-
Tsy Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny FahamarinanaNy Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Janoary
-
-
Tsy Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fahamarinana
NOTANTARAIN’I G. N. VAN DER BIJL
Tamin’ny Jona 1941, dia natolotra ny Gestapo aho ka nentina ho any amin’ny toby fitanana tany Sachsenhausen, any akaikin’i Berlin, any Alemaina. Tao, dia mpigadra laharana faha-38190 aho, ary nijanona tao hatramin’ilay dia ben’ny fahafatesana nalaza ratsy, tamin’ny Aprily 1945. Alohan’ny hilazalazako ireny fitrangan-javatra ireny anefa, dia mamelà ahy hanazava ny fomba nahatonga ahy higadra.
TERAKA tao Rotterdam, any Holandy, aho, fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny 1914. Niasa tamin’ny lalamby i Dada, ary teny akaikin’ny lalamby no nisy ny tranokelinay. Tamin’ny faramparan’ilay ady tamin’ny 1918, dia nahita fiarandalamby maro izay mody nantsoina hoe fiarandalamby mpitondra marary, nitrena nandalo ny tranonay, aho. Tsy isalasalana fa feno miaramila naratra hoentina mody avy any amin’ny vava ady, izy ireny.
Fony 12 taona aho, dia nijanona tsy nianatra mba hitady asa. Valo taona tatỳ aoriana, dia nirotsaka hanao ny asan’ny tantsambo mpandroso sakafo tamin’ny sambo mpitondra mpandeha iray aho, ka nandritra ireo efa-taona nanaraka, dia nivezivezy tany Holandy sy Etazonia.
Rehefa niantsona teo amin’ny seranan’i New York izahay, tamin’ny fahavaratra 1939, dia nandrahona ny ady lehibe iray hafa. Koa rehefa nisy lehilahy iray nankeo amin’ny sambonay ka nanolotra ahy ilay boky hoe Gouvernement, izay niresaka ny amin’ny fitondram-panjakana marina iray, dia nandray izany tamim-pifaliana aho. Rehefa tafaverina tany Rotterdam aho, dia nanomboka nitady asa an-tanety, satria hita ho tsy azo antoka intsony ny fiainana an-dranomasina. Tamin’ny 1 Septambra, dia nanafika an’i Polonina i Alemaina, ka niditra tao amin’ny Ady Lehibe Faharoa ireo firenena.
Fianarana ny fahamarinana ara-baiboly
Indray alahady maraina tamin’ny Martsa 1940, dia nitsidika ny rahalahiko iray efa manambady aho, rehefa nampaneno ny lakolosy tao am-baravarana ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Nilaza taminy aho fa efa nanana ny boky Gouvernement, ary nanontany azy momba ny lanitra sy ny hoe iza no mankany. Nahazo valiny mazava sy araka ny fandrindran-kevitra aoka izany aho, hany ka nilaza anakampo hoe: ‘Itỳ no fahamarinana.’ Nomeko azy ny adiresiko, ary nasaiko izy mba hitsidika ahy any an-tranoko.
Taorian’ny fitsidihana telo monja, izay nanaovanay dinidinika lalina momba ny Baiboly, dia nanomboka niaraka tamin’ilay Vavolombelona teo amin’ny asa fitoriana isan-trano aho. Rehefa tonga teny amin’ny faritany izahay, dia nolazainy tamiko hoe aiza aho no hanomboka, ary dia nanomboka nitory irery aho. Izany no fomba nanombohan’ireo vaovao maro be ny asa fitoriana tamin’izany andro izany. Notoroana hevitra aho fa, mba tsy hahitana ahy eny amin’ny arabe, dia tokony ho any amin’ireo lalantsara foana aho rehefa manolotra ireo zavatra vita an-tsoratra. Nilaina ny fitandremana tamin’ny voalohandohan’ny ady.
Roatokom-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny 10 May 1940, dia nanafika an’i Holandy ny tafika alemà, ka tamin’ny 29 May, dia nanambara ilay iraky ny Reich atao hoe Seyss-Inquart fa voarara ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy niara-nivory afa-tsy tamin’ny naha-antokon’olom-bitsy izahay, ary nisy fitandremana natao mba hihazonana ho tsiambaratelo ireo toeram-pivorianay. Tena nampahery anay indrindra ireo fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany.
