiki-pitia fotsiny ianao (...) Ny fitiavana tsy matotra dia mamikitra mafy, tsy maniry hizara ary saro-piaro. (...) Ny fitiavana tsy matotra dia mitaky fahatanterahana.” — Ampifanohero amin’ny 1 Korintiana 13:4, 5.
Fanalana azy tsy ho ao an-tsainao
Ekena aloha fa tsy hamafa tanteraka ny fihetseham-ponao izay fanjohian-kevitra rehetra mety hatao aminao. Kanefa afaka ny tsy hampitombo ilay zava-manahirana ianao. Ny famakiana tantaram-pitiavana feno fahamaimaizana, ny fijerena tantaram-pitiavana amin’ny televiziona, na ny fihainoana fotsiny karazana mozika sasany dia afaka mampitombo ny fahatsiarovanao tena ho manirery. Aza manaiky hifantoka amin’izany àry. “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”. — Ohabolana 26:20.
Ny fitiavana feno nofinofy dia tsy mahasolo ireo olona izay tena tia anao tokoa ary miahy ny aminao. Aza “mitokana”. (Ohabolana 18:1). Azo inoana fa ho hitanao fa afaka manampy anao tokoa ny ray aman-dreninao. Na dia nanandrana toy inona ny hanafina ny fihetseham-ponao aza ianao, dia azo inoana fa efa hitany fa misy zavatra mikiky anao tsikelikely ao. Nahoana raha manatona azy ireo sy manolotra ny fonao azy ireo? (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:26.) Mety hanongilan-tsofina tsara koa ny Kristiana matotra iray.
“Manaova zavatra foana”, hoy ny nampirisihan’ilay mpanoratra ho an’ny zatovo atao hoe Esther Davidowitz. Mitadiava hanao zavatra ankafizinao manokana, manaova fampiasan-tena, mianara teny vahiny, manomboha fikarohana ara-baiboly iray. Ny fitoerana ho revo amin’ny fanaovan-javatra mahasoa dia tena afaka manalefaka ireo vokatry ny fialana amin’ny fihetseham-ponao.
Tsy mora ny manadino olona iray naha-matimatim-pitia anao. Kanefa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hisinda ilay fanaintainana. Hianatra zavatra betsaka momba ny tenanao sy ny fihetseham-ponao ianao, ary ho tsara ofana kokoa mba hiatrika ny tena fitiavana raha tonga izany amin’ny hoavy! Ahoana anefa no ahafahanao mahafantatra ny ‘tena fitiavana’?
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana no fahita eo amin’ny tanora ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia?
◻ Iza matetika no iantefan’ny nofinofim-pitiavan’ireo tanora, ary nahoana?
◻ Nahoana no mety hahitana fahavoazana ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia?
◻ Zavatra sasany inona avy no azon’ny tanora iray atao mba hanadinoana ny olona iray naha-matimatim-pitia azy?
◻ Inona no azon’ny tanora iray atao mba tsy hitomboan’ny nofinofim-pitiavana iray?
[Teny notsongaina, pejy 223]
‘Tsy mahavita matory aho. Tsy mahavita mianatra intsony aho. Manonofy momba azy mandritra ny andro aho. Tena mijaly mihitsy aho’
[Sary, pejy 220]
Mitranga matetika aoka izany ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena, izay be taona kokoa sady tsy mety ho azo
[Sary, pejy 221]
Ny fijerena araka ny tena izy sy amin’ny fomba tsy miangatra ilay olona dia mety hanasitrana anao amin’ireo eritreri-pitiavanao
-
-
Vonona ho Amin’ny Fiarahana Amin’ankizilahy na Ankizivavy Iray Tsy Tahaka Ahy ve Aho?Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
-
-
Toko Faha-29
Vonona ho Amin’ny Fiarahana Amin’ankizilahy na Ankizivavy Iray Tsy Tahaka Ahy ve Aho?
ANY amin’ny tany maro dia heverina ho toy ny fialam-boly fanehoam-pitiavana mahafinaritra, ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy iray tsy tahaka ny tena, na ny hoe ‘mampiaraka’. Manana endriny maro àry izy io. Ho an’ny sasany, ny hoe ‘mampiaraka’ dia raharaha voarafitra sy voalamina tsara — fanolorana voninkazo, fiaraha-misakafo mahafinaritra, fifanorohana ho fanaovam-beloma, izany rehetra izany dia anisan’ilay fandaharam-potoana avokoa. Ho an’ny hafa kosa, ny hoe ‘mampiaraka’ dia tsy inona fa fandaniana fotoana miaraka amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka azy ka tiany. Misy aza lehilahy iray sy vehivavy iray hita miaraka tsy tapaka kanefa mihambo ho ‘mpinamana fotsiny’. Na antsoinao hoe ‘mampiaraka’ ilay izy, na fiarahana, na fandaniana fotoana miaraka, mazàna dia zavatra iray mitovy ihany no tiana holazaina: ankizilahy iray sy ankizivavy iray mandany fotoana be dia be iarahana, ka tsy misy fanaraha-maso matetika.
Tsy fanao nahazatra tamin’ny andron’ny Baiboly ny hoe ‘mampiaraka’. Na dia izany aza, rehefa atao amin’ny fomba mampiseho fahaiza-misaina sy fitandremana ary fahamendrehana ny hoe ‘mampiaraka’ dia fomba ara-dalàna hifankahalalan’ny olona roa. Ary, eny tokoa, afaka ny hahafinaritra. Midika ve anefa izany fa tokony ‘hampiaraka’ ianao?
Ny fanerena ‘hampiaraka’
Mety hahatsapa fanerena ‘hampiaraka’ ianao. Azo inoana fa ‘mampiaraka’ ny ankamaroan’ireo mitovy taona aminao, ary ara-dalàna tsotra izao ny hanirianao tsy hiseho ho hafahafa na hiavaka aminy. Mety ho avy amin’ny namana sy havana tsara fikasa koa ny fanerena ‘hampiaraka’. Rehefa nisy nangataka an’i Mary Ann, 15 taona, hiara-mivoaka taminy, dia nanoro hevitra azy toy izao ny nenitoany: “Na maniry hanambady iny ankizilahy iny ianao na tsia, dia tsy misy idiran’ny fiarahanao aminy izany. Ny ‘mampiaraka’ dia anisan’ny fitomboanao ara-dalàna amin’ny maha-olona anao fotsiny. (...) Rehefa dinihina tokoa, raha lavinao daholo ireo ankizilahy manasa anao, dia tsy ho tian’ny olona ianao ary tsy hisy hanasa anao hiaraka aminy intsony.” Mahatsiaro toy izao i Mary Ann: “Tena tafalentika lalina tao anatiko ny tenin’i Nenitoa. Dia hanary ny fahafahana tsara azoko hararaotina tokoa ve aho? Nanana ny fiarany manokana ilay tovolahy, nanam-bola be; ary fantatro fa hahafinaritra be ny fotoana hiarahako aminy. Tokony hiaraka aminy va re aho sa tsy tokony e?”
Ho an’ny tanora sasany, ny fanerena dia avy amin’ny fanirian’ny tenany manokana hahatsapa hafanan’ny fitiavana sy firaiketam-po. “Nila ny hahatsiaro ho tiana sy ankasitrahana aho”, hoy ny ankizivavy iray 18 taona antsoina hoe Ann. “Koa satria tsy nanana fifandraisana akaiky tamin’ny ray aman-dreniko aho, dia nitodika tany amin’ilay ankizilahy namako mba hahitana fifandraisana akaiky ary hananana olona azoko amborahana ny fihetseham-poko ka tena mahatakatra ny fihevitro marina.”
Na dia izany aza, ny zatovo iray dia tsy tokony hanomboka ‘hampiaraka’ satria fotsiny hoe mahatsapa fanerena hanao izany izy! Voalohany aloha, dia raharaha lehibe ny ‘mampiaraka’ — tapany iray amin’ny fifidianana vady. Vady hoe? Ekena aloha fa mety tsy ho ao an-tsain’ny ankamaroan’ny tanora ‘mampiaraka’ izany. Kanefa, raha ny tena izy tokoa, inona no fanamarinana ho azon’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka foana homena ho amin’izany, afa-tsy ny famotopotorana ny fahafahana hivady? Amin’ny farany, ny hoe ‘mampiaraka’ noho ny antony hafa dia azo inoana fa hiafara amin’ny zavatra hafa rehetra fa tsy amin’ny “zavatra mahafinaritra”. Fa nahoana?
Ny lafy ratsin’ny hoe ‘mampiaraka’
Voalohany aloha, ny tanora dia ao amin’ilay fe-potoana eo amin’ny fiainana izay maha-mora voa azy ka antsoin’ny Baiboly hoe “fivelaran’ny fahatanorana”. (1 Korintiana 7:36, NW ). Mandritra io fotoana io, dia mety hahatsapa fihetsehan’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy mahery ianao. Tsy misy maha-ratsy izany, satria anisan’ny fitomboanao izany.
Eo anefa no iorenan’ny zava-manahirana lehibe iray eo amin’ny zatovo ‘mampiaraka’: Vao manomboka mianatra mifehy ireny fihetseham-po eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ireny ny zatovo. Marina aloha fa mety ho fantatrao tsara ireo lalàn’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary mety haniry amim-pahatsorana ny hitoetra ho madio ianao. (Jereo ny Toko faha-23.) Na dia izany aza, dia manomboka miasa eto ny zava-misy biolojika iray eo amin’ny fiainana: Arakaraka ny hiarahanao amin’ny olona iray tsy lahy na vavy tahaka anao, no vao mainka mety hitomboan’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy — na tianao izany na tsy tianao. (Jereo ny pejy faha-232-233.) Izany no fomba nanaovana antsika rehetra! Mandra-paha-lehibe kokoa anao sy mandra-pahainao mifehy ireo fihetseham-ponao, dia mety ho raharaha lehibe loatra ho anao tsotra izao ny hoe ‘mampiaraka’. Mampalahelo fa voa ny tanora maro vao mahafantatra izany.
“Rehefa nanomboka nampiaraka izahay, (...) dia tsy nifampitantana na nifanoroka akory. Naniry ny hankafy ny fahafinaretana niaraka taminy sy hiresaka fotsiny aho”, hoy ny zatovolahy iray. “Kanefa, olona mora maneho fitiavana izy ary nipetraka nifanakaiky kely tamiko foana. Tatỳ aoriana dia tena nifampitantana sy nifanoroka izahay. Izany dia niteraka faniriana momba ny lahy sy ny vavy nahery kokoa ihany tao amiko. Nisy fiantraikany aoka izany teo amin’ny fisainako izany, hany ka naniry ny hiaraka taminy aho, tsy hiresaka fotsiny, fa hamihina azy sy hanafosafo azy ary hanoroka azy. Tsy afa-po mihitsy aho! Tena lasa adalan’ny fahamaimaizana ara-bakiteny aho. Indraindray aho dia nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny firy sy menatra.”
Tsy mahagaga loatra àry raha miafara amin’ny fanaovana firaisana izay andrarana, ny fiarahan’ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray. Ny fanadihadiana iray natao tamina zatovo an-jatony maromaro dia nahitana fa ny 87 isan-jaton’ireo ankizivavy sy ny 95 isan-jaton’ireo ankizilahy no nahatsapa fa “zava-dehibe ihany na tena zava-dehibe” teo amin’ny fiarahan’izy ireo ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Ny 65 isan-jaton’ireo ankizivavy sy ny 43 isan-jaton’ireo ankizilahy anefa no niaiky fa nisy fotoana nisian’ny fifampikasohana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy fony izy ireo ‘nampiaraka’, na dia tsy naniry izany aza izy ireo!
Mahatsiaro toy izao i Loretta, 20 taona: “Arakaraka ny niarahanay no nahalasa lavitra kokoa ihany anay. Tsy ela dia nihalefy ny tsiron’ny fifanorohana ary dia nanomboka nifampikasika ireo faritra miafina kokoa amin’ny vatana izahay. Nanjary hendratrendra-dava aho satria nahatsiaro tena ho maloto aoka izany. Ilay ankizilahy niarahako koa avy eo dia nanantena ahy ‘handeha hatramin’ny farany’ (...) Nisafotofoto sy very hevitra aho. Kanefa ny hany tao an-tsaiko dia hoe: ‘Tsy maniry hamoy azy aho.’ Tena nijaly mihitsy aho!”
Marina aloha fa tsy ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka rehetra no miafara amin’ny fanaovana firaisana; ny sasany dia manajanona ny fifanehoany fitiavana alohan’izany avy hatrany. Inona anefa no vokatra azo rehefa taitaitra mafy ara-pihetseham-po ny tena kanefa tsy afaka maneho izany fientanam-po izany amin’ny fomba mihaja? Azo antoka fa fahatsapana tsy fahafaham-po. Ary tsy voafetra ho amin’ny fihetseham-po momba ny lahy sy ny vavy ihany izany fahatsapana tsy fahafaham-po izany.
Fihetseham-po voatorotoro
Diniho ny toe-draharaha nahasanganehana hitan’ny zatovolahy iray: ‘Tia be an’i Kathy aho tamin’ny voalohany. Miaiky aho aloha fa nampanaiky azy hanao zavatra sasany tsy noheveriny fa nety. Izao aho dia mahatsiaro tena ho maloto satria very ny fahalianako aminy. Ahoana no ahafahako manadaboka an’i Kathy kanefa tsy handratra ny fihetseham-pony?’ Tarehin-javatra mahasahiran-kevitra re izany! Ary inona no ho tsapanao raha eo amin’ny toeran’i Kathy ianao?
Fahavoazana fahita matetika eo amin’ny zatovo ny hoe voan’ny ratram-po. Marina aloha fa mety hahafinaritra ny maso ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray mifampitantana. Kanefa manao ahoana ny haben’ny fahafahana hahita ireo olona ireo mbola hiaraka ihany rehefa afaka herintaona, ary tsy lazaina akory ny hoe hivady? Kely dia kely. Ny tantaram-pitiavana eo amin’ny zatovo àry dia fifandraisana saika mandrakariva no voatery hifarana, mahalana raha miafara amin’ny fanambadiana, ary matetika no miafara amin’ny ratram-po.
Rehefa dinihina tokoa, mandritra ireo taona maha-zatovo anao, dia mbola eo am-piovaovana ny maha-ianao anao. Eo am-pamantarana ny tenanao ianao, izay tena maha-ianao anao, izay tianao hanaovana ny fiainanao. Ny olona iray mety hahaliana anao anio dia mety hanorisory anao tokoa rahampitso. Kanefa rehefa navela niroborobo ny fihetseham-po amam-pitiavana, dia tsy maintsy hisy iray ho tafintohina. Tsy mahagaga raha nisy fandinihana sy fikarohana maromaro nampifamatotra “ny ady tamin’ilay ankizivavy namany” na ny “fahadisoam-panantenana teo amin’ny fitiavana” ho anisan’ireo tarehin-javatra tompon’andraikitra amin’ny famonoan-tena maro eo amin’ny zatovo.
Vonona ve aho?
Hoy Andriamanitra amin’ny tanora: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao”. Mirona ‘handeha any amin’izay sitraky ny fony’ tokoa ny tanora. Kanefa matetika tokoa izany ‘sitraky ny fony’ izany, izay toa mahafinaritra erỳ, no miafara amin’ny alahelo sy ny loza. Mampirisika toy izao àry ny Baiboly eo amin’ny andininy manaraka: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary [sakano ny loza tsy hahavoa, NW ] ny nofonao; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.” (Mpitoriteny 11:9, 10). Ny hoe “alahelo” dia manondro ny fijalian-tsaina mafy na ny fahoriana lehibe tsapa. Ny hoe “loza” dia ny fahavoazana mihatra amin’ny tena manokana. Samy mety hahatonga ny fiainana hampijaly izy roa ireo.
Midika àry ve izany fa ny hoe ‘mampiaraka’ mihitsy no loharanon’alahelo sy loza? Tsy voatery ho izany. Mety ho izany anefa izy io raha atao noho ny antony ratsy (‘satria zavatra mahafinaritra’), na alohan’ny haha-vonona anao ho amin’izany! Noho izany, ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao mba hamakafakanao ny toerana misy anao manokana.
Hanampy ho amin’ny fitomboako eo amin’ny ara-pihetseham-po ve ny ‘mampiaraka’, sa hanakantsakana izany kosa? Afaka ny hametra anao ho amin’ny fifandraisan’ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray ihany ny hoe ‘mampiaraka’. Tsy hitondra soa ho anao àry ve ny hihamalalaka eo amin’ny fifaneraseranao amin’ny hafa koa? (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:12, 13.) Hoy ny zatovovavy iray antsoina hoe Susan: “Nianatra ny hamboly fifandraisana akaiky tamin’ny vehivavy kristiana be taona kokoa ao amin’ny kongregasiona aho. Nila namana izy ireo, ary izaho kosa nila ny fitaomany mampiorina. Nataoko ho fanao àry ny nandalo kely tany aminy mba hisotro kafe. Niresaka sy nihomehy izahay. Tena namboly fisakaizana marina sy maharitra tamin’izy ireny aho.”
Amin’ny fanananao karaza-namana maro — antitra sy tanora, mpitovo sy manambady, lahy sy vavy — dia mianatra ny ho tony eo anivon’ny olon-kafa ianao, anisan’izany ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka anao, ka tsy hahitanao fanerena be toy ny rehefa ‘mampiaraka’. Fanampin’izany, amin’ny fifaneraseranao amin’ireo olona manambady, dia mahazo fomba fijery araka ny tena izy kokoa momba ny fanambadiana ianao. Any aoriana ianao dia ho voaomana tsara kokoa ho amin’ny fifidianana vady tsara sy ho amin’ny fanatontosana ny anjara asanao ao amin’ny fanambadiana. (Ohabolana 31:10). Manatsoaka hevitra toy izao àry ny tanora iray antsoina hoe Gail: “Tsy vonona ny hanambady sy hanorina tokantrano aho. Mbola eo am-pamantarana ny tenako aho, sady mbola manana zava-kendrena ara-panahy maro hotratrarina. Koa tsy dia tena mila ny hifikitra loatra na amin’iza na amin’iza tsy vavy tahaka ahy aho.”
Maniry handratra ny fihetseham-pon’ny hafa ve aho? Afaka ny ho voaratra mafy ny fihetseham-ponao sy ny an’ilay iray raha avela hiforona ny fifamatoram-pitiavana kanefa tsy misy fahatsinjovana ny hivady. Raha ny tena izy, araka ny rariny ve ny hanehoana fitiavana amin’ny olona iray mba hahazoana fanandraman-javatra momba ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena fotsiny? — Jereo Matio 7:12.
Inona no lazain’ny ray aman-dreniko? Matetika ireo ray aman-dreny dia mahita ireo loza tsy hitanao. Rehefa dinihina tokoa, efa mba tanora koa izy ireo taloha. Fantany fa tena misy zava-manahirana marina afaka mitombo rehefa manomboka mandany fotoana iarahana foana ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray! Koa raha tsy manaiky anao ‘hampiaraka’ àry ny ray aman-dreninao, dia aza mikomy. (Efesiana 6:1-3). Azo inoana fa mihevitra fotsiny izy fa tokony hiandry mandra-pahalehibe kokoa ianao vao hanao izany.
Ho afaka hanaraka ny fari-pitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ve aho? Rehefa “nihoatra ny fivelaran’ny fahatanorana” ny tena, dia hahay kokoa hifehy ireo fahataitairana momba ny lahy sy ny vavy — ary na dia amin’izay aza, dia tsy mora akory izany. Tena vonona marina ve ianao amin’izao fotoana eo amin’ny fiainanao izao ny hizaka fifandraisana akaiky iray amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka anao ka hihazona izany ho madio?
Mahaliana fa tanora maro no manontany tena toy izany ary tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mitovy amin’ny an’i Mary Ann (voatonona eo aloha) koa. Hoy izy: “Tapa-kevitra aho fa tsy hamela ny tenako ho voataonan’ny fihetsiky ny hafa raha ny amin’ny hoe ‘mampiaraka’. Tsy ‘hampiaraka’ aho raha tsy efa ampy taona ho amin’izany ka vonona ny hanambady ary mahita olona iray manana ireo toetra tsara tadiaviko ho hita ao amin’ilay ho vadiko.”
Nampipoitra ilay fanontaniana lehibe tsy maintsy ataonao amin’ny tenanao alohan’ny hiarahanao amin’ankizilahy na ankizivavy iray tsy tahaka anao àry i Mary Ann tamin’izany.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Midika ho inona aminao ny teny hoe “mampiaraka”?
◻ Nahoana ny tanora sasany no mahatsapa fanerena ‘hampiaraka’?
◻ Nahoana no tsy fahendrena ho an’ny olona iray ao anatin’ny “fivelaran’ny fahatanorana” ny ‘mampiaraka’?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora iray ‘manakana ny loza tsy hahavoa azy’ raha ny amin’ny hoe ‘mampiaraka’?
◻ Inona no zava-manahirana sasany izay afaka mitombo rehefa ‘mpinamana fotsiny’ ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray?
◻ Ahoana no ahafahanao mahafantatra raha vonona ny ‘hampiaraka’ ianao?
[Teny notsongaina, pejy 231]
“Tsy ela dia nihalefy ny tsiron’ny fifanorohana ary dia nanomboka nifampikasika ireo faritra miafina kokoa amin’ny vatana izahay. Nanjary hendratrendra-dava aho satria nahatsiaro tena ho maloto aoka izany. Ilay ankizilahy niarahako koa avy eo dia nanantena ahy ‘handeha hatramin’ ny farany’ ”
[Teny notsongaina, pejy 234]
‘Ahoana no ahafahako manadaboka an’i Kathy kanefa tsy handratra ny fihetseham-pony?’
[Efajoro/Sary, pejy 232, 233]
Afaka ny ho ‘Mpinamana Fotsiny’ ve ny Ankizilahy Iray sy ny Ankizivavy Iray?
Ny antsoina hoe fifandraisana platonique (fifandraisana misy firaiketam-po eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ka tsy idiran’ny lafin-javatra momba ny lahy sy ny vavy) dia fahita aoka izany eo amin’ny tanora. Manambara toy izao i Gregory, 17 taona: “Mora kokoa amiko ny miresaka amin’ny ankizivavy satria amin’ny ankapobeny dia mangoraka kokoa sy manana fihetseham-po kokoa izy ireo.” Ny tanora hafa dia milaza fa ny fisakaizana toy izany dia manampy azy ireo hamboly toetra mirindra kokoa.
Mampirisika ny lehilahy tanora mba hitondra ny vehivavy “tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”, ny Baiboly. (1 Timoty 5:2). Rehefa arahina io fotopoto-pitsipika io, dia tena azo atao tokoa ny hanana fisakaizana madio sy mahasoa amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia lehilahy mpitovo izay nanana namana vehivavy kristiana maro. (Jereo Romana 16:1, 3, 6, 12.) Nanoratra ny amin’ireo “roa vavy (...) niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara”, izy. (Filipiana 4:3). Nanana fifaneraserana voalanjalanja sy nadio tamim-behivavy koa i Jesosy Kristy. Imbetsaka izy no nankafy ny fampiantranoam-bahiny sy ny resaka nataon’i Marta sy i Maria taminy. — Lioka 10:38, 39; Jaona 11:5.
Na dia izany aza, ny fisakaizana platonique iray matetika dia tsy inona fa tantaram-pitiavana miafina kely fotsiny, na fomba iray hisarihana ny sain’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena ka tsy anaovana fanekena. Ary satria afaka miova mora foana ny fihetseham-po, dia ilaina ny fitandremana. Nampitandrina toy izao ny Dr. Marion Hilliard: “Ny fisakaizana tsotra iray mandeha folo kilaometatra isan’ora dia afaka ny hiova tampoka ho fahamaimaizana jamba miriotra zato kilaometatra isan’ora.”
Nanjary nahafantatra izany i Mike, 16 taona, rehefa “ninamana” tamin’ny ankizivavy iray 14 taona. Hoy izy: “Vetivety dia hitako [fa] tsy afaka ny hijanona ho mpinamana fotsiny ny olon-droa izay miaraka irery tsy tapaka. Tsy nitsahatra nihanitombo ny fifandraisanay. Tsy ela dia nahatsapa fihetseham-po manokana nifamaly izahay, ary mbola toy izany ihany ankehitriny.” Koa satria samy mbola tsy ampy taona mba hanambady na ny andaniny na ny ankilany, dia loharanon-tsy fahafaham-po ny fihetseham-po toy izany.
Ny fifaneraserana akaiky be loatra dia afaka ny hisy vokany mbola mampalahelo kokoa noho izany aza. Niezaka ny hampionona ny namany vavy iray ny ankizilahy iray rehefa tonga namboraka taminy ny sasany tamin’ireo zava-nanahirana azy, io. Tsy ela dia nifanafosafo sy nifanoroka izy ireo. Ny vokany? Feon’ny fieritreretana voaloto sy fahatsiarovan-tena ho saikatra teo amin’izy ireo. Ny hafa kosa nanjary nanao firaisan’ny lahy sy ny vavy. Hoy ny nahariharin’ny fanadihadiana iray nataon’ny Psychology Today: “Saika ny antsasak’ireo nadinadinina (49 isan-jato) no nahita ny fisakaizany niova ho fifandraisana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy.” Raha ny marina, “kely sisa dia ny ampahatelon’izy ireo (31 isan-jato) no nilaza fa nanao firaisana tamin’ny namana iray tamin’ny volana lasa.”
‘Kanefa tsy mahatsiaro ho voasinton’ilay namako aho ary tsy hanan-tantaram-pitiavana aminy mihitsy.’ Angamba. Kanefa ahoana no mety ho fihetseham-po tsapanao amin’ny hoavy? Ankoatra izany, “izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Afaka ny hamitaka sy hanambaka ny fontsika ary hanajamba antsika amin’ireo antony marina manosika antsika. Ary moa ve ianao tena mahafantatra marina ny fihetseham-pon’ilay namanao aminao?
Ao amin’ny bokiny hoe The Friendship Factor, dia manoro hevitra toy izao i Alan Loy McGinnis: “Aza matoky ny tenanao loatra.” Manehoa fitandremana, angamba amin’ny famerana ny fifaneraseranareo ho amin’ny fiarahana amin’ny antokon’olona voara-maso tsara. Halaviro ireo fanehoam-pitiavana tsy mety na ny fiarahana irery amin’ny toe-javatra mety hitarika ho amin’izany. Rehefa manan-java-manahirana ianao, dia aborahy amin’ny ray aman-dreninao na ny olona be taona kokoa ny zava-manahirana anao, fa tsy amin’ny tanora iray tsy lahy na tsy vavy tahaka anao.
Ary ahoana raha mitombo ihany ny fihetseham-po amam-pitiavana tsy mifamaly, na dia eo aza ireo fitandremana rehetra ataonao? ‘Milazà ny marina’, ary ampahafantaro amin’ilay iray hafa ny toerana tananao. (Efesiana 4:25). Raha tsy mandamina ilay raharaha izany, ny mety ho tsara indrindra dia ny tsy mifanerasera loatra. “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. (Ohabolana 22:3). Na milaza izany toy izao ny boky The Friendship Factor: “Mitsoaha mihitsy raha ilaina izany. Indraindray, na miezaka mafy toy inona aza isika, ny fisakaizana amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka antsika dia manjary tsy voafehy ary fantatsika tsara izay alehany.” Amin’izay, dia tonga ny fotoana “hialana”.
[Sary, pejy 227]
Matetika ny tanora dia mahatsapa fanerena mba ‘hampiaraka’
[Sary, pejy 228]
Rehefa ‘mampiaraka’ ny tanora, matetika dia tonga ao anatin’ny fanerena hifaneho fitiavana nefa tsy niriny akory izany
[Sary, pejy 229]
Azo atao ny mankafy ny fiarahana amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena amin’ny toe-javatra tsy misy ny fanerena ‘hampiaraka’
[Sary, pejy 230]
Ireo fifandraisana antsoina hoe platoniques dia miafara amin’ny ratram-po matetika
-
-
Vonona ho Amin’ny Fanambadiana ve Aho?Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
-
-
Toko Faha-30
Vonona ho Amin’ny Fanambadiana ve Aho?
TSY kilalao akory ny fanambadiana. Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanorenan’ny lehilahy sy ny vadiny fatorana maharitra, akaiky kokoa noho izay hafa rehetra misy eo amin’ny olombelona. (Genesisy 2:24). Ny vadinao àry dia olona iray izay tianao hifikirana — na voatery hifikiranao — mandritra ny androm-piainanao rehetra.
Tsy maintsy “hanam-pahoriana” na fanambadian’iza na fanambadian’iza. (1 Korintiana 7:28). Mampitandrina toy izao anefa i Marcia Lasswell, profesora momba ny fahalalana ny amin’ny fihetsiky ny olona: “Raha misy anton-javatra iray izay eken’ny rehetra momba ny haharetan’ny fanambadiana iray na tsia, izany dia ny hoe ireo izay manambady raha mbola tanora kely dia tsy manana fahatsinjovana firy ny hahomby.”
Nahoana no maro be aoka izany ireo fanambadiana eo amin’ny samy tanora rava? Ny valin’izany dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny famantarana raha vonona ho amin’ny fanambadiana ianao na tsia.
Fanantenana lehibe dia lehibe
“Tsy nahalala firy ny amin’ny atao hoe fanambadiana izahay”, hoy ny fieken’ny zatovovavy iray. “Nihevitra izahay fa afaka ny hivoaka sy hody, hanao araka izay tianay, hanasa lovia na tsia, hay tsy izany ilay izy.” Tanora maro no manana fomba fijery tsy matotra toy izany momba ny fanambadiana. Mihevitra izy ireo fa nofinofy mahafinaritra izy io. Na, maika ny hisoratra izy ireo satria maniry ny hiseho ho olon-dehibe. Ny hafa kosa maniry fotsiny ny handositra tarehin-javatra ratsy iray ao an-trano, any an-tsekoly na eo amin’ny manodidina azy. Hoy ny naboraky ny ankizivavy iray tamin’ny fofombadiny: “Ho faly erỳ aho rehefa mivady isika. Amin’izay aho mantsy dia tsy ho voatery hanao fanapahan-kevitra intsony mihitsy!”
Kanefa ny fanambadiana dia sady tsy nofinofy no tsy fanafodin’ny zava-manahirana rehetra. Vao mainka aza izy io mitondra zava-manahirana vaovao hafa tsy maintsy alamina. “Zatovo maro no manambady mba hanaovana kindriandriana”, hoy i Vicky, izay niteraka ny zanany voalohany fony izy 20 taona. “Toa mahafinaritra erỳ ny fahitana azy! Heverinao ho toy ny saribakoly, zavatra mahafatifaty erỳ ka azonao lalaovina fotsiny, ny ankizikely iray, kanefa tsy izany no fandehany.”
Tanora maro koa no feno fanantenana tsy araka ny zava-misy momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Hoy ny zatovolahy iray izay nanambady fony izy 18 taona: “Taorian’ny fampakaram-bady dia hitako fa vetivety dia mihamaty ilay fahataitairana lehibe eo amin’ny firaisana, ary dia nanomboka nanana tena zava-manahirana izahay.” Ny fanadihadiana natao tamina mpivady mbola zatovo dia nahitana fa, manarakaraka ny zava-manahirana ara-bola, ny ankamaroan’ireo fifamaliana dia momba ny firaisana. Tsy isalasalana fa ny mahatonga izany dia satria ny fifandraisana mahafa-po eo amin’ny mpivady dia avy amin’ny tsy fitiavan-tena sy ny fifehezan-tena — toetra izay tsy nambolen’ny tanora matetika. — 1 Korintiana 7:3, 4.
Amim-pahendrena, ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana mba hanambady rehefa “nihoatra ny fivelaran’ny fahatanorana”. (1 Korintiana 7:36, NW ). Ny fanambadiana amin’ny fotoana maha-mahery aoka izany ny fahamaimaizana dia afaka manolana ny fomba fisainanao sy manajamba anao tsy hahita ireo kileman-toetran’ny olona iray kasainao hovadina.
Tsy vonona ho amin’ny anjara asany
Hoy ny zatovovavy manambady iray momba ny vadiny: “Izao izahay efa mivady izao, ny hany fotoana isehoany ho manam-piheverana ahy, dia rehefa maniry hanana firaisana izy. Mihevitra izy fa zava-dehibe toy ny fiarahana amiko koa ny fiarahana amin’ireo ankizilahy namany. (...) Noheveriko fa tsy hisy afa-tsy izaho irery ihany, kanefa dia diso hevitra aho.” Izany dia manasongadina ny fiheveran-diso fahita eo amin’ny zatovolahy: Mihevitra izy ireo fa, rehefa manambady ny tenany, dia mbola afaka manaraka ny fomba fiainan’ny mpitovo ihany.
Manondro ny zava-manahirana iray fahita eo amin’ny zatovovavy manambady ny vady vao iray 19 taona: “Aleoko mijery tele sy matory toy izay manadio trano sy mahandro sakafo. Menatra aho rehefa tonga mitsidika anay ny ray aman-drenin’ny vadiko satria tsara tarehy foana ny tranony kanefa ny ahy mikorontana lava. Sady amin’izay koa aho tsy mahay mahandro sakafo.” Fihenjanana fanampiny toy inona moa no hita ao amin’ny fanambadiana rehefa tsy mahay mikarakara tokantrano ny ankizivavy iray! “Tena mitaky fanekena handa tena ny fanambadiana”, hoy i Vicky (notononina teo aloha). “Tsy kilalao izy io. Tapitra ny fotoana nahafinaritra tamin’ny fampakaram-bady. Vetivety dia miorina ny fiainana isan’andro ary tsy mora io.”
Ary ahoana ny amin’ny asa dridralava mba hamelomana ny fianakaviana? Hoy i Mark, vadin’i Vicky: “Tadidiko fa tamin’ny asako voalohany aho dia voatery nifoha tamin’ny 6 maraina. Nieritreritra foana aho hoe: ‘Tena mafy ka. Rahoviana ihany àry izao vao hifarana?’ Ary rehefa nody aho, dia nihevitra fa tsy takatr’i Vicky izay nanjo ahy.”
Zava-manahirana ara-bola
Izany dia mitarika antsika ho amin’ny antony hafa iray miteraka tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady tanora: ny vola. Mpivady mbola zatovo 48 no niaiky fa taorian’ny telo volana nivadiany, ny zava-nanahirana lehibe indrindra teo amin’izy ireo dia ny “fomba fampiasa ny vola miditra ao amin’ny fianakaviana”. Telo taona teo ho eo taorian’izay, dia nanaovana io fanontaniana io ihany ny 37 tamin’ireo mpivady ireo. Mbola nitana ny toerana voalohany ihany koa ny vola — ary vao mainka aza nitombo ny tebitebin’izy ireo! “Hahafinaritra ve ny fiainana”, hoy i Bill, “rehefa tsy ampy vola mihitsy ianao mba hividianana ireo zavatra ilainao mba hahafa-po anao? (...) Rehefa tsy ampy mba haharitra hatramin’ny karama manaraka ny volanao, izany dia afaka ny hiteraka fifandirana maro sy tsy fahasambarana.”
Fahita eo amin’ny zatovo ny zava-manahirana ara-bola, satria eo amin’izy ireo no ahitana tsy an’asa maro indrindra sy karama kely indrindra. “Satria aho tsy afaka namelona ny fianakaviako, dia voatery niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko izahay”, hoy ny fieken’i Roy. “Izany dia niteraka fihenjanana lehibe, indrindra satria nanan-janaka koa izahay.” Manoro hevitra toy izao ny Ohabolana 24:27: “Amboary [“omano”, NW ] ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary [“voaomana”, NW ] ny any an-tsaha; ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.” Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo lehilahy dia niasa mafy mba ho afaka hamelona ny fianakaviany any aoriana. Rehefa tsy manao ny fiomanana ilaina toy izany ny lehilahy tanora maro manambady amin’izao andro izao dia mahita fa enta-mavesatra izany hoe mpamelona ny fianakaviana izany.
Kanefa na dia ny karama tsara aza dia tsy hamarana ireo zava-manahirana ara-bola raha manana fomba fijerin-jaza momba ireo zavatra ara-nofo ny mpivady iray. Ny fandinihana iray dia nampiharihary fa “ireo zatovo dia nanantena ny ho afaka hividy teo no ho eo ho an’ny tokantranony ny maro amin’ireo entana izay nilan’ny ray aman-dreniny taona maro ny fahazoana azy”. Tapa-kevitra ny hahazo ireo zavatra ara-nofo ireo dieny izao ny maro ka midi-trosa be. Tsy manana ny fahamatorana mba hianinana amin’ny ‘hanina sy ny fitafiana’ izy ireo ka mampitombo ny fihenjanana ao amin’ny fanambadiany. — 1 Timoty 6:8-10.
‘Mifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra’
Mahatsiaro toy izao i Maureen: “Raiki-pitia tamin’i Don aho. Tsara tarehy be, natanjaka be, sady atleta nahay be sy tian’ny olona izy (...) Tsy maintsy haharitra ny fanambadianay.” Kanefa dia tsy naharitra izy io. Nitombo ny tsy fahafaliana hany ka, araka ny filazan’i Maureen azy, “izay zavatra rehetra nataon’i Don dia nahasosotra ahy daholo — na dia ny fomba fitsefotsefotry ny molony teo am-pisakafoana aza. Tamin’ny farany, dia samy tsy nisy nahatanty intsony izahay roa.” Rava taorian’ny roa taona ny fanambadian’izy ireo.
Inona no zava-nanahirana? “Nifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra ny zava-nokendrenay teo amin’ny fiainana”, hoy i Maureen nanazava. “Takatro tamin’izay fa nila olona izay azoko nifandraisana teo amin’ny ara-tsaina aho. Kanefa ny fiainan’i Don rehetra dia spaoro ranofotsiny. Ireo zavatra izay noheveriko ho zava-dehibe fony aho 18 taona dia nanjary tsy nisy dikany tampoka tamiko.” Ireo tanora matetika dia manana fomba fijerin-jaza momba izay tiany ho hita ao amin’ny ho vadiny, ka mametraka ny endrika ivelany mahafinaritra ho alohan’ny zavatra rehetra. Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 31:30: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy”.
Fanaovana fandinihan-tena
Antsoin’ny Baiboly hoe maimaika tsy amin’ny antony ny olona manao voady amin’Andriamanitra, kanefa “nony vita ny voady vao vonona hanao fandinihana”. (Ohabolana 20:25, NW ). Tsy ho fanehoana fahendrena àry ve ny handinihan-tena araka ny Soratra Masina, alohan’ny hidiranao ao amin’ny zavatra lehibe iray toy ny voadim-panambadiana? Inona marina no zava-kendrenao eo amin’ny fiainana? Hanao ahoana ny fiantraikan’ny fanambadiana eo amin’izany? Ta hanambady mba hahafahana hanao firaisan’ny lahy sy ny vavy fotsiny na mba handosirana zava-manahirana fotsiny ve ianao?
Ankoatra izany, manao ahoana ny fahavononanao hiantsoroka ny ho anjara asanao ao amin’ny fanambadiana? Afaka mikarakara tokantrano na mamelona fianakaviana ve ianao? Raha hitanao fa mifandona tsy an-kijanona amin’ny ray aman-dreninao ianao, ho afaka ny hifanaraka amin’ny ho vadinao ve ianao? Afaka ny hahatohitra ireo fitsapana sy fahoriana entin’ny fanambadiana ve ianao? Tena efa nanary “ireo lafin-toetran’ny zaza” ve ianao raha ny amin’ny fitantanana vola? (1 Korintiana 13:11, NW ). Tsy isalasalana fa manan-javatra be dia be holazaina momba ny fahavononanao ny ray aman-dreninao.
Afaka ny ho loharanom-pahasambarana lehibe na ho loharanom-panaintainana mafy ny fanambadiana. Izany dia miankina be dia be amin’ny maha-vonona anao ho amin’izy io. Raha mbola zatovo ianao, nahoana raha miandry kely alohan’ny hanombohanao hiaraka amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka anao? Tsy hitondra fahavoazana ho anao akory ny fiandrasana. Izany dia hanome anao fotsiny ny fotoana ilaina mba ho vonona marina raha sy rehefa manao io dingana lehibe sady maharitra io ianao, izany hoe ny fanambadiana.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Fomba fijery tsy matotra momba ny fanambadiana inona avy no ananan’ny tanora sasany?
◻ Nahoana, araka ny fihevitrao, no tsy araka ny zava-misy ny hanambadiana mba hahafahana hanao firaisan’ny lahy sy ny vavy fotsiny?
◻ Ahoana no nisehoan’ny tanora sasany ho tsy vonona ho amin’ny anjara asany ao amin’ny fanambadiana?
◻ Nahoana ireo mpivady tanora matetika no manan-java-manahirana lehibe momba ny vola?
◻ Fahadisoana inona no ataon’ny tanora sasany rehefa mifidy izay ho vadiny?
◻ Momba ny inona avy no mety hanontanianao tena raha ny amin’ny fahavononanao ho amin’ny fanambadiana? Rehefa avy nandinika iny fanazavana iny ianao, araka ny fihevitrao, moa ve ianao vonona ho amin’ny fanambadiana?
[Teny notsongaina, pejy 240]
“Raha misy anton-javatra iray izay eken’ny rehetra momba ny hoe haharitra ny fanambadiana iray na tsia, izany dia ny hoe ireo izay manambady raha mbola tanora kely dia tsy manana fahatsinjovana firy ny hahomby.” — Marcia Lasswell, mpampianatra momba ny fahalalana ny amin’ny fihetsiky ny olona
[Sary, pejy 237]
Tanora maro no miditra ao amin’ny fanambadiana, tsy ampy fiomanana toy ireo
-
-
Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
-
-
Toko Faha-31
Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?
FITIAVANA — Ho an’ireo mpanonofinofy, izy io dia hery saro-pantarina iray mamabo anao, fahatsapana fahasambarana tanteraka mitranga indray mandeha eo amin’ny fiainanao. Ny fitiavana, hoy izy ireo, dia raharahan’ny fo ranofotsiny, zavatra tsy azo takarina fa tsapa fotsiny. Ny fitiavana dia mandresy ny zava-drehetra ary maharitra mandrakizay (...)
Toy izany no fomba fiteny averimberin’ireo mpanonofinofy. Ary tsy isalasalana mihitsy fa afaka ny ho fanandraman-javatra mahafinaritra tsy misy ohatra izany ny hoe raiki-pitia. Inona marina anefa no atao hoe tena fitiavana?
Coup de foudre ve?
Nahita an’i Fanja voalohany tany amin’ny lanonana iray i Hery. Avy hatrany izy dia voasinton’ny bikany mahafinaritra sy ny fomba fianjeran’ny volony teo amin’ny masony rehefa nihomehy izy. I Fanja kosa voasariky ny masony mainty lalina sy ny vazivaziny mampiseho hakingan-tsaina. Tena toa coup de foudre nifamaly ilay izy!
Nandritra ireo roa tokom-bolana nanaraka, dia tsy nisaraka mihitsy i Hery sy i Fanja. Avy eo, indray alina, dia nahazo antso an-telefaonina nanafotra azy avy tany amin’ilay ankizilahy niarahany taloha i Fanja. Niantso an’i Hery an-telefaonina izy mba hahazoana fampiononana. Kanefa i Hery nahatsiaro tena ho norahonan’ny rafy iray sy ho sanganehana, ka niseho ho nangatsiaka. Ilay fitiavana noheverin’izy ireo fa haharitra mandrakizay dia maty tamin’io alina io ihany.
Ataon’ireo sarimihetsika sy boky ary fampisehoana amin’ny televiziona izay hinoanao fa maharitra mandrakizay ny coup de foudre. Ekena aloha fa ny hatsaran-tarehy ara-batana mazàna no mahatonga ny olona roa hifampijery amin’ny voalohany. Nilaza izany toy izao ny zatovolahy iray: “Sarotra ny ‘mahita’ ny toetran’ny olona iray.” Kanefa inona moa ilay “tian’ ”ny tena rehefa ora na andro vitsivitsy monja no naharetan’ilay fifaneraserana? Moa ve izany tsy ny sary asehon’ilay olona? Raha ny tena izy, dia tsy mahafantatra zavatra firy momba ireo eritreritra, fanantenana, tahotra, fikasana, fahazarana, fahalalana na fahaizan’izany olona izany ianao. Tsy nahita afa-tsy ilay fonosana ivelany ianao fa tsy ny “toetra miafina ao am-po”. (1 Petera 3:4). Hety haharitra ve ny fitiavana toy izany?
Mamitaka ny endrika ivelany
Fanampin’izany, dia afaka ny hamitaka ny fisehoana ivelany. Hoy ny Baiboly: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy”. Ireo fonosana mamirapiratry ny fanomezana iray dia tsy milaza na inona na inona aminao ny amin’izay ao anatiny. Raha ny marina, ireo fonosana tsara tarehy indrindra aza dia mety hanarona fanomezana iray tsy misy ilana azy. — Ohabolana 31:30.
Hoy ny Ohabolana: “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” (Ohabolana 11:22). Firavaka tian’ny olona ny kavin’orona tamin’ny andron’ny Baiboly. Tsara tarehy fatratra izy ireny, vita tamin’ny volamena ranofotsiny. Mazava ho azy fa ny kavina toy izany no firavaka ho hita voalohany eo amin’ny vehivavy iray.
Mety tsara ny fampitahan’ilay ohabolana ny vehivavy tsara tarehy ivelany tsy ampy ‘fahendrena’ amin’ny “kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa”. Tena tsy mifanentana amin’ny vehivavy iray kely saina tokoa ny hatsaran-tarehy; firavaka tsy misy ilana azy eo aminy izany. Amin’ny farany, dia tsy hahatonga azy hanintona ny hafa izany, toy ny kavin’orona kanto iray tsy hahatonga ny kisoa iray hanintona! Ho fahadisoana toy inona àry ny ho ‘raiki-pitia’ amin’ny endriky ny olona iray ivelany — ka tsy hahita izay maha-izy izany olona izany anaty.
“Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”
Misy anefa mihevitra fa ny fon’ny olombelona dia manana fahaiza-mitsara tsy mety diso momba ny fitiavana. ‘Henoy fotsiny ny fonao’, hoy izy ireo. ‘Ho fantatrao rehefa tonga ny tena fitiavana!’ Mampalahelo fa ny zava-misy dia milaza zavatra mifanipaka amin’izany. Nisy fanadihadiana iray natao tamin’ny tanora 1 079 (18 ka hatramin’ny 24 taona) izay nilaza fa tamin’ny antsalany dia efa nandia tantaram-pitiavana fito izy ireo hatramin’izay. Ny ankamaroan’izy ireo dia niaiky fa izany tantaram-pitiavana tamin’ny lasa izany dia fahatsapana ho matimaty tamin’olona fotsiny — fihetseham-po nandalo sy nanjavona. Kanefa ireo tanora ireo dia “samy nilaza avokoa fa fitiavana ilay zavatra tsapany tamin’izao fotoana izao”! Azo inoana anefa fa ny ankamaroany dia hihevitra ny zavatra diaviny amin’izao fotoana izao ho toy ny fiheverany ilay zavatra hitany tamin’ny lasa — ho toy ny fahatsapana ho matimaty amin’olona fotsiny.
Ny loza dia hoe olona an’arivony maro no mivady isan-taona noho ny fiheverany ny tenany ho ‘raiki-pitia’, kanefa dia mahita, rehefa afaka kelikely, fa nanao fahadisoana lehibe ny tenany. Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia “mamitaka ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mitandrina hiditra ao amin’ny fanambadiana tsizarizary toy ny zanak’ondry entina ho amin’ny famonoana”, hoy i Ray Short ao amin’ny bokiny hoe Sex, Love, or Infatuation.
“Izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Matetika loatra, ny fitsaran’ny fontsika no voatarika amin’ny fomba diso. Raha ny marina, dia hoy mihitsy ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”. (Jeremia 17:9). Kanefa ilay ohabolana notononina teo aloha dia manohy toy izao: “Fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Ianao koa dia ho afa-miala ireo loza sy fahadisoam-panantenana efa hitan’ny tanora hafa raha mianatra hahafantatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahatsapana ho matimaty amin’olona sy ny fitiavana araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly, dia ilay fitiavana tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana.
Fitiavana sy fahatsapana ho matimaty amin’olona
“Jamba ny fahatsapana ho matimaty amin’olona ary tia ny hitoetra ho toy izany. Tsy tia ny mijery ny zavatra araka ny tena izy izy io”, hoy ny fieken’i Calvin, 24 taona. Nanampy teny toy izao i Kenya, 16 taona: “Rehefa mahatsapa ho matimaty amin’ny olona iray ianao, dia mihevitra fa tsy misy tsininy daholo izay zavatra rehetra ataony.”
Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia fitiavana sandoka. Tsy araka ny zavatra tena izy izy io ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena. Ireo olona matimaty amin’olona dia mirona hilaza hoe: ‘Tena mahatsiaro tena ho zavatra mihitsy aho rehefa miaraka aminy. Tsy mahita tory aho. Tsy hitako intsony izay ilazana an’izao fahatsapan-javatra mahafinaritra izao’, na koa hoe: ‘Tena mahatonga ahy hahatsiaro tena ho sambatra izy.’ Voamarikao ve hoe impiry no niverina ny hoe “aho” na “ahy”? Tsy maintsy ho rava ny fifandraisana miorina amin’ny fitiavan-tena toy izany! Mariho anefa ny filazalazan’ny Baiboly momba ny fitiavana marina: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo”. — 1 Korintiana 13:4, 5.
Koa satria “tsy mitady ny azy” ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly, dia sady tsy mifantoka amin’ny tenany ihany no tsy tia tena. Marina fa mety hahatsapa fihetseham-pom-pitiavana sy fifanintonana mafy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Kanefa ireo fihetseham-po ireo dia voalanjalanjan’ny fisainana sy ny fanajana lalina ilay iray. Rehefa tena raiki-pitia marina ianao, dia miahy ny amin’izay hahasoa sy hahasambatra ilay iray, tsy misy hafa amin’ny fiahianao ny amin’ny an’ny tenanao manokana. Tsy mamela ny fihetseham-po mahery handrava ny fahaiza-mitsara zavatra ianao.
Ohatra iray ny amin’ny tena fitiavana
Ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Jakoba sy i Rahely dia mampiseho izany tsara. Izy roa ireo dia nifankahita teo amin’ny fantsakana iray nahatongavan-dRahely hantsaka rano ho an’ireo ondrin-drainy. Avy hatrany dia voasintona ho amin-dRahely i Jakoba, tsy noho izy “bikana sy tsara tarehy” ihany, fa noho izy nanompo an’i Jehovah. — Genesisy 29:1-12, 17.
Rehefa avy nipetraka iray volana maninjitra tao an-tranon’ny fianakavian-dRahely i Jakoba, dia nampahafantatra fa raiki-pitia tamin-dRahely izy ary naniry ny hanambady azy. Fahatsapana ho matimatim-pitia fotsiny ve izany? Tsia! Nandritra izany volana izany izy dia nahita an-dRahely teo amin’ny faritra nisy azy andavanandro — ny fomba nitondrany ny ray aman-dreniny sy ny hafa koa, ny fomba nanatontosany ny asany tamin’ny naha-mpiandry ondry azy, ny nandraisany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ho zava-dehibe. Tsy isalasalana fa nahita azy tamin’ny “lafiny tsara” sy tamin’ny “lafiny ratsy” i Jakoba. Noho izany, ny fitiavany azy dia tsy fihetseham-po tsy azo nofehezina akory, fa fitiavana tsy nisy fitiavan-tena niorina tamin’ny fisainana sy ny fanajana lalina.
Noho izany, dia afaka nilaza i Jakoba fa vonona ny hiasa ho an’ny rain-dRahely mandritra ny fito taona izy mba hahazoana azy ho vady. Azo antoka fa tsy hisy fahatsapana ho matimaty amin’olona haharitra ela be toy izany! Ny fitiavana marina, ny fiheverana tsy misy fitiavan-tena an’ilay iray, ihany no hahatonga ireo taona ireo ho “toa andro vitsy foana”. Noho izany fitiavana marina izany, dia afaka nihazona ny fahadiovany izy ireo nandritra izany fe-potoana izany. — Genesisy 29:20, 21.
Mila fotoana ilay izy!
Tsy lefin’ny fotoana àry ny fitiavana marina. Raha ny marina aza, matetika ny fomba tsara indrindra hitsapana ny fihetseham-ponao amin’ny olona iray dia ny famelana fotoana sasantsasany ho lasa. Fanampin’izany, dia hoy ny zatovovavy iray antsoina hoe Sandra: “Tsy hanolotra anao ny maha-izy azy tsotra fotsiny ny olona iray amin’ny filazana hoe: ‘Indro ny maha-izy ahy. Fantatrao izao ny zava-drehetra momba ahy.’ ” Tsia, mila fotoana koa ny fahalalana olona iray mahaliana anao.
Ny fotoana koa dia mahatonga anao ho afaka handinika ny fahatsapanao fitiavana araka ny fahazavan’ny Baiboly. Tadidio fa ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy”. Moa ve ilay namanao may hahita ireo fikasanao hahomby — sa ny azy ihany? Moa ve izy maneho fanajana ny fomba fihevitrao, ny fihetseham-ponao? Moa ve izy nanery anao hanao zavatra izay tena “tsy mahamendrika” tokoa mba hanomezana fahafaham-po ireo fahamaimaizany feno fitiavan-tena? Moa ve mirona hanambany anao sa hanambony anao eo anoloan’ny hafa io olona io? Ny fanontaniana toy izany dia afaka manampy anao hanombana ireo fihetseham-ponao amin’ny fomba tsy miangatra kokoa.
Fihantsiana loza ny tantaram-pitiavana idirana maimaika. “Raiki-pitia tsotra izao aho, haingana sady lalina”, hoy i Jill, 20 taona. Taorian’ny tantaram-pitiavana nihodinkodina mafy naharitra roa volana, dia nanambady izy. Kanefa dia nanomboka nipoitra ireo kileman-toetra nafenina teo aloha. Nanomboka naneho ny tsy fananany fatokian-tena sy ny tsy fahitany afa-tsy ny tenany ihany i Jill. I Rick vadiny kosa nanadino ny naha-olon-tia nahay nanangoly azy ka nanjary tia tena. Rehefa avy nivady roa taona izy ireo, dia nikiakiaka i Jill indray andro fa “tsy misy ilana azy”, “kamo lahy” ary “tsy mahavita azy” ny vadiny. Namaly tamin’ny famelezana totohondry ny tarehiny i Rick. Nitomany be i Jill nihazakazaka niala ny tranony — sy ny fanambadiany.
Ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly dia tsy isalasalana fa ho nanampy azy ireo hanavotra ny fanambadiany. (Efesiana 5:22-33). Kanefa nety ho hafa noho izany ny tarehin-javatra rehetra raha nifankahalala tsara kokoa talohan’ny nivadiany izy ireo! Tsy ho fitiavana “sary” iray ny fitiavan’izy ireo, fa ho fitiavana ny tena naha-izy ilay iray — miaraka amin’ny toetrany ratsy sy ny toetrany tsara. Ho nifanaraka tamin’ny zavatra tena izy kokoa ny fanantenany.
Ny tena fitiavana dia tsy mipoitra ao anatin’ny indray andro. Ankoatra izany, ilay olona ho vady tsara ho anao dia tsy voatery ho olona hitanao ho tsara tarehy aoka izany. I Barbara, ohatra, dia nahita lehilahy tanora iray izay ekeny fa tsy nanintona azy loatra — tamin’ny voalohany. “Kanefa arakaraka ny nahafantarako azy tsaratsara kokoa”, hoy i Barbara nahatsiaro, “dia niova izany. Hitako ny fiahian’i Stephen ny hafa sy ny nametrahany ny tombontsoan’ny hafa talohan’ny azy foana. Ireo no toetra fantatro fa hahatonga ny lehilahy iray ho vady tsara. Voasintona ho aminy aho ary nanomboka tia azy.” Fanambadiana mafy orina no naterak’izany.
Ahoana àry no ahafahanao mahafantatra ny tena fitiavana? Mety hiteny ny fonao, kanefa ny sainao voavolavolan’ny Baiboly no itokio. Ataovy izay hahafantarana mihoatra noho ny “sary” ivelany asehon’ilay olona. Omeo fotoana hitomboany ny fifandraisanareo. Tadidio fa ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia mahatratra ny fara tampony ao anatin’ny fotoana fohy monja nefa avy eo dia manjavona. Ny fitiavana marina dia mihamafy arakaraka ny fotoana ary manjary “fatorana mampiray tanteraka”. — Kolosiana 3:14, NW.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona no loza amin’ny firaiketam-pitia amin’ny endriky ny olona iray ivelany?
◻ Azo itokiana mba hamantatra ny tena fitiavana ve ny fonao?
◻ Inona avy no fahasamihafana sasantsasany misy eo amin’ny fitiavana sy ny fahatsapana ho matimaty amin’olona?
◻ Nahoana ireo lehilahy sy vehivavy miaraka no misaraka matetika? Ratsy foana ve izany?
◻ Ahoana no ahafahanao mizaka ny fahatsapanao ho nilaozana raha mifarana ny tantaram-pitiavanareo?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fakana fotoana mba hifankahalalana?
[Teny notsongaina, pejy 242]
Raiki-pitia amin’ilay olona ve ianao sa amin’ny “sary” iray fotsiny?
[Teny notsongaina, pejy 247]
“Jamba ny fahatsapana ho matimaty amin’olona ary tia ny hitoetra ho toy izany. Tsy tia ny mijery ny zavatra tena misy izy io.” — Lehilahy iray 24 taona
[Teny notsongaina, pejy 250]
“Tsy afaka afa-tsy ny hiarahaba ireo ankizilahy fotsiny aho izao. Tsy hamela na iza na iza aminy hanatona akaiky ahy intsony aho”
[Efajoro/Sary, pejy 248, 249]
Ahoana no Ahafahako Manadino ny Ratram-poko?
Fantatrao tsotra izao fa tsy maintsy ilay hovadinao izy. Samy faly ny miaraka ianareo, mitovy zavatra tiana, ary samy mahatsapa fa voasinton’ilay iray. Tampoka teo anefa dia mifarana ilay fifaneraserana, ao anatin’ny fahatezeram-be — na ny ranomaso be.
Ao amin’ny bokiny hoe The Chemistry of Love, ny Dr. Michael Liebowitz dia mampitovy ny fiandohan’ny fitiavana amin’ny famelezan’ny zava-mahadomelina mahery iray. Kanefa toy ny zava-mahadomelina koa, dia afaka ny hiteraka ‘vokatry ny fialana aminy’ mahery vaika koa izy io raha maty. Ary, amin’izany, dia tsy misy fahasamihafana firy eo amin’ny fahatsapana ho matimaty amin’olona sy ilay ‘tena izy’. Izy ireo dia samy miteraka faharavoana faran’izay mahafanina — ary koa alahelo faran’izay mahafadiranovana raha mifarana ilay fifaneraserana.
Ny fahatsapana ho nilaozana, ny ratram-po ary angamba ny fahatezerana aorian’ny fisarahana àry dia mety hanimba ny fomba fijerinao ny hoavy. Milaza ny tenany ho ‘maratra am-po’ noho izy ‘nadaboka’ fotsiny ny zatovovavy iray. “Tsy afaka afa-tsy ny hiarahaba ireo ankizilahy fotsiny aho izao. Tsy hamela na iza na iza aminy hanatona akaiky ahy intsony aho.” Arakaraka ny halalin’ny fihetseham-po tsapanao eo amin’ilay fifandraisana no vao mainka haha-lalina ilay ratra mety hateraky ny fisarahana.
Eny tokoa, tena arahin’ny vidiny avo dia avo ny fahalalahana hiaraka amin’ankizilahy na ankizivavy araka izay tianao: ny tena mety hitrangan’ny fandaozany anao. Tsy misy antoka tsotra izao fa hoe hitombo ny tena fitiavana. Koa raha nisy olona nanomboka niaraka taminao tamin’ny fananana fikasana tamim-pahatsorana, kanefa nanatsoaka hevitra tatỳ aoriana fa tsy ho fahendrena ny fanambadiana, dia tsy hoe voatery ho nentina tsy ara-drariny akory ianao.
Ny zava-manahirana dia hoe, na dia atao amim-pahaiza-mandanjalanja sy amin-katsaram-panahy faran’izay lehibe aza ny fisarahana, dia tsy maintsy mbola hahatsapa ratram-po sy fahatsiarovana ho nilaozana ihany ianao. Tsy antony tokony hamoizanao ny fahatsapanao tena ho mendrika anefa izany. Ny tsy maha-“olona natao ho an’io olona io” anao dia tsy midika fa tsy natao ho an’ny olon-kafa iray ianao!
Miezaha handray ilay tantaram-pitiavana rava amin’ny fomba tsy miangatra. Mety hanasongadina tsara toetra sasany tsy faniry loatra tao amin’ilay olona niarahanao ilay fisarahana — toy ny tsy fahamatorana ara-pihetseham-po, tsy fahaiza-manapa-kevitra, tsy fahaiza-milefitra, tsy fandeferana, tsy fananana fiheverana ny fihetseham-ponao. Tsy faniry ao amin’ny vady iray ny toetra toy izany.
Ahoana raha avy amin’ilay iray fotsiny ilay fisarahana, fa ianao kosa mino fa ho nandeha tsara ny fanambadianareo? Tena manana zo hampahafantatra ny fomba fihevitrao amin’ilay iray ianao. Angamba nisy tsy fifankahazoan-kevitra fotsiny. Tsy hanatanteraka zavatra firy anefa ny resaka be sy ny tabataba be. Ary raha manizingizina ny hisarahanareo izy, dia tsy misy antony tokony hanalanao baraka tena amin’ny fitomanianao hahazo ny fitiavan’ny olona iray izay miharihary fa tsy mahatsapa na inona na inona aminao. Nilaza i Solomona fa “ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana”. — Mpitoriteny 3:6.
Ahoana raha manana antony tsara inoana ianao fa nohararaotin’ny olona iray tsy liana tamim-pahatsorana ny hanambady anao akory? Tsy mila ny hamaly faty ianao. Matokia fa voamarik’Andriamanitra ny toetra feno fitak’izany olona izany. Hoy ny Teniny: “Ny lozabe dia todìn’ny halozany.” — Ohabolana 11:17; ampitahao amin’ny Ohabolana 6:12-15.
Indraindray dia mety ho mbola resin’ny fahatsapana ho manirery sy ireo fahatsiarovana mitondra alahelo ianao. Raha izany no izy, dia tsy misy maha-ratsy ny mitomany mihitsy. Manampy koa ny ho be zavatra hatao, angamba amin’ny fanaovana asa ara-batana iray na ny fanompoana kristiana. (Ohabolana 18:1). Ampifantohy amin’ny zavatra mahafaly sy mampahery ny sainao. (Filipiana 4:8). Boraho amin’ny namana akaiky iray ny ao am-ponao. (Ohabolana 18:24). Mety hitondra fampiononana lehibe koa ireo ray aman-dreninao, na dia mihevitra aza ianao fa efa ampy taona mba hahaleo tena. (Ohabolana 23:22). Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia boraho amin’i Jehovah ny ao am-ponao.
Mety ho hitanao izao fa mila ny hanatsara ny lafiny sasany amin’ny toetranao ianao. Mety hazava tsara kokoa noho ny hatramin’izay ny fahafantarana izay irinao ho hita ao amin’izay ho vadinao. Ary rehefa avy nitia ianao ka diso fanantenana, dia mety hanapa-kevitra ny hitandrina kokoa eo amin’ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka anao raha misy olona iray tianao, miditra indray ao amin’ny fiainanao — fetezan-javatra izay azo ampoizina kokoa noho izay eritreretinao ny hitrangany.
[Tabilao, pejy 245]
Fitiavana sa Fahatsapana ho Matimaty Amin’olona Fotsiny?
FAHATSAPANA HO
FITIAVANA MATIMATY AMIN’OLONA
1. Fiahiana tsy misy 1. Feno fitiavan-tena, tsy misy
fitiavan-tena ny fiheverana ny hafa rehetra.
tombontsoan’ilay iray Mieritreritra ny tena hoe:
‘Inona no azoko avy amin’izao?’
2. Manomboka moramora 2. Manomboka haingana ny
ilay tantaram-pitiavana, tantaram-pitiavana, angamba ao
angamba maka volana anatin’ny ora na andro
na taona vitsivitsy vitsivitsy
3. Voasinton’ny maha-izy 3. Tena manohina mafy na
manontolo an’ilay iray mahavariana mafy ny
sy ireo toetrany fisehoan’ilay iray ara-batana.
ara-panahy ianao (‘Manintona erỳ ny masony.’
‘Hatsaram-bika izany’)
4. Ny vokatr’io eo 4. Miteraka vokatra
aminao dia mahatonga manimba sy
anao ho olona mampisafotofoto
tsaratsara kokoa
5. Mihevitra ilay iray 5. Tsy mihevitra ny zavatra
araka ny tena izy araka ny tena izy. Toa
ianao, mahita ireo lavorary ilay iray hafa.
kileman-toetrany, Odianao tsy hita ireo
ary anefa mbola fisalasalana miverimberina momba
tia azy ihany ireo toetra ratsy lehibe
ananany
6. Misy zavatra tsy 6. Matetika mitranga ny
ifanarahanareo, kanefa fifamaliana. Tsy misy aminy
hitanao fa afaka tena voalamina marina.
miresaka momba azy Maro no “voalamina” amin’ny
ireo sy mandamina alalan’ny fifanorohana.
azy ireo ianareo
7. Maniry ny hanao 7. Mifantoka amin’ny fahazoana
zavatra ho an’ilay sy ny fandraisana, indrindra
iray sy hizara fa eo amin’ny fanomezana
zavatra aminy ianao fahafaham-po ireo faniriana
momba ny lahy sy ny vavy
[Sary, pejy 244]
Ny lehilahy iray na vehivavy iray tsara tarehy, kanefa kely saina, dia ‘toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron’ny kisoa iray’
[Sary, pejy 246]
Ny olona iray manambany anao tsy tapaka eo anoloan’ny hafa dia tena mety tsy hanana fitiavana marina anao
-
-
Ahoana no Ahombiazan’ny Fiarahanay Alohan’ny Fanambadianay?Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
-
-
Toko Faha-32
Ahoana no Ahombiazan’ny Fiarahanay Alohan’ny Fanambadianay?
“NY ANKAMAROAN’IREO fanambadiana tsy mahomby dia vokatry ny fiarahana tsy mahomby alohan’ny fanambadiana. Tsy afaka ny ho tafahoatra ny famerimberenana io hevitra io.” Izany no nolazain’i Paul H. Landis, mpanao fikarohana momba ny fiainam-pianakaviana. Afaka manamarina tsara io fanambarana io i Louise. Hoy ny fanazavany: “Ny fahadisoako lehibe indrindra dia ny famelako ny tenako ho raiki-pitia tamin’i Andy talohan’ny namelako ny tenako hahita ny maha-izy azy. Voafetra ho tamin’ny faritra naha-irery anay ny fiarahanay talohan’ny fanambadiana. Tsy hitako mihitsy ny fomba fihetsiny ivelan’ireny tarehin-javatra ‘tonga lafatra’ ireny.” Ravan’ny fisaraham-panambadiana ny tokantranon’izy ireo. Inona no fanalahidin’ny fisorohana ny loza toy izany? Ny fiarahana mahomby alohan’ny fanambadiana!
Alohan’ny hiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka anao
“Ny [malina, NW ] mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15). Fihantsiana loza ny fambolena fahatsapana fitiavana amin’ny olona iray izay zara raha fantatrao — na dia toa manintona aza izy io. Izany dia mety hitarika ho amin’ny fanambadiana olona iray izay manana fihetseham-po sy zava-kendrena mifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra amin’ny anao! Noho izany dia fanehoana fahamalinana ny handinihana izany olona izany rehefa miaraka amin’olon-kafa izy aloha, angamba mandritra ny karazana fialam-boly iray.
“Fantatro fa, raha namatotra fifandraisana akaiky loatra raha vao teo am-boalohany aho, dia ho takon’ny fientanam-poko ny fahaizako mitsara zavatra”, hoy ny fanazavan’i Dave, izay sambatra am-panambadiana efa hatramin’ny folo taona izao. “Noho izany, dia nandinika an’i Rose lavidavitra aho sady tsy fantany fa liana taminy aho. Afaka nahita tamin’izany aho hoe tamin’ny fomba ahoana no nitondrany ny hafa, hoe olona jejojejo be ve izy sa tsia. Nandritra ny resaka tsotra nifanaovanay, dia nanjary fantatro ny toe-javatra niainany sy ny zava-kendreny.” Manampy koa ny fahafantarana izay lazan’ilay olona amin’ny firesahana amin’ny olona iray mahafantatra azy tsara. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 31:31.
Ireo fiarahana voalohany
Rehefa avy nanapa-kevitra ianao fa mety ho vady sahaza anao ny olona iray, dia azonao atao ny manatona azy ka hilaza aminy ny fanirianao hahafantatra azy tsaratsara kokoa.a Raha toa ka hoe eny ny valin-teny azonao, dia tsy voatery ho zavatra voakojakoja fatratra ny fiarahanareo voalohany. Angamba ny fiarahana misakafo amin’ilay olona na ny fiarahana amin’olon-kafa maromaro mihitsy aza dia hahatonga anareo hifankahalala tsaratsara kokoa mba hahafahanareo hanapa-kevitra raha tianareo hotohizina ilay fifaneraserana na tsia. Hazòny ho tsotra ny zava-drehetra, satria izany dia hanampy mba hampisinda ilay fahatsapana ho hendratrendratra mety ho samy hahazo anareo amin’ny voalohany. Ary halaviro ireo fanehoam-pitiavana aloha loatra, mba ho faran’izay kely ny fahatsapana ho nilaozana — na saikatsaikatra — raha tsy liana intsony ny iray aminareo.
Na manao ahoana na manao ahoana karazana fotoana nifanaovana mba hiarahana, dia tongava ara-potoana, ary manaova akanjo milamina sy mifanaraka amin’ny tarehin-javatra. Manehoa fahaiza-manao resaka. Mahaiza mihaino tsara. (Jakoba 1:19). Na dia tsy misy fitsipika henjana aza momba izany, dia ho tian’ny zatovolahy iray ny hanaraka ireo fahalalam-pomba eo an-toerana. Mety ho tafiditra amin’izany ny fanokafana ny varavarana ho an’ilay ankizivavy na ny fanampiana azy handray toerana. Ny zatovovavy iray kosa dia tsy tokony hanantena ny hoentina toy ny mpanjakavavy, fa tokony hiara-miasa amim-pahamaotinana amin’ireo ezaka ataon’ilay tovolahy iarahany. Amin’ny fifampitondrany amim-panajana, dia afaka manorina ny modely harahiny amin’ny hoavy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka. Ny lehilahy dia omena baiko mba ‘hanaja ny vadiny toy ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa’. Ary ny vehivavy dia tokony hanana “fanajana lalina ny vadiny”. — 1 Petera 3:7; Efesiana 5:33, NW.
Mety ve ny mifampitantana, ny mifanoroka, na ny mifamihina, ary, raha mety, rahoviana no hatomboka izany? Rehefa atao mba hampisehoana amim-pahatsorana ny fitiavana ilay olona izany, fa tsy fanehoana fahamaimaizana feno fitiavan-tena, dia afaka ny sady ho madio no mety tsara. Ny bokin’ny Tonon-kiran’i Solomona ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa nifaneho fitiavana araka ny mety ilay tovovavy solemita sy ilay mpiandry ondry tiany ka hovadiny tsy ho ela. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5). Kanefa, toy ny nataon’ireo olon-droa nadio ireo, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka dia hitandrina mba tsy haloto na hitarika azy ireo ho amin’ny fijangajangana ny fifanehoany fitiavana.b (Galatiana 5:19, 21, NW ). Araka ny fandrindran-kevitra àry fa ny fanehoam-pitiavana toy izany dia tsy tokony hatao afa-tsy rehefa tonga hatramin’ny fotoana efa nifanaovan’izy roa fifanekena ilay fifandraisany ka tena hanaraka tokoa ny fanambadiana. Amin’ny fanehoana fifehezan-tena, dia afaka ny hifantoka amin’ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fiarahana mahomby alohan’ny fanambadiana ianao, izany hoe (...)
Fahafantarana “ny toetra miafin’ny fo”
Ny antokona mpanao fikarohana iray dia nanao izao tatitra izao tao amin’ny nomerao tamin’ny May 1980 amin’ny Journal of Marriage and the Family: “Toa azo inoana kokoa ny haharetan’ireo fanambadiana sy hahasambatra azy ireo raha miditra ao amin’izany amin’ny fananana fahalalana feno momba ny maha-izy ilay iray ny olona.” Eny tokoa, tena zava-dehibe ny fanaovana izay hahafantarana ‘ny toetra miafin’ny fon’ilay namanao’. — 1 Petera 3:4, NW.
Kanefa, mila fiezahana sy fahaiza-manavaka ny ‘fanovozana’ ireo zavatra kasain’ny fon’ny olon-kafa iray. (Ohabolana 20:5). Koa fanaovan-javatra izay azo inoana kokoa fa ho afaka hanampy anao hahita ny maha-izy ilay namanao àry no omano hatao. Mety ho ampy amin’ny voalohany ny fankanesana any amin’ny sinema na any amin’ny rindran-kira. Kanefa ny fanaovana zavatra izay hety kokoa ho amin’ny fifampiresahana (toy ny filalaovana ping-pong, ny fanaovana baolina, ary ny fitsidihana toerana misy biby azo jerena sy tranom-bakoka ary trano fampisehoana zava-kanto) dia ho afaka hanampy anareo kokoa hifankahalala tsaratsara kokoa.
Mba hahafahanao hahafantatra ireo fihetseham-pon’ilay namanao, dia manandrama manao fanontaniana tsy mitady valiny vita ho azy, toy ny hoe: ‘Inona no ataonao amin’ny fotoana tsy iasanao?’ ‘Raha tsy asiana resaka vola, inona no tianao hatao?’ ‘Inona amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika ho an’Andriamanitra no tianao indrindra? Nahoana?’ Izany dia hanome valin-teny lalina izay hanampy anao hahafantatra izay zavatra heverin’ilay namanao ho sarobidy.
Arakaraka ny fahatongavan’ny fifandraisanareo ho lalina kokoa sy hieritreretanareo roa kokoa ny amin’ny fanambadiana, dia ilaina ny hiresahanareo amim-pitandremana ny amin’ny raharaha lehibe toy ny fari-pitsipika ifikiranareo; ny toerana honenanareo sy ny fomba hivelomanareo; ny ara-bola, anisan’izany ny hoe tokony hiasa ve ianareo roa; ny fananan-janaka; ny fomba tsy hiterahana; ny fomba fiheverana ny anjara asan’ny tsirairay ao amin’ny fanambadiana; ary koa ireo zava-kendrena dieny izao sy amin’ny hoavy ary ny fomba kasaina hanatratrarana azy ireo. Vavolombelon’i Jehovah tanora maro no mpitory ny filazantsara manontolo andro rehefa avy nahavita ny fianarana tsy maintsy ataony ary maniry ny hanohy hanao izany aorian’ny fampakaram-badiny. Izao no fotoana hanaovanareo roa izay hahazoana antoka fa mifanaraka ireo zava-kendrenareo ara-panahy. Izao koa no fotoana hampiharihariana zavatra nitranga tamin’ny lasa angamba, izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanambadianareo. Mety ho tafiditra amin’izany ny fananana trosa na adidy lehibe. Ireo raharaha momba ny fahasalamana, toy ny aretina lehibe iray, sy ny ho vokany, koa dia tokony horesahina amim-pahatsorana.
Mandritra ny fifampiresahana toy izany, dia araho ny ohatr’i Eliho, izay nilaza hoe: “Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko; ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.” (Joba 33:3). Nanazava i Esther fa nanomana azy hanana fanambadiana sambatra ny fiarahany tamin’i Jaye talohan’ny fanambadian’izy ireo, ka nanao hoe: “Tsy nanandrana ny ‘mody nanaiky’ na nilaza fa nanaiky izay nolazain’i Jaye mihitsy aho rehefa tsy nitovy hevitra taminy, sady mbola tsy manao izany ihany. Miezaka foana ny hilaza ny marina aho.”
Aza manilika ireo raharaha sarotra na manakimpy maso eo anoloan’izany, noho ny tahotra ny hahasanganehana ilay namanao. Nanao izany fahadisoana izany i Beth fony niaraka tamin’i John talohan’ny fanambadiany. Nilaza i Beth fa nino izy fa zavatra tsara ny fitsitsiana vola ho fitsinjovana ny hoavy, fa tsy ny fandanilaniana foana. Nilaza i John fa nitovy hevitra taminy. Tsy nanohy nanontany intsony i Beth satria nihevitra fa nitovy tsy nisy hafa ny fomba fiheviny momba ny vola. Kanefa hita tatỳ aoriana fa ny tian’i John holazaina tamin’ny hoe mitsitsy ho fitsinjovana ny hoavy dia hoe mitsitsy mba hahazoana fiara mandeha haingana vaovao iray! Taorian’ny fampakaram-bady dia nampalahelo fa nanjary niharihary ny tsy fitovian-kevitr’izy ireo momba ny fandaniana vola.
Azo atao ny misoroka ny fifandisoan-kevitra toy izany. Hoy i Louise, notononina teo aloha, momba ny fiarahany tamin’ilay ho vadiny talohan’ny fanambadiany: “Tokony ho nanontany zavatra betsaka lavitra aho, toy ny hoe: ‘Ahoana raha bevohoka aho ka tsy naniry ny hanan-janaka ianao, inona no hataonao?’, na hoe: ‘Raha manan-trosa isika ka maniry hijanona ao an-trano aho mba hikarakara ny zanatsika, ahoana no handaminanao izany?’ Ho nandinika tamim-pitandremana ny fihetsiny aho.” Ny fifanakalozan-kevitra toy izany dia afaka mampiharihary toetra tsaran’ny fo izay tokony ho hita alohan’ny fanambadiana.
Jereo izy eo am-panaovan-javatra!
“Afaka ny hiseho ho mahafinaritra indrindra aminao ny olona iray rehefa miaraka irery ianareo”, hoy ny fanazavan’i Esther. “Kanefa rehefa misy olon-kafa eo, matetika dia tafiditra ao amin’ny tarehin-javatra tsy ampoizina izy. Mety hilaza amin’ilay namanao zavatra mety tsy ho tiany ny iray amin’ireo namanareo. Izao ianao dia hahita ny fomba fihetsiny eo anoloan’ny fanerena. Moa ve izy hamaly azy amim-pahatezerana na amim-panesoana?” Mamarana ny teniny toy izao i Esther: “Ny fiarahana tamin’ireo namanay sy fianakavianay avy nandritra ny fiarahanay talohan’ny fanambadiana dia nanampy anay be dia be.”
Ankoatra ny fialam-boly, dia mandania fotoana iarahanareo miasa. Manaova asa kristiana miaraka, anisan’izany ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanompoana kristiana. Ary koa, manaova ny sasany amin’ireo asa aman-draharaha andavanandro izay ho fomba fiaina aorian’ny fanambadiana — fiantsenana, fahandroan-tsakafo, fanasana lovia ary fampiriman-trano. Rehefa miaraka ao anatin’ny toe-javatra hita amin’ny fiainana andavanandro ianareo — izay mety ho samy hahitanareo ireo lafiny ratsy indrindran’ilay iray mihitsy aza — dia afaka ny hahatsikaritra izay mety ho fihamboana rehetra ianareo.
Ilay mpiandry ondry ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona dia nahita ny fihetsik’ilay ankizivavy tiany rehefa diso fanantenana na rehefa niasa mafy teo ambanin’ny masoandro nahamay — tsemboka sy reraka — izy io. (Tonon-kiran’i Solomona 1:5, 6; 2:15). Rehefa avy nahita azy nanohitra tamim-pahatokiana ireo fanangolen’i Solomona Mpanjaka nanan-karena izy, dia nihiaka hoe: “Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; tsy misy kilema hianao.” (Tonon-kiran’i Solomona 4:7). Azo antoka fa tsy te hilaza akory izy eo fa hoe tanteraka ilay tovovavy, fa hoe tsy nanana kileman-toetra na tsiny ara-pitondran-tena lehibe kosa izy. Ny hatsaran-tarehiny ara-batana dia vao mainka nohatsarain’ny fahatanjahany ara-pitondran-tena, izay nampanadino izay fahalemena rehetra nety ho nananany. — Ampitahao amin’ny Joba 31:7.
Mila fotoana ny fahafahana hiteny toy izany. Halaviro àry ny fidirana maimaika ao amin’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. (Ohabolana 21:5). Mazàna ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia hanao fiezahana manokana mba hahazoana ny fitiavan’ilay iray. Kanefa, raha avela hisy fotoana ampy ho lasa, dia hiseho ho azy ireo fahazarana sy fironana tsy mahafinaritra eo amin’ny tsirairay aminy. Ho an’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka izay maka ny fotoana sady mampiasa tsara izany fotoana izany mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana, dia azo inoana fa ho mora kokoa ny fifanarahana aorian’ny fampakaram-bady. Misokatra tsara ny mason’izy ireo ka afaka miditra ao amin’ny fanambadiana izy ireo, matoky fa afaka ny handamina ireo tsy fifanarahana izay hipoitra. Ny fiarahana mahomby alohan’ny fanambadiana dia nanomana azy ireo hanana fanambadiana mahomby sy sambatra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izany dia mihatra any amin’ireo tany izay mahazatra ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy ka heverina ho mety amin’ny Kristiana. Mazàna dia ny lehilahy no manomboka izany, na dia tsy misy fotopoto-pitsipika ara-baiboly aza manakana ny zatovovavy iray tsy haneho ny fihetseham-pony amin’ny fomba maotina raha saro-kenatra na miahanahana ny zatovolahy iray. — Ampitahao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona 8:6.
b Jereo ny toko faha-24, “Ahoana no Ahafahako Mandà Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona no zava-kendrena voalohany indrindra amin’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, ary zava-dehibe ve izy io ho an’ny fahasambarana ao amin’ny fanambadiana?
◻ Inona no hanampy anao hahafantatra ny ‘maha-izy’ an’ilay iray?
◻ Karazana resaka inona no mahatonga fiarahana mahomby alohan’ny fanambadiana?
◻ Nahoana no manampy ny fandaniana fotoana iarahana ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa?
◻ Zavatra sasantsasany hafa inona avy no hampiseho fa tsy misy lesoka amin’ny fifandraisana iray?
◻ Amin’ny toe-javatra manao ahoana no tokony hatsahatra ny fiarahana iray alohan’ny fanambadiana?
[Teny notsongaina, pejy 255]
“Toa azo inoana kokoa ny haharetan’ireo fanambadiana sy hahasambatra azy ireo raha miditra ao amin’izany amin’ny fananana fahalalana feno momba ny maha-izy ilay iray ny olona.” — Journal of Marriage and the Family
[Efajoro, pejy 256, 257]
Tokony Hisaraka ve Izahay?
Rehefa mihamanatona ny fotoana tokony hanaovana fanapahan-kevitra ny fifaneraserana iray, dia tsy mahagaga ny hipoiran’ny fisalasalana. Ahoana raha avy amin’ny kileman-toetra lehibe ao amin’ilay olona iarahanao ny fisalasalana toy izany, na avy amin’ny lesoka amin’ilay fifandraisana mihitsy?
Ohatra, marina fa na dia ireo olona mifankatia aza dia mety tsy hitovy hevitra indraindray. (Ampitahao amin’ny Genesisy 30:2; Asan’ny Apostoly 15:39.) Kanefa raha tsy mifanara-kevitra saika amin’ny zavatra rehetra ianareo, raha miova ho fifamaliana be ny resaka rehetra ifanaovanareo, na raha fitohitohizana fisarahana sy fiombonana indray tsy an-kijanona ny fifandraisanareo, dia mitandrema! Ny fitsapana iray nataon’ny mpitsabo 400 dia nampiharihary fa ny fifandirana lava dia famantarana mahery iray ny amin’ny “tsy fahavononana ara-pihetseham-po ho amin’ny fanambadiana”, sy ny amin’ny “toetran’olona roa tsy hifanahaza” mihitsy aza angamba.
Ny zavatra hafa iray koa tokony hampanahy dia mety ho ny fahitanao kileman-toetra manelingelina ao amin’ilay kasainao hovadina. Ny fisehoan’ny toetra mahery vaika ary na dia ny famantarana kely fotsiny ny amin’ny fitiavan-tena, ny tsy fahamatorana, ny toe-po vetivety dia miova na ny hamafisan-katoka, aza dia mety hahatonga anao hanontany tena raha maniry ny handany ny androm-piainanao rehetra miaraka amin’izany olona izany ianao. Kanefa maro no mody tsy mahita na manandrana ny hanamarina ny lafin-toetra ratsy toy izany ary toa tapa-kevitra ny hampaharitra ilay fifandraisana ihany na manao ahoana na manao ahoana vidiny. Nahoana izy ireo no manao izany?
Koa satria heverina ho zava-dehibe ny fiarahana alohan’ny fanambadiana eo amin’ny Kristiana marina — ary tokony ho izany no izy — dia misy toa mahatsapa ho voatery hanambady ilay olona iarahany. Mety hatahotra ny hiatrika ary angamba hanafintohina azy io koa izy ireo. Ny hafa koa mety hatahotra fotsiny ny tsy hahita olon-kafa hovadina. Kanefa tsy antony tsara tokony hampaharetana fiarahana iray izay feno zava-manahirana, izany.
Ny zava-kendren’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana dia mba hamantarana raha afaka ny hiafara amin’ny fanambadiana ilay izy. Ary raha manomboka fiarahana amim-pahamarinana tsara ny Kristiana iray, dia tsy voatery hanohy azy io izy raha hitany fa tsy mety ilay izy. Ankoatra izany, moa ve tsy ho ratsy sy ho fanehoam-pitiavan-tena ny fanohizana fifandraisana mihasimba iray satria hoe ‘sao dia tsy hahita olon-kafa aho’? (Ampitahao amin’ny Filipiana 2:4.) Zava-dehibe àry ny hiatrehanareo — fa tsy handosiranareo — ireo zava-manahirana eo amin’ny fiarahanareo. Atombohy amin’ny fandinihana tsara ilay olona iarahanao izany.
Ohatra, moa ve misy porofo fa ho vady hanaiky sy tsara io vehivavy io? (Ohabolana 31:10-31). Moa ve misy porofo fa haneho fitiavana feno fandavan-tena sy hahay hamelona ny ankohonany io lehilahy io? (Efesiana 5:28, 29; 1 Timoty 5:8). Mety hihambo ho mpanompon’Andriamanitra mazoto ny olona iray, kanefa misy asa manohana izany fihamboana fananana finoana izany ve? — Jakoba 2:17, 18.
Mazava ho azy fa raha efa nandany fotoana sy fihetseham-po be mba hampitomboana fifandraisana iray ianao, dia aza maika ny hampitsahatra izany satria fotsiny hoe hitanao fa tsy tanteraka ilay iray. (Jakoba 3:2). Angamba mety ho hainao ny hiaritra ireo kileman-toetrany.
Ahoana raha tsy izany no izy? Miresaha momba ilay izy. Moa ve misy fahasamihafana fototra eo amin’ny zava-kendrenareo na ny fomba fijerinareo zavatra? Sa nisy tsy fifankahazoan-kevitra fotsiny kosa? Sao dia samy mila ny hianatra ny ‘hahatsindry ny fanahinareo’ sy handamina ireo raharahanareo amim-pahatoniana kokoa ianareo? (Ohabolana 25:28). Raha misy lafin-toetra mahasorena anao ao amin’ilay iray, moa ve izy miaiky amim-panetren-tena ny amin’ny kileman-toetrany ary maneho faniriana ny hihatsara? Mety hila ny tsy ho mora sosotra na mora tohina kosa ve ianao? (Mpitoriteny 7:9). Ny ‘fifandeferana amin’ny fitiavana’ no fototra iorenan’ny fanambadiana sambatra iray. — Efesiana 4:2.
Tsy hanimba velively ny fifandraisanareo ny firesahana momba izany, fa vao mainka hampiharihary ny fahafahany hitombo amin’ny hoavy! Kanefa raha tsy mitondra na aiza na aiza indray ny fifampiresahana hafa iray, dia aza odian-tsy hita ireo famantarana mazava ny amin’ny loza azo antoka. (Ohabolana 22:3). Azo inoana fa tsy hihatsara aorian’ny fampakaram-bady izany. Ny fampitsaharana ny fiarahana alohan’ny fanambadiana dia mety ho ny tsara indrindra ho anareo roa.
[Sary, pejy 253]
Ny fifandinihana rehefa miaraka amin’ny olon-kafa maromaro dia afaka mamela anareo hifankahalala, kanefa tsy misy fahatsapana fihetseham-pom-pitiavana
[Sary, pejy 254]
Ny fankatoavana ireo fitsipiky ny fahalalam-pomba eo an-toerana dia manorina modely iray ny amin’ny fifanajana izay hitohy hatrany aorian’ny fampakaram-bady
[Sary, pejy 259]
Rehefa toa miharihary fa tsy misy vokany ny fiarahana iray alohan’ny fanambadiana, dia ho fanehoana hatsaram-panahy ny firesahana mivantana sy ny fanazavana ny antony tsy maintsy hamaranana ilay fifandraisana
-