Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
Nataon’i Albert Schroeder
NY alahady voalohany tamin’ny jona 1934, dia nitory isan-trano tany New Jersey (Etazonia) izahay sy Alex Jones. Tsitapitapitr’izay, dia nitsofoka tao amin’ilay trano avo nisy anay ny polisy. Nosamboriny izahay, natosiny mafy ho ao anatin’ny fiarakodia iray ary nentiny nankany an-tranomaizina.
Rehefa afaka hateloana, ny mpitsara iray dia nanambara anay fa meloka ho nanao varo-mandeha tsy nahazoan-dalana ary nanasazy anay folo andro an-tranomaizin’ny “comté de l’Hudson” izahay, dia nasaina niala akanjo, nandro tamin’ny zavatra mamono otrikaretina sy nanao akanjon’ny mpigadra. Rehefa avy eo, dia nentina ho any amin’ny efitrano kely mihiboka (cellule) iray izahay.
Tany, dia nanam-potoana nisaintsainana aho. Vao 23 taona aho, ary faly nanompo manontolo andro tany amin’ny Betelan’i Brooklyn. Avelao aho hampahafantatra anareo ny sasany amin’ny zavatra voamariko.
Noho ny renibeko
Manana fahatsiarovana mampihetsi-po manokana aho avy amin’ny renibeko avy amin’ny reniko, Elizabeth Darger. Niala avy tany Alemaina ho any Etazonia ny ray aman-dreniny taloha kelin’ny 1870. Nampianatra teny alemana sy anglisy izy, ary niara-nonina tamin’ny ray aman-dreniko loteriana sy ny tenako tany Saginaw, tanàna nahaterahako, any Michigan. Nandritra ny Ady Lehibe voalohany, izy sy ireo rahavaviny izay mpampianatra koa, dia niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena, antsoina ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah.
Nitaky ny hanatrehako sekoly alahady, katesizy nalamin’ny Fiangonana loteriana, ny ray aman-dreniko, nefa nanome lalana an’i Nenibe hiresaka amiko ny amin’ny zavatra mahatalanjona ninoany araka ny Baiboly. Namaky ny Baiboly tamin’ny teny latina sy grika izy, ary nanaitra tao amiko ny faniriana hianatra an’io boky io tamin’ireo fiteny tany am-boalohany. Tsaroako tsara tokoa ireo fiaraha-midinika araka ny Baiboly mahavariana niarahany nanao tamin’ireo renin’ny nenitoako momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay hanapaka ny tany tsy ho ela, araka ny Daniela 2:44.
Tamin’ny 1923, i Nenibe dia nanomboka niara-nianatra tamiko ilay boky hoe La harpe de Dieu, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, ary niaraka taminy tany amin’ireo fivorian’ny kongregasiona tany Saginaw aho. Tao anatin’ny efitrano kely mihiboka (cellule) nisy ahy, dia nieritreritra ireny fivoriana ireny aho, ireo feo nalefa nohenoinay tamin’ny WBBR, ny foiben’ny radiaon’ny Fikambanana Watch Tower nalefa avy any Brooklyn (New York), ary nieritreritra fotoana hafa sahala amin’izany izay nampanapa-kevitra ahy.
Ohatra, tsaroako ny nandrenesana tao amin’ny radiao, lahateny iray nataon’i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Toronto (Kanada) tamin’ny 1927. Tamin’ny 1928, tany Detroit, any Michigan, no nanatrehako voalohany, fivoriambe iray. Tany no nihainoako ny tenan’ny rahalahy Rutherford mihitsy, ary nanana fifaliana aho nandany tamin’ny feo avo ilay fanapahan-kevitra hoe “Fanambarana ho fanoherana an’i Satana sy fiandaniana amin’i Jehovah”. Ilay boky vaovao hoe Gouvernement navoaka tamin’io fotoana io dia nampiseho fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fanapahana teokratika, fa tsy demokratika.
Fanamarihana vitsivitsy momba ny fianarana nataoko
Nieritreritra ny fianarana nataoko koa aho. Noho ny fanantitranteran’ny ray aman-dreniko, satria tsy tian’izy ireo ny hahatongavako ho minisitra kristiana manontolo andro, dia nanaiky ny handray vola fanampiana tany amin’ny oniversite aho. Tamin’izany no nandehanako tamin’ny septambra 1929 ho any Ann Arbor (any Michigan) mba hanao fianarana momba ny toe-karena, ny fiteny sy ny teknika.
Rtoa Judson, Tompon’ny trano nitoerako, dia nifandray tamin’ny kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly tany Ann Arbor. Tamin’ny fidirana tamin’ny fararano 1930, dia nilaza tamiko izy fa ny zazalahy iray sariaka tokoa avy any Alabama (Etazonia) dia vao tonga hipetraka ao amin’ny efitrano mifanatrika amin’ny ahy. Nihevitra izy fa handray tsara “ny hafatra araka ny Baiboly nentinay” izy io. Tena izany tokoa! Tsy ela dia tonga mpinamana akaiky izahay sy William (Bill) Elrod rehefa nanaiky ireo fahamarinana voambara ao amin’ny Baiboly izy; nifandray hatrany tokoa izahay hatramin’izao.
Koa satria tokony hanaraka fianarana izahay nandritra ny lohataonan’ny 1931, dia tsy afaka nanatrika ilay fivoriambe natao tany Columbus, any amin’ny Fanjakan’i Ohio, izahay sy Bill Elrod. Ny alahady 26 jolay anefa, dia nihaino ny lahateny ampahibemaso nampitaina tamin’ny radiao izahay, ary anisan’ireo mpihaino tsy nanatri-maso izay nanaiky tamin-kafanam-po ny anarana mahafinaritra tokoa hoe “Vavolombelon’i Jehovah”.
Tany amin’ny faritry ny oniversite tamin’izany fotoana izany, dia niadian-kevitra aoka izany ny amin’ny sosialisma, ny fasisma sy ny kaominisma. Tamin’ny oktobra 1931 aho dia teo afovoan’ny mpianatra 3 000 nanaovan’i Winston Churchill kabary nidera ny demokrasia ho ny karazam-pitondram-panjakana tsara indrindra foana. Tatỳ aoriana, tamin’ny desambra 1931, Bertrand Russell, mpahay matematika sy filozofa britanika nalaza, dia niresaka taminay ny amin’ny fanohanana ny fandriampahalemana. Nanaraka izany, dia Hjalmar Schacht, tonian’ny Reichsbank any Berlin (Alemaina), no namakafaka ny amin’ny ilàna fandaharana ara-toe-karena fehezin’ny Fanjakana; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanohana ny “national-socialisme”, na nazisma, izy. Roa taona tatỳ aoriana, dia minisitry ny Toe-karena teo anivon’ny fitondram-panjakan’i Hitler izy.
Taorian’ny nandrenesako ireo mpanao politika ireo nandefa ny antsony, dia niaiky tsy mbola nisy toy izany aho fa ny Fanjakan’ny Mesia ihany no afaka nahaforona fitondram-panjakana iraisam-pirenena tsara iray. Nikasa ny hampitsahatra ny fianaranay àry izahay sy Bill Elrod ny 15 jona 1932 mba hiaraha-miditra tamin’ny fanompoana manontolo andro, dia izay antsoina ankehitriny hoe asan’ny mpitory maharitra.
Tonga mpitory maharitra talohan’ny nanaovana batisa anay izahay. Tamin’izany fotoana izany tokoa dia tsy mbola noferana tamin’ny fomba hentitra na tokony hatao batisa na tsia ireo izay nanana fanantenana ny ho eto an-tany. Kanefa, taorian’ny nanaovana batisa ahy tany Vandercook Lake (Michigan) tamin’ny 24 jolay 1932, dia hitako mazava fa ny fanantenako dia nanjary ny an’ny mpikambana voahosotra, araka ny ‘nolazain’ny fanahy’. — Romana 8:16.
Asa teto amin’ny Betelan’i Brooklyn
Fony izahay mbola mpitory maharitra tany Howell, ny 9 septambra i Bill dia niverina nihazakazaka avy any amin’ny paositra nampiseho telegrama mavo. Izany dia nirakitra fanasan’ny rahalahy Rutherford hiseho ao amin’ny Betela raha vao azo atao mba hiasa ao. Telo andro monja no nilainay mba handaminana ny fiainganay sy hanaovana 1 100 kilaometatra hatraty Brooklyn tamin’ny Ford modely T. nentinay. Ny 13 septambra 1932, dia nandalo teo amin’ny tetezan’i Brooklyn izahay rehefa ela ny ela ary tonga teto amin’ny Betela. Tamin’izany fotoana izany, ny fianakavian’ny Betela dia niisa ho mpikambana 200, ka rahalahin’ilay Mpanjaka voahosotra ny ankamaroany.
Rehefa avy niasa herinandro vitsivitsy tao amin’ny fanontam-pirinty aho, dia voatendry ho ao amin’ny birao mikarakara ny asa fitoriana. Thomas Sullivan, rahalahy irlanday tsara fanahy tokoa, no tompon’andraikitra tao. Nampahatsiaroviny anay tanora foana fa tokony ho azo antoka fa mahalala ny lafin-javatra rehetra ny tena alohan’ny anolorana fanafodin’ireo zava-manahirana miseho (Ohabolana 18:13). Tamin’ny maso manjopiaka no nilazany taminay hoe: Nahoana no maimaika? Omeo fahafahana hanao zavatra Jehovah, avelao hiasa ny fanahiny.”
Tamin’ny fisaintsainana ny amin’ireny fisehoan-javatra taloha ireny fony aho tao an-tranomaizina, dia faly aho noho ny tombontsoa hijaly noho ny rariny, sahala amin’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny (Jaona 15:20; 1 Petera 4:16). Rehefa mieritreritra izany indray aho, dia mahatsapa fa ireny fisehoan-javatra ireny dia namolavola ahy ho amin’ny tombontsoa horaisiko atỳ aoriana.
Fanazavana mahavariana
Teo am-piandohan’ny 1935, tokony ho enimbolana taorian’ny nanafahana ahy avy any an-tranomaizina sy ny fiheverako teto amin’ny Betela, dia nanao fifanakalozan-kevitra maro teo am-pisakafoana izahay momba ny fomba amantarana ny “vahoaka maro be”. (Apokalypsy 7:9, 13, Baibolin’ny mpanjaka Jacques.) Ny sasany nihevitra fa izany dia kilasy faharoa any an-danitra, araka ny nolazain’ny rahalahy Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower. Ny hafa nanantitrantitra fa ny “vahoaka maro be” dia voaforon’ireo izay nanana fanantenana ny ho eto an-tany. Nandritra ireny fifanakalozan-kevitra ireny dia tsy nanapa-kevitra ny rahalahy Rutherford.
Tao amin’ny fiarandalamby manokana nitondra azy ireo ho any Washington mba hanatrika ny fivoriambe nomanina hatao ny 30 may ka hatramin’ny 3 jona 1935, dia tsy andrin’ny mpianakavin’ny Betela rehetra izay hitranga. Tamin’ny andro faharoa amin’ny fivoriambe, dia nanome izao filazana nanaitra izao ny rahalahy Rutherford: tena kilasiin’ny ho eto an-tany tokoa ny “vahoaka maro be”. Teo amin’ny fara herin’ny lahateniny, dia nangatahany mba hitsangana izay rehetra nanana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Efa ho antsasaky ny mpanatrika 20000 no nitsangana. Nanambara toy izao ny rahalahy Rutherford tamin’izay: “Jereo! Ny vahoaka maro be!” Nisy fanginana fohy, avy eo ny rehetra dia nihobin-kafaliana sy nitehaka naharitra tamin-kafanam-po. Ny ampitson’iny, dia olona 840, nanana fanantenana ny ho eto an-tany ny anakamaroany, no natao batisa.
Izany fanazavana nomena tamin’ny 1935 momba ny “vahoaka maro be” izany dia hitarika fandaminana indray tamin’ny 1936, mba hanomanana ny fahatongavan’ny mpikambana maro ao amin’io kilay io. Ohatra, hatreo dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona lehibe niteny anglisy iray monja nanerana ny tanànan’i New York, kanefa noforonina ny kongregasiona maromaro ary notendrena ho mpiandraikitra ny mpikambana voahosotra tanora kokoa tahaka ahy. Miisa ho 336 ankehitriny ny kongregasiona ao New York.
Fanendrena vaovao
Andro tsy hay hadinoina ho ahy ny alakamisy 11 novambra 1937. Naharay filazana nangataka ahy mba hiseho tao amin’ny biraon’ny rahalahy Rutherford ny tolakandro tamin’ny 3 ora aho. Tamin’ny ora voatondro, dia tonga tao aho ary natahotra ny hotenenina. Nifampiresaka kely tamim-pisakaizana aloha izahay, avy eo dia nanontany ahy izy raha hanaiky fanendrena hafa aho.
“Tiako tokoa ny hanompo any amin’izay ilàna izany indrindra”, hoy ny navaliko.
Gaga tanteraka noho ny amiko ny rahalahy Rutherford ka nanontany ahy hoe: “Ho tianao ve ny hiasa ao amin’ny Betelan’i Londres amin’ny maha-mpiandraikitra ny sampana?
— Tena andraikitra lehibe tokoa izany!
— Afa-tsy izany koa, dia ho dia tsy miverina ny anao, satria tokony hijanona any ianao na dia aorian’ny Haramagedona aza. Omeko telo andro àry ianao mba hanaovana ny fanapahan-kevitrao.
— Tsy mila telo andro aho, ry Rahalahy Rutherford. Raha izany no sitrapon’i Jehovah, dia manaiky handeha aho.
— Fantatro fa izany no ho fihetsikao. Efa any amin’ny rahalahy Knorr ny karatrao ho any Angletera. Ny sambo Queen Mary izay hiainga amin’ny alarobia izao no handehananao.”
Nanomboka nihodinkodina ny lohako. “Hahazo fampiofanana ianao ato ho ato”, hoy ny rahalahy Rutherford, namarana ny teniny.
Rehefa niverina tao amin’ny birao mikarakara ny asa fitoriana, tao amin’ny fanontam-pirinty, aho, dia nanomboka nihomehy ny rahalahy Knorr rehefa nahita ny endriko ankona. Fantany izay vao nitranga. Tompon’andraikitra tamin’ny fanontam-pirinty ny rahalahy Nathan Knorr, ary nankany Angletera niaraka tamin’ny rahalahy Rutherford, tsy ela talohan’izany. Nanomboka nampianatra ahy avy hatrany ny fomba fitondra sampana izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niverina nanatona ny rahalahy Rutherford aho mba hanohy ny fiofanako.
Nifototra tamin’ny Mika 6:8, ny rahalahy Rutherford dia nanoro hevitra ahy mba ‘hanao zavatra araka ny rariny, hifikitra mafy hatrany amin’ny fitsipi-pitondrantena noferan’ny fandaminana, hanaja ireo fepetra takin’ny Baiboly, hankatò avy hatrany ary tsy hangataka andro. Tokony hampiseho hatsaram-po amin’ireo rahalahy koa aho, hitory tsy tapaka isam-baravarana sy hiara-mandeha amim-panetren-tena amin’Andriamanitra’. Nilaza tamiko izy fa tsy nandeha ny asa tao amin’ny faritany britanika satria sy nanohana tamin’ny fomba feno ny asa fitoriana ireo mpiandraikitra ny sampana teo aloha. Namarana ny teniny tamin’ny fanantitranterana an’io hevitra io izy: “Mamporisiha handray anjara betsaka kokoa amin’ny fanompoana. Mila mpitory maharitra 1000 i Grande-Bretagne, nefa 200 monja no ananany.”
Fahatongavana tany Angletera
Rehefa tody tany Southampton ny Queen Mary, dia nandray ny fiarandalamby ho any Londres aho, avy eo dia ny taksia hatrany amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower niorina tao amin’ny 34 Craven Terrace, Lancaster Gate, any Londres, hatramin’ny 26 taona. Nandray ahy tamim-pitiavana ny prezidà lefitra tao amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena. Nomeko azy ny taratasin’ny rahalahy Rutherford manome lalana azy hanala ny andraikiny amin’ny mpiandraikitra ny sampana sy hampahafantatra ny mpianakavin’ny Betela fa nisolo toerana azy aho. Natao teo am-pisakafoana izany, ary nandray ahy tamin-kafanam-po ireo mpikambana tao amin’ny Betela 30.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifankahalala tamin’ny mpiandraikitra ny sampana maro sy ny mpikambana hafa tao amin’ireo Betelan’i Eoropa aho. Ireny kristiana voahosotra ireny dia nanome ohatra tamin-kitsim-po teo amin’ny asa fitoriana na dia teo aza ireo vato nisakana teo anoloan’izy ireo tamin’ny andron’i Hitler. Anisan’izy ireny Martin Harbeck, tompon’andraikitra tany Soisa, Charles Knecht tany Frantsa, Fritz Hartstang tany Pays-Bas, Johan Eneroth tany Soeda, William Dey tany Danemark, ary Robert Winkler be herim-po izay nitarika ny asa tamim-piafenana natao tany Alemaina. Tamin’ny alalan’ny fomba rehetra nanoroan’ny Soratra Masina hevitra, ireny lehilahy nanam-pinoana sy nahery fo ireny dia nahatohitra ireo fanenjehana mafy nampiharin’ny nazia.
Ny fitsidihan’ny rahalahy Rutjherford
Tamin’ny 1938, taona nialoha ny fipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa, ny Britanika dia nanitatra tsara ny fifandraisana amin’ny radiaotelefaonina mamaky ranomasina. Neken’ireo injeniera ny hampifandray kontinanta efatra tamin’ny fivoriambe manokana iray natao tany Londres tamin’ny 9 ka hatramin’ny 11 septambra. Ho amin’izay fotoana izay, dia nofana ny Royal Albert Hall, anankiray tamin’ireo efitrano lehibe indrindra tany Londres. Nisy antokon-drahalahy, anisan’izany Nathan Knorr, tonga niaraka tamin’ny rahalahy Rutherford herinandro maromaro nialoha mba hitondra ny fanampian’izy ireo tamin’ny fiomanana.
Mba hanambarana ny lahateny ampahibemaso, dia nalamina ny filaharan’ny olona petahana soratra fampielezan-kevitra. Talohan’ny hanaovana ny fandehanana voalohany nitondra fampielezan-kevitra, dia nitady hahita ahy ny rahalahy Rutherford. Raha mbola niara-nidinika ny amin’ny fivoriambe izahay, dia nanoratsoratra tamin’ny stylo izy, fanaony izany indraindray rehefa miresaka amin’olona izy. Nendahiny avy tamin’ny namany ny taratasy nanoratany teny vitsivitsy ka natolony ahy. “Ahoana no fiheveranao an’io?” hoy izy nanontany ahy.
“FANDRIKA SY FITAKA NY FIVAVAHANA”, hoy ny nosoratany.
“Toa feno fahasahiana ery izy izany”, hoy ny navaliko.
“Tokony hanaitra izany”, hoy izy. Nangatahiny tamin’izay ny hanoratana io hafatra io teo amin’ny teny hapetaka, ara-potoana ho amin’ny fandehanana voalohany ho fampahafantarana ny fivoriambe, izahay sy Nathan Knorr dia nitarika laharan-drahalahy efa ho arivo teo amin’ny 10 kilaometatra tao afovoan’i Londres.
Nantsoin’ny rahalahy Rutherford ho any amin’ny biraony aho ny ampitso maraina mba hahafantarany izay nitranga. “Be dia be no nihevitra anay ho kaominista na tsy mino an’Andriamanitra sy nanao fanamarihana feno fankahalana hafa”, hoy ny fanazavako. Rehefa avy nieritreritra minitra vitsivitsy izy, dia nandray taratasy iray nanoratany ny fitenenana fohy nefa manaitra natolony: “MANOMPOA AN’ANDRIAMANITRA SY KRISTY MPANJAKA.” Nieritreritra izy fa tamin’ny fampifangaroana soratra apetaka nisy ireo teny ireo niaraka tamin’ny hafa, dia ho azo atao ny hanafoana ireo fihetsika manaraby. Izany indrindra no nitranga. Vita soa aman-tsara ny fivoriambe natao tamin’io taona 1938 io. Ireo fotoam-pivoriana lehibe indrindra ny asabotsy sy ny alahady, anisan’izany ny lahateny fototra hoe “Manoloana ny zavatra tena misy”, dia nampitaina tany amin’ny tanàna 49 hafa eo amin’izao tontolo izao miteny anglisy nanaovana fivoriambe niaraka tamin’izany.
Taorian’ny fivoriambe, dia nisy fianarana natao ho an’ireo mpiandraikitra ny sampana tany Eoropa. Nandritra izany fotoam-pivoriana izany, dia nananatra ahy mafy ny rahalahy Rutherford noho ny tsy fahampian’ny fampiofanana ireo rahalahy mpandray olona. Nampitomany ahy izany fananarana izany. Tatỳ aoriana, William Dey, avy any Danemark, dia nampahery ahy manokana. Nilaza tamiko izy fa nampiasa ahy ny rahalahy Rutherford mba hampianarana azy rehetra tsy mivantana. Izany indrindra no izy! Ny ampitson’iny, ny rahalahy Rutherford, izay tia ny mahandro sakafo, dia nanasa anay rehetra ho amin’ny sakafo manokana nomaniny. Tena nankasitrahanay tokoa ny fiarahan’ny mpirahalahy nahafinaritra.
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Tamin’ny 1 septambra 1939, dia nanafika an’i Pologne i Hitler, ary ny alahady 3 septambra, dia nanapoaka ady tamin’i Alemaina i Grande-Bretagne. Vavolombelona an’arivony maro no lasa nitory tamin’io maraina io tamin’ny fanolorana, tena nety tokoa, ilay boky hoe Salut vao navoaka. Isam-baravarana dia nivarahontsana ny olona; nisy vehivavy nitomany. Nampaherezinay tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ireny olona ireny, ary tsy ampy daholo ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nanananay.
Tamin’ny volana manaraka, dia naharay mialoha anankiray tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 novambra 1939 nirakitra lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Fialanalanana” izahay. Tamin’ny fotoana nety indrindra, dia nasongadiny izay nolazain’ny Baiboly momba ny toerana tanan’ny kristiana marina mandritra ny adin’izao tontolo izao (Jaona 17:16). An-jatony maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika anglisy no tsy ela dia voasambotra sy nampidirina an-tranomaizina.
Ny adin’i Angletera, ny ady ana habakabaka natao teo ambonin’i Grande-Bretagne, dia nihamafy teo amin’ny faran’ny 1940 ary nitohy tamin’ny 1941. Tao anatin’ny alina fito amby dimampolo nisesy, dia nozerana baomba Londres, ary hatrany hatrany, nandritra ny 14 ora ankisesy, dia namakivaky ny habakabaka ny fisiokan’ny baomba. Nisy hain-trano nitranga saika hatraiza hatraiza. Baomba sivy amby roapolo no nianjera teo amin’ny velarana mirefy 500 metatra nanodidina ny Betela. Ny Efitrano Fanjakana lehibe mifanolotra amin’ny Betela dia voan’ny baomba nandoro, nefa nahavono ny afo haingana ireo mpikambana tao amin’ny Betela efa nanao fanazaran-tena tsara.
Ny ady dia niteraka fameperana isan-karazany, anisan’izany ny famoahan-kanina an-danjany sy ny fepetra amin’ny fifamoivoizana. Kanefa dia nitana ary nampitombo aza ny fandraisanay anjara tamin’ny fitoriana isan-trano izahay. Tamin’ny 1937, dia nisy mpitory 4375 tany Grande-Bretagne, nefa tamin’ny 1942 dia nahatratra 12 436 ny isany. Rehefa tonga tany Angletera aho tamin’ny 1937, dia 201 ny isan’ny mpitory maharitra, nefa tamin’ny 1942 dia 1488 izy ireo. Tena nitahy be dia be tokoa ny asa notanterahin’ireo mpitory voalohany Jehovah. Amin’izao andro izao, tokony ho 50 taona atỳ aoriana, dia 109000 mahery ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana any Grande-Bretagne, ka 6000 mahery aminy no mpitory maharitra mandavantaona.
Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia vitanay tamin’ny 3 ka hatramin’ny 7 septambra 1941 izay noheverin’ireo mpanao raharaham-panjakana ho “tsy mety ho vita”. Tao anatin’ny ady indrindra, dia nalaminay ny fivoriambe lehibe indrindra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Grande-Bretagne. Olona 12 000 mahery no tafavory tao amin’ny De Montfort Hall sy ny tany nanakaiky azy, tany Leicester. Io Efitrano io koa no nampiasaina tamin’ny fivoriambe fanaon’ny Fikambanana isan-taona, tamin’ny 1983. Ireo mpanatrika maherin’ny telo arivo tamin’izay dia nieritreritra ny fivoriambe natao tao nandritra ny ady, tamin’ny 1941.
Nandritra ny ady, ny biraon’ny sampana any Londres dia tonga foiben’ny mpialokaloka. Naneno tsy ankijanona ny telefaonina. Noforonina ny vonjy ranovaky nahatonga ireo rahalahy nanana trano voazera baomba ho afaka handray soa amin’ny fanampiana avy hatrany. Nisy rahalahy avy any Pologne, Alemaina, Norvège, Frantsa, Belzika, Pays-Bas sy avy any an-toeran-kafa nialokaloka tao Londres izay nahitany vonjy. Maro be tamin’izy ireny no tonga mpitory maharitra tany Grande-Bretagne.
Olona tsy faniry
Nanomboka tamin’ny 8 desambra 1941, daty nidiran’i Etazonia hiady, dia tsy nananako intsony ny tombontsoa ho afaka amin’ny raharaha miaramila tao amin’ny tafika britanika nomena ahy noho izaho olom-pirenena amerikana. Noho ny fialanalanana kristiana, dia tsy afaka nanaiky ireo baiko ara-tafika samihafa navoakan’ny fitondram-panjakana britanika aho. Farany, tamin’ny 6 may 1942, dia nampiomana ahy ny fitonram-panjakana fa olona tsy faniry aho ka noho izany dia nandidy ahy izy mba hiverina any Etazonia. Tamin’ny 1 aogositra, ny gazety londoniana iray mivoaka isan’andro, ny Daily Herald dia nampamoaka ny sariko teo amin’ny pejy voalohany niaraka tamin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Nilaza taminy izy ireo mba hody any aminy”.
Ny alatsinainy 24 aogositra 1942 vao maraina, dia nisambotra ahy ny polisy roa mba handroahana ahy tao amin’ilay tany. Nentiny tamin’ny fiarandalamby ho any Glasgow, any Ecosse, aho, ary nandany ny alina tao amin’ny tranomaizin’i Barlinni, naorina tamin’ny Andro Antenatenany. Ny ampitso dia naterina ho eny amin’ny sambo britanika S.S. Hilary aho, ka nambenana tsara tany. Nila 13 andro ny sambo 52 niray dia mba hamakivakiana an’i Atlantika tamin’ny fomba niolikolika ho fanalavirana ny sambo mpisitrika alemana. Afa-nandositra ny baombany famakian-tsambo izahay ka tonga soa aman-tsara tany Halifax, any Kanada. Afaka aho izao, ary ny ampitso dia nandray ny fiarandalamby nankany New York aho ka tonga tany tamin’ny 10 septambra.
Fanambarana niavaka ny amin’ny vanim-potoam-piadanana iray
Nahatsapa fifaliana lehibe aho rehefa nahita indray ireo rahalahy nafana fo maro tao amin’ny Betelan’i Brooklyn. Tonga ara-potoana aho mba hanatrika ilay fivoriambe nanan-tantara tany Cleveland, any amin’ny fanjakan’i Ohio, natao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 septambra 1942. Ny rahalahy N. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana vaovao, dia nanao tao ilay lahateny hoe “Haharitra ve ny fandriampahalemana ho avy?” izay nanome fanazavana vaovao momba ny Apokalypsy 17:8. Nambarany fa hahazo fandresena ny Mpiray dina ary hitsangana ny “bibidian’ny fandriampahalemana” vaovao iray. Izany indrindra no nitranga rehefa naorina ny Fandaminan’ny Firenena mikambana taorian’ny fahavitan’ny ady tamin’ny 1945.
Sekolin’i Gileada fianarana Baiboly
Taorian’ny fivoriambe fanaon’ny Fikambanana Watch Tower isan-taona natao ny 1 oktobra 1942, dia nampanantsoin’ny rahalahy Knorr ho ao amin’ny biraony izahay sy Maxwell Friend ary Eduardo Keller. Nilaza taminay izy fa tapaka tamin’io maraina io ny hevitra ny amin’ny hanorenana sekoly araka ny Baiboly mba hampiofanana misionera tao amin’ny Toeram-piompian’ilay Fanjakana tany South Lansing (Fanjakan’i New York). Ho mpitantsoratra ao amin’ny sekoly aho ary ho prezidàn’ny komity izay handamina izany. Niara-niasa tamin’ny rahalahy F. Franz izahay tamin’ny fanomanana ireny fianarana araka ny Baiboly tsara dia tsara ireny. Nanomboka tamin’izany ny vanim-potoana lava fiaraha-miasa tsara ho fanohanana ny fandrosoan’ny fampianarana araka ny Baiboly.
Ny alatsinainy 1 febroary 1943 maraina no nitokanan’ny rahalahy Knorr tamin’ny fomba ofisialy izay antsoina ankehitriny hoe Sekolin’i Gileada fianarana Baiboly. Taorian’ny fitokanana, dia nanomboka ireo fianarana tao amin’ny efitrano efatra nandray mpianatra 25 avy. Naharitra 20 herinandro io fianarana kristiana nohalalinina io, ary ny boky fianarana lehibe indrindra nampiasaina dia ny Baiboly.
Volana, taona nahasambatra toy inona moa no laniko nandalinana ny Baiboly! Sahala amin’ny mpampianatra be fandavan-tena hafa, dia velom-pankasitrahana tokoa aho noho ny nanomezan’i Jehovah ahy tombontsoa hampianatra sy hanetsika mpianatra tia an’Andriamanitra sy ny asany. Tamin’ny 1960, dia mpianatra 3700 avy any amin’ny tany 70 no nanaraka ny fianarana tao amin’ny Sekolin’i Gileada.
Fanambadiana
Tamin’ny 1955, raha nanatrika ireo fivoriamben’ilay “Fanjakana mandresy” tany Eoropa aho, dia nahita indray an’i Charlotte Bowin, izay anisan’ny kilasy voalohan’i Gileada tamin’ny 1943. Hatramin’ny roa ambin’ny folo taona izy io dia misionera nahatoky tany amin’ny faritany miteny espaniola, anisan’izany Meksika sy Salvadora. Nanatrika ireo fivoriambe tany Eoropa izy, niaraka tamin’i Julia Clogston namany. Anisan’ny fianakavian’ny Betela teto Brooklyn ireo ray aman-dreniny fony izy ireo mpitovo, tamin’ny andron’ny rahalahy Russell. Avy eo, taorian’ny fanambadian’izy ireo, Martin Bowin dia tonga mpiandraikitra mpitety faritany hatreo amin’ny nahaterahan’i Charlotte tamin’ny 1920.
Tamin’ny janoary 1956, dia niditra tao amin’ny Betela i Charlotte ary notendrena ho ao amin’ny Toeram-piompian’ilay Fanjakana. Nivady izahay tamin’ny aogositra 1956. Rehefa fantatray fa bevohoka izy, dia vaka izahay noho ny fieritreretana fa nilaza fahataperan’ny asanay manontolo andro izany. Nampahery anay anefa ny rahalahy Franz tamin’ny filazana hoe: “Tsy nanota akory ianareo rehefa namokatra ny haloaky ny kibo. Mahereza! Hataon’i Jehovah angamba izay hahatonga anareo amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa hijanona ao amin’ny asa manontolo andro.”
Izany tokoa no nitranga. Afaka nanohy niantsoroka ny andraikitro tao amin’ny Sekolin’i Gileada aho. Nonina tao amin’ny efitrano kely nofanay aloha izahay, ary tamin’ny 1962 izahay dia nifindra ho ao amin’ny trano vaovao iray tokony ho 1500 metatra avy eo amin’ny sekoly. Tao South Lansing àry Judah Ben zanakay lahy, teraka tamin’ny febroary 1958, no nandany ireo taona voalohandohany teo amin’ny fiainany.
Nanandrana hatrany izahay nanabe an’i Judah Ben tami’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, ka nitondra fifaliana be dia be ho anay izany (Efesiana 6:1-4). Namporisika azy izahay mba hampihatra ny Mika 6:8, toy ny nitadiavako hanao izany teo amin’ny fiainako. Tatỳ aoriana, Judah Ben, nandritra ny 12 taona, dia anisan’ny taranaka fahatelo tamin’ny mpikambana ao amin’ny Betela tao anatin’ny fianakaviana. Tamin’ny jona 1986 izy dia nanambady an’i Amber Baker, anabavy mpitory maharitra mahafatifaty. Mpitory maharitra any Michigan izy ireo izao.
Ny sekoly ho an’ireo loholona
Tao amin’ny fivoriambe tamin’ny 1958, tao amin’ny Yankee Stadium, dia nambaran’ny rahalahy Knorr ny fisokafan’ny sekoly iray ho an’ireo loholona, ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana. Ny 9 martsa 1959, ny kilasy voalohany nisy mpianatra 25 dia nanaraka ny fianarana naharitra efatra herinandro tao amin’ny Toeram-piompian’ilay Fanjakana, nisy ny Sekolin’i Gileada. Rehefa nafindra ho eto Brooklyn ity farany tamin’ny septambra 1960, ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana dia mbola nijanona tao amin’ny Toeram-piompian’ilay Fanjakana izay nahafahanay nampiofana loholona eo amin’ny zato isam-bolana. Tsikaritro fa ny niterahan’ny tenako dia nanome tombotsoa ahy mba hampianatra ireo filoham-pianakaviana tonga tao amin’ilay sekoly vaovao.
Tamin’ny 1967, dia nafindra ho ao amin’ny Betelan’i Brooklyn io sekoly io. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1968, dia nafindra ho ao Pittsburgn izy io ka, hatreo amin’ny 1974, dia loholona an’arivony maro nanana fitondrantena faka tahaka no nandray fiofanana. Nanomboka tamin’ny 1974, ireo fianarana dia natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana samy hafa ao amin’ny tany. Niaraka tamiko tany amin’ireny toerana samy hafa ireny ny vady aman-janako. Mpitory maharitra izy ireo raha mbola nampianatra tao amin’io sekoly io aho.
Asa lehibe
Tamin’ny novambra 1974, dia tany amin’ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana tany Saginaw, tanàna niaviako, aho raha naharay taratasy tsy hay hadinoina iray avy amin’ny Kolejy foibe. Nasaina aho mba ho anisan’io kolejy io, ary ny vady aman-janako dia ho anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn. Tonga tao amin’ny Betela àry izahay ny 18 desambra 1974, ary nandray ireo raharahako vaovao aho.
Miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina ny Kolejy foibe amin’ny fitarihana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, amin’ny famoahana sakafo ara-panahy izay manazava antsika miandalana, ary amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra ara-pitsarana. Isaky ny alarobia izy dia manao fivoriana izay manomboka amin’ny vavaka mba hangatahana ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah. Manao fiezahana tokoa izy mba handinika ny raharaha rehetra sy hanao fanapahan-kevitra rehetra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
Noho izaho anisan’ny Kolejy foibe, dia nandeha nitsidika sampana samy hafa tamin’ny naha-mpiandraikitra ny zaonina aho. Hitako ho nampahery tokoa ny nahatsapa akaiky ny firaisan-tsain’ny olon’i Jehovah any amin’ny tany maro toy ireny. Fifaliana ho ahy koa ny nahita indray, misionera maro be nahazo diplaoma avy ao Gileada, izay mbola miasa amim-pahatokiana any an-tany hafa foana. Marina tokoa fa, any amin’ny tany rehetra, dia ny mpanompon’i Jehovah no tsara indrindra sy sambatra indrindra amin’ny olona.
Omen’i Jehovah miaraka ho an’ny vahoakany rehetra ny sakafo ara-panahy, amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy boky momba ny Baiboly hafa. Izany rehetra izany dia porofo fa Jesosy Kristy dia Mpanjakantsika nanomboka tamin’ny 1914 ary tsy ho ela izy dia hitondra antsika amim-pandresena hamakivaky ny “fahoriana lehibe”. Farany, dia hilaza amin’ireo tanora aho mba hanao ho anton-draharaha dieny ankehitriny ny asa masina manontolo andro. Hanana tombontsoa mampihetsi-po ihany koa ianareo (Mika 7:7). Faly aho noho ny fanohanana amam-piarovan’i Jehovah ahy tao anatin’izany am-polony taona maro izany. Nahatonga ahy hanan-karena tokoa izany fitahiana izany (Ohabolana 10:22) Ambarako isan’andro ny fankasitrahako an’i Jehovah noho ny tombontsoa ananako manompo azy ao anatin’ny fandaminana tarihiny amin’ny alalan’ny fanahiny. — Apokalypsy 7:14.
[Sary, pejy 12]
Miaraka amin’i Bill Elrod namako.
[Sary, pejy 15]
Nentina tamin’ny fiarandalamby ho any amin’ny tranomaizin’i Barlinni aho.
[Sary, pejy 17]
Miaraka amin’i Charlotte vadiko.