Mpifoka be aho taloha, ka rehefa notolorako sigara ilay Vavolombelona niara-nianatra ny Baiboly tamiko ka hitako fa tsy nifoka, dia hoy aho hoe: “Tsy afaka ny hijanona tsy hifoka mihitsy aho!” Fotoana fohy taorian’izay anefa, rehefa nandeha teny an-dalana aho, dia nieritreritra hoe: ‘Raha ho tonga Vavolombelona aho, dia maniry ho tena Vavolombelona.’ Noho izany, dia tsy nifoka intsony aho.
Fiandaniana tamin’ny fahamarinana
Tamin’ny Jona 1940, telo volana latsaka taorian’ny nihaonako tamin’ilay Vavolombelona tany an-tranon-drahalahiko, dia nanamarika ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah aho ka natao batisa. Volana vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny Oktobra 1940, dia niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro, tamin’ny naha-mpisava lalana, aho. Tamin’izany fotoana izany, dia nomena izay nantsoina hoe palitaon’ny mpisava lalana, aho. Nisy paosy maro be hasiana boky sy bokikely izy io, ka azo nanaovana tao anatin’ny pardesia.
Saika hatramin’ny nanombohan’ny fanapahan’ny Alemà, dia natao haza lambo sy nosamborina tsy tapaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Indray maraina, tamin’ny Febroary 1941, dia teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha niaraka tamin’ny Vavolombelona vitsivitsy hafa aho. Nitsidika ireo olona teny amin’ny ilany iray amin’ny fitambaran-trano iray izy ireo, fa izaho kosa niasa nanodidina teny amin’ny andaniny iray amin’ilay fitambaran-trano mba hihaona amin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandeha nijery ny antony naha-tara azy ireo aho ka nahita lehilahy iray izay nanontany ahy hoe: “Manana ny karazan’itony boky kely itony koa ve ianao?”
“Eny”, hoy aho namaly. Tamin’izay dia nosamboriny aho, ka nentiny tany amin’ny biraon’ny polisy. Nohazonina tao am-ponja nandritra ny efa ho iray volana aho. Sariaka ny ankamaroan’ireo polisy. Raha mbola tsy natolotra ny Gestapo ny olona iray, dia afaka niantoka ny fanafahana azy, tamin’ny fanaovana sonia ny fanambarana voasoratra iray fa hoe tsy hizara zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly intsony ny tenany. Rehefa nasaina nanao sonia fanambarana toy izany aho, dia namaly hoe: “Na dia homenareo vola iray na roa tapitrisa aza aho, dia mbola tsy hanao sonia an’io.”
Rehefa avy nohazonin’izy ireo elaela kokoa aho, dia natolotra ny Gestapo. Avy eo, dia nentina tany amin’ny toby fitanana tany Sachsenhausen, tany Alemaina, aho.
Fiainana tao Sachsenhausen
Rehefa tonga tao Sachsenhausen aho tamin’ny Jona 1941, dia efa nisy Vavolombelona 150 teo ho eo tao, ka Alemà ny ankamaroany. Nentina tany amin’ny faritra iray amin’ilay toby, nantsoina hoe Isolation (Fanokanana), izahay mpigadra vaovao. Tao dia nokarakarain’ireo rahalahinay kristiana izahay, ka nampiomaniny ny amin’izay ampoizina hitranga. Herinandro tatỳ aoriana, dia nisy andiana Vavolombelona hafa avy any Holandy tonga. Tamin’ny voalohany, dia nasaina nitsangana teo amin’ny toerana iray teo anoloan’ireo trano izahay, nanomboka tamin’ny fito ora maraina ka hatramin’ny enina ora hariva. Indraindray ireo mpigadra dia tsy maintsy nanao izany isan’andro nandritra ny herinandro na mahery.
Na dia teo aza ny fitondrana henjana, dia takatr’ireo rahalahy fa nilaina maika ny hitoerana ho voalamina sy ny handraisana sakafo ara-panahy. Isan’andro, dia nisy olona iray notendrena mba hanomana hevitra avy amin’ny andininy iray ao amin’ny Baiboly. Avy eo, tao amin’ny tokotany fihaonana, dia nanatona an’io olona io ireo Vavolombelona tsirairay, ka nihaino izay nomaniny. Tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia nisy zavatra vita an-tsoratra tafatsofoka tsy tapaka tao amin’ilay toby, ary tena nivory isaky ny alahady izahay ka niara-nianatra io zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly io.
Tamin’ny fomba tsy fantatra, dia tafatsofoka tao Sachsenhausen ny boky Enfants, izay navoaka tamin’ny fivoriambe tany Saint Louis, any Etazonia tamin’ny fahavaratry ny taona 1941. Mba hisorohana ny mety hahatratrarana an’ilay boky ka hamotehana izany, dia nosaratsarahinay izy io, ary naparitaka tany amin’ireo rahalahy ireo tapany aminy, mba hahafahan’ny tsirairay hifandimby hamaky izany.
Rehefa afaka kelikely, dia fantatry ny mpitantana ny toby ny momba ireo fivoriana nataonay. Noho izany, dia nosarahina ireo Vavolombelona ka napetraka tao amin’ny trano samy hafa. Nanome anay fahafahana tsara dia tsara hitory tamin’ireo mpigadra hafa izany, ka ho vokatr’izany, dia Poloney sy Ukrainiens maro ary ny hafa koa no nanaiky ny fahamarinana.
Tsy nafenin’ny Nazi ny fikasany hanapotika ny tsy fivadihana na hamono ireo Bibelforscher, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia henjana ny fanerena natao taminay. Nilazana izahay fa azo nafahana raha nanao sonia fanambarana ho fandavana ny finoanay. Nanomboka nihevitra ny rahalahy sasany hoe: “Raha afahana aho, dia ho afaka hanao bebe kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Na dia nisy vitsivitsy aza nanao sonia, ny ankamaroan’ireo rahalahintsika dia nitoetra ho nahatoky na dia teo aza ny fihafiana sy ny fampietrena ary ny fitondrana ratsy rehetra. Tsy fantatra intsony ny niafaran’ny sasany tamin’ireo nanaiky lembenana. Soa ihany anefa fa tafarina indray ny sasany taminy tatỳ aoriana, ka mbola Vavolombelona mavitrika.
Noterena tsy tapaka izahay mba hijery, rehefa nisy mpigadra nampiharana sazy ara-batana tamin-kerisetra, toy ny daroka in-25 tamin’ny vatan-kazo. Indray mandeha izahay dia nasaina nijery ny famonoana lehilahy efatra tamin’ny alalan’ny fanantonana. Tena misy vokany amin’ny olona iray ireny fahitan-javatra ireny. Nilaza tamiko toy izao ny rahalahy iray, lava ranjanana, niray trano tamiko: “Talohan’ny nahatongavako teto, dia tsy nahatanty ny nahita ra aho fa safotra avy hatrany. Nefa nanjary mafy fo aho ankehitriny.” Na dia nety ho nanjary mafy fo aza anefa izahay, dia tsy hoe nanjary tsy nanana fihetseham-po intsony akory. Afaka milaza aho fa tsy nanao ratsy na nahatsapa fankahalana ireo mpampijaly anay mihitsy.
Taorian’ny niarahako niasa tamin’ny kommando (antoko-mpiasa) nandritra ny fotoana fohifohy, dia nampidirina hopitaly noho ny fanaviana be aho. Nanampy ahy ny dokotera norveziana sy ny mpitsabo mpanampy iray avy any Tchécoslovaquie, ary angamba ny hatsaram-panahin’izy ireo no nanavotra ny aiko.
Ny dia ben’ny fahafatesana
Tamin’ny Aprily 1945, dia nazava fa resy i Alemaina. Nandroso haingana avy any andrefana ny mpiray dina tandrefana, ary ny Sovietika avy any atsinanana. Tsy ho vitan’ny Nazia ny hamono ireo olona ana hetsiny maro tao amin’ireo toby fitanana ka hanafina ny vatan’izy ireo ao anatin’ny andro vitsivitsy, ary tsy hamela soritra na inona na inona mihitsy. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny hamono ireo marary izy ireo, ka hitondra ireo mpigadra sisa ho any amin’ireo seranan-tsambo akaiky indrindra. Tany, dia nitetika ny hanondrana an-tsambo azy ireny izy ireo, ka handrendrika ireo sambo tany an-dranomasina.
Nanomboka tamin’ny alin’ny 20 Aprily ny dia ben’ireo mpigadra 26 000 teo ho eo, avy tao Sachsenhausen. Talohan’ny nialanay ny toby fitanana, dia novonjenay avy tao amin’ny toeram-pitsaboana ireo rahalahinay narary. Nahazo sarety, izay nahafahanay nitondra azy ireo, izahay. Tamin’ny fitambarany, dia nisy 230 avy amin’ny tany enina samy hafa, izahay. Anisan’ireo narary ny Rahalahy Arthur Winkler, izay nandray anjara be dia be tamin’ny fitaran’ny asa tany Holandy. Tany amin’ny vody laharan’ilay dia be izahay Vavolombelona, ka nifampahery tsy tapaka mba hanohizana handeha.
Tamin’ny voalohany, dia nandeha nandritra ny 36 ora tsy niato izahay. Teny am-pandehanana aho, dia tena resin-tory ara-bakiteny, noho ny fanaintainana mafy sy ny harerahana. Tsy azo natao anefa ny nijanona na ny niala sasatra, satria nety hotifirin’ireo mpiambina. Tamin’ny alina, dia natory teny an-kalamanjana izahay, na tany anaty ala. Kely ny sakafo, na tsy nisy mihitsy. Rehefa mafy loatra ny hanoanana, dia nolelafiko ilay famotsia-nify nomen’ny Croix-Rouge Soedoà anay.
Indray mandeha, noho ireo mpiambina alemà tsy nahafantatra marina hoe aiza ireo tafika rosiana sy amerikana, dia nitoby tao anaty ala nandritra ny efatra andro izahay. Tena fitondran’Andriamanitra izany satria, ho vokatr’izany, dia tsy tonga ara-potoana tao Lübeck Bay izahay mba handray ireo sambo izay tokony ho nitondra anay tany amin’ny fasanay tany anaty rano. Farany, taorian’ny 12 andro sy ny dia an-tongotra efa ho 200 kilaometatra, dia tonga tao amin’ny Alan’i Crivitz izahay. Tsy lavitra an’i Schwerin, tanàna tokony ho 50 kilaometatra avy ao Lübeck, izy io.
Tao ankavananay ireo Sovietika, ary ny Amerikana, tao ankavianay. Noho ny fidobok’ireo tafondro sy ny feom-basy tsy nitsahatra, dia fantatray fa tsy lavitra ny vava ady izahay. Nisahotaka ireo mpiambina alemà; ny sasany nandositra, ary ny hafa nanolo ny fanamia-miaramila nanaovany tamin’ny an’ny mpigadra efa maty, tamin’ny fanantenana fa tsy ho fantatra izy ireo. Tao anatin’ilay fisavoritahana, dia niangona mba hivavaka hahazoana tari-dalana, izahay Vavolombelona.
Nanapa-kevitra ireo rahalahy niandraikitra anay fa tokony hiainga vao maraina ny ampitson’iny izahay, ka handeha hanatona ny tafika amerikana. Na dia efa ho ny antsasak’ireo mpigadra niainga tamin’ilay dia ben’ny fahafatesana aza no maty na novonoina teny an-dalana, dia tafita velona daholo ireo Vavolombelona.
Nentin’ny fiara mpitondra miaramila kanadiana hatrany amin’ny tanànan’i Nimègue, izay toerana nipetrahan’ny anabaviko, aho. Nony tonga teo amin’ilay toerana anefa aho, dia nahita fa nifindra trano izy. Noho izany, dia nanomboka nandeha an-tongotra ho any Rotterdam aho. Soa ihany fa, teny an-dalana aho, dia nentin’ny fiaran’olona manokana nivantana ho any amin’ny toerana halehako.
Ny fahamarinana no fiainako
Iny andro nahatongavako tao Rotterdam iny ihany, dia nangataka indray hanao ny asan’ny mpisava lalana aho. Roatokom-bolana tatỳ aoriana, dia nahazo ny fanendrena ahy ho any amin’ny tanànan’i Zutphen, izay nanompoako nandritra ny herintaona sy tapany nanaraka, aho. Nandritra io fotoana io, dia niverina tsikelikely ny heriko ara-batana. Avy eo, dia voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany aho, araka ny niantsoana ireo mpanompo mpitety faritany. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasaina ho any amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tany South Lansing, any New York, aho. Rehefa nahazo diplaoma avy amin’ny kilasy faha-12 tamin’io sekoly io aho tamin’ny Febroary 1949, dia notendrena ho eto Belzika.
Nanompo teo amin’ny lafim-panompoana maro aho teto Belzika, anisan’izany ny efa ho valo taona tao amin’ny biraon’ny sampana sy ireo am-polony taona maro tamin’ny asa fitetezam-paritany, tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany sy mpiandraikitra ny distrika. Tamin’ny 1958, dia nanambady an’i Justine, izay nanjary ny namako tamin’ny fitetezam-paritany, aho. Ankehitriny, antitra aho, nefa mbola manana fifaliana, noho izaho afaka manompo amin’ny fomba voafetra amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany mpisolo toerana.
Rehefa manao jery todika ny fanompoako aho, dia afaka milaza marina hoe: “Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny fahamarinana.” Mazava ho azy fa tsy mora foana akory izany. Hitako fa nilaina ny nianarako avy tamin’ireo fahadisoako sy fahalemeko. Koa rehefa miresaka amin’ireo tanora aho, dia matetika no milaza amin’izy ireo hoe: “Ianao koa dia hanao fahadisoana, ary angamba hanao fahotana lehibe mihitsy aza, nefa aza mandainga momba izany. Resaho amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny loholona ilay raharaha, ary avy eo dia ataovy ireo fanitsiana ilaina.”
Tao anatin’ireo efa ho 50 taona lany tamin’ny fanompoana manontolo andro teto Belzika, dia nahazo tombontsoa aho nahita ireo izay fantatro taloha tamin’ny naha-zaza azy, manompo amin’ny maha-loholona na mpiandraikitra ny fizaran-tany, ankehitriny. Ary hitako ireo mpitory ilay Fanjakana 1 700 teo ho eo teto amin’ilay tany, nitombo ho maherin’ny 27 000.
Manontany aho hoe: “Mety hisy fomba hiainana tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah ve?” Tsy nisy mihitsy izany sady tsy misy ankehitriny, ary tsy hisy mihitsy. Mivavaka aho mba hitarika sy hitahy anay mivady mandrakariva i Jehovah, mba hahafahanay hanohy hanompo azy mandrakizay.
[Sary, pejy 26]
Miaraka amin’ny vadiko, fotoana fohy taorian’ny fampakaram-badinay tamin’ny 1958
-
-
“Manaova Mpianatra Olona avy Amin’ny Firenena Rehetra”Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Janoary
-
-
“Manaova Mpianatra Olona avy Amin’ny Firenena Rehetra”
“KOA mandehana àry, ary manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, ka manaova batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina”. Io no fomba andikan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ny didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19. Nokianina anefa io fomba fandikana io. Ny bokikely iray ara-pivavahana, ohatra, dia milaza toy izao: “Ny hany fomba azo andikana ilay teny grika dia hoe: ‘Ataovy mpianatra ny firenena rehetra’!” Marina ve izany?
Io fomba fandikana hoe “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra” io dia miseho ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly maro ary fandikan-teny ara-bakitenin’ilay teny grika. Koa inona àry no fototra nandikana azy io hoe: “Manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, ka manaova batisa azy”? Ny teny manodidina. Ilay teny hoe “manaova batisa azy” dia mazava fa manondro olona, fa tsy firenena. Hoy i Hans Bruns manam-pahaizana Alemà: “Ilay [teny] hoe ‘azy’ dia tsy manondro firenena (ilay teny grika dia manisy fanavahana mazava), fa ny olona ao amin’ireo firenena.”
Ankoatra izany, dia tokony hojerena ny fomba nanatanterahana ny didin’i Jesosy. Momba ny fanompoan’i Paoly sy i Barnabasy tany Derbe, tanàna iray tany Azia Minora, dia toy izao no vakintsika: “Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’izany tanàna izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy”. (Asan’ny Apostoly 14:21). Mariho fa i Paoly sy i Barnabasy dia nanao mpianatra, tsy ny tanànan’i Derbe akory, fa ny sasany tamin’ireo olona tao Derbe.
Toy izany koa, momba ny andro farany, ny bokin’ny Apokalypsy dia nanambara mialoha fa, tsy ny firenena rehetra akory no hanompo an’Andriamanitra, fa “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia voamarina ho fandikana ny tenin’ny ‘Soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra’, azo itokiana. — 2 Timoty 3:16.
-