-
Fantaro Ireo FamantaranaMifohaza!—2001 | 8 Septambra
-
-
Fantaro Ireo Famantarana
“Fihetseham-po ara-dalàna sy mahasalama ny alahelo; fa aretina kosa ny fahaketrahana. Ny fahatakarana sy famantarana ny fahasamihafan’ireo no tena olana.”—Dr. David Fassler.
MISY famantarana mazava, toy ny ankamaroan’ny aretina, ny fahaketrahana. Tsy mora anefa ny mamantatra azy ireny. Nahoana? Satria mety ho kivikivy tsindraindray, toy ny olon-dehibe ihany, ny zatovo rehetra. Inona no maha samy hafa ny fahakiviana kely sy ny fahaketrahana? Ny heriny sy ny faharetany.
Tafiditra amin’ilay heriny ny fiantraikan’ny fihetseham-po ratsy eo amin’ilay tanora. Mahery lavitra noho ny fahakiviana kely ny fahaketrahana, satria aretina ara-pihetseham-po mamely mafy ka misy fiantraikany eo amin’ny fizotran’ny fiainan’ilay zatovo. Izao no fomba nilazan’ny Dr. Andrew Slaby izany: “Eritrereto izay fanaintainana mafy indrindra nanjo anao—toy ny taolana tapaka, areti-nify, mihetsi-jaza—ka ampitomboy folo izany, ary hevero hoe tsy fantatrao ny antony. Amin’izay vao mety ho takatrao kely ny fanaintainana vokatry ny fahaketrahana.”
Mifandray amin’ny faharetan’ny fotoana itrangan’ilay alahelo ilay hoe faharetany. Araka ny profesora Leon Cytryn sy Donald McKnew, dia “mety ho tratran’ny fahaketrahana ny ankizy iray izay toa tsy mety manohy ny fiainany mahazatra, aorian’ny herinandro nampaherezana azy noho izy kivy (na inona na inona antony), na aorian’ny enim-bolana nitrangan’izay heveriny hoe famoizana lehibe.”
Famantarana mahazatra
Tsy hita ny fahaketrahana raha tsy rehefa misy famantarana mitranga amin’ilay tanora miverimberina isan’andro mandritra ny tapa-bolana, fara fahakeliny. Heverina ho mandalo fahaketrahana kely izy, raha somary fohy ilay fahakiviana. Somary lehibe kosa ilay fahaketrahana raha maharitra sy mahery kokoa, ka efa herintaona, fara fahakeliny, no misy famantarana, ary tsy mihoatra ny roa volana ny fihatsarany kely. Inona avy anefa no anisan’ireo famantarana ny fahaketrahana?a
Miova tampoka ny toe-po sy toetra. Manjary sarotra ifandraisana tampoka ilay zatovo hendry teo. Matetika ny zatovo ketraka no lasa mpikomy, ary mety handositra ny tranony mihitsy aza.
Mitokantokana. Tsy miaraka amin’ny namany ilay zatovo ketraka. Na mety hihatahan’ny namany izy, satria manjary misy fihetsika na toetra tsy tian’izy ireo aminy.
Saika ny zava-drehetra no tsy mahaliana azy loatra. Tsy ta hanao zavatra ilay zatovo. Mankaleo azy ny kilalao nahaliana azy vao haingana.
Miova be ny fahazarany misakafo. Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa matetika no mifandray amin’ny (ary mety ho vokatry ny) fahaketrahana ny aretina toy ny tsy fahazotoan-komana zary aretina, sy ny fahatendan-kanina zary aretina ary ny faniriana mafy hihinana be loatra.
Torimaso. Zara raha mahita tory na lasa be torimaso loatra ilay zatovo. Indraindray dia mifamadika ny torimasony, satria tsy matory izy ny alina, fa matory kosa ny antoandro.
Mihena ny fahaizany any am-pianarana. Tsy mahay mifanaraka amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ilay zatovo ketraka, ary mihena be ny naotiny. Tsy mety mandeha mianatra intsony mihitsy izy, aorian’izany.
Sahisahy manao zavatra, na mety hahafaty azy aza. Asehon’ireny ‘fisangiana fahafatesana’ ireny fa tsy dia liana amin’ny fiainana ilay tanora. Mety ho famantarana koa ny fandratrana tena (toy ny fandidiana ny hoditra).
Mahatsiaro ho tsy misy vidiny sy manamelo-tena tsy amin’antony. Mitsikera tena loatra ilay zatovo, mihevi-tena ho tsy nahomby tanteraka, na dia mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy.
Aretina vokatry ny toe-tsaina. Mety ho famantarana ny fahaketrahana koa ny hoe marary andoha, marary lamosina, marary vavony, na ny toy izany, nefa tsy hita ny antony nahatonga izany.
Mieritreritra fahafatesana sy famonoan-tena foana. Mety hilaza fahaketrahana ny fieritreretana foto-kevitra mampihoron-koditra foana. Toy izany koa ny fandrahonana hamono tena.—Jereo ilay faritra voafefy eto ambany.
Aretin’ny fihetseham-po roa sosona
Mety ho hita ao amin’ny aretina lehibe iray hafa antsoina hoe aretin’ny fihetseham-po roa sosona, ny sasany amin’ireo soritr’aretina ireo. Araka ny Dr. Barbara Ingersoll sy Sam Goldstein, ny olona voan’ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona dia “ketraka indraindray, ary avy eo dia falifaly loatra ary mitombo be ny tanjany, eny be loatra tsy toy ny fifaliana mahazatra.”
Ireto avy no mety ho anisan’ny famantarana an’io fifaliana tafahoatra io: eritreritra tsy voafehy, be resaka loatra, tsy dia mila torimaso intsony. Mety tsy hatory mandritra ny andro maro mihitsy aza ilay marary, nefa toa tsy reraka akory. Anisan’ny famantarana ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona koa ny fihetsika sahisahy loatra tsy mihevitra izay ho vokatry ny atao. “Matetika ny fifaliana loatra no misy fiantraikany eo amin’ny eritreritra sy ny fomba fijery zavatra ary ny fifandraisana amin’ny olona, ka miteraka zava-manahirana sy mahasadaikatra be”, hoy ny tatitry ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina. Hafiriana ny faharetan’io fihetseham-po io? Andro vitsivitsy monja indraindray; ary indraindray kosa volana maromaro alohan’ny hivadihany ho fahaketrahana.
Ny olona manana havana akaiky efa voan’ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona no mety ho voan’izy io indrindra. Soa ihany fa azo sitranina izy io. “Raha hita aloha be ka tsaboina araka ny tokony ho izy io aretina io, dia ho afaka hanana fiainana miorina tsara tokoa ireny ankizy ireny sy ny fianakaviany”, hoy ilay boky hoe Ankizy Voan’ny Aretin’ny Fihetseham-po Roa Sosona (anglisy).
Tsara homarihina fa tsy mandeha mitokantokana ny famantarana fahaketrahana na ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona. Matetika no fitambarana famantarana niseho nandritra ny fotoana kelikely no hamantarana azy io. Mbola eo ihany anefa ilay fanontaniana hoe: Nahoana no mahavoa ny zatovo io aretina mahavery hevitra io?
-
-
Jereo ny FotonyMifohaza!—2001 | 8 Septambra
-
-
Jereo ny Fotony
“Matetika no antony maromaro no mahatonga ny fahaketrahan’ny tanora fa tsy tokana monja.”—Dr. Kathleen McCoy.
INONA no mahatonga ny zatovo ho ketraka? Maro no mety ho anton’izany. Mety hahatonga ny tanora ho feno fisalasalana sy hatahotra, ohatra, ny fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po vokatry ny fahamaotiana, ka hanjary ho mpijery lafy ratsin-javatra izy. Manjary manao izany koa ny tanora, rehefa heveriny fa nolavin’ny namany na ny olon-tiany. Eo amin’ny tontolo mahaketraka koa no iainan’ny zatovo, araka ny efa nolazaina tao amin’ilay lahatsoratra voalohany. Tena miaina amin’ny “andro mahory” tokoa isika.—2 Timoty 3:1.
Vao mainka manampy trotraka koa ny hoe vao voalohany izao ny tanora no miatrika ny faneren’ny fiainana, ary sady tsy manana fahaizana izy no tsy manana traikefa iatrehana izany. Toy ny mpizaha tany mandeha any amin’ny faritra tsy mahazatra izy amin’izany, ka sahala amin’ny very lalana, nefa matetika no tsy voatosika hitady fanampiana. Mora miteraka fahaketrahana ireo tarehin-javatra ireo.
Misy anton-javatra maro hafa mety hahaketraka ny zatovo koa anefa. Horesahintsika ny sasany aminy.
Fahaketrahana sy famoizana
Indraindray ny fahaketrahana dia vokatry ny famoizana lehibe, angamba fahafatesan’ny havan-tiana, na fisarahan’ny ray aman-dreny. Mety hahaketraka ny zatovo, na dia ny fahafatesan’ny biby iray namany aza.
Misy karazana famoizana kely kokoa anefa. Afoy, ohatra, ny toerana sy namana mahazatra, rehefa mifindra trano. Mety hahatsiaro famoizana ny zatovo, na dia tratrany aza ny zava-kendrena niezahany hatry ny ela, toy ny fahazoana diplaoma any amin’ny lise. Raha manao dingana vaovao tokoa ianao, dia midika izany fa tsy hilamina sy hiadana toy ny teo aloha intsony ianao. Eo koa ireo tanora manana aretina mitaiza. Mety hahatonga azy hieritreritra ho hafahafa ny hoe tsy mitovy amin’ny namany izy, ary mety ho tsy raharahain’ny namany mihitsy aza.
Tanora maro tokoa no tsy resin’ireo famoizana ireo. Nalahelo izy ireo, nitomany mafy, kanefa niarina ihany, tamin’ny farany. Nahoana àry ny ankamaroan’ny zatovo no mahazaka ny faneren’ny fiainana, fa ny hafa kosa resy ka manjary ketraka mihitsy? Tsy mora ny mamaly izany, satria aretina sarotra ny fahaketrahana. Mety ho mora voan’izy io anefa ny tanora sasany.
Zavatra simika
Mihevitra ny manam-pahaizana maro momba ny fahasalaman’ny saina fa antony lehibe mahatonga fahaketrahana ny tsy fifandanjan’ny zavatra simika ao amin’ny atidoha.a Mety hanaranaka io tsy fifandanjana io, satria hitan’ireo mpikaroka fa azo inoana kokoa ho voan’ny fahaketrahana ireo manana ray aman-dreny toy izany. “Matetika no efa voan’ny fahaketrahana koa ny ray na ny renin’ireo ankizy ketraka”, hoy ilay boky hoe Sady Manirery no Malahelo no Tezitra (anglisy).
Izao àry no fanontaniana: Lovain’ny ankizy ve ny fahaketrahana, sa azony, noho ny fiaraha-miaina amin’ny ray aman-dreny voan’izy io? Sarotra ny manazava izany, satria taova tena sarotra hazavaina ny atidoha sy ireo anton-javatra maro hafa mety hiteraka fahaketrahan’ny zatovo.
Fahaketrahana sy rivo-piainana ao amin’ny fianakaviana
Nantsoina hoe raharaham-pianakaviana ny fahaketrahana, ary mety ho marina izany. Araka ny voalaza tetsy ambony, dia mety ho avy amin’ny ray aman-dreny miampita amin’ny taranaka manaraka, izany. Mety hahatonga azy io koa anefa ny rivo-piainana ao amin’ny fianakaviana. “Mety ho voan’ny fahaketrahana mora foana ireo ankizy ampijalin’ny ray aman-dreniny”, hoy ny Dr. Mark Gold. “Toy izany koa ireo ankizy manana ray aman-dreny manakiana tafahoatra na mifantoka amin’ny tsy fahaizany.” Mety ho ketraka koa ny ankizy raha mampihanta loatra na miaro loatra ny zanany ny ray aman-dreny. Mahaliana anefa fa hitan’ny mpikaroka iray fa mety ho vao mainka mora voan’ny fahaketrahana ny ankizy raha tsy dia miraharaha loatra azy ny ray aman-dreniny.
Tsy midika akory izany fa ny ray aman-dreny foana no ratsy raha ketraka ireo zatovo. Manjary tsy mihevitra ireo anton-javatra hafa miteraka ny fahaketrahana isika, raha manao safo be mantsina toy izany. Indraindray anefa dia ny rivo-piainana ao amin’ny fianakaviana no antony lehibe miteraka azy io. “Azo inoana kokoa ho ketraka ny ankizy manana ray aman-dreny miady lava, noho ireo ankizy manana fiainana milamina kokoa”, hoy ny Dr. David Fassler. “Anisan’ny mahatonga izany ny hoe variana loatra amin’ny adiny ireo ray aman-dreny, ka ataony tsirambina ny zavatra ilain’ny zanany. Mahatonga izany koa ny hoe ny ankizy indray no ataon’ireo ray aman-dreny fototry ny adiny, hany ka mahatsiaro ho meloka sy tezitra ary mitana lolom-po ireo ankizy.”
Ny sasany amin’ireo anton-javatra miteraka ny fahaketrahan’ny zatovo ihany ireo, fa mbola misy hafa koa. Milaza, ohatra, ny manam-pahaizana sasany fa mety hiteraka fahaketrahana koa ny zavatra ivelany toy ny tsy fahampian-tsakafo, ny poizina, ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Misy koa milaza fa mety hiteraka fahaketrahana ny fanafody toy ny fiadiana amin’ny zavatra tsy zaka sy ny fampitonena. Toa mora voan’ny fahaketrahana koa ny ankizy tsy mahay any am-pianarana, satria angamba mety hihevi-tena ho tsy misy vidiny izy rehefa hitany fa tsy arany ny mpiara-mianatra aminy.
Tsy maninona anefa izay anton’ny fahaketrahana, fa ny fanontaniana tokony hodinihina dia ny hoe: Ahoana no anampiana ny zatovo ketraka?
-