Miaro ny Zo Hitory any Gresy ny Fitsarana Avo Eoropeana
NAHOANA ny lehilahy iray derain’ny mpiara-monina aminy no nosamborina maherin’ny in-60 hatramin’ny 1938? Nahoana io mpivarotra antsinjarany manao ny marina io, izay avy any Kreta, nosy grika, no nentina teo anatrehan’ny fitsarana grika in-18 ary nanefa sazy maherin’ny enin-taona an-tranomaizina? Eny, nahoana io raim-pianakaviana tia miasa io, i Minos Kokkinakis, no nesorina tamin’ny vadiny sy ny zanany dimy ary natao sesitany tany amin’ny nosy fanasaziana samihafa?
Tompon’andraikitra lehibe tamin’izany ireo lalàna nivoaka tamin’ny 1938 sy 1939 nandrara ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena. Ireo lalàna ireo dia naorin’i Ioannis Metaxas, mpitondra tsy refesi-mandidy, izay niasa teo ambanin’ny fitaoman’ny Eglizy Ortodoksa Grika.
Vokatr’io famoahan-dalàna io, nanomboka tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1992, dia nisy fisamborana 19 147 natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny fitsarana dia nandidy fanasaziana izay mitontaly ho 753 taona, ka ny 593 tamin’izany dia tena nefaina tokoa. Natao izany rehetra izany satria ireo Vavolombelona any Gresy, toy ny any an-toeran-kafa, dia manaraka ilay toromarik’i Jesosy Kristy mba ‘hanao mpianatra any amin’ny firenena rehetra (...) mampianatra azy ireo hitandrina izay rehetra nandidiany’. — Matio 28:19, 20.
Tamin’ny 25 May 1993 anefa, dia azo ny fandresena lehibe ho an’ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana! Tamin’io daty io, ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa, dia niaro ny zon’olom-pirenena grika iray hampianatra ny zavatra inoany amin’ny hafa. Tamin’ny famoahana fitsipika toy izany, io fitsarana avo eoropeana io dia namorona fiarovana lehibe dia lehibe ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana izay mety hisy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona na aiza na aiza.
Aoka isika handinika akaiky ireo fisehoan-javatra, anisan’izany ireo fitondrana nampietry natao tamin’ny olom-pirenena grika iray monja, izay nitarika ho amin’io fanapahan-kevitra ara-pitsarana manan-tantara io.
Toe-javatra tany am-piandohana
Tamin’ny 1938 io olom-pirenena io, i Minos Kokkinakis, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah voalohany voaheloka teo ambanin’ny lalàna grika izay nanao ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena ho heloka bevava iray. Tsy nisy fitsarana, fa dia nalefa hanefa sazy 13 volana an-tsesitany tany Aegean, nosin’i Amorgos, izy. Tamin’ny 1939, dia nohelohina indroa izy ary natao an-tranomaizina roa volana sy tapany isaky ny nandeha.
Tamin’ny 1940, dia nalefa an-tsesitany enim-bolana tany amin’ny nosy Melos i Kokkinakis. Ny taona nanaraka, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nigadra tany amin’ny fonja miaramila tany Atena nandritra ny 18 volana mahery izy. Mikasika io vanim-potoana io, dia izao no tsaroany:
“Niharatsy hatrany ny tsy fisian-tsakafo tao am-ponja. Nihaosa aoka izany izahay, hany ka tsy afa-namindra. Raha tsy noho ireo Vavolombelona avy tany amin’ny faritr’i Atena sy Pirée, izay nanome anay sakafo avy tamin’izay kely nananany, dia ho efa maty izahay.” Tatỳ aoriana, tamin’ny 1947, dia nohelohina indray izy ary nanefa sazy efa-bolana sy tapany hafa tany am-ponja.
Tamin’ny 1949, i Minos Kokkinakis dia nalefa an-tsesitany tany amin’ny nosin’i Makrónisos, anarana iray izay mitondra sarin’ny horohoro ao an-tsain’ireo Grika noho ilay fonja ao. Teo amin’ireo voafonja 14 000 nigadra tamin’izay, tany Makrónisos, dia 40 teo ho eo no Vavolombelona. Manao izao fanamarihana izao ilay firaketana grika hoe Papyros Larousse Britannica: “Ireo fomba fampijalijaliana feno habibiana, (...) ny toe-piainana izay tsy azo ekena ho an’ny firenena iray nahita fandrosoana, sy ny fihetsika mampietry ananan’ireo mpiambina amin’ny voafonja (...) dia henatra ho an’ny tantaran’i Gresy.”
Nilazalaza toy izao ilay toe-piainana i Kokkinakis, izay nandany herintaona tao amin’ilay fonja any Makrónisos: “Sahala amin’ireo mpikambana tao amin’ny Inquisition, ireo miaramila dia naka am-bavany ny voafonja tsirairay, nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro. Tsy ho voalazan’ny teny ireo fampijalijaliana nampiharin’izy ireo. Voa ny sain’ny mpigadra maro; nisy hafa novonoina ho faty; ary maro be no navela ho kilemaina ara-batana. Nandritra ireo alina nahatsiravina izay nandrenesanay ny kiakiaka sy toreon’ireo nampijalijalina, dia niara-nivavaka izahay.”
Taorian’ny nahatafavoaka azy velona tamin’ireo zava-tsarotra tao Makrónisos, dia voasambotra inenina fanampiny i Kokkinakis nandritra ireo taona 1950, ary nanefa sazy folo volana tany am-ponja. Tamin’ireo taona 1960 izy dia voasambotra inefatra fanampiny ary voaheloka valo volana am-ponja. Tsarovy anefa fa i Minos Kokkinakis dia iray monja tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro izay voasambotra sy natao am-ponja nandritra ireo taona maro nandalo, noho izy ireo niresaka ny finoany tamin’ny hafa!
Tamin’ny ahoana io tsy rariny nahatsiravina natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy io no tonga teo anatrehan’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona tamin’ny farany?
Raharaham-pitsarana modely
Niandoha tamin’ny 2 Martsa 1986 io raharaha ara-pitsarana io. Tamin’io daty io i Minos Kokkinakis, mpandraharaha efa nisotro ronono, 77 taona tamin’izay, sy ny vadiny dia nitsidika tao an-tranon-dRtoa Georgia Kyriakaki tany Sitia, Kreta. Nampilaza tany amin’ny polisy ny vadin-dRtoa Kyriakaki, izay mpitarika hira ao amin’ny eglizy ortodoksa eo an-toerana. Tonga ny polisy, ary dia nisambotra an’Atoa sy Rtoa Kokkinakis izay nentina tany amin’ny paositry ny polisy teo an-toerana. Voatery nandany ny alina tany izy ireo.
Inona no fiampangana natao tamin’izy ireo? Mitovy amin’ilay natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah niverimberina inarivony maro nandritra ireo 50 taona lasa, dia ny hoe: nitaona ny hafa hanaraka ny finoany izy ireo. Milaza toy izao ny Lalàm-panorenana grika (1975), Andininy faha-13: “Voarara ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena.” Diniho koa ny lalàna grika, fizarana faha-4, nomerao faha-1363/1938 sy faha-1672/1939, izay manao ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena ho heloka bevava. Hoy izy io:
“Ny tiana holazaina indrindra amin’ny hoe ‘fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena’ dia izay mety ho fanandramana mivantana na tsy mivantana mitsabaka amin’ny finoana ara-pivavahan’ny olona iray tsy mitovy zavatra ekena ara-pivavahana amin’ny tena (...), amin’ny fikendrena ny hanimba izany zavatra inoana izany, na amin’izay mety ho karazana fitaomana na fampanantenana fitaomana, na fanohanana ara-tsaina, na fanampiana ara-nofo, na amin’ny alalan’ny fomba misy fitaka, na amin’ny fanararaotana ny tsy fananany fanandraman-javatra, ny fatokiany, ny zavatra ilainy, ny tsy fahaizany, na ny fahatsorany loatra.”
Nandre ilay raharaha ny Fitsarana Ady Heloka tany Lasithi, any Kreta, tamin’ny 20 Martsa 1986, ary nahita fa meloka ho nitaona olona hanaraka ny finoany Atoa sy Rtoa Kokkinakis. Samy voaheloka efa-bolana am-ponja izy roa. Tamin’ny fanamelohana ilay mpivady, dia nanambara ny fitsarana fa ireo voampanga dia nitsofoka an-keriny “tao amin’ireo zavatra inoana ara-pivavahan’ny Kristiana ortodoksa (...) tamin’ny fanararaotana ny tsy fananan’izy ireo fanandraman-javatra sy ny tsy fahaizany ary ny fahatsorany loatra”. Fanampin’izany, ireo voampanga dia nampangaina ho “nampirisika [an-dRtoa Kyriakaki] tamin’ny alalan’ny fanazavan’izy ireo feno fahendrena, sy fahaizana (...) mba hanovana ny finoana kristiana ortodoksa nananany”.
Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Ambony tany Kreta ilay fanapahan-kevitra. Tamin’ny 17 Martsa 1987, dia nanafaka madiodio an-dRtoa Kokkinakis io fitsarana tany Kreta io fa nitana ny fanamelohana ny vadiny, na dia nampihena ny saziny ho telo volana aza izy io. Nilaza ilay didim-pitsarana fa Atoa Kokkinakis dia “nanararaotra ny tsy fananany [Rtoa Kyriakaki] fanandraman-javatra sy ny tsy fahaizany ary ny fahatsorany loatra”. Nilaza izy io fa “nanomboka namaky andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina izay nofakafakainy tamim-pahakingana [izy], hany ka tsy afa-nanohitra ilay vehivavy kristiana noho ny tsy fananany fahalalana fototra ampy”.
Nanana hevitra hafa ny mpitsara iray tao amin’ny fitsarana ambony ka nanoratra fa “tokony ho nafahana madiodio koa [Atoa Kokkinakis], satria tsy misy porofo mampiseho fa i Georgia Kyriakaki (...) dia tsy ampy fanandraman-javatra amin’ny fomba manokana eo amin’ny fampianarana kristiana ortodoksa, indrindra fa noho izy manambady mpitarika hira ao am-piangonana, na hoe tsy ampy fahaizana amin’ny fomba manokana na hoe tsotra loatra amin’ny fomba manokana, hany ka hoe ho afaka hanararaotra ilay voampanga ary (...) [noho izany] dia nitaona azy ho tonga mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah”.
Nampiakatra ilay raharaha tany amin’ny Cour de Cassation grika, ilay Fitsarana Tampony ao Gresy, Atoa Kokkinakis. Tsy nandray ilay fangatahana fitsarana ambony anefa io fitsarana io tamin’ny 22 Aprily 1988. Koa tamin’ny 22 Aogositra 1988, dia nanao fangatahana tany amin’ny Vaomiera Eoropeana Momba ny Zon’olombelona, Atoa Kokkinakis. Nekena tamin’ny farany ny fangatahany tamin’ny 21 Febroary 1992, ary nentina teo amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona.
Ny niafaran’ilay raharaha
Koa satria i Gresy firenena mpikambana ao amin’ny Konsilin’i Eoropa, dia voatery manaraka ireo Andininy ao amin’ny Fifanarahana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona izy. Vakina toy izao ny Andininy faha-9 amin’ilay Fifanarahana: “Ny olona tsirairay dia manana zo hanana fahalalahana eo amin’ny fisainana sy ny feon’ny fieritreretana ary ny fivavahana; izy io dia mahatafiditra ny fahalalahana hiova fivavahana na zavatra inoana, ary fahalalahana hampiseho ny fivavahany na zavatra inoany eo amin’ny fanompoam-pivavahana, eo amin’ny fampianarana, eo amin’ny fomba fanao sy eo amin’ny fitandremana, ka afaka manao izany samy irery na miaraka amin’ny hafa ary ampahibemaso na manokana.”
Araka izany, dia nanjary voampanga ny fitondram-panjakana grika teo amin’ny fitsarana eoropeana. Nampangaina izy io ho nandika ankarihary ny zon’ny olombelona fototra ananan’ny olom-pirenena grika iray hanaraka fivavahana mitandrina ny baikon’i Jesosy Kristy, dia ny hoe ‘hampianatra sy hanao mpianatra’. (Matio 28:19, 20). Ankoatra izany, dia nilaza ny apostoly Petera hoe: ‘Nanome baiko antsika [i Jesosy] mba hitory amin’ny vahoaka sy hanao fanambarana’. — Asan’ny Apostoly 10:42, DIEM.
Nisy nomerao manokana 1992 amin’ny Gazetiboky Eoropeana Momba ny Zon’olombelona nitondra lohateny teo amin’ny fonony manao hoe: “Gresy — Fandikana Ankitsirano ny Zon’olombelona.” Nanazava teo amin’ny pejy faha-2 toy izao ilay gazetiboky: “I Gresy no hany tany ao amin’ny CE [Communauté Européenne] sy eto Eoropa manana lalàna fanasaziana izay mampandoa lamandy sy fanasaziana an-tranomaizina izay rehetra manosika olon-kafa hiova fivavahana.”
Koa hatreo dia nisy fahataitairana sy tombantombana be ihany tao anatiny sy tany ivelan’ny faritra momba ny lalàna. Inona no ho fanapahan-kevitra hatao amin’ny lalàna grika izay mandrara ny fampianarana ny zavatra inoan’ny tena amin’ny hafa?
Fihainoana tany Strasbourg
Farany dia tonga ilay andro fihainoana — ny 25 Novambra 1992. Nandrahona be tao Strasbourg, ary nampangovitra ny hatsiaka, fa tao anatin’ilay Fitsarana kosa dia nafana fo ireo mpahay lalàna nandroso ny heviny. Nandritra ny adiny roa dia naroso ireo porofo. Nahatohina ny votoatin’ilay ady hevitra ny Profesora Phedon Vegleris, mpisolovavan’i Kokkinakis, tamin’ny fanontaniana hoe: ‘Moa ve io lalàna fameperana io izay natao mba hiarovana ireo mpikambana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika tsy ho voataona ho amin’ny zavatra inoana ara-pivavahana hafa, mbola hisy sy hampiharina hatrany?’
Niharihary fa tena very hevitra tokoa ny Profesora Vegleris nanontany hoe: “Manontany tena aho hoe nahoana io lalàna [momba ny fitaomana ny hafa hanaraka ny finoan’ny tena] io no mampitovy ny finoana ortodoksa amin’ny fahamaivanan-tsaina sy tsy fahalalana na inona na inona. Nanontany tena foana aho hoe nahoana ny finoana ortodoksa no tokony hila fiarovana amin’ny fahamaivanan-tsaina, amin’ny tsy fahaizana ara-panahy (...) Izany dia zavatra izay manahiran-tsaina sy manafintohina ahy.” Misy dikany matoa ilay solontenam-panjakana tsy afaka nanome ohatra iray nampiharana an’io lalàna io tamin’olon-kafa ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nasehon’ilay mpisolovava faharoa an’i Kokkinakis, Atoa Panagiotis Bitsaxis, fa tsy azon’ny saina ekena ilay lalàna momba ny fitaomana ny hafa hanaraka ny fivavahan’ny tena. Hoy izy: “Ny fanekena ny fisian’ny fitaomana avy amin’ny andaniny avy dia fanomanana ny saina ho amin’ny resaka ifanaovana eo amin’ny samy olon-dehibe. Raha tsy izany, isika dia ho anisan’ny fitambaran’olona sampontsampona mendrika hohamavoina, izay misaina fa tsy milaza ny heviny, izay miresaka, fa tsy mifampita hevitra, izay miaina fa tsy miara-miaina.”
Nandroso hevitra koa Atoa Bitsaxis fa “Atoa Kokkinakis dia nohelohina tsy ‘noho ny zavatra nataony’ fa [noho] ‘ny maha-izy azy’ ”. Noho izany dia nasehon’Atoa Bitsaxis fa tsy vitan’ny hoe nodikaina fotsiny ny fotopoto-pitsipiky ny fahalalahana ara-pivavahana, fa nomontsamontsanina tanteraka.
Ireo solontenan’ny fitondram-panjakana grika dia nanandrana nampiseho sary hafa noho ilay tena izy, tamin’ny fihamboana fa i Gresy dia “paradisa ho an’ny zon’olombelona”.
Ny fanapahan-kevitra
Tonga ilay daty nandrandraina hatramin’ny ela ivoahan’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny fomba ofisialy — ny 25 May 1993. Tamin’ny latsa-bato enina no ho telo, dia namoaka didy ny Fitsarana fa ny fitondram-panjakana grika dia nandika ny fahalalahana ara-pivavahana nananan’i Minos Kokkinakis, 84 taona. Ho fanampin’ny fanamarinana ny fanompoana ampahibemaso ataony eo amin’ny fiainany, ilay fitsarana dia nandidy ny hanomezana azy onitra 26 640 000 FMG. Araka izany dia nolavin’ny Fitsarana ilay hevitra naroson’ny fitondram-panjakana grika hoe mampiasa tetika misy fanerena i Kokkinakis sy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa miresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa.
Na dia mety handrara ny fitaomana ny hafa hanaraka ny finoan’ny tena aza ny Lalàm-panorenana grika sy ny lalàna grika tranainy, ny fitsarana avo any Eoropa kosa dia namoaka didy fa tsy mety ny fampiasana izany lalàna izany mba hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mifanaraka amin’ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona izany.
Nanazava toy izao ny fanapahan-kevitry ny fitsarana: “Ny fivavahana dia anisan’ny ‘fandehan’ny fisainan’olombelona azo havaozina tsy tapaka’ ary tsy azo eritreretina ny fanesorana azy ao amin’ny ady hevitra ampahibemaso.”
Niray hevitra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpitsara sivy nanao hoe: “Ny fitaomana ny hafa hanaraka ny finoan’ny tena, izay lazaina ho ‘zotom-po eo amin’ny fanaparitahana ny finoana’, dia tsy azo anasaziana amin’ny maha-izany azy; izy io dia fomba iray — ara-dalàna tanteraka amin’ny maha-izany azy — ‘anehoana ny fivavahan’ny tena’.
“Amin’izao raharaha ara-pitsarana izao, ilay mpangataka [Atoa Kokkinakis] dia nomelohina noho ny fanehoany fotsiny zotom-po toy izany, tsy nisy fanaovan-javatra tsy mety avy any aminy.”
Vokatr’ilay fanapahan-kevitra
Ny fitarihana mazava nomen’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona dia ny hitsaharan’ny mpitondra fanjakana sy ny fitondram-panjakana grika tsy hampiasa amin’ny fomba ratsy ny lalàna izay mandrara ny fitaomana ny hafa hanaraka ny fivavahan’ny tena. Antenaina fa hankato ny fitarihan’ilay fitsarana i Gresy ary tsy hanohy ny fanenjehany ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tsy fikasan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory ny hampiditra fiovana ara-tsosialy na hanova ny fandehan-javatra ara-dalàna. Ny zavatra lehibe indrindra ahin’izy ireo dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho fankatoavana ilay baikon’i Jesosy Kristy. Mba hanaovana izany anefa, dia faly izy ireo ‘mampandresy lahatra sy manamafy orina ny vaovao mahafaly’, toy ny nataon’ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany. — Filipiana 1:7, DIEM.
Olom-pirenena mpanara-dalàna any amin’ny tany rehetra izay misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, dia voatosika hankato ny lalàn’Andriamanitra araka izay voarakitra ao amin’ny Baiboly Masina, izy ireo. Noho izany, raha toa ny lalàna ao amin’ny tany iza na tany iza mandrara azy ireo tsy hiresaka amin’ny hafa ny zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly, dia voatery izy ireo miandany amin’ilay toerana notanan’ireo apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29.
[Efajoro, pejy 28, 29]
FANENJEHANA BEBE KOKOA AMPIRISIHAN’NY KLERJY
Nitranga hatramin’ny am-polony taona maro ny fanandraman’ny klerjy any Gresy ‘misaina fampahoriana amin’ny fampiasana ny lalàna’. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy). Vao haingana no voalamina ny fitrangan-javatra hafa iray teo amin’ny nosy Kreta. Tamin’ny 1987, ny eveka iray sy pretra 13 teo an-toerana dia niampanga Vavolombelona sivy ho nitaona olona hanaraka ny finoany. Farany, tamin’ny 24 Janoary 1992, dia tonga teo amin’ny fitsarana ilay raharaha.
Feno hika ilay efitrano nanaovana ny fitsarana. Nisy pretra teo amin’ny 35 teo ho eo vonona hanohana ireo fiampangana nataon’ireo nitory. Ny ankamaroan’ny fipetrahana anefa dia efa feno an’ireo Vavolombelona izay tonga mba hampahery ny rahalahiny kristiana. Na dia mbola tsy nanomboka akory aza ilay fanaovan-draharaha, dia nanondro fahadisoana lehibe momba ny lalàna nataon’ny mpiampanga, ilay mpisolovavan’ireo voampanga.
Ny vokatra faran’izany dia nisintona kely nanao fiaraha-mandinika manokana ireo izay tafiditra tao amin’ilay fanaovan-javatra. Taorian’ny adiny roa sy sasany nifandinihana, dia nanambara ny Prezidàn’ny Fitsarana fa marina ny an’ilay mpisolovavan’ny voampanga. Noho izany dia nofoanana ny fiampangana an’ireo Vavolombelona sivy! Namoaka didy izy fa mila ny haverina hatomboka indray ny famotopotorana mba hanamarinana raha meloka ho nitaona olona hanaraka ny finoany ireo voampanga na tsia.
Raha vantany vao natao ilay fanambarana, dia nitranga ny tabataba tao amin’ilay efitrano nanaovana ny fitsarana. Nanomboka niantsoantso fandrahonana sy fanevatevana ireo pretra. Nisy pretra iray namely ilay mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny lakroa ary nanandrana nanery azy mba hivavaka tamin’io. Voatery nisalovana ny polisy, ary afaka niainga tamim-pilaminana ihany ny Vavolombelona tamin’ny farany.
Taorian’ny fanafoanana ilay fitsarana, ny fiampangam-bahoaka dia nanomana fiampangana vaovao hamelezana ireo Vavolombelona sivy. Natao ilay fitsarana tamin’ny 30 Aprily 1993, roa tokom-bolana monja talohan’ny namoahan’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona ny fanapahan-keviny momba ny raharahan’i Kokkinakis. Teto indray koa, dia nisy pretra maro nanatrika.
Ny mpisolovavan’ireo Vavolombelona sivy dia nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny fanoherana fa ireo mpiampanga ny Vavolombelona dia tsy nanatrika teo amin’ny fitsarana. Tamin’ny fahamaizany hanomana fiampangana vaovao, dia nanao fahadisoana lehibe ilay fiampangam-bahoaka tamin’ny tsy fandefasana fiantsoana an’ireo mpiampanga. Koa nangataka ny hanafoanana ilay fitsarana niorina tamin’io fahadisoana lehibe io ireo mpisolovavan’ny Vavolombelona.
Tamin’izay, dia nandao ny efitrano nanaovana fitsarana ireo mpitsara mba hifandinika nandritra ny efa ho adiny iray. Rehefa tafaverina izy ireo, dia nanambara ilay Prezidàn’ny Fitsarana, ny lohany niondrika, fa ireo Vavolombelona sivy rehetra dia tsy meloka tamin’ireo fiampangana.
Velom-pisaorana ireo Vavolombelona any Gresy noho ny fiafaran’io raharaha ara-pitsarana io, sy noho ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona mikasika ny raharahan’i Kokkinakis tamin’ny 25 May tamin’itỳ taona itỳ. Ny vavak’izy ireo dia ny mba hahafahan’izy ireo hanohy ny fiainany kristiana ‘amim-piadanana sy mandry fahizay, amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy fahamaotinana rehetra’ ho vokatr’ireo fandresena ara-pitsarana ireo. — 1 Timoty 2:1, 2.
[Sary, pejy 31]
I Minos Kokkinakis sy ny vadiny