-
Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny DikanyInona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
Andriamanitra mihitsy no nanazava ny dikan’ny anarany tamin’i Mosesy mpanompony. Nanontany momba ny anaran’Andriamanitra i Mosesy tamin’izay, ka hoy i Jehovah: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Izao no nandikana azy io ao amin’ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho tonga izay rehetra mahafinaritra ahy aho.” Midika izany fa afaka miovaova araka izay tiany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Azony ampiasaina sy ovana amin’izay rehetra ilany azy koa ny zavaboariny, mba ho tanteraka izay kasainy.
Inona no hataonao ho an’ny namanao raha afaka ny ho tonga izay rehetra tianao ianao? Raha marary mafy ny namanao, dia afaka ny ho tonga dokotera mahay ianao, ary hanasitrana azy. Raha misy namanao sahirana ara-bola indray, dia afaka ny ho tonga mpanankarena ianao ary hanavotra azy. Tsy afaka ny ho tonga izay rehetra tianao anefa ianao, ary hoatr’izany daholo isika. Ho gaga ianao rehefa mianatra ny Baiboly, satria ho hitanao fa tonga izay rehetra ilaina i Jehovah, mba hanatanterahana ny fampanantenany. Faly koa izy mampiasa ny heriny mba hanampiana ny olona tia azy. (2 Tantara 16:9) Tsy mahalala an’ireo toetra tsaran’i Jehovah ireo ny olona tsy mahafantatra ny anarany.
Tokony ho hita ao amin’ny Baiboly àry ilay anarana hoe Jehovah. Mila mahafantatra ny dikan’io anarana io sy mampiasa azy io matetika isika, rehefa manompo azy. Tena hanampy antsika izany mba hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.a
-
-
Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i DanielaInona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
FANAZAVANA FANAMPINY
Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela
VELONA 500 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy i Daniela mpaminany. Nisy zavatra nolazain’i Jehovah taminy anefa ahalalana hoe oviana i Jesosy no voahosotra na voatendry ho Mesia, na Kristy. Hoy i Jehovah taminy: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.”—Daniela 9:25.
Mila fantarintsika aloha hoe oviana no ‘nivoaka ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy’, vao ho fantatsika ny daty hahatongavan’ny Mesia. Nilaza i Nehemia, mpanoratra Baiboly, fa “tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka” no nivoaka ilay didy hanamboarana ny mandan’i Jerosalema. (Nehemia 2:1, 5-8) Araka ny mpahay tantara, dia tamin’ny taona 474 T.K. no nanomboka nanjaka i Artaksersesy. Ny taona 455 T.K. àry no taona faharoapolo nanjakany. Io taona 455 T.K. io no daty iaingana, mba hamantarana ny fotoana hahatongavan’ny Mesia.
Nolazain’i Daniela ny faharetan’ny fotoana manomboka eo amin’ilay taona iaingana, ka mandra-pahatongan’ny “Mesia Mpitarika.” Nilaza izy fa haharitra “fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro” ilay izy, izany hoe 69 herinandro raha atambatra. Maharitra hafiriana izany? Tsy herinandro misy fito andro no tiana holazaina amin’io, rehefa jerena ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro, fa herinandron-taona, izany hoe fito taona ny herinandro tsirairay. Efa nahazatra ny Jiosy taloha ny herinandron-taona. Nitandrina ny taona sabata, ohatra, izy ireo isaky ny fito taona. (Eksodosy 23:10, 11) Misy 7 taona avy àry ny tsirairay amin’ireo herinandro 69 ireo, izany hoe 483 taona amin’ny fitambarany (69 x 7).
Manao kajy sisa isika. Raha manisa 483 taona avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, dia ho tonga amin’ny taona 29 A.K. (Aorian’i Kristy). Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa Mesia.a (Lioka 3:1, 2, 21, 22) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ilay faminanian’ny Baiboly. Tsy hitanao hoe mahavariana ve izany?
a Raha manisa avy eo amin’ny taona 455 T.K. isika, ka hatramin’ny taona 1 T.K., dia mahita 454 taona. Misy herintaona eo anelanelan’ny taona 1 T.K. ka hatramin’ny taona 1 A.K. (tsy misy taona 0), ary 28 taona eo anelanelan’ny taona 1 sy taona 29. Raha ampifanampiana ny 454 sy 1 ary 28, dia manome 483 taona. ‘Novonoina’ i Jesosy tamin’ny taona 33, tao anatin’ny herinandron-taona faha-70. (Daniela 9:24, 26) Jereo ny Toko faha-11 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
-
-
Jesosy Kristy: Ilay Mesia NampanantenainaInona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
FANAZAVANA FANAMPINY
Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina
MBA hamantarantsika hoe iza ilay Mesia, dia nisy mpaminany maro nasain’i Jehovah Andriamanitra nanoratra zavatra momba an’io Mpamonjy io, ohatra hoe ny nahaterahany sy ny fanompoany ary ny nahafatesany. Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy daholo ireny faminaniana ireny, ary mahavariana fa marina sady amin’ny an-tsipiriany. Handinika faminaniana vitsivitsy momba ny nahaterahan’ny Mesia sy ny fahazazany isika, mba hahitana an’izany.
Nilaza i Isaia mpaminany fa ho avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia. (Isaia 9:7) Tena avy tamin’ny taranak’i Davida tokoa no niavian’i Jesosy.—Matio 1:1, 6-17.
Nilaza koa i Mika mpaminany fa ho lasa mpitondra io zaza io, ary ho teraka any “Betlehema Efrata.” (Mika 5:2) Nisy tanàna roa atao hoe Betlehema tany Israely, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Ny iray tany akaikin’i Nazareta tany avaratra, ary ny iray tsy lavitra an’i Jerosalema, any Joda. Nantsoina hoe Efrata ilay Betlehema tany akaikin’i Jerosalema, taloha. Tao i Jesosy no teraka, mifanaraka tsara amin’ilay faminaniana.—Matio 2:1.
Nilaza koa ny faminaniana iray fa hantsoina “hiala avy tany Ejipta” ny Zanak’Andriamanitra. Nentina tany Ejipta i Jesosy tamin’izy mbola kely. Nentina niala avy tany izy taorian’ny nahafatesan’i Heroda, ka tanteraka ilay faminaniana.—Hosea 11:1; Matio 2:15.
Misy tsipiriany momba ny Mesia ao amin’ireo andinin-teny ao amin’ilay tabilao ao amin’ny pejy faha-200, eo ambanin’ilay hoe “Faminaniana.” Ampitahao amin’ireo andinin-teny eo ambanin’ilay hoe “Fahatanterahany” izy ireo. Hino kokoa ny Tenin’Andriamanitra ianao amin’izay.
Vakio ireo andinin-teny ireo, ary tadidio fa efa an-jatony taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nosoratana ny faminaniana sasany. Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.” (Lioka 24:44) Azonao hamarinina ao amin’ny Baibolinao fa tena tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izany.
-
-
Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy MasinaInona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
-
-
FANAZAVANA FANAMPINY
Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina
MILAZA ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray, fa Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Mitovy daholo, hono, izy telo ireo, samy mahery indrindra, ary samy tsy nanam-piandohana. Araka io fampianarana io, dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary
-