FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp2 toko 6 p. 58-66
  • Fa Maninona àry Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Maninona àry Aho?
  • Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiovana eo amin’ny ankizivavy
  • Fiovana eo amin’ny ankizilahy
  • Fihetseham-po vaovao
  • Ny zava-dehibe indrindra
  • Ahoana no Hiatrehako ny Fiovana eo Amin’ny Vatako?
    Manontany ny Tanora
  • ‘Fa Maninona àry Aho?’
    Mifohaza!—2004
  • Ampio ny Zanakao Hiatrika ny Fiovana eo Amin’ny Vatany
    Mifohaza!—2016
  • Rehefa tonga lehilahy lehibe ny zazalahikely iray
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
yp2 toko 6 p. 58-66

Toko 6

Fa Maninona àry Aho?

“Tsy tiako fa nihalava haingana loatra aho. Tsara aloha ilay mihalava e! Fa mahasosotra koa ilay izy, satria nivonkina foana ny hozatra tao amin’ny tongotro!”—Hasina.

“Miova ny vatanao, dia mba manantena ianao hoe tsy hisy hahita ilay izy. Iny anefa fa misy milaza aminao hoe: ‘Lasa mivelabelatra ange indrỳ izany e!’ Tsy voatery hoe te hananihany anao ilay olona, nefa te hisitri-belona ianao!”—Shania.

EFA mba nifindra trano ve ianareo mianakavy? Mafy taminao ilay izy, sa tsy izany? Niova daholo mantsy ny zavatra nahazatra anao, toy ny trano, sekoly, ary namana. Elaela angamba ianao vao tamana.

Miova koa ny fiainanao, rehefa tonga ny fotoanan’ny fahamaotiana. Manomboka manana vatan’olon-dehibe ianao amin’izay. Anisan’ny fiovana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana izany. Toy ny hoe “mifindra trano” ianao amin’io fotoana io. Marina fa mahafinaritra ilay hoe mihalehibe, nefa mety hitebiteby koa ianao, ary mety ho elaela vao zatra. Inona tokoa no mitranga amin’io fotoana mahafinaritra nefa mampikorontan-tsaina io?

Fiovana eo amin’ny ankizivavy

Ho an’ny ankizivavy, dia matetika no manomboka ilay fiovana lehibe, rehefa 12 taona eo ho eo izy. Mora hita ny fiovana sasany. Hisy volo haniry, ohatra, eo amin’ny fivavianao. Hormonina no mahatonga izany. Hihalehibe ny nono, andilana, fe, ary ny fitombenanao. Hiova tsikelikely ho vatam-behivavy ny vatanao, fa tsy vatan’ankizy kely intsony. Tsy mampahatahotra izany, fa tena voajanahary. Midika koa izany fa manomboka vonona ho amin’ny fiterahana ny vatanao!

Ho tonga fotoana na fadimbolana ianao, rehefa manomboka kelikely ny fahamaotiana. Mety hampahatahotra anao io zava-mitranga lehibe eo amin’ny fiainanao io, raha tsy resahina aminao mialoha. Hoy i Samantha: “Tsy fantatro mihitsy izany hoe tonga fotoana izany taloha, ka noheveriko hoe maloto aho tamin’izaho tonga fotoana voalohany. Nisasa ela be aho, sady niteny hoe: ‘Tsss... Maharikoriko!’ Niferinaina aho nieritreritra hoe ho tonga fotoana foana isam-bolana!”

Tadidio anefa fa manomboka vonona ho amin’ny fiterahana ny vatanao, matoa ianao tonga fotoana. Efa ho vehivavy lehibe ianao izao, na dia afaka taona maro aza vao ho vonona tsara ny hiteraka. Na izany aza, dia mety ho sahiran-tsaina ianao rehefa tonga fotoana voalohany. Hoy i Fanja: “Ny tena tsy tiako dia ilay izaho mbetika faly mbetika malahelo. Sorena aho satria tsy haiko tamin’izany hoe naninona aho no falifaly be nandritra ny andro, nefa nigogogogo nitomany indray ny alin’iny.”

Raha izany koa no tsapanao, dia mahareta. Ho zatra ihany ianao rehefa mandeha ny fotoana. Hoy i Aina, 20 taona: “Nekeko ihany tamin’ny farany hoe tsy maintsy mandalo amin’izany ny vehivavy rehetra, ary nataon’i Jehovah tonga fotoana aho mba hahafahako hiteraka. Elaela ianao vao manaiky an’ilay fiovana, ary tena sarotra izany ho an’ny ankizivavy sasany. Ekenao ihany anefa ilay izy amin’ny farany.”

Efa mitranga aminao koa ve ny sasany amin’ireo fiovana noresahina teo ireo? Raha misy fanontanianao, dia soraty eto.

․․․․․

Fiovana eo amin’ny ankizilahy

Ho hita be eo amin’ny bika aman’endrikao fa ao anatin’ny fotoanan’ny fahamaotiana ianao. Mety hivoaka menaka, ohatra, ny hoditrao ka hisy mony.a Hoy i Matthias, 18 taona: “Kivy mihitsy aho amin’ilay feno mony. Mahasosotra! Tsy mety afaka ilay izy. Asa raha ho afaka ihany indray andro any! Indraindray koa mamela lavadavaka ilay izy, ka lasa tsy tian’ny ankizy ianao.”

Tsy ratsy daholo anefa ny fiovana eo amin’ny vatanao. Hihalehibe sy hihamatanjaka ianao, ary hihamivelatra ny sorokao. Mety hisy volo haniry koa eny amin’ny tongotra, tratra, tarehy, ary any ambany helikao. Izao anefa: Tsy izay be volo ihany no atao hoe tena lehilahy. Misy koa tsy dia misy volo. Mety ho nolovana tamin’ny ray aman-dreny fotsiny ilay izy.

Mety hikaviavia ianao, satria misy faritra amin’ny vatanao mitombo haingana kokoa noho ny hafa. Latsaka ho azy, ohatra, indraindray ny zavatra eny an-tananao. Izany indrindra no nahazo an’i Haja. Nilaza izy fa toy ny hoe androany ny atidohany no mibaiko ny tanany, nefa tsy mihetsika ilay izy raha tsy afaka herinandro!

Manomboka vaky feo koa ianao. Miovaova ny feonao mandritra ny fotoana kelikely. Mety ho be feo, ohatra, ianao, nefa tampoka eo dia lasa kely feo indray. Ihomehezo fotsiny ilay izy, dia tsy ho menatra loatra ianao. Aza matahotra fa tsy hiova intsony ny feonao amin’ny farany.

Manomboka miasa koa ny taovam-pananahanao, ka mihalehibe ny filahianao, ary lasa maniry volo manodidina azy io. Mamokatra ranoka atao hoe tsirinaina, ny taovam-pananahana. Misy tsirilahy bitika an-tapitrisany ao anatin’io ranoka io. Mivoaka eo amin’ny filahiana ireo tsirilahy ireo, rehefa manao firaisana ny lehilahy. Rehefa mitambatra amin’ny tsirivavy ny tsirilahy, dia lasa misy zaza miforona ao an-kibon’ny vehivavy.

Mihabetsaka foana ny tsirinaina ao anatinao. Levona ny sasany, fa misy kosa mivoaka ho azy etỳ ivelany, rehefa matory ianao. Voajanahary izany, ary resahin’ny Baiboly mihitsy aza. (Levitikosy 15:16, 17) Midika izany fa miasa tsara ny taovam-pananahanao, ary efa ho lehilahy lehibe ianao.

Efa mitranga aminao koa ve ny sasany amin’ireo fiovana noresahina teo ireo? Raha misy fanontanianao, dia soraty eto.

․․․․․

Fihetseham-po vaovao

Rehefa manomboka miasa ny taovam-pananahan’ny tanora, dia lasa mieritreritra ankizilahy na ankizivavy foana izy. Hoy i Matthias: “Rehefa nihalehibe aho, dia tsy haiko fa lasa voamariko hoe be dia be ny ankizivavy mahafatifaty. Tsy tiako maizina ilay izy, satria fantatro fa tsy afaka miaraka amin’ny ankizivavy aho raha tsy efa lehibe.” Hiresaka bebe kokoa momba izany ny Toko 29. Tena ilainao anefa aloha izao ny mianatra mifehy ny fanirianao hanao firaisana. (Kolosianina 3:5) Marina fa sarotra ilay izy, nefa ho vitanao!

Misy zavatra hafa tsy maintsy hitranga aminao koa mandritra ny fahamaotiana. Mora mahatsapa ho tsy misy ilana azy, ohatra, ny tanora. Maro koa ny ankizy manirery sy kivy indraindray. Raha mitranga aminao izany, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe hafa atokisanao. Soraty eto ny anaran’izay olon-dehibe tianao hiresahana.

․․․․․

Ny zava-dehibe indrindra

Marina fa hihalava ianao, ary hihatsara ny bika aman’endrikao. Tsy izany anefa no tena zava-dehibe, fa ny fitomboanao eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ary indrindra ny ara-panahy. Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Mazava ny tiany holazaina, dia hoe tsy ampy ny manana vatan’olon-dehibe. Tsy maintsy mianatra manao zavatra, miteny, ary mieritreritra toy ny olon-dehibe ianao. Mitandrema sao variana loatra amin’ny bika aman’endrikao, ka hadinonao ny manatsara ny toetranao!

Tadidio koa fa ‘ny fo no jeren’i Jehovah.’ (1 Samoela 16:7) Milaza ny Baiboly fa sady lava no tsara tarehy i Saoly Mpanjaka. Tsy nahavita ny asa nanendrena azy anefa izy, ary tsy nampiseho hoe tena lehilahy. (1 Samoela 9:2) I Zakaiosy kosa nanana herim-po nanova ny fiainany, na dia “fohy kely” aza, ka lasa mpianatr’i Jesosy. (Lioka 19:2-10) Hita àry fa ny toetra no tena zava-dehibe.

Tsarovy fa sady tsy azo hafainganina, no tsy azo hahemotra ny fahamaotiana. Aza sorena na matahotra àry, rehefa misy fiovana eo amin’ny vatanao. Ataovy kosa izay hahatonga anao ho zatra azy ireny, ary aza kivy. Ihomehezo fotsiny ilay izy. Tsy aretina akory ny fahamaotiana, ary tsy ianao no voalohany nandalo tamin’izany. Nahavita nandalo an’io fotoan-tsarotra io ny olon-kafa. Matokia fa ho vitanao koa izany. Ho lasa olon-dehibe ianao, rehefa tapitra io fotoana mampikorontan-tsaina io!

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana raha tsy tianao ny bika aman’endrikao, rehefa mijery fitaratra ianao? Inona no hanampy anao tsy hiasa saina loatra amin’izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy mony koa ny ankizivavy. Tsy ho be mony loatra ianao, raha karakarainao tsara ny hoditrao.

ANDININ-TENY

“Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.”—Salamo 139:14.

SOSO-KEVITRA

Efa manomboka mitombo izao ny vatanao, ka aza manao akanjo manaitaitra ny filan’ny nofo. Miakanjoa “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” hatrany.—1 Timoty 2:9.

FANTATRAO VE... ?

Miovaova ny taona anombohan’ny fahamaotiana. Mety ho 8 taona ilay ankizy, nefa koa mety ho efa 14 taona na mihoatra.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Efa mihalehibe aho izao, ka ireto avy no toetra tena tokony hananako: ․․․․․

Izao no hataoko mba hanatsarako ny fifandraisako amin’i Jehovah: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no sahirana ny tanora rehefa manomboka miova ny vatany sy ny fihetseham-pony?

● Inona no fiovana hitanao hoe mafy indrindra?

● Nahoana no mety hihena ny fitiavanao an’Andriamanitra, mandritra an’io fotoana io? Inona anefa no azonao atao mba tsy hitrangan’izany?

[Teny notsongaina, pejy 61]

Betsaka ny zavatra tsy ampoizina mitranga aminao rehefa mihalehibe ianao. Tsy tena fantatrao izay fiovana hiseho amin’ny vatanao. Miezaka manaiky an’ilay izy anefa ianao rehefa mandeha ny fotoana, ka lasa zatra amin’ny farany.’’—Aina

[Efajoro, pejy 63, 64]

Hiresaka firaisana amin’i Dada sy Neny hoe?

“Raha te hanontany momba ny firaisana aho, dia tsy ny dada sy mamanay mihitsy no hiresahako.”—Fara.

“Tsy ho sahy hiresaka an’izany aminy mihitsy aho.”—Dimby.

Voa mafy ianao raha mitovy hevitra amin’i Fara sy Dimby. Te hahalala momba ny firaisana mantsy ianao, nefa ny olona tena mahalala an’izany no tsy tianao hanontaniana! Tsy iza izany fa ny ray aman-dreninao! Maro angamba ny zavatra mampahatahotra anao, toy ny hoe:

Inona izao no hoeritreretiny momba ahy?

“Tsy tiako ry zareo raha miahiahy hoe maditra aho.”—Jessica.

“Tiany ho zaza foana ianao, ka tsy hahalala na inona na inona mihitsy. Tsy hoatr’izany intsony ianao aminy, raha vao manontany momba ny firaisana.”—Fara.

Inona no ho vokany eo aminy?

“Matahotra aho sao tonga dia hieritreri-dratsy ry zareo ka hiteniteny ahy, nefa mbola tsy tapitra akory ny teniko.”—Gloria.

“Tsy dia mahay manafina ny ao am-pony ny ray aman-dreniko, ka tsy tiako ny hahita azy ho tezitra. Mbola tsy tapitra akory aza angamba ny teniko, dia efa hitady teny hibedesana ahy dadanay.”—Onisoa.

Sao dia ho diso fandray ny teniko izy?

“Mety tonga dia ho tezitra ry zareo ka hiteny hoe: ‘Sao dia efa nanao firaisana tany àry ianao?’, na hoe: ‘Teren’ny ankizy hanao an’izany angaha ianao?’ Mba te hahalala fotsiny anefa ianao.”—Liva.

“Matahotra foana dadanay isaky ny miresaka ankizilahy aho. Tonga dia firaisana no resahiny amiko. Hoy aho anakampo: ‘Izay indray i Dada! Izaho ange tsy niteny hoe hanambady azy na hanao firaisana aminy e! Nilaza fotsiny aho hoe bôgôsy izy.’ ”—Lalie.

Hampahery anao angamba ny hahalala fa tsy ianao ihany no menatra hiresaka momba ny firaisana amin’ny ray aman-dreninao. Izy ireo koa mba mety ho menatra hiresaka izany aminao! Nisy fanadihadiana natao, ka ny 65 isan-jaton’ny ray aman-dreny nanontaniana, no nilaza fa niresaka momba ny firaisana tamin’ny zanany, nefa 41 isan-jato monja ny ankizy nahatadidy hoe niresahana momba izany.

Toa manaporofo izany fa misy ray aman-dreny menatra hiresaka momba ny firaisana. Nahoana? Satria tsy niresaka momba izany taminy koa angamba ny ray aman-dreniny! Aza omena tsiny àry izy. Nahoana raha ianao mihitsy no miresaka aminy voalohany? Ahoana anefa no hatao?

Fomba hanombohan-dresaka

Betsaka ny zavatra fantatry ny ray aman-dreninao momba ny firaisana, ka manana torohevitra maro momba izany izy. Mila hainao fotsiny ny manombo-dresaka. Andramo izao:

1 Tsory amin’izy ireo fa te hiresaka aminy ianao, nefa matahotra. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Mba te hiresaka aminareo aho, fa matahotra kely sao hoeritreretinareo hoe...”

2 Lazao avy eo hoe nahoana no izy no niresahanao. “Misy zavatra tiako hanontaniana, ary aleoko ianareo no mamaly azy fa tsy olon-kafa.”

3 Apetraho ny fanontanianao, aorian’izay. “Saika hanontany fotsiny aho hoe...”

4 Rehefa tapitra ilay resaka, dia lazao fa mbola te hiresaka aminy ianao amin’ny manaraka. “Mbola afaka miresaka aminareo indray ve aho, raha misy tiako hanontaniana?”

Apetraho foana io fanontaniana io, na dia fantatrao aza fa “eny” no ho valiny. Raha renao milaza izany mihitsy mantsy izy, dia hatoky ianao fa mbola ho afaka hiresaka ianareo, ka ho sahy hanatona azy indray ianao. Ampiharo àry ireo soso-kevitra ireo! Mety hitovy hevitra amin’i Tiana ianao. Efa 24 taona izy izao. Hoy izy: “Tamin’izahay sy mamanay niresaka, dia niteny anakampo aho hoe: ‘Tahaka izay ihany aho tsy nanontany azy.’ Faly anefa aho izao fa tsy nisy zavatra nafeniny tamiko mihitsy. Tena niaro ahy izany!”

[Sary, pejy 59]

Toy ny olona mifindra trano ianao, rehefa manomboka manana vatan’olon-dehibe. Ho zatra ihany anefa ianao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara