FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 14 p. 108-115
  • “Nifanaraka Izahay Rehetra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nifanaraka Izahay Rehetra”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany” (Asa. 15:13-21)
  • ‘Hifidy olona, dia haniraka azy ireo’ (Asa. 15:22-29)
  • “Faly izy ireo satria nampahery azy ireo ilay izy” (Asa. 15:30-35)
  • Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Iza no Mitarika ny Vahoakan’​Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Aoka isika hiara-hiasa amin’ny Kolejy foibe ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 14 p. 108-115

TOKO 14

“Nifanaraka Izahay Rehetra”

Ny nataon’ny filan-kevi-pitantanana mba handraisana fanapahan-kevitra nampiray saina ny fiangonana

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 15:13-35

1, 2. a) Inona avy no fanontaniana lehibe tsy maintsy nalamin’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara?

TSINDRIAN-DAONA ny rehetra. Nifampijerijery ireo apostoly sy anti-panahy tao amin’ilay efitra tao Jerosalema. Tsapan’izy ireo fa fotoan-dehibe tamin’izay. Nampipoitra fanontaniana lehibe mantsy ilay adihevitra momba ny famorana: Tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ve ny Kristianina? Tokony hisy fahasamihafana ve eo amin’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena?

2 Nandinika porofo maro ireo lehilahy nitana andraikitra ireo. Nodinihin’izy ireo ny Teny faminanian’i Jehovah sy ireo porofon’ny fitahiany nolazain’ireo vavolombelona nanatri-maso. Samy naneho tsara ny heviny izy ireo. Lasa maro be ny porofo azo nandaminana an’ilay adihevitra, ka hita tokoa fa nitarika azy ireo ny fanahin’i Jehovah. Hanaraka ny fitarihan’i Jehovah ve izy ireo?

3. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny Asan’ny Apostoly toko faha-15?

3 Tena nitaky finoana sy herim-po ny nanaiky ny fitarihan’ny fanahy masina teo. Mety ho vao mainka hankahala azy ireo mantsy ny mpitondra fivavahana jiosy. Nanohitra azy ireo koa ireo lehilahy teo anivon’ny fiangonana, izay tapa-kevitra ny hitarika ny vahoakan’Andriamanitra hiverina indray amin’ny Lalàn’i Mosesy. Inona no hataon’ny filan-kevi-pitantanana? Andeha hojerentsika. Ho hitantsika fa nanome modely harahin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ireo lehilahy ireo. Tokony hanaraka an’izany modely izany koa isika Kristianina, rehefa mandray fanapahan-kevitra na mandia fotoan-tsarotra.

“Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany” (Asa. 15:13-21)

4, 5. Inona ny teny faminaniana noresahin’i Jakoba tamin’ilay adihevitra?

4 Nandray fitenenana i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy.a Izy angamba no mpitari-draharaha tamin’ilay fivoriana. Toa izy no namintina ny hevitra niombonan’ny rehetra, ka hoy izy: “Notantarain’i Simeona tamin’ny an-tsipiriany teo hoe vao voalohany Andriamanitra no nanaiky an’ireo hafa firenena, mba hakany olona avy amin’izy ireo hitondra ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany.”​—Asa. 15:14, 15.

5 Azo inoana fa nanampy an’i Jakoba hahatadidy andininy nety tsara mba handaminana an’ilay adihevitra ny lahatenin’i Simeona, na Simona Petera, sy ny porofo naroson’i Barnabasy sy Paoly. (Jaona 14:26) Nilaza i Jakoba fa “mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany”, ary nampiasa ny Amosa 9:11, 12 izy avy eo. Anisan’ny Soratra Hebreo ny bokin’i Amosa, ary ao amin’ilay ampahany antsoina hoe “Mpaminany” no misy azy io. (Mat. 22:40; Asa. 15:16-18) Ho hitanao fa tsy tena mitovy amin’ny ao amin’ny bokin’i Amosa ankehitriny ny voalazan’ilay andininy nampiasain’i Jakoba. Azo inoana fa nampiasa teny avy tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izy. Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika izy io.

6. Hazavao fa nanampy tamin’ny fandaminana an’ilay adihevitra ny Soratra Masina.

6 Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany i Jehovah fa hatsangany “ny trano rantsankazon’i Davida”, na ny tarana-mpanjaka hitondra mandra-pahatongan’ny Fanjakan’ny Mesia. (Ezek. 21:26, 27) Tsy hifandray afa-tsy amin’ny firenena jiosy indray ve i Jehovah? Tsia. Milaza koa ilay faminaniana fa hangonina ho anisan’ny “olona antsoina amin’ny anaran[’Andriamanitra]” ireo “avy amin’ny firenena rehetra.” Tadidio fa vao avy nanaporofo i Petera hoe: “Nitovy ihany ny nitondrany [Andriamanitra] antsika [Kristianina jiosy] sy ry zareo [hafa firenena lasa mpino], satria nodioviny koa ny fon’izy ireo noho ry zareo naneho finoana.” (Asa. 15:9) Raha tsorina, dia tian’Andriamanitra handova ilay Fanjakana ny Jiosy sy ny hafa firenena. (Rom. 8:17; Efes. 2:17-19) Tsy milaza mihitsy ny faminaniana fa mila forana na mila miova ho amin’ny Fivavahana Jiosy aloha ireo hafa firenena tonga mpino.

7, 8. a) Inona no soso-kevitr’i Jakoba? b) Ahoana no tokony handraisantsika ny tenin’i Jakoba?

7 Noho izany porofo avy ao amin’ny Soratra Masina izany, sy noho ireo porofo mafonja vao avy notantaraina, dia nanome soso-kevitra i Jakoba. Hoy izy: “Koa izao no hevitro: Aleo tsy atao izay hanahirana an’ireo hafa firenena mitodika amin’Andriamanitra, fa andao hanoratra ho azy ireo mba hifadiany ny zavatra voaloton’ny sampy, sy hifadiany ny fijangajangana sy ny biby nokendaina ary ny ra. Efa hatry ny ela be mantsy i Mosesy no nanana olona nitory momba azy isan-tanàna, ary vakina mafy ao amin’ny synagoga isaky ny sabata izay nosoratany.”​—Asa. 15:19-21.

8 Rehefa nilaza i Jakoba hoe: “Koa izao no hevitro”, tiany haseho ve fa nanana fahefana teo amin’ireo rahalahy izy, angamba noho izy nitari-draharaha tamin’ilay fivoriana? Izy ve no tonga dia nanapa-kevitra momba an’izay tokony hatao? Tsy izany mihitsy! Ilay teny grika nadika hoe “hevitro” dia mety hidika koa hoe “fahitako azy.” Tsy nampanjaka ny heviny i Jakoba fa nandroso hevitra hodinihina fotsiny, noho ireo porofo vao avy notantaraina sy izay resahin’ny Soratra Masina momba ilay adihevitra.

9. Inona no soa azo avy amin’ny soso-kevitr’i Jakoba?

9 Tsara ilay soso-kevitr’i Jakoba, satria narahin’ny apostoly sy ny anti-panahy ilay izy. Inona no soa azo avy amin’izany? Voalohany, tsy hanome “hanahirana” an’ireo Kristianina hafa firenena ilay soso-kevitra, satria tsy mitaky ny hanarahany ny Lalàn’i Mosesy. (Asa. 15:19) Faharoa, ho voahaja ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina jiosy. Efa an-taonany maro mantsy no “vakina mafy” tamin’izy ireo “ao amin’ny synagoga isaky ny sabata izay nosoratan[’i Mosesy].”b (Asa. 15:21) Hampifandray tsara an’ireo Kristianina jiosy sy hafa firenena ilay soso-kevitra. Hampifaly an’i Jehovah koa ilay izy, satria mifanaraka amin’ny fikasany. Saika nandrava ny firaisan-tsaina sy ny filaminan’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra iny olana iny, nefa tena tsara ny fomba nandaminana azy. Ohatra tena tsara ho an’ny Kristianina ankehitriny koa izany.

Albert Schroeder, nandaha-teny tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1998

10. Manahaka ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny. Hazavao.

10 Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa manahaka ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Mitady ny tari-dalan’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao sy Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana izy ireo amin’ny zava-drehetra.c (1 Kor. 11:3) Ahoana no anaovany izany? Hoy i Albert Schroeder, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanomboka tamin’ny 1974 mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany tamin’ny Martsa 2006: “Mivory ny Filan-kevi-pitantanana rehefa alarobia. Atomboka amin’ny vavaka io fivoriana io mba hangatahana ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah. Misy ezaka mafy atao mba ho azo antoka fa mifanaraka tsara amin’ny Baiboly ny fomba andaminana ny raharaha rehetra sy izay fanapahan-kevitra raisina.” Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro i Milton Henschel, ary nahavita ny fanompoany teto an-tany tamin’ny Martsa 2003. Nametraka an’izao fanontaniana lehibe izao izy, tamin’ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-101 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada: ‘Iza no fikambanana hafa fantatrareo hoe mijery izay lazain’ny Baiboly aloha ny filan-kevi-pitantanany vao mandray fanapahan-kevitra lehibe?’ Mazava ny valiny.

‘Hifidy olona, dia haniraka azy ireo’ (Asa. 15:22-29)

11. Ahoana no fomba nilazana tamin’ny fiangonana ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana?

11 Niray hevitra ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema rehefa nandray fanapahan-kevitra momba ny famorana. Tsy maintsy atao mazava sy mampahery ary feno fitiavana anefa ny fomba ilazana an’ilay fanapahan-kevitra, mba hitovy ny zavatra ataon’ireo fiangonana. Ahoana no fomba tsara indrindra anaovana izany? Hoy ny fitantarana: “Nanapa-kevitra ny apostoly sy ny anti-panahy ary ny fiangonana manontolo fa hifidy olona eo aminy, dia haniraka azy ireo hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia. I Jodasy, ilay antsoina hoe Barsabasy, sy Silasy no nirahin’izy ireo. Samy nitana andraikitra lehibe teo amin’ireo rahalahy izy roa lahy.” Nanoratra taratasy koa izy ireo ka nampitondraina an’ireo lehilahy ireo, mba hovakina any amin’ny fiangonana rehetra eran’i Antiokia sy Syria ary Kilikia.​—Asa. 15:22-26.

12, 13. a) Inona no soa azo tamin’ny nanirahana an’i Jodasy sy Silasy? b) Inona no soa azy tamin’ny nandefasan’ny filan-kevi-pitantanana taratasy?

12 “Nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny rahalahy” i Jodasy sy Silasy, ka nahafeno fepetra hisolo tena ny filan-kevi-pitantanana. Ny naha teo azy efa-dahy, dia nanamafy fa tsy valin’ilay fanontaniana momba ny famorana fotsiny ilay hafatra nentiny, fa tari-dalana vaovao avy amin’ny filan-kevi-pitantanana koa. Hampifandray akaiky ny Kristianina jiosy tao Jerosalema sy ny Kristianina hafa firenena tany an-toeran-kafa, ireo roa lahy ‘voafidy’ ireo. Hendry sy be fitiavana tokoa ireo rahalahy naniraka azy! Azo inoana fa vao mainka nampilamina sy nampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra ny nanirahana azy ireo.

Filan-kevi-pitantanana Ankehitriny

Toa an’ireo Kristianina voalohany ihany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana koa. Lehilahy nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy voahosotry ny fanahy no anisan’izy io. Mivory isan-kerinandro ny Filan-kevi-pitantanana. Mizara ho komity enina izy io, ary samy manana ny andraikiny ireo komity ireo.

  • Ny Komitin’ny Mpandrindra no miandraikitra ny raharaha momba ny lalàna, ary mampahafantatra ny marina momba ny finoantsika amin’ny fampitam-baovao, rehefa ilaina izany. Izy io koa no mandray andraikitra rehefa misy loza, na fanenjehana, na raharaha maika mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

  • Ny Komitin’ny Mpiasa no mikarakara izay hahasoa an’ireo anisan’ny fianakavian’ny Betela manompo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na eo amin’ny lafiny ara-panahy izany na amin’ny lafiny hafa. Andraikitr’izy io koa ny mampiditra Betelita vaovao any amin’ny biraon’ny sampana.

  • Ny Komitin’ny Fampanontana no miandraikitra ny fanaovana pirinty sy ny fanontana ary ny fandefasana boky sy gazety ara-baiboly. Eo ambany fiandraiketany ny fanontam-pirinty sy ny tranon’ireo fikambanana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny fanorenana tranon’ny sampana sy Efitrano Fanjakana ary Efitrano Fivoriambe. Manara-maso ny fampiasana ny vola omen’ny olona ho an’ny asa fitoriana koa izy io.

  • Ny Komitin’ny Fanompoana no miandraikitra ny asa fitoriana sy ny raharaha mahakasika ny anti-panahin’ny fiangonana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny mpitory manontolo andro izy io. Izy io koa no manasa sy manendry an’ireo mpianatra amin’ny Sekolin’i Gileada mba handeha tsara sy handroso tsara foana ny asa maneran-tany.

  • Ny Komitin’ny Fampianarana no miandraikitra ny fampianarana omena any amin’ny fivorian’ny fiangonana sy fivoriambe, sady manomana ny raki-peo sy ny video. Izy io koa no manomana ny zavatra ianarana amin’ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ary ny sekoly hafa, sady manao fandaharana mba hampianarana Baiboly an’ireo mpiasa an-tsitrapo any amin’ny biraon’ny sampana.

  • Ny Komitin’ny Fanoratana no miandraikitra ny fanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana sy ny besinimaro. Izy io koa no mamaly ny fanontaniana ara-baiboly, miandraikitra ny fandikan-teny eran-tany, ary manapa-kevitra raha mety ny soratra ho an’ny tantara sy ny drafitry ny lahateny.

Miantehitra amin’ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy mihevi-tena ho mpitarika ny vahoakan’i Jehovah ireo anisan’izy io. Toa an’ireo Kristianina voahosotra rehetra eto an-tany kosa izy ireo, ka ‘manaraka foana ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] na aiza na aiza alehany.’​—Apok. 14:4.

13 Nanome tari-dalana mazava tsara ho an’ny Kristianina hafa firenena ilay taratasy. Tsy ny momba ny famorana fotsiny no noresahina tao, fa izay tsy maintsy atao koa mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany. Izao no votoatin’ilay taratasy: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra, sy ny biby nokendaina, ary ny fijangajangana. Handray soa ianareo raha mifady an’ireo zavatra ireo foana. Mirary soa ho anareo izahay!”​—Asa. 15:28, 29.

14. Nahoana no miray saina ny vahoakan’i Jehovah nefa misara-bazana izao tontolo izao?

14 Mitovy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ataony, na dia 8 000 000 mahery aza izy ireo maneran-tany, any amin’ny fiangonana 100 000 mahery. Nahoana no miray saina izy ireo, nefa misara-bazana sy mikorontana izao tontolo izao? Satria manome azy ireo tari-dalana mazava tsara i Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana, ka mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izany hoe ny Filan-kevi-pitantanana. (Mat. 24:45-47) Miray saina koa izy ireo satria vonona hanaraka ny tari-dalan’ny Filan-kevi-pitantanana ny rahalahy maneran-tany.

“Faly izy ireo satria nampahery azy ireo ilay izy” (Asa. 15:30-35)

15, 16. Nanao ahoana no niafaran’ilay adihevitra momba ny famorana, ary inona avy no nahatonga izany?

15 Rehefa tonga tany Antiokia ireo rahalahy avy tany Jerosalema, dia “novorin’izy ireo daholo ny mpianatra, dia nomeny azy ireo ilay taratasy.” Ahoana no nandraisan’ireo rahalahy an’ilay tari-dalana avy amin’ny filan-kevi-pitantanana? “Rehefa voavakin’ireo mpianatra ilay taratasy, dia faly izy ireo satria nampahery azy ireo ilay izy.” (Asa. 15:30, 31) “Nanao lahateny maro i Jodasy sy Silasy mba hampaherezana sy hanatanjahana azy ireo.” Izany no niantsoana azy roa lahy hoe “mpaminany”, toa an’i Barnabasy sy Paoly ary ny olon-kafa. Nanambara na nampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny mpaminany.​—Asa. 13:1; 15:32; Eks. 7:1, 2.

16 Hita tokoa hoe nitahy ny zava-drehetra i Jehovah ka tena tsara ny vahaolana hita mba handaminana an’ilay adihevitra. Nahoana no tsara fiafara iny raharaha iny? Satria mazava sy ara-potoana ny tari-dalan’ny filan-kevi-pitantanana, ary mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny fanahy masina. Tamim-pitiavana koa no niresahana an’ireo fanapahan-kevitra tamin’ny fiangonana.

17. Inona no modely arahin’ny mpiandraikitra ny faritra rehefa mitsidika fiangonana?

17 Manome tari-dalana ara-potoana ho an’ny rahalahy maneran-tany koa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Rehefa misy fanapahan-kevitra raisina, dia atao mazava sy mivantana ny fampitana izany amin’ny fiangonana. Fomba iray anaovana izany ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Mitety fiangonana ireny rahalahy mahafoy tena ireny, ka mampahery sy manome tari-dalana mazava. Manahaka an’i Paoly sy Barnabasy izy ireo, ka manokana ora maro ‘hampianarana sy hitoriana ny vaovao tsara momba ny tenin’i Jehovah miaraka amin’ny olona hafa maro.’ (Asa. 15:35) ‘Mampahery an’ireo rahalahy amin’ny lahateny maro’ izy ireo ‘sady manatanjaka azy’, toa an’i Jodasy sy Silasy.

18. Inona no tokony hataon’ny vahoakan’i Jehovah mba hitahiany azy ireo foana?

18 Inona kosa no hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana maneran-tany, na dia misara-bazana aza izao tontolo izao? Tadidio fa i Jakoba mpianatra no nanoratra an’ireto teny ireto, tatỳ aoriana: “Ny fahendrena avy any ambony ... madio aloha, dia avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò ... Ankoatra izany, dia afafy ao anatin’ny fihavanana ny voan’ny fahamarinana mba hahasoa an’izay mpampihavana.” (Jak. 3:17, 18) Tsy fantatsika raha ilay fivoriana tao Jerosalema no tao an-tsain’i Jakoba na tsia. Hitantsika avy tamin’ny fandinihana ny Asan’ny Apostoly toko faha-15 anefa, fa rehefa miray saina sy mahay miara-miasa ihany isika vao tahin’i Jehovah.

19, 20. a) Inona no mampiseho fa nilamina sy niray saina ny fiangonan’i Antiokia? b) Inona izao no azon’i Paoly sy Barnabasy natao?

19 Hita hoe nilamina sy niray saina ny fiangonan’i Antiokia. Tsy nifanditra tamin’ireo rahalahy avy tany Jerosalema ny rahalahy tao, fa tena faly tamin’ny fitsidihan’i Jodasy sy Silasy. Izao no tohin’ilay tantara: “Nijanona kelikely tao izy roa lahy, dia avy eo nalefan’ireo rahalahy hiverina soa aman-tsara tany amin’izay naniraka azy”, izany hoe tany Jerosalema.d (Asa. 15:33) Matoky isika fa faly koa ireo rahalahy tany Jerosalema, rehefa nandre azy roa lahy nitantara ny diany. Vita soa aman-tsara ny asa nanirahana azy ireo noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah!

20 Nijanona tany Antiokia i Paoly sy Barnabasy. Afaka nifantoka tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara izao izy ireo. Loha laharana koa izy ireo tamin’io asa io. Manao toy izany koa ny mpiandraikitra ny faritra ankehitriny, rehefa mitsidika fiangonana. (Asa. 13:2, 3) Fitahiana ho an’ny vahoakan’i Jehovah tokoa izany! Inona anefa ny asa mbola nampanaovin’i Jehovah an’ireo mpitory be zotom-po ireo, ary inona koa no fitahiana mbola azony? Hamaly izany ny toko manaraka.

Renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy manatrika fivoriambe, mijery an’ilay boky “Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa”, Boky Faha-2.

Mandray soa ny Kristianina ankehitriny, noho ny sakafo ara-panahy omen’ny Filan-kevi-pitantanana sy ireo solontenany

Jakoba “Rahalahin’ny Tompo”

Zanak’i Josefa sy Maria i Jakoba, ary izy no notononina voalohany rehefa notanisaina ny zandrilahin’i Jesosy. (Mat. 13:54, 55) Nety ho izy àry no zanak’i Maria faharoa. Niara-lehibe tamin’i Jesosy i Jakoba ary nandinika ny fanompoany. Fantany, fara faharatsiny, ny “fahagagana” nataon’i Jesosy, na nahita maso izany izy na tsia. “Tsy nino” an’i Jesosy zokiny lahimatoa anefa izy sy ireo rahalahiny, nandritra ny fanompoan’i Jesosy. (Jaona 7:5) Angamba aza i Jakoba anisan’ireo havan’i Jesosy nilaza fa “lasa adala izy.”​—Mar. 3:21.

Jakoba mamaky horonam-boky.

Niova izany rehefa maty sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Misy Jakoba telo hafa resahin’ny Soratra Grika, nefa azo inoana fa i Jakoba rahalahiny no nisehoan’i Jesosy, tamin’ireo 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Kor. 15:7) Izany angamba no nahatonga an’i Jakoba hiaiky fa tena zanak’Andriamanitra ilay zokiny. Na ahoana na ahoana, dia niara-nivory sy niara-nivavaka tamin’ny apostoly tao amin’ny efitrano ambony rihana iray i Jakoba sy ny reniny ary ireo rahalahiny, folo andro latsaka taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra.​—Asa. 1:13, 14.

Lasa olona tena nohajaina teo anivon’ny fiangonana tao Jerosalema i Jakoba, satria toa noheverina ho apostoly, na “iraka” nalefan’io fiangonana io. (Gal. 1:18, 19) Nanana ny lazany i Jakoba, satria izao no nolazain’ny apostoly Petera tamin’ny mpianatra, rehefa nafahana tao am-ponja tamin’ny fomba mahagaga izy: “Tantarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany.” (Asa. 12:12, 17) Toa i Jakoba koa no nitari-draharaha rehefa nodinihin’ny “apostoly sy ny anti-panahy” tao Jerosalema ilay adihevitra momba ny famorana. (Asa. 15:6-21) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa “hoatran’ny hoe andrin’ny fiangonana” tao Jerosalema i Jakoba sy Kefasy (Petera) ary ny apostoly Jaona. (Gal. 2:9) Taona maro tatỳ aoriana, tamin’i Paoly tafaverina tao Jerosalema taorian’ny dia misionera fahatelo nataony, dia mbola nanao tatitra tamin’i Jakoba izy, ary “tao daholo ny anti-panahy rehetra.”​—Asa. 21:17-19.

Io Jakoba io, izay nantsoin’i Paoly hoe “rahalahin’ny Tompo”, no nanoratra ny bokin’i Jakoba ao amin’ny Baiboly. (Gal. 1:19) Tsy nitonona ho apostoly na rahalahin’i Jesosy izy ao amin’io taratasiny io. Nanetry tena kosa izy ka nilaza fa “mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo.” (Jak. 1:1) Hita amin’ny taratasiny fa tia nandinika ny zavaboary sy ny toetran’ny olona izy, toa an’i Jesosy. Zavatra fahita eo amin’ny natiora no nanazavany an’ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Anisan’izany ny ranomasina tsofin’ny rivotra, ny lanitra feno kintana, ny masoandro mandoro, ny voninkazo marefo, ny afo, ary ny biby efa voafolaka. (Jak. 1:6, 11, 17; 3:5, 7) Nataon’Andriamanitra nahatakatra tsara ny fisainan’ny olona sy ny fanaony i Jakoba, ka afaka nanome torohevitra tena mety mba hifandraisana tsara amin’ny olona.​—Jak. 1:19, 20; 3:2, 8-18.

Toa nanambady i Jakoba, raha jerena ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 9:5. Tsy resahin’ny Baiboly hoe inona no nahafaty an’i Jakoba ary oviana izy no maty. Nanoratra anefa i Josèphe mpahay tantara, fa “namory ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo” i Ananus (Ananiasy) mpisoronabe, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Porsio Festosy governora romanina, tamin’ny taona 62 tany ho any, raha mbola tsy nandray fahefana i Albinus mpandimby azy. “Anisan’ireo nentin’i Ananus teo anoloan’ny mpitsara ny lehilahy iray atao hoe Jakoba, izay rahalahin’i Jesosy, ilay atao hoe Kristy.” Nilaza i Josèphe fa “niampanga azy ireo ho mpandika lalàna” i Ananus, ary “nanolotra azy ireo hotoraham-bato.”

a Jereo ilay efajoro hoe “Jakoba ‘Rahalahin’ny Tompo’”, pejy 112.

b Tsara ny niresahan’i Jakoba an’izay nosoratan’i Mosesy. Tsy ny Lalàna ihany no nosoratan’i Mosesy fa teo koa ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona sy ireo zava-nitranga nahafantarana ny sitrapony, talohan’ny nisian’ny Lalàna. Hita mazava ao amin’ny Genesisy, ohatra, ny fiheveran’Andriamanitra ny ra sy ny fijangajangana ary ny fanompoan-tsampy. (Gen. 9:3, 4; 20:2-9; 35:2, 4) Nampahafantatra toro lalana tokony harahin’ny olona rehetra àry i Jehovah, na Jiosy izy ireo na hafa firenena.

c Jereo ilay efajoro hoe “Filan-kevi-pitantanana Ankehitriny”, pejy 110.

d Eo amin’ny andininy faha-34, dia misy Baiboly mampiditra hevitra hoe naleon’i Silasy nijanona tany Antiokia. (Fandikan-teny Katolika) Azo inoana anefa fa vao nampidirina tatỳ aoriana io hevitra io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara