-
Sarobidy Amin’ny Fianakavian’ny Mpirahalahy Kristianina ny ZokiolonaNy Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Mey
-
-
Sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona mahatoky
19, 20. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny asa ataon’ireo zokiolona mpanompony? b) Inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Tsy miraharaha firy ny zokiolona ny olona eto amin’ity tontolo tsy mahay mankasitraka ity. (2 Timoty 3:1, 2) Ary raha tsarovana aza izy ireo, dia noho ny zava-bitany fahiny, fa tsy noho ny zavatra ataony ankehitriny. Ny Baiboly kosa anefa manambara hoe: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (Hebreo 6:10) Marina aloha fa tsaroan’i Jehovah Andriamanitra ny zava-bitanareo taloha teo amin’ny fanompoana azy. Sarobidy aminy koa anefa ianareo, noho izay ataonareo ankehitriny eo amin’ny fanompoana azy. Aminy, dia mbola mamokatra sy manana finoana matanjaka ary Kristianina mavitrika ireo zokiolona mahatoky. Porofoin’ny fiainan’izy ireo fa lehibe tokoa ny herin’i Jehovah.—Filipianina 4:13.
20 Mitovy amin’ny fiheveran’i Jehovah ny Kristianina be taona ve ny fiheveranao azy ireo? Ho voatosika haneho fitiavana azy ireny ianao, raha izany no izy. (1 Jaona 3:18) Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no anehoana izany fitiavana izany, ka ikarakarana izay ilain’izy ireo.
-
-
Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny ZokiolonaNy Tilikambo Fiambenana—2004 | 15 Mey
-
-
Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona
“Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.”—ISAIA 46:4.
1, 2. Inona no maha samy hafa ny fiahian’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny fiahian’ny ray aman-dreny?
MIKARAKARA ny zanany ny ray aman-dreny mahafatra-po mandritra ny fahazazan’izy ireo, sy ny taona maha zatovo azy. Mbola miahy amim-pitiavana sy manampy ny zanany ihany izy ireo, na dia rehefa lehibe sy manana ny tokantranony aza ireo zanany ireo.
2 Misy fetrany ny zavatra azon’ny olombelona atao ho an-janany, fa ilay Raintsika any an-danitra kosa dia afaka miahy amim-pitiavana sy manampy ny mpanompony mahatoky foana. Hoy i Jehovah tamin’ilay vahoakany fahiny: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.” (Isaia 46:4) Tena mampahery ny Kristianina be taona tokoa izany! Tsy manary ny olona tsy mivadika aminy i Jehovah. Mampanantena kosa izy fa homba azy ireo, ary hanampy sy hitari-dalana azy mandritra ny androm-piainany manontolo, na dia rehefa antitra aza izy ireo.—Salamo 48:14.
3. Inona no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?
3 Ahoana no ampisehoantsika fa miahy amim-pitiavana ny zokiolona toa an’i Jehovah isika? (Efesianina 5:1, 2) Andeha isika handinika izay azon’ny zanaka sy ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ary ny Kristianina tsirairay atao, mba hikarakarana izay ilain’ny be taona eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany.
Ny adidintsika zanaka
4. Inona no adidin’ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny?
4 “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efesianina 6:2; Eksodosy 20:12) Tsotra nefa lalina tokoa ireo teny nalain’ny apostoly Paoly avy tao amin’ny Soratra Hebreo ireo. Namerina izany izy mba hampahatsiahivana ny zanaka ny adidin’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana anefa no ampiharana an’ireo teny ireo rehefa mikarakara ny zokiolona? Hitantsika amin’ny ohatra tsara navelan’ny olona iray niaina talohan’i Kristy ny valin’izany.
5. a) Ahoana no ahitana fa tsy nanadino ny andraikiny ara-pianakaviana i Josefa? b) Inona no dikan’ny hoe manaja ray aman-dreny, ary inona no ohatra tsara navelan’i Josefa amin’izany?
5 Tsy nifandray tamin’i Jakoba rainy izay efa zokiolona mihitsy i Josefa, nandritra ny 20 taona mahery. Kanefa, mbola tiany foana io rainy io. Rehefa nanambara tamin’ireo rahalahiny i Josefa hoe iza izy, dia nanontany koa hoe: “Mbola velona ihany va [ny raiko]?” (Genesisy 43:7, 27; 45:3) Namely mafy ny mosary tany Kanana tamin’izany fotoana izany. Noho izany, dia nampilaza tamin-drainy i Josefa hoe: “Midìna hankany amiko fa aza mijanona; dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko hianao . . . Dia hamelona anao eo aho.” (Genesisy 45:9-11; 47:12) Ny hoe manaja ny ray aman-dreny be taona àry, dia midika koa hoe miaro azy ireo sy manome izay ilainy, raha tsy afaka mamelon-tena intsony izy. (1 Samoela 22:1-4; Jaona 19:25-27) Neken’i Josefa tamim-pifaliana izany andraikitra izany.
6. Ahoana no nampisehoan’i Josefa fa tena tiany ny rainy, ary ahoana no azontsika anahafana azy?
6 Nanjary anisan’ny lehilahy nanan-karena sy nanam-pahefana indrindra tao Ejipta i Josefa, noho ny fitahian’i Jehovah. (Genesisy 41:40) Tsy nihevi-tena ho olona ambony loatra na sahirana loatra anefa izy, ka hoe tsy hanaja ilay rainy efa 130 taona. Rehefa fantatr’i Josefa fa teny an-dalana i Jakoba (na Israely), dia ‘nampanamboatra ny kalesiny izy, ary niakatra hitsena an’Israely rainy tany Gosena, ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ny vozony.’ (Genesisy 46:28, 29) Tsy fombafomba fotsiny izany fandraisan’i Josefa ny rainy tamim-panajana izany. Tiany fatratra kosa ilay rainy efa zokiolona, ary tsy menatra izy nampiseho ny fitiavany azy. Ary isika? Moa ve isika koa tsy misalasala maneho ny fitiavantsika amin’ny ray aman-drenintsika efa be taona?
7. Nahoana i Jakoba no naniry halevina tany Kanana?
7 Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Jakoba mandra-pahafatiny. (Hebreo 11:21) Nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy, ka nangataka mba halevina any Kanana. Nanaja ny rainy i Josefa rehefa nanao izay nangatahiny, na dia nitaky vola sy ezaka be aza izany.—Genesisy 47:29-31; 50:7-14.
8. a) Inona no antony lehibe indrindra hikarakarantsika ireo ray aman-drenintsika be taona? b) Inona no nataon’ny mpanompo manontolo andro iray, mba hikarakarana ny ray aman-dreniny be taona? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 17.)
8 Inona no nanosika an’i Josefa hikarakara an-drainy? Azo inoana fa tao ny fitiavana sy ny fankasitrahana, satria i Jakoba no nanome aina azy sy nikarakara azy. Azo antoka anefa fa naniry mafy hampifaly an’i Jehovah koa i Josefa. Tokony hanana izany faniriana izany koa isika. Nanoratra i Paoly hoe: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany, sy hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4) Ny fitiavana sy
-