FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fy toko 1 p. 4-12
  • Misy Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana Ve?
  • Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO ATAO HOE FIANAKAVIANA?
  • IHARAM-PIHENJANANA NY FIANAKAVIANA
  • NY TSIAMBARATELON’NY FAHASAMBARAM-PIANAKAVIANA
  • Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana
    Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana
  • Ny fanalahidin’ny fahasambaram-pianakaviana
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ny Fianakaviana — Zavatra Tena Ilain’ny Olombelona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
fy toko 1 p. 4-12
Sary, pejy 4

TOKO VOALOHANY

Misy Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana Ve?

Sary, pejy 5

1. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny fitambaran’olona ny fianakaviana mafy orina?

NY FIANAKAVIANA no zava-naorina tranainy indrindra eto an-tany, ary manana anjara lehibe dia lehibe eo amin’ny fitambaran’olona izy io. Tao anatin’ny tantara manontolo, ireo fianakaviana mafy orina dia nanampy mba hisian’ny fitambaran’olona mafy orina. Ny fianakaviana no fandaharana tsara indrindra mba hitaizana zanaka ho tonga olon-dehibe matotra.

2-5. a) Lazalazao ny tsy fananana ahiahy tsapan’ny ankizy iray ao amin’ny fianakaviana sambatra iray. b) Zava-manahirana inona avy, hita ao amin’ny fianakaviana sasany, no anaovana tatitra?

2 Ny fianakaviana sambatra iray dia toeram-pialofana ahitana fiarovana sy tsy fananana ahiahy. Alao sary an-tsaina vetivety ilay fianakaviana filamatra. Mandritra ny fisakafoany hariva, dia miara-mipetraka amin’ireo zanany ireo ray aman-dreny feno fiahiana ary miresaka momba ireo zava-niseho tamin’ny andro. Mipentsompentsona ireo ankizy mientanentana eo am-pitantarana amin-dray sy reniny izay nitranga tany an-tsekoly. Mamelombelona ny rehetra ho amin’ny andro iray hafa eny amin’ny tontolo any ivelany ilay fotoana mahafa-boly iarahana.

3 Ao amin’ny fianakaviana sambatra iray, ny zaza iray dia mahafantatra fa hikarakara azy ny rainy sy ny reniny rehefa marary izy, angamba amin’ny fifandimbasana miari-tory eo anilany mandritra ny alina. Fantany fa afaka manatona ny reniny na ny rainy izy, mitondra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainany mbola tanora, ka hahazo torohevitra sy fanohanana. Eny, mahatsiaro ho voaro ilay zaza, na dia mety ho feno zava-manahirana toy inona aza ny tontolo any ivelany.

4 Rehefa lehibe ireo ankizy, mazàna izy ireo dia manambady ary manana ny fianakavian’ny tenany manokana. “Mahatakatra ny trosa ananan’ny ray aman-dreniny aminy ny olona iray, rehefa manan-janaka ny tenany”, hoy ny ohabolana tatsinanana iray. Noho ny fahatsapana fankasitrahana sy fitiavana lalina, ireo zanaka efa lehibe dia miezaka ny hahasambatra ny fianakavian’ny tenany manokana, no sady mikarakara ireo ray aman-dreniny, izay efa mihantitra ankehitriny ka ravoravo miaraka amin’ny zafikeliny.

5 Angamba eto ianao dia mieritreritra hoe: ‘Tia ny fianakaviako aho, nefa tsy tahaka izay vao avy nolazalazaina teo ny ahy. Tsy mitovy ny fandaharam-potoananay mivady any am-piasana ary zara raha mifankahita izahay. Miresaka momba ny zava-manahirana ara-bola izahay amin’ny ankabeazan’ny fotoana.’ Sa ianao milaza hoe: ‘Mipetraka any amin’ny tanàna hafa ireo zanako sy zafikeliko, ary tsy mahita azy ireo mihitsy aho’? Eny, noho ny antony tsy azon’ireo voakasika anoharana matetika, dia tsy ny filamatra velively ny fiainam-pianakaviana maro. Na dia izany aza, dia misy manana fiainam-pianakaviana sambatra. Amin’ny fomba ahoana? Misy tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana ve? Eny no valin’izany. Alohan’ny hiresahana ny amin’ny hoe inona izy io anefa, dia tokony hamaly fanontaniana lehibe iray isika.

INONA NO ATAO HOE FIANAKAVIANA?

6. Ny karazam-pianakaviana inona no horesahina ato amin’itỳ boky itỳ?

6 Any amin’ireo tany tandrefana, ny ankamaroan’ny fianakaviana dia voaforon’ny ray sy ny reny ary ny zanaka. Ireo raibe sy renibe dia mety hipetraka any amin’ny ankohonany manokana ela araka izay azony atao. Na dia mbola misy fifampikasohana amin’ny havana lavitra kokoa ihany aza, dia voafetra ny adidy amin’izy ireo. Io fianakaviana io no tena horesahintsika ato amin’itỳ boky itỳ. Kanefa, misy fianakaviana hafa nihananjary fahita tato anatin’ireo taona faramparany — ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, sy ny fianakaviana voaforon’ny mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha, ary ny fianakaviana misy ray aman-dreny tsy miara-mipetraka noho ny antony iray na hafa.

7. Inona moa ilay atao hoe fianakaviana miitatra?

7 Fahita ao amin’ny kolontsaina sasany ny fianakaviana miitatra. Ao amin’io fandaharana io, raha azo atao, ireo raibe sy renibe dia karakarain’ireo zanany amim-pahazarana, ary miitatra amin’ny havana lavitra ireo fatorana akaiky sy andraikitra. Ohatra, ireo mpianakavy dia mety hanampy mba hamelona sy hitaiza ary handoa ny saram-pianaran’ireo zanaky ny mpiray tam-po aminy na ny havana lavitra kokoa. Mihatra amin’ny fianakaviana miitatra koa ireo fotopoto-pitsipika horesahina ato amin’itỳ boky itỳ.

IHARAM-PIHENJANANA NY FIANAKAVIANA

8, 9. Zava-manahirana inona avy, hita any amin’ny tany sasany, no mampiseho fa mihamiova ny fianakaviana?

8 Amin’izao andro izao, dia mihamiova ny fianakaviana — mampalahelo fa tsy ho amin’ny tsara. Ny ohatra iray ny amin’izany dia hita any India. Any dia mety hiara-mipetraka amin’ny fianakavian’ny vadiny ny vehivavy iray ary hiasa ao an-trano eo ambany fitarihan’ny havam-badiny. Ankehitriny anefa, dia tsy mahalana ny itadiavan’ny vehivavy karàna asa any ivelan’ny tokantrano. Kanefa dia toa mbola antenaina hanatontosa ireo anjara asany nentim-paharazana ao an-trano ihany izy. Ny fanontaniana mipetraka any amin’ny tany maro dia hoe: Raha oharina amin’ny mpianakavy hafa, manao ahoana ny habetsahan’asa ao an-trano tokony hantenaina hataon’ny vehivavy iray miasa any ivelany?

9 Ao amin’ireo fitambaran’olona tatsinanana, dia nentim-paharazana ny fatorana mafy misy ao amin’ny fianakaviana miitatra. Kanefa, noho ny fitaoman’ilay hoe samy maka ho azy fahita any Andrefana sy ny fihenjanana ateraky ny zava-manahirana ara-bola, dia mihamalemy ilay fianakaviana miitatra nentim-paharazana. Noho izany, dia maro no mihevitra ny fikarakarana ireo mpianakavy efa antitra ho toy ny enta-mavesatra, fa tsy ho toy ny adidy na tombontsoa. Entina amin’ny fomba ratsy ny ray aman-dreny efa zokiolona sasany. Eny tokoa, hita any amin’ny tany maro amin’izao andro izao ny fitondrana amin’ny fomba ratsy sy ny fanaovana tsirambina ireo efa be taona.

10, 11. Zava-misy inona avy no mampiseho fa mihamiova ny fianakaviana any amin’ireo tany eoropeana?

10 Mihamanjary fahita ny fisaraham-panambadiana. Any Espaina, ny taham-pisaraham-panambadiana dia niakatra ho 1 isaky ny fanambadiana 8, teo am-piandohan’ireo folo taona farany amin’ny taonjato faha-20 — fisondrotana lehibe tampoka avy tamin’ny fisaraham-panambadiana 1 isaky ny 100 vao 25 taona monja talohan’izay. I Grande-Bretagne, izay voalaza fa manana ny taham-pisaraham-panambadiana avo indrindra any Eoropa (fanambadiana 4 isaky ny 10 no ampoizina tsy hahomby), dia nahitana fidangan’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny.

11 Maro any Alemaina no toa mahafoy tsotra izao ny fianakaviana nentim-paharazana. Ireo taona 1990 dia nahitana fa ny 35 isan-jaton’ny ankohonana alemanina dia voaforon’olon-tokana ary ny 31 isan-jato dia voaforon’olon-droa monja. Ny Frantsay koa dia mihamahalana no manambady, ary ireo izay manambady dia misara-panambadiana matetika kokoa ary aloha kokoa noho ny taloha. Mihamitombo ny isan’ireo izay tia kokoa ny miara-mipetraka tsy misy ireo andraikitra entin’ny fanambadiana. Misy fironana mitovy amin’izany hita maneran-tany.

12. Manao ahoana ny fijalian’ny ankizy, noho ireo fiovana eo amin’ny fianakaviana maoderina?

12 Ahoana ny amin’ny ankizy? Any Etazonia sy any amin’ny tany maro hafa, dia mihabetsaka ireo izay teraka ivelan’ny fanambadiana, ka ny sasany aminy dia ateraky ny zatovo mbola kely. Zatovovavy maro no manan-janaka maromaro izay samy hafa ray. Ny tatitra avy any amin’ny faritra rehetra maneran-tany dia milaza ny amin’ireo ankizy an-tapitrisany maro tsy manan-kialofana ka mirenireny eny amin’ny arabe; maro no mandositra tokantrano nampijaliana azy, na noroahin’ny fianakaviany izay tsy afaka ny hamelona azy intsony.

13. Zava-manahirana miely patrana inona avy no manesotra ny fahasambarana amin’ny fianakaviana?

13 Eny, ao anatin’ny krizy ny fianakaviana. Fanampin’izay efa notononina teo, ny fikomian’ny zatovo, ny fampijaliana ankizy, ny herisetra ao amin’ny fanambadiana, ny alkaolisma ary ny zava-manahirana hafa mampamoy fo dia manesotra ny fahasambarana amin’ny fianakaviana maro. Ho an’ny ankizy sy olon-dehibe maro be, dia tsy toeram-pialofana velively ny fianakaviana.

14. a) Araka ny filazan’ny olona sasany, inona avy ireo anton’ny krizin’ny fianakaviana? b) Ahoana no nilazalazan’ny mpahay lalàna iray tamin’ny taonjato voalohany ny tontolo amin’izao andro izao, ary inona no vokatry ny fahatanterahan’ireo teniny teo amin’ny fiainam-pianakaviana?

14 Nahoana no ao anatin’ny krizy ny fianakaviana? Ny sasany dia manome tsiny ny fidiran’ny vehivavy ao amin’ny sehatry ny asa ho fototry ny krizin’ny fianakaviana amin’ny andro ankehitriny. Ny hafa manondro ny fikororosiana ara-pitondran-tena amin’izao andro izao. Ary misy antony fanampiny lazaina. Efa ho roa arivo taona lasa izay, ny mpahay lalàna fanta-daza iray dia nanambara mialoha fa hisy fanerena maro hampahory ny fianakaviana, rehefa nanoratra izy hoe: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina noho ny fieboeboana, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:1-4, NW ). Iza no hisalasala ny amin’ny fahatanterahan’ireo teny ireo amin’izao andro izao? Eo amin’ny tontolo iray misy toe-javatra toy ireo, mahagaga ve raha ao anatin’ny krizy ny fianakaviana maro?

NY TSIAMBARATELON’NY FAHASAMBARAM-PIANAKAVIANA

15-17. Ato amin’itỳ boky itỳ, fahefana inona no hotondroina ho manana ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana?

15 Misy torohevitra momba ny fomba hahazoana fahasambarana ao amin’ny fianakaviana, atolotra hatraiza hatraiza. Any Andrefana, dia tsy mety tapitra ireo boky sy gazetiboky momba ny fahaizana mivoatra samirery, izay manome torohevitra. Ny zava-manahirana dia hoe mifanipaka ireo mpanolo-tsaina olombelona, ary izay torohevitra malaza anio dia mety hoheverina ho tsy mandaitra rahampitso.

16 Aiza àry no ahafahantsika mitady tari-dalana azo ianteherana momba ny fianakaviana? Moa ve ianao hitodika any amin’ny boky iray vita 1 900 taona lasa teo ho eo izay? Sa ianao hihevitra fa ny boky tahaka izany dia tsy maintsy ho lany andro tanteraka? Ny marina dia hoe ny tena tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana dia hita ao anatin’izany loharanon-kevitra izany indrindra.

17 Izany loharanon-kevitra izany dia ny Baiboly. Araka ny porofo rehetra, dia ara-tsindrimandrin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy izy io. Ao amin’ny Baiboly isika dia mahita izao fanambarana manaraka izao: “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. (2 Timoty 3:16, NW ). Ato amin’itỳ boky itỳ izahay dia hampirisika anao mba handinika ny fomba ahafahan’ny Baiboly manampy anao ‘handamin-javatra’ rehefa mikarakara ireo fihenjanana sy zava-manahirana atrehin’ny fianakaviana amin’izao andro izao.

18. Nahoana no araka ny fandrindran-kevitra ny hanekena ny Baiboly ho ny fahefana manome torohevitra momba ny fanambadiana?

18 Raha mitady hanilika ny hoe mety ho afaka hanampy mba hahasambatra ny fianakaviana ny Baiboly ianao, dia diniho izao: Ilay nanome tsindrimandry tamin’ny fanoratana ny Baiboly no Loharanon’ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana. (Genesisy 2:18-25). Milaza ny Baiboly fa Jehovah no anarany. (Salamo 83:18). Izy no Mpamorona sady ‘ny Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra anarana’. (Efesiana 3:14, 15). Nandinika ny fiainam-pianakaviana hatrany am-piandohan’ny taranak’olombelona i Jehovah. Fantany ireo zava-manahirana afaka ny hipoitra ary nanome torohevitra mba handaminana azy ireo izy. Nandritra ny tantara manontolo, ireo izay nampihatra tamim-pahatsoram-po ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly teo amin’ny fiainam-pianakaviany dia nahita fahasambarana lehibe kokoa.

19-21. Fanandraman-javatra maoderina inona avy no mampiseho ny hery ananan’ny Baiboly handamina zava-manahirana ara-panambadiana?

19 Ohatra, ny vehivavy iray mpikarakara tokantrano any Indonezia dia mpiloka be taloha. Nandritra ny taona maro izy dia nanao tsirambina ireo zanany telo ary nifamaly tsy tapaka tamin’ny vadiny. Avy eo izy dia nanomboka nianatra ny Baiboly. Tsikelikely, io vehivavy io dia nanjary nino izay nolazain’ny Baiboly. Rehefa nampihatra ny torohevitra tao anatiny izy, dia nanjary vady tsara kokoa. Nitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviany iray manontolo ireo ezaka nataony, niorina tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.

20 Hoy ny vehivavy iray mpikarakara tokantrano any Espaina: “Vao herintaona monja no nivadianay raha nanomboka nanan-java-nanahirana lehibe izahay.” Tsy nanan-javatra firy niombonana izy mivady, ary tsy niresaka firy izy ireo, raha tsy rehefa niady. Na dia nanana zanakavavy kely aza izy ireo, dia nanapa-kevitra ny hisara-toerana ara-dalàna. Talohan’ny hitrangan’izany anefa, dia nampirisihina hijery tao amin’ny Baiboly izy ireo. Nianatra ny torohevitra tao anatiny ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady izy ireo ary nanomboka nampihatra azy io. Tsy ela dia afaka nifampiresaka tamim-pilaminana izy ireo, ary dia tafaray tamim-pahasambarana ny fianakaviany kely.

21 Manampy ny olona be taona koa ny Baiboly. Ohatra, diniho ny fanandraman-javatry ny mpivady japoney iray. Saro-po ilay lehilahy ary nahery setra indraindray. Ireo zanakavavin’io mpivady io aloha no nanomboka nianatra ny Baiboly, na dia teo aza ny fanoheran’ny ray aman-dreniny. Avy eo, dia nianatra niaraka tamin’ireo zanany vavy ilay lehilahy, fa ilay vehivavy kosa nanohy nanohitra. Kanefa, arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nahamarika ny vokatra tsaran’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly teo amin’ny fianakaviany izy. Nikarakara azy tsara ireo zanany vavy, ary nanjary nalemy fanahy kokoa ny vadiny. Nanosika ilay vehivavy hijery manokana tao amin’ny Baiboly ny fiovana toy izany, ary dia nisy vokany tsara toy izany teo aminy koa izy io. Namerimberina nilaza io ramatoa efa zokiolona io hoe: “Nanjary tena mpivady tokoa izahay.”

22, 23. Ahoana no anampian’ny Baiboly ny olona avy amin’ny firenena rehetra hahita fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviany?

22 Ireo olona ireo dia anisan’ny olona maro be izay nianatra ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana. Nanaiky ny torohevitry ny Baiboly izy ireo, ary nampihatra azy io. Marina fa miaina ao amin’ilay tontolo mahery setra sy maloto fitondran-tena ary feno fihenjanana ara-bola iainan’ny olon-kafa rehetra koa izy ireo. Ambonin’izany, dia tsy tanteraka izy ireo, nefa mahita fahasambarana amin’ny fiezahana hanao ny sitrapon’ilay Loharanon’ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana. Araka ny lazain’ny Baiboly, i Jehovah Andriamanitra dia Ilay ‘mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao’. — Isaia 48:17.

23 Na dia vita efa ho roa arivo taona lasa aza izay ny Baiboly, dia tena araka ny toetr’andro marina ny torohevitra ao anatiny. Ankoatra izany, dia nosoratana ho an’ny olona rehetra izy io. Tsy boky amerikana na tandrefana akory ny Baiboly. “Nanao ny firenen’olona rehetra avy tamin’ny lehilahy iray” i Jehovah, ary mahafantatra ny maha-izy ny olombelona hatraiza hatraiza Izy. (Asan’ny Apostoly 17:26, NW ). Mandaitra ho an’ny rehetra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Raha mampihatra azy ireo ianao, ianao koa dia hanjary hahafantatra ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana.

AFAKA MAMALY IRETO FANONTANIANA IRETO VE IANAO?

Inona no manjo ny fianakaviana amin’izao andro izao? — 2 Timoty 3:1-4, NW.

Iza no loharanon’ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana? — Efesiana 3:14, 15.

Inona no tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana? — Isaia 48:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara