FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Novambra
    • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’

      NOTANTARAIN’I EMMANUEL PATERAKIS

      Taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, dia nahazo fanasana iray tsy nahazatra ny apostoly Paoly: “Mità mankatỳ Makedonia, ka [ampio, NW ] izahay!” Nanaiky an-tsitrapo io fahafahana vaovao “hitory ny filazantsara” io i Paoly. (Asan’ny Apostoly 16:9, 10). Na dia tsy efa ela toy izany aza no nahazoako ilay fanasana, dia efa maherin’ny 50 taona lasa izay no nanekeko ‘hita’ tany amin’ny faritany vaovao, mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Isaia 6:8, manao hoe: “Inty aho, iraho aho.” Ireo dia maro be nataoko dia nahazoako ny anaram-bosotra hoe Mpizaha Tany Tsy An-kijanona, nefa tsy nisy fitoviana firy tamin’ny fizahan-tany ny zavatra nataoko. Mihoatra ny indray mandeha aho, rehefa tonga tao amin’ny efitrano nisy ahy tao amin’ny hotely fatoriana, no nandohalika ka nisaotra an’i Jehovah noho ny fiarovany.

      TERAKA tao Hierápetra, any Crète, tamin’ny 16 Janoary 1916 aho, tao amin’ny fianakaviana iray ortodoksa tena tia fivavahana. Nanomboka tamin’ny fotoana naha-zazakely anay sy ireo anabaviko telo, dia nentin’i Neny niangona izahay ny alahady. Naleon’ny raiko kosa nijanona tao an-trano mba hamaky ny Baiboly. Tia fatratra ny raiko, izay lehilahy nanao ny marina sy tsara fanahy ary tia fiantrana, aho, ary ny fahafatesany, fony aho sivy taona, dia nanohina ahy mafy.

      Tadidiko fa fony aho dimy taona, dia namaky andalan-teny iray aho tany an-tsekoly, nanao hoe: “Mitory ny fisian’Andriamanitra ny zava-drehetra manodidina antsika.” Rehefa nihalehibe aho, dia niaiky tanteraka ny momba izany. Araka izany, fony aho 11 taona, dia nifidy ny hanoratra famoaboasana fohy iray, izay nanana ho foto-keviny ny Salamo 104:24 hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra, henika ny zavatra nataonao ny tany.” Namabo ahy ireo zava-mahatalanjona teo amin’ny natiora, na dia ny zavatra tsotra toy ny voan-javatra misy elatra kely, izay entin’ny rivotra lavitra ny aloky ny hazo niaviany, aza. Herinandro taorian’ny nanolorako ilay famoaboasana fohy nataoko mba hotsaraina, dia novakin’ny mpampianatra ahy tamin’ny kilasy iray manontolo ilay izy, ary avy eo, tamin’ny sekoly iray manontolo. Tamin’izany fotoana izany dia nanohitra ny fitomboan’ny fiheverana komonista ny mpampianatra ary faly izy ireo nandre ny fiarovako ny fisian’Andriamanitra. Izaho kosa dia faly nampahafantatra fotsiny ny finoako ilay Mpamorona.

      Valiny tamin’ireo fanontaniako

      Mbola velona ao amin’ny fitadidiako ny nihaonako voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1930. Nitory tany amin’ireo tanàna sy vohitra tany Crète i Emmanuel Lionoudakis. Nandray bokikely maromaro taminy aho, nefa ilay nitondra ny lohateny hoe Aiza Moa Ireo Maty? no tena nanintona ny saiko. Nanana tahotra nampihorohoro aoka izany momba ny fahafatesana aho, ka na dia ny hiditra tao amin’ilay efitra nahafatesan’ny raiko aza dia tsy nataoko. Rehefa namaky imbetsaka ilay bokikely aho, ka nahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly momba ny toetran’ny maty, dia tsapako ho tsy nisy intsony ny tahotro nifangaro finoanoam-poana.

      Indray mandeha isan-taona, nandritra ny fahavaratra, dia nitsidika ny tanànanay ny Vavolombelona ary nitondrany zavatra vita an-tsoratra bebe kokoa hovakina aho. Tsikelikely dia nitombo ny fahazoako ny hevitry ny Soratra Masina, nefa nanohy nandeha tany amin’ny Eglizy Ortodoksa aho. Nanamarika fiolahana anefa ilay boky hoe Délivrance. Nasehon’izy io mazava ny tsy fitoviana eo amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny an’i Satana. Nanomboka teo, dia nanomboka nianatra ny Baiboly sy izay nety ho zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower nety ho azoko aho, tamin’ny fomba tsy tapaka kokoa. Koa satria voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy, dia nianatra tamin’ny fomba niafina aho tamin’ny alina. Na dia izany aza, dia nafana fo aoka izany tamin’izay nianarako aho, hany ka tsy afaka nifehy ny tenako tsy hiresaka momba izany tamin’ny olona rehetra. Tsy ela dia nanomboka nanara-maso ahy ny polisy, tonga nitsidika ahy tsy tapaka na andro na alina, mba hikaroka ireo zavatra vita an-tsoratra.

      Nanatrika fivoriana voalohany aho tamin’ny 1936, tany amin’ny 120 kilaometatra avy tao Iráklion. Faly aoka izany aho nihaona tamin’ny Vavolombelona. Ny ankamaroan’izy ireo dia olona tsotra, mpamboly ny ankabeazany, nefa nampiaiky ahy izy ireo fa io no fahamarinana. Natao teo no ho eo ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.

      Fisehoan-javatra iray tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny batisako. Indray alina, tamin’ny 1938, dia nentin’ny Rahalahy Lionoudakis tao anatin’ny haizina tanteraka teny amoron-dranomasina izaho sy roa tamin’ireo olona nampianariko Baiboly. Rehefa avy nanao vavaka izy, dia nandroboka anay tao anaty rano.

      Voasambotra

      Ny fotoana voalohany nivoahako nitory dia nisehoan-javatra maro, mba tsy hilazana zavatra hafa. Nihaona tamin’ny mpiara-mianatra iray tamiko taloha izay lasa pretra aho, ary niara-nanao dinidinika tsara dia tsara izahay. Taorian’izany anefa, dia nohazavainy fa voatery nampisambotra ahy izy, nifanaraka tamin’ny baikon’ny eveka. Raha mbola niandry tao amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna ny fahatongavan’ny polisy avy tany amin’ny vohitra iray akaiky teo izahay, dia nisy vahoaka niangona tany ivelany. Koa naka ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny grika, izay tao amin’ilay birao aho, ary nanomboka nanao lahateny tamin’izy ireo, niorina tamin’ny Matio toko faha-24. Tamin’ny voalohany dia tsy naniry hihaino ny olona, nefa nanelanelana ilay pretra. “Avelao izy hiteny”, hoy izy. “Baibolintsika iny.” Afaka niteny nandritra ny adiny iray sy sasany aho. Araka izany, ny andro voalohany nankanesako teny amin’ny fanompoana no fotoana nanaovako ny lahateniko ampahibemaso voalohany koa. Koa satria mbola tsy tonga ihany ny polisy rehefa nahavita aho, dia nanapa-kevitra ny ben’ny tanàna sy ilay pretra hampaka antokon-dehilahy mba hampiala ahy amin’ny tanàna. Teo amin’ny fiolahana voalohany tamin’ny lalana, dia nanomboka nihazakazaka haingana araka izay afako aho mba hialana tamin’ny vato nitorahany ahy.

      Ny ampitso, dia nisambotra ahy tany am-piasana ny polisy roa lahy izay niaraka tamin’ilay eveka. Tany amin’ny paositry ny polisy dia afaka nanao fanambarana tamin’izy ireo avy tamin’ny Baiboly aho, nefa noho ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teny amiko tsy nisy ny mari-pankasitrahan’ny eveka, dia nohelohina ho nitaona olona hanaraka finoana hafa sy nizara zavatra vita an-tsoratra tsy nahazoan-dalana, aho. Nafahana aho teo am-piandrasana ny fitsarana.

      Notsaraina aho, iray volana tatỳ aoriana. Nanazava aho, ho fiarovan-tenako, fa tsy nanao afa-tsy ny nankato ny didin’i Kristy milaza mba hitory. (Matio 28:19, 20). Namaly tamim-panesoana ny mpitsara hoe: “Ilay nanome io didy io, anaka, dia efa nohomboana teo amin’ny lakroa. Malahelo aho fa tsy manana fahefana hanafay anao amin’ny sazy mitovy amin’izany.” Kanefa, nitsangana niaro ahy ny mpisolovava tanora iray tsy fantatro, tamin’ny filazana fa tokony hirehareha ny fitsarana fa misy tovolahy voaomana hiaro ny Tenin’Andriamanitra eo anoloan’ny fisian’ny Komonisma sy ny tsy finoana an’Andriamanitra hatraiza hatraiza. Avy eo izy dia nanatona ahy ary niarahaba ahy tamim-pahatsoram-po momba ny fiarovan-tenako an-tsoratra, izay tao anaty antontan-taratasy momba ny raharahako. Nanaitra azy fa tanora aoka izany aho, ary nanolotra ny hiaro ahy maimaim-poana izy. Tsy ilay sazy kely indrindra telo volana no azoko, fa folo andro monja an-tranomaizina sy onitra 300 drachmes. Vao mainka nanatanjaka ny fahatapaha-kevitro hanompo an’i Jehovah sy hiaro ny fahamarinana ny fanoherana toy izany.

      Tamin’ny fotoana hafa iray, rehefa nosamborina aho, dia voamarik’ilay mpitsara ny fahakingako nanonona ny Baiboly. Niangaviany hivoaka ny biraony ilay eveka, tamin’ny filazana hoe: “Nanao ny anjaranao ianao. Izaho no hikarakara azy.” Avy eo izy dia namoaka ny Baiboliny, ary niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay ny tolakandro manontolo. Nampirisika ahy hanohy ny zava-niseho toy izany, na dia teo aza ireo fahasahiranana.

      Fanamelohana ho faty

      Tamin’ny 1940, dia voantso hanao raharaha miaramila aho, ka nanoratra taratasy nanazava ny antony tsy nahafahako hanaiky hantsoina. Roa andro tatỳ aoriana, dia voasambotra aho ary voadaroky ny polisy mafy. Tamin’izay aho no nalefa tany amin’ny vava ady, tany Albania, ka tany dia notsarain’ny fitsarana miaramila noho ny tsy fetezako niady. Nilaza tamiko ireo manam-pahefana miaramila fa izay nety ho vokatry ny ohatra nomeko teo amin’ireo miaramila no nahaliana azy ireo, mihoatra noho ny hahafantatra na marina na diso ny tenako. Voaheloka ho faty aho, nefa noho ny fahadisoana teo amin’ny antontan-taratasy dia nohalefahina ho asa an-tery vozona folo taona io sazy io. Nandany ireo volana vitsivitsy nanaraka tamin’ny fiainako tany amin’ny fonja miaramila iray tany Gresy aho, tao anatin’ny toe-piainana tena sarotra, izay mbola itondrako takaitra.

      Tsy nisakana ahy hitory anefa ny tranomaizina. Tsy izany mihitsy! Mora ny nanombo-dresaka, satria maro no liana ta hahafantatra ny antony nahatonga ny sivily iray ho tao amin’ny fonja miaramila. Nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly tamin’ny tovolahy iray tso-po tao an-tokotanin’ny fonja, ny iray tamin’ireny resadresaka ireny. Nihaona indray tamin’io lehilahy io aho, 38 taona tatỳ aoriana, tamin’ny fivoriambe iray. Nanaiky ny fahamarinana izy ary nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny kongregasiona iray tany amin’ny nosin’i Lefkás.

      Rehefa nanafika an’i Iogoslavia ireo tafik’i Hitler tamin’ny 1941, dia nafindra toerana lavitra tany an-tranomaizina iray tany Preveza, tany atsimo, izahay. Nandritra ilay dia, dia notafihin’ny fiaramanidina alemà mpanjera baomba ny andian’ny mpiray dia nisy anay, ary tsy nomena sakafo izahay mpigadra. Rehefa tapitra ny sombi-mofo teny amiko, dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho hoe: “Raha sitraponao ho ahy ny hahafatesako noho ny hanoanana rehefa avy namonjy ahy tamin’ny fahafatesana ianao, dia aoka anie hatao ny sitraponao.”

      Ny ampitso dia niantso ahy hankeo anilany ny manamboninahitry ny tafika iray nandritra ny fiantsoana anarana ary, rehefa fantany hoe avy taiza aho, iza no ray aman-dreniko, ary nahoana aho no tany an-tranomaizina, dia nilazany aho mba hanaraka azy. Nentiny tany amin’ny efitrano fandrosoana sakafo ho an’ny manamboninahitry ny tafika tany an-tanàna aho, ka nasainy nankeo amin’ny latabatra iray nisy mofo sy foromazy ary zanak’ondry natsatsika, ary nilaza tamiko izy mba hihinana. Nohazavaiko anefa fa noho ireo mpigadra 60 hafa tsy nanan-kohanina, dia tsy namela ahy hihinana ny feon’ny fieritreretako. Hoy ny navalin’ilay manamboninahitra: “Tsy afaka manome hanina ho an’ny olona rehetra aho! Ny rainao dia tena nalala-tanana tamin’ny ahy. Manana trosa aminao aho fa tsy amin’ireo hafa.” “Raha izany no izy dia hiverina aho”, hoy ny navaliko. Nieritreritra kely izy ary avy eo dia nomeny kitapo be iray hanisiana sakafo betsaka araka izay azoko natao aho.

      Rehefa tafaverina tany an-tranomaizina aho, dia napetrako tamin’ny tany ilay kitapo ary hoy aho hoe: “Tompokolahy, ho anareo io.” Fifanandrifian-javatra fa ny omaly harivan’izay, dia nampangaina ho tompon’andraikitra tamin’ny toe-javatra ratsy nahazo ireo mpigadra hafa aho noho izaho tsy nety nivavaka tamin’i Maria Virjiny niaraka tamin’izy ireo. Kanefa, niaro ahy ny Komonista iray. Ankehitriny, rehefa nahita ilay sakafo izy, dia hoy izy tamin’ny hafa: “Aiza i ‘Maria Virjininareo’? Nilaza ianareo fa ho faty isika noho io lehilahy io, kanefa izy izao no mitondra sakafo ho antsika.” Avy eo dia nitodika tany amiko izy ary nanao hoe: “Emmanuel a! Avia ataovy ny fisaorana.”

      Rehefa afaka fotoana fohy taorian’izay, ny fandroson’ny tafika alemà dia nahatonga ireo mpiambina gadra handositra, ka nanafaka ireo mpigadra. Nandeha nankany Patras aho mba hahitana Vavolombelona hafa talohan’ny nitodiako nankany Athènes tamin’ny faran’ny May 1941. Tany aho dia afaka nahazo akanjo sy kiraro ary afaka nandro voalohany tao anatin’ny herintaona mahery. Hatramin’ny faran’ny fifehezana ny tany, dia nanajanona ahy tsy tapaka teny am-pitoriana ny Alemà, nefa tsy nisambotra ahy mihitsy izy ireo. Hoy ny iray taminy: “Any Alemaina, dia tifirinay ny Vavolombelon’i Jehovah. Eto anefa, dia irinay ho Vavolombelona avokoa ny fahavalonay rehetra!”

      Asa taorian’ny ady

      Toy ny hoe tsy leon’ny ady i Gresy, fa mbola norotidrotehin’ny ady an-trano izy io nanomboka tamin’ny 1946 ka hatramin’ny 1949, ka nahafaty olona an’arivony maro izany. Nila fampaherezana be dia be ireo rahalahy mba hitoetra hatanjaka tamin’ny fotoana izay, ny fanatrehana fivoriana fotsiny dia nety ho nitarika ho amin’ny fisamborana. Rahalahy maromaro no voaheloka ho faty noho ny fialanalanana notanany. Na dia teo aza anefa izany, dia naneho fihetsika tsara tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona maro, ary nisy batisa iray na roa isan-kerinandro. Tamin’ny 1947, dia nanomboka niasa tany amin’ny biraon’ny Fikambanana tany Athènes aho nandritra ny andro ary nitsidika ireo kongregasiona tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany tamin’ny alina.

      Tamin’ny 1948, dia faly aho nahazo fanasana hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, any Etazonia. Nisy zava-nanahirana anefa. Noho ireo fanamelohana ahy teo aloha, dia tsy afaka nahazo pasipaoro aho. Kanefa, ny iray tamin’ireo olona nampianariko Baiboly dia nifandray tsara tamin’ny jeneraly iray. Noho io olona nianatra io, dia azoko tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja ny pasipaoroko. Fotoana fohy talohan’ny niaingako anefa dia nanahy aho, rehefa nosamborina noho ny fizarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nentin’ny polisy iray tany amin’ny Lehiben’ny Polisy Misahana ny Filaminam-panjakana tao Athènes aho, ka gaga tanteraka fa hay mpifanolo-bodirindrina iray tamiko izy io! Nohazavain’ilay polisy ny antony nisamborana ahy ary nomeny azy ilay fonosana gazety. Namoaka antontan-gazety Ny Tilikambo Fiambenana avy tao amin’ny latabany izy ary hoy izy tamiko: “Tsy manana ny nomerao farany indrindra aho. Afaka maka iray ve aho?” Maivamaivana toy inona moa aho nahatsapa ny tanan’i Jehovah tamin’ny tarehin-javatra toy izany!

      Fanandraman-javatra nampanan-karena ara-panahy ny kilasin’i Gileada faha-16, tamin’ny 1950. Rehefa nifarana izy io dia voatendry tany Chypre aho, ary tsy ela dia tsapako koa fa lozabe toy ny tany Gresy ny fanoheran’ny klerjy tany. Tsy maintsy nisetra matetika ireo vahoaka betsaka nirehitra fatratra ara-pivavahana nampirisihin’ireo pretra ortodoksa ho amin’ny asa fanakorontanana, izahay. Tamin’ny 1953, dia tsy nohavaozina ny visa-ko hijanona tany Chypre, ka voatendry indray ho any Istamboul, any Torkia, aho. Fohy indray koa ny fijanonako tany. Ny fihenjanana ara-politika teo amin’i Torkia sy i Gresy dia nidika, fa na dia teo aza ireo vokatra tsara azo tamin’ny asa fitoriana, dia tsy maintsy niala ho amin’ny fanendrena hafa iray aho — Egypta.

      Fony aho tany an-tranomaizina, dia nahatsiaro ny Salamo 55:6, 7 aho. Tao i Davida dia nilaza ny faniriany mafy handositra tany an’efitra. Tsy noeritreretiko velively fa any marina tokoa no hisy ahy indray andro. Tamin’ny 1954, taorian’ny dia nandreraka iray naharitra andro maromaro tamin’ny fiarandalamby sy tamin’ny sambo mpandeha amin’ny Onin’i Nil, dia tonga tany amin’ny fitodiako aho tamin’ny farany — Khartoum, any Soudan. Ny hany zavatra niriko hatao dia ny handro sy ny hatory. Hadinoko anefa fa mitataovovonana ny andro. Ny rano, voatahiry tao amin’ny fitoeran-drano teo ambonin’ny tafontrano dia nandoro ahy, ka voatery nitondra kasika maivana vita tamin’ny hazo oaka nandritra ny volana maromaro aho mandra-pahasitran’ny hodi-dohako.

      Matetika aho tany dia nahatsiaro nangina, nanirery tany afovoan’i Sahara, an’arivony kilaometatra avy teo amin’ny kongregasiona akaiky indrindra, nefa nanohana ahy i Jehovah ary nanome ahy ny tanjaka hanohizana. Tonga avy tamin’ny loharano tsy nampoizina indrindra indraindray ny fampaherezana. Indray andro dia nihaona tamin’ny talen’ny Tranom-bakoka tao Khartoum aho. Nalala-tsaina izy ka niara-nanao dinidinika nahaliana izahay. Rehefa fantany fa nanana fiaviana grika aho, dia nanontany ahy izy raha ankasitrahako ny hankany amin’ny tranom-bakoka mba handika soratra sasany teo amin’ny fitaovana vita tanana izay hita tao amin’ny fiangonana iray tamin’ny taonjato fahenina. Taorian’ny adiny dimy tao amin’ny lakaly iray mahasempotra, dia nahita lovia fisaka iray nitondra ny litera efatra mampiseho ny anaran’i Jehovah aho. Alao sary an-tsaina ny hafaliako! Any Eoropa dia tsy mahalana no ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireo fiangonana, fa tany afovoan’i Sahara, dia tsy nahazatra indrindra izany!

      Taorian’ilay fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1958, dia notendrena tamin’ny naha-mpiandraikitra ny zone aho, mba hitsidika ireo rahalahy tany amin’ny tany sy faritany 26 tany Moyen sy Proche-Orient ary nanodidina ny Mediterane. Matetika dia tsy fantatro ny fomba hahatafavoahako tamin’ny tarehin-javatra sarotra iray, nefa nanome lalana ivoahana foana i Jehovah.

      Nanohina ny foko foana ny fiahiana asehon’ny fandaminan’i Jehovah ho an’ny Vavolombelona izay mitokana any amin’ny tany sasany. Tamin’ny fotoana iray dia nihaona tamin’ny rahalahy indiana iray izay niasa tamin’ny toeram-pikarohana solitany, aho. Hita fa izy irery ihany no Vavolombelona tao amin’ilay tany. Tao anatin’ny toerana fampirimany entana dia nanana zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny 18 samy hafa, izay nomeny ireo mpiara-miasa taminy, izy. Na dia tany amin’izany toerana izany aza, izay nandrarana mafy ny fivavahana vahiny rehetra, dia tsy nanadino ny andraikiny hitory ny vaovao tsara ny rahalahintsika. Nanaitra ireo mpiara-miasa taminy ny nahita fa nisy solontenan’ny fivavahany nirahina nitsidika azy.

      Tamin’ny taona 1959, dia nitsidika an’i Espaina sy i Portogaly aho. Samy teo amin’ny fitondrana miaramila tsy refesi-mandidy izy ireo tamin’izany, ka samy teo ambany fandrarana mafy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Tao anatin’ny iray volana dia afaka nitarika fivoriana maherin’ny zato aho, nampahery ireo rahalahy mba tsy hiraviravy tanana na dia teo aza ny zava-tsarotra.

      Tsy irery intsony

      Nandritra ny 20 taona mahery, dia nanompo an’i Jehovah tao amin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitovo aho, nefa nahatsiaro tampoka ho vizana tamin’ireo dia tsy an-kijanona nataoko tsy nisy toerana raikitra nijanonana. Tokony ho tamin’izany fotoana izany no nihaonako tamin’i Annie Bianucci, mpisava lalana manokana tany Tonizia. Nivady izahay tamin’ny 1963. Ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fahamarinana, ny fifikirany tamin’ny fanompoana nitambatra tamin’ny fahaizany nampianatra sy ny fahalalany fiteny hafa dia hita fa tena fitahiana tao amin’ny asa misionera sy ny asan’ny fizaran-tany nataonay tany amin’ny faritra avaratra sy andrefan’i Afrika sy i Italia.

      Tamin’ny Aogositra 1965 izahay mivady dia voatendry tany Dakar, Sénégal, ka tany dia nanana tombontsoa nandamina ny biraon’ny sampana teo an-toerana aho. Tany miavaka i Sénégal noho ny fileferany ara-pivavahana, tsy isalasalana fa noho i Léopold Senghor, prezidàny, izay iray tamin’ireo Filoham-panjakana afrikana vitsivitsy nanoratra tamin’ny Prezidà Banda, mba hanohanana ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ilay fanenjehana nahatsiravina nitranga tany Malawi tao anatin’ireo taona 1970.

      Fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah

      Tamin’ny 1951, rehefa niala an’i Gileada nankany Chypre aho, dia nitondra valizy fito. Rehefa niala an’i Torkia aho, dia nihena ho dimy izany. Rehefa nanao dia be dia be anefa aho, dia voatery nizatra tamin’ny fetran’entana 20 kilao azo entina, izay nahafaoka ireo antontan-taratasiko sy ny milina fanoratana keliko. Indray andro, dia hoy aho tamin’ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany: “Miaro ahy amin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo ianareo. Nahatonga ahy ho afaka niaina tamin’ny 20 kilao ianareo, ary afa-po aho.” Tsy nahatsiaro banga velively aho noho ny tsy fananana zavatra betsaka.

      Ny zava-nanahirana ahy lehibe indrindra nandritra ireo diako dia ny fidirana sy ny fivoahana tamin’ireo tany. Indray andro, tany amin’ny tany iray izay nandrarana ny asa, dia nanomboka nisavasava teo amin’ireo antontan-taratasiko ny polisy iray teo amin’ny ladoany. Nety ho nampidi-doza ny Vavolombelona tao amin’ilay tany izany, koa namoaka avy tao anaty palitaoko taratasy iray avy tamin’ny vadiko aho ka nilaza tamin’ilay polisy hoe: “Hitako fa tia mamaky taratasy ianao. Ho tianao koa ve ny hamaky itỳ taratasy avy tamin’ny vadiko itỳ, izay tsy ao anatin’ny antontan-taratasy?” Saikatsaikatra izy, dia niala tsiny ary namela ahy handeha.

      Hatramin’ny 1982, dia manompo amin’ny maha-misionera eto Nice, faritra atsimon’i Frantsa izahay mivady. Noho ny fahosana, dia tsy afaka manao betsaka araka ny nataoko taloha intsony aho. Tsy midika anefa izany fa nihena ny fifalianay. Hitanay fa ‘tsy foana akory ny fikelezanay aina’. (1 Korintiana 15:58). Faly aho mahita olona maro be, izay nananako tombontsoa ny nampianatra azy tao anatin’ireo taona, ary koa maherin’ny 40 amin’ny mpianakaviko, manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah.

      Tsy manenina mihitsy aho tamin’ireo sorona nataoko izay notakin’ny fiainako ‘niampitampita’. Raha dinihina tokoa, tsy misy mihitsy sorona ataontsika azo ampitahaina amin’izay nataon’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany ho antsika. Rehefa manao jery todika hatrany amin’ireo 60 taona lasa nahafantarako ny fahamarinana anefa aho, dia afaka milaza fa nitahy ahy tamin’ny fomba tondraka i Jehovah. Araka ny voalazan’ny Ohabolana 10:22, dia: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”.

      Tsy isalasalana fa ‘tsara noho ny aina ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana’. (Salamo 63:3, NW ). Noho ny tsy metimety amin’ny fahasalamana vokatry ny fahanterana tsy mitsaha-mitombo, dia matetika no ao anatin’ny vavaka ataoko ny tenin’ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry hoe: “Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho. Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô”. — Salamo 71:1, 5, 17, 18.

      [Sary, pejy 25]

      Miaraka amin’i Annie vadiko, ankehitriny

  • “Fanomezana Mahatalanjona avy Amin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Novambra
    • “Fanomezana Mahatalanjona avy Amin’i Jehovah”

      NIRAKITRA dinidinika lalina momba ny fialanalanana kristiana sy ny fomba hampifandanjana ny andraikitsika amin’i Jehovah sy amin’i “Kaisara” ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1996. (Matio 22:21). Nisy filazam-pankasitrahana maro re noho ilay fanazavana vaovao nomena. Anisan’ireny itỳ taratasy manaraka itỳ, izay nosoratan’ny Vavolombelona iray any Gresy ho an’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah:

      “Maniry hilaza aminareo ny fankasitrahako lalina indrindra anareo rehetra aho, ry rahalahy malala, noho ny fikarakarana anay tsara aoka izany eo amin’ny ara-panahy. Rehefa avy nandany sivy taona teo ho eo tany am-ponja noho ny finoako kristiana aho, dia tena mankasitraka tokoa ireo hevitra mahatalanjona ao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1996. (Isaia 2:4). Fanomezana mahatalanjona avy amin’i Jehovah izy io. — Jakoba 1:17.

      “Raha teo am-pankafizana ireo lahatsoratra ireo aho, dia tadidiko ny fanazavana iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana taloha kokoa (1 Aogositra 1994, pejy faha-14) nanao hoe: ‘Mazava tsara fa ny fahalalana ny antonona dia toetra sarobidy izay vao mainka manosika antsika ho tia an’i Jehovah bebe kokoa ihany’. Eny, ry rahalahy, misaotra an’i Jehovah aho fa anisan’ny fandaminany feno hatsaram-panahy sy be fitiavana, izay mampiseho mazava ny fahendreny. — Jakoba 3:17.

      “Ilay fahazavana mitombo tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May, dia noraisina tsara teto Gresy, indrindra fa ho an’ireo izay nandany taona maromaro tany am-ponja na mbola any am-ponja noho ny finoany. Misaotra anareo indray. Enga anie i Jehovah hanatanjaka anareo amin’ny fanahiny mba hanohizanareo hanome anay sakafo ara-panahy sarobidy ho an’izao fotoan-tsarotra izao.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